Repoblika Dominikanina — Mbola Misokatra ho Amin’ny Fizahana
TAMIN’NY naha-tovolahy azy, i Christophe Colomb dia niondrana an-tsambo ho amin’ny fiainana teny an-dranomasina, izay nitondra azy hizaha ireo nosy fantatra amin’izao andro izao amin’ny hoe Les Antilles, tamin’ny farany. Tamin’ny Desambra 1492, ny sambony lehibe indrindra, ny Santa María, dia niantsona teo amin’ny moron-tsiraka avaratry ny nosin’i Española, fantatra amin’izao andro izao amin’ny hoe ny nosin’i Hispaniola, zarain’i Haïti sy ny Repoblika Dominikanina. Teto no nanorenan’i Colomb ny fonenana eoropeana voalohany, izay manda naorina maimaika, ary nantsoiny hoe La Navidad. Tonga foiben’ireo fizahana nataony nanaraka io nosy io.
Hitan’i Colomb fa nonenan’ny olona niavaka tamin’ny hatsaran-tarehiny sady azo nitokiana no nahay nandray olona, dia ireo Indianina taino, ilay nosy. Notombanana ho 100 000 ny isan’izy ireo tamin’izany fotoana izany. Teo ambanin’ny fitondrana henjana nampiharin’ireo mpanani-bohitra anefa, izay ny hahita volamena no zavatra nahaliana azy voalohany, dia nihena haingana ny isan’ireo mponina tera-tany. Tany amin’ny 1570, dia voalaza fa tsy nisy afa-tsy 500 teo ho eo sisa ireo Indianina taino.
Amin’izao andro izao, ny Repoblika Dominikanina dia onenan’ny olona avy amin’ny firazanana sy ny volon-koditra maro, izay ny razambeny dia nifindra monina teto. Na dia izany aza, dia toa manana ireo lafin-toetra tsara dia tsaran’ireo Taino izy ireo, dia olona sariaka sy moramorainy amin’ny fotony. Izany toetra izany, nampian’ny finoana an’Andriamanitra tamim-pahatsorana sy ny fanajana ny Baiboly, dia nahatonga ny asa fitoriana sy fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ho nahomby tamin’ny fomba niavaka, tao amin’io tany io.
Fizahana zavatra karazany hafa
Tamin’ny andron’i Trujillo, mpitondra jadona, no tonga tany amin’ny Repoblika Dominikanina ireo misionera voalohany an’ny Watch Tower, dia i Lennart sy i Virginia Johnson. Faly aoka izany izy ireo nahita fa olona maro no namaly tamin’ny fomba haingana sy tamim-pankasitrahana ny hafatra tao amin’ny Baiboly nentin’izy ireo. Tsy nahafaly ireo manam-pahefana sy ireo mpanolo-tsaina azy ireo ara-pivavahana anefa izany. Nisy onjam-panenjehana nirongatra tampoka, ka notsapaina mafy ny finoan’ireo Vavolombelona dominikanina tany am-boalohany ireo. Hatramin’izao andro izao, dia mbola resahina matetika ny momba ny tsy fivadihana sy ny finoan’izy ireo — izay notanany hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza.
Ireo Vavolombelon’i Jehovah izay miisa eo amin’ny 16 000 eo ho eo ankehitriny ao amin’ilay tany, dia fantatry ny olona. Tsy ela izay, dia nandefa ilay vidéo hoe Les Témoins de Jéhovah — Un nom, une organisation,a ny foibe dimy fandefasana televiziona manerana ilay firenena.
Izany dia nampahafantatra betsaka ny asan’ny Vavolombelona, tsy tany amin’ireo tanàn-dehibe ihany fa tany amin’ireo tanàna kelikely sy tany amin’ny faritra ambanivohitra sasany koa. Ho fanolokoloana ny fahalianana, dia nandamina ezaka manokana izy ireo mba hanitarana ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana hatrany amin’ireny faritra lavitra ireny.
Ireo fitahiana amin’ny fiezahana hanatratra faritany lavitra
Vavolombelona tanora maro, be zotom-po sady mavitrika, no nanolo-tena handany roa volana, mba hitoriana tany amin’ireny faritany lavitra ireny. Novalian-tsoa be dia be ny ezaka nataony. Tany amin’ny faritra iray, dia nahita fahalianana tsy nahazatra ny Vavolombelona roa. Koa satria fotoana nankalazana isan-taona ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tamin’izay, dia nanao ireo fandaminana izy ireo ary nanasa ny olona ho tonga. Rehefa feno olona ilay efitrano, dia notarihin’izy ireo ny fivoriana. Nony tapitra izany dia akory ny hagagany fa mbola nisy antokon’olona hafa be dia be tany ivelan’ilay efitrano niandry mba hiditra. Koa nanasa azy ireo hiditra izy ireo ary namerina indray ny fandaharana. Ankehitriny dia misy kongregasiona iray ao amin’izany faritra izany.
Ny toetra malala-tanana sy sariaka ananan’ny olona matetika dia manosika azy ireo hizara amin’ny mpianakaviny sy ny hafa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ianarany. Ny mpianatra Baiboly iray dia dibo-kafaliana rehefa nahafeno ireo fepetra mba handraisana anjara amin’ny fitoriana isan-trano tamin’ny farany. Efa nitarika fampianarana Baiboly dimy teo amin’ny manodidina azy izy, nefa faly izy afaka nandray anjara bebe kokoa tamin’ny fanompoana.
Koa satria nisy faritany betsaka tsy voatsidik’ireo mpitory ilay Fanjakana tamin’ny fomba tsy tapaka, dia misy ezaka atao mba hitoriana amin’ny olona eny ambony aotobisy sy amin’ireo izay miakatra any an-tanàn-dehibe mba hivarotra na hiantsena. Izany dia nitondra vokatra mahafaly, araka izay nasehon’ny fanandraman-javatra nifandray tamin’ny taratasy iray voarain’ny biraon’ny sampana. Noheverina ho avy tamin’ny lehilahy roa, samy olon-dehibe tany amin’ny faritra ambanivohitra izy io, ary tao anatiny dia nisy fangatahana fampianarana Baiboly. Rehefa nitsidika ireo lehilahy ny Vavolombelona iray, dia hay 10 sy 11 taona izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana anefa no nahafantarany momba ny fandaharana ny amin’ny fampianarana Baiboly? Nisy lehilahy iray avy tao amin’izany vohitra izany tonga tany an-drenivohitra mba hanao varotra. Teny an-dalana izy dia tojo Vavolombelona iray, izay nanome azy taratasy mivalona ary nanolotra fampianarana Baiboly maimaim-poana tany an-tokantrano taminy. Rehefa niverina tany amin’ny vohitra nisy azy izy io, dia nomeny ny ankizivavy iray 12 taona mpiray tanàna taminy ilay taratasy mivalona, ary nilaza taminy momba ilay fandaharana ny amin’ny fampianarana Baiboly izy. Ilay ankizivavy kosa taorian’izany dia nampita ny filazana tamin’ireo ankizilahy roa, izay nanoratra ilay taratasy tsy nisy hataka andro. Natomboka ny fianarana ny Baiboly tamin’ireo ankizilahy sy ilay ankizivavy ary ilay lehilahy sy ny zanany roa.
Fihetsika tsara dia tsara asehon’ny tanora
Ireo tanora, izay notezaina tao amin’ny fahamarinana sy ny hafa, dia mandray ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra ho zava-dehibe tokoa. Ohatra, i Tamar sy i Keila zandriny vavy dia samy natao batisa teo amin’ny faha-10 taonany ary samy niditra tamin’ny fanompoana manontolo andro teo amin’ny faha-11 taonany. I Wendy Carolina dia 12 taona fony izy nanamarika ny fanoloran-tenany tamin’ny batisa tao anaty rano, ary roa taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1985, dia nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra izy. Ankehitriny izy dia mpampianatra ny Baiboly mahita vokatra, mbola mifaly amin’ny fanompoana manontolo andro. I Jovanny tanora, izay natao batisa tamin’ny faha-10 taonany sady mpisava lalana maharitra tamin’ny faha-11 taonany, dia mitarika fampianarana Baiboly efatra any an-tokantrano. Rehefa hitan’i Rey folo taona fa nanana bokikely navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpivarotra boky efa nampiasaina iray, dia nangataka tamin’ny reniny i Rey mba hividy azy io ho azy. Namaky manontolo ilay bokikely izy. Ny fitadiavany zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly maro kokoa dia nitarika azy hifandray tamin’ny biraon’ny sampana, tamin’ny farany. Ankehitriny izy dia ao amin’ny fanompoana manontolo andro, ary manompo an’i Jehovah koa ny reniny.
Inona no nanampy azy ireny sy ny tanora hafa koa hankamamy ny hasarobidin’ireo zavatra ara-panahy? Amin’ny toe-javatra maro, dia nandray anjara tena lehibe ny fitarihan-dalana mety nomen’ireo ray aman-dreny. Izany no nitranga tamin’i Josué, izay mpampianatra ny ray aman-dreniny. Rehefa nanipy hevitra ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray mba hiezahan’ny ray aman-dreny hanampy, fara fahakeliny iray amin’ireo zanany hiditra amin’ny fanompoana manontolo andro, dia nihevitra an’i Josué izy ireo. Koa satria i Josué mpianatra niavaka, dia nahazo fanampiana avy tamin’ny fanjakana izy mba hianatra ho injeniera. Rehefa nandany herintaona sy tapany teny amin’ny oniversite izy, dia nanaiky ny fanasana hiditra tamin’ny tetik’asa fanorenana fitambaran-trano atao foibe ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah eto amin’ny Repoblika Dominikanina. Ireo ray aman-dreniny dia naneho fahafaham-po lalina tamin’ny nanolorany ny zanany lahy hanao ny fanompoana an’i Jehovah.
“Mpizaha tany” avy any an-tany hafa
Azo ampiharina marina amin’ny saha fitoriana eto ireo tenin’i Jesosy hoe “be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy”. (Matio 9:38). Ny fahatsapana ny ilana mpitory betsaka sy ny fandraisana tsara dia tsara asehon’ny olona dia nanosika ireo Vavolombelona avy tany amin’ny tany hafa ho tonga handray anjara amin’ny fizahana ilay faritany noho ireo tena harena amin’ny andro ankehitriny, dia ireo olona mitady amim-pahatsorana ny fahamarinana.
Avy ao Porto Rico, nosy eo akaiky, dia fianakaviana maro Vavolombelona no nahita fahafaham-po marina tamin’ny fanompoana tany amin’ny faritra samy hafa amin’ny Repoblika Dominikanina. Hoy ny loham-pianakaviana iray: “Ny hoe afaka maneho ny finoana sy ny fanantenan’ny tena amin’ny olona vonon-kihaino dia mahatonga ny fahamarinana ho velona tokoa!” Rehefa nahafantatra ny zavatra nilaina teto i Cecilia avy any Soeda sy i Nia avy any Etazonia, dia tonga mba hiara-miasa tamin’ireo tanora hafa maromaro mpitory manontolo andro. Izy ireo dia miasa any afovoan-tany, izay avo kokoa ny haambo ary antonona kokoa ny toe-tany. Tahaka izany koa, any amin’ireo tendrombohitra avo sady mangatsiatsiaka voarakotra pins, dia nisy fianakaviana kanadianina roa tonga niaraka tamin’ny fianakaviana dominikanina iray, izay niverina avy tany Etazonia. Izy ireo dia anisan’ny kongregasiona kely iray ary afaka manatratra ireo olona izay tsy notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah efa hatramin’ny folo taona.
I Alfredo sy i Lourdes ary ireo zanany dimy dia niverina avy any New York ary miaraka amin’ny kongregasiona kely iray ao amin’ny iray amin’ireo tanàna kanto amoron-dranomasina fitsangantsanganan’ny mpizaha tany. Faly izy ireo afaka mandray anjara amin’ny fahitana ireo olona tso-po sy amin’ny fanampiana ilay kongregasiona hitombo. I Roland, izay mpiasa amin’ny ordinatera avy any Aotrisy sy i Yuta vadiny dia nanorim-ponenana any amin’ny faritra atsimo, izay mafana sady maina. Nanana fifaliana izy ireo nahita kongregasiona vaovao iray niforona hatramin’ny nahatongavany. Ao amin’ny tanàna iray eo akaiky, dia misy antokona anabavy telo mpisava lalana sy mpivady iray avy any Kalifornia nanao tatitra fa nahazo fangatahana fampianarana Baiboly maro aoka izany izy ireo ka tsy afaka hitarika azy rehetra ireny. Koa nampirisihiny ireo olona liana hanatrika ny fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana, ka hanoratra ny anarany eo amin’ny lisitra miandry fampianarana Baiboly. I Stefan, anadahin’i Yuta, dia manompo amim-pahatokiana miaraka amin’ny kongregasiona kely iray ao amin’ny tanàna kanton’i Samaná, any amin’ny moron-tsiraka avaratra atsinanan’ny Repoblika Dominikanina. Tao anatin’ny roa taona monja, dia nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tao.
Ny fitiavana sy ny zotom-po nasehon’ireo olona ireo sy ny hafa koa, izay tonga nanampy, dia mendrika hoderaina tokoa. Izy ireo dia nanaiky ny zava-tsarotra, tsy amin’ny fifindra-monina any amin’ny tany iray vaovao misy kolontsaina sy fomba amam-panao hafa ihany, fa amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra koa, dia ny fianarana fiteny vaovao iray mba hikarakarana ny zavatra ara-panahy ilain’ireo olona tahaka ny ondry. Ny ezaka nataony dia niafara tamin’ny fihetsika manorina asehon’ny olona eo an-toerana.
Ireo fianakaviana dominikanina sasany dia nandao ireo zavatra mampiadana atolotry ny tanàn-dehibe mba hifindra any ambanivohitra. Izy rehetra ireo dia novalian-tsoa be dia be tamin’ny fifaliana azo tamin’ny fahitana ny tena harena, dia ireo olona nitady tamim-pahatsorana ny fahamarinana.
Ireo olona nitady harena tamin’ny taonjato faha-15 dia tsy nitondra fitahiana, fa fanandevozana sy fahoriana tsy hay lazaina ho an’ireo Taino tera-tany kosa. Na ny tenan’i Colomb aza dia tsy nandray soa avy tamin’ireo harena tany amin’izay nantsoina hoe Le Nouveau Monde. Nosamborina izy tamin’ny farany, nalana tao amin’ilay nosy nozahany, ka nentina niverina nifatotra tany Espaina.
Misy karazana fizahana hafa eo am-panaovana azy amin’izao andro izao, ka harena mbola sarobidy kokoa no hita. Ny vahoakan’i Jehovah dia be atao eo amin’ny fikarohana ireo olona tso-po izay mampiseho fihetsika tsara eo anoloan’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Ny vokany dia ny fisian’ny vahoaka mitombo isa hatrany mifaly noho ny fahafahana izay tsy misy afa-tsy ny Tenin’Andriamanitra ihany no afaka mitondra azy. (Jaona 8:32). Izy ireo dia miandrandra ilay fotoana, izay hahatongavan’itỳ tany be tendrombohitra, misy rian-drano mahavariana sy tora-pasika kanto ary zohy mahafinaritra itỳ ho nosy paradisa; izany nosy ho tonga paradisa izany dia ho tapany fotsiny amin’ny tontolo vaovao iray, izay hahafaoka ny tany manontolo. — 2 Petera 3:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nataon’ny Watch Tower Bible and Tract Society.
[Sarintany, pejy 24]
(Jereo ny gazety)
Repoblika Dominikanina
[Sary, pejy 24, 25]
Mahita ny hasarobidin’ireo zavatra ara-panahy ireo tanora amin’ny fanaovana ny fanompoana manontolo andro