Hamonjy ny Tany i Jehovah
MIKATONA mandritra ny ora maromaro isan’andro ny seranam-piaramanidina ao amin’ny nosy iray any Maldives. Nahoana? Satria mandifotra ny lalana fipetrahan’ny fiaramanidina ny rano amin’ny samonta ka mahatonga azy io hampidi-doza ho an’ny fiantsonan’ny fiaramanidina. Misy mpahay siansa sasany matahotra ny mety hisondrotan’ny haavon’ny ranomasina eo amin’ireo nosy Maldives ho iray metatra fara fahakeliny amin’ny taonjato ho avy. Na dia toa tsinontsinona aza io habetsahana io, ny fiakarana toy izany dia afaka mamafa tanteraka tsy ho eo amin’ny sarintany, firenena anosy fito. Marina tokoa fa araka ny UN Chronicle, ny fisondrotan’ny haavon’ny ranomasina ho roa metatra dia afaka manototra tanteraka saiky ilay vondro-nosy manontolo, dia nosy 1 200 eo ho eo!
Inona no mahatonga ny fisondrotan’ny haavon’ny ranomasina? Araka ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Tontolo Iainana, ny fandotoana ny habakabaky ny tany vokatr’ireo “etona avy amin’ny vohon’ny tany mihamafana” (effets de serre), dia mahatonga ny ranomasina any amin’ireo faritra mafana kokoa hiitatra, sy ireo ranomandry eny amin’ny tendron’ny tendrombohitra sy ireo mitsororika avy aminy hiempo, ka noho izany dia mampisondrotra ny haavon’ny ranomasina. Ny Panos Institute any Londres dia milaza fa ny fandotoana dia “mety ho nanetsika antambo iray manerana ny bolan-tany misoko moramora, izay manova ireo sisin-tany sy sisin-dranomasina mihitsy”.
Mbola ady hevitra eo amin’ireo mpahay siansa ny fisian’ny hafanana mitombo eo amin’ny bolan-tany. Afaka matoky anefa isika fa tsy hanakana ny fikasan’Andriamanitra ireo zava-manahirana eo amin’ny tontolo iainana. “Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika”, hoy ny Baiboly. (1 Tantara 16:30). Manana fahefana hifehy ny tontolo iainana eto an-tany i Jehovah, ary afaka mifaly isika fa hanavotra tsy ho ela ny tany sy ny taranak’olombelona amin’ny faharavana izy. — Salamo 24:1, 2; 135:6; 2 Petera 3:13.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Sary miorina amin’ny sary nalain’ny NASA