Ohatrinona ny Vidin’ny Baiboly Iray?
TSY ela izay, ny Tranomboky Britanika dia nanaiky handoa vola efa ho 1 600 000 dolara ho an’ny kopia iray amin’ny Soratra Grika Kristiana dikan-teny anglisy nataon’i William Tyndale. Navoaka izy io, 468 taona lasa izay, ary io no hany fanontana voalohany feno tamin’ny Baibolin’i Tyndale afa-bela tamin’ireo ezaka tamim-pahatapahan-kevitra ny hanapotika azy. Naseho ny besinimaro tany Londres io Baiboly io.
Ilay Baibolin’i Tyndale dia novidina tamin’ny Bristol Baptist College any Angletera, ary tany no nitanana azy io hatramin’ny 1784. Hoy ny Dr. Roger Hayden, mpitari-draharaha lefitra ao amin’ny komitin’ilay fianarana ambony: “Itỳ dia tahirin-kevitra kristiana ara-pirenena sy ara-kolontsaina lehibe dia lehibe, ary naniry ny hahatonga azy io ho azon’ny olona betsaka kokoa ampiasaina izahay, satria notananay tao amin’ireo fitahirizana zava-tsarobidy izy itỳ.”
Nandritra ny taonjato maro, tamin’ny ankamaroany ny Baiboly dia nisy tamin’ny fiteny latina, ka tsy nisy afa-namaky azy afa-tsy ny klerjy sy ireo olo-manga nandia fianarana ihany. Sahala amin’i John Wycliffe talohany, i Tyndale dia naniry ny hanao izay hisian’ny Baiboly ho azon’ny rehetra vakina sy takarina ny heviny. Indray mandeha izy dia niteny toy izao tamin’ny mpitondra fivavahana iray izay nanohitra azy: ‘Raha mitsimbina ny aiko Andriamanitra, tsy hisy taona maro akory dia hataoko izay hahafantaran’ny ankizilahy mitarika angadin’omby bebe kokoa noho ianao, ny Soratra Masina.’
Asa nampidi-doza izany satria ny klerjy dia nanohitra mafy izay nety ho ezaka natao mba hahatonga ny Soratra Masina ho azon’ny sarambaben’olona. Noho izany, dia nandositra avy tany Angletera nankany Alemaina i Tyndale. Tany izy dia nandika ny “Testamenta Vaovao” avy tamin’ny fiteny grika tany am-boalohany. Nisy kopia 3 000 teo ho eo natao pirinty sy naondrana an-tsokosoko nankany Angletera. Novidin’ilay evekan’i Londres avokoa izay kopia rehetra hitany ary dia nodorany ampahibemaso teo an-tokotanim-piangonan’i St. Paul. Tamin’ny farany dia voasambotra i Tyndale, notsaraina, sy nomelohina ho nanohitra ny foto-pinoana. Nokendaina sy nodorana teo amin’ny tsato-kazo izy tamin’ny 1536. Mahaliana tokoa fa ny Baiboly iray izay nankahalain’ny klerjy aoka izany izao dia lafo dia lafo toy izany!
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia miezaka mafy amim-pahatsorana mba hizara fahalalana ny Baiboly araka ny marina ho an’izay rehetra mitady izany. Ankoatra ny fanaovana pirinty sy ny fizarana dikan-teny hafa, dia namoaka fandikana iray ny Baiboly manontolo avy amin’ny fiteny tany am-boalohany izy ireo, ka izy io dia sady araka ny marina no mora vakina. Tamin’ny 1995, dia kopia maherin’ny 74 000 000 amin’io Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao io no efa navoaka tamin’ny fiteny 12. Mazava ho azy fa ny tena mampisy vidiny ny Baiboly iray, na inona izy na inona, dia ilay hafatra manome fiainana ao anatiny.
[Sary, pejy 32]
William Tyndale
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ny sary sokitra tranainy iray ao amin’ilay Tranombokim-pirenena