Tsy Araka Izay Ilaina ve ny Baiboly?
MARO no mamaly hoe eny ka milaza hoe: “Tsy ara-tsiansa izy io. Angano izy io. Lany andro izy io. Tsy azo ampiharina izy io. Miaina ao amin’ny tontolon’ny nofinofy ireo mpino.”
Inona anefa no zava-misy?
• Milaza ny Baiboly fa noforonin’Andriamanitra ny fiainana. Milaza ny siansa fa niandoha tamin’ny alalan’ny fikambanan’ireo raha simika sy ny angôvo tamin’ny kisendrasendra ny fiainana. Hoy ny The World Book Encyclopedia: “Nasehon’i Pasteur fa tsy afaka mipoitra ho azy ny fiainana.” Hoy ilay boky hoe Evolution: A Theory in Crisis, nosoratan’i Michael Denton, biolojista: “Eo anelanelan’ny sela velona iray sy ny rafitra tsy biolojika faran’izay milamina indrindra, (...) dia misy hantsana goavana sy tanteraka iray tsy azo saintsainina akory.” Tsy misy mpanohana ny fivoarana miandalana afaka manolo-kevitra ny amin’izay nety ho fomba marim-pototra ara-tsiansa nahafahan’ny fiainana nipoitra ho azy.
• Milaza ny fivoarana miandalana fa nivoatra io sela voalohany io ka nanjary ireo zavaboary velona rehetra eto an-tany. Tsy mampiseho izany ambaratonga nahatongavan’ny karazana iray ho lasa hafa izany velively ny firaketan’ny fôsily. Nanoratra toy izao i Francis Hitching, mpahay siansa, tao amin’ilay bokiny hoe The Neck of the Giraffe: “Rehefa tadiavinao ireo mason-drojo fampitohizana eo amin’ireo sokajim-biby lehibe, dia tsy misy tsotra izao izy ireny.” Izany dia mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly — fa hoe miteraka “samy araka ny karazany avy” ny sokajiny iray. — Genesisy 1:12, 25.
• Amin’ny ohatra maro, ny arkeolojia dia manamafy fa marina ireo filazana ara-tantaran’ny Baiboly.
• Nihevitra ny ntaolo fa notohanan’izao karazana fitaovana noforomporonin’ny saina rehetra izao teo amin’ny habakabaka ny tany. I Isaac Newton no nampiseho tamin’ny fomba siantifika fa, amin’ny alalan’ireo lalàn’ny hetsika sy ny hery misintona, dia mihevaheva tsy misy mitana azy eo amin’ny habakabaka ny tany. Nanambara izany ny Baiboly, efa ho 3 200 taona taloha kokoa, ka noraketiny an-tsoratra ao amin’ny Joba 26:7 fa ‘nanantona ny tany tamin’ny tsy misy’ Andriamanitra.
• Hoy ny The Encyclopedia Americana: “Tsy neken’ny besinimaro ny fiheverana ny amin’ny tany miendrika bola raha tsy tamin’ny Renaissance”, kanefa tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., dia hoy ny Baiboly momba an’Andriamanitra: “Mipetraka eo ambonin’ny tany boribory izy”. — Isaia 40:22, Moffatt.
• Nampiseho taratry ny fahafantarana ireo tsimok’areti-mifindra ny Lalàn’i Mosesy (taonjato faha-16 al.f.i.), an’arivony taona maro talohan’ny nampifandraisan’i Pasteur ireo tsimok’aretina tamin’ny aretina. — Levitikosy, toko faha-13, 14.
• Arivo taona talohan’i Kristy, i Solomona dia nanoratra tamin’ny fiteny ara-panoharana momba ny fikorianan’ny ra, kanefa tsy maintsy niandry mandra-panazavan’i William Harvey azy io tamin’ny taonjato faha-17 am.f.i., ny siansa ara-pitsaboana. — Mpitoriteny 12:6.
• Nanoratra momba ireo vitsika manana sompitra any ambanin’ny tany izay itahirizany voa mba haharitra mandritra ny ririnina, i Solomona. (Ohabolana 6:6-8). Nolazain’ireo mpanao tsikera ny Baiboly fa tsy nisy ireny vitsika ireny. Tamin’ny 1871 anefa, dia nahita ireo vitsika sy ireo sompiny ny natioralista britanika iray.
• Nampiseho taratry ny fahalalana ny rafi-pandovan-toetra (code génétique) ny Salamo 139:16: “Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny [fizarazarana rehetra aminy, NW ]”.
• Tamin’ny taonjato fahafito al.f.i., talohan’ny nahafantaran’ireo mpahay siansa ny fifindran-toeran’ny vorona, dia nampahafantatra toy izao ny Baiboly ao amin’ny Jeremia 8:7: “Mahalala ny fotoana fifindran-toerana ny vano eny amin’ny lanitra, mahalala ny vanin-taonan’ny fiverenana ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe.” — The New English Bible.
• Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ny Baiboly dia nanambara mialoha fa handrava ny tontolo iainana an’ny tany ny olona, amin’ny “andro farany”, ary noho izany, dia ‘hanimba izay manimba ny tany’ Andriamanitra. — 2 Timoty 3:1, NW; Apokalypsy 11:18.
• Tsy azo ampiharina hoe ny Baiboly? Manana ny fahendrena azo ampiharina indrindra amin’ny rehetra ho an’izao fotoana mampidi-doza izao izy io, kanefa tsy maintsy mampiasa ny safidiny malalaka ny olona mba hanarahana azy io raha tian’izy ireo ny handray soa. ‘Tefeo ho fangady ny sabatrareo ary ho fanetezam-boaloboka ny lefonareo’. ‘Ataovy amin’ny hafa izay tianao hataon’izy ireo aminao’. Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ireo izay manaraka ireo fitsipika ireo dia tsy manomboka ady, tsy manao heloka bevava. Rehefa hankato ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra eo am-pelatanan’i Kristy Jesosy ny olona eto an-tany, amin’izay ny fanantenan’ny mpino ny Baiboly dia ho hita ho zavatra tena izy azo ampiharina, fa tsy ho nofinofy tsy mety hisy. — Mika 4:2-4; Matio 7:12; Apokalypsy 21:3-5.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Courtesy of the Shrine of the Book, Israel Museum, Jerusalem