FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/2 p. 26-29
  • Fahadisoan’iza moa Izany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fahadisoan’iza moa Izany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zava-tsarotra ara-bola
  • Fahadisoam-panantenana momba ny ankizy
  • Ny tsy fandrosoana ara-panahy
  • Ny fialan-tsiny farany
  • Fanekena ny zavatra tena izy
  • Ahoana no Hataoko mba Tsy Hahavoateny Foana Ahy Intsony?
    Mifohaza!—1997
  • Fahadisoana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tsy i Jehovah no Tokony Homen-tsiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Nahoana no Izaho Foana no Diso?
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/2 p. 26-29

Fahadisoan’iza moa Izany?

I ADAMA, ilay lehilahy voalohany, no nanomboka ny fironana. Taorian’ny nanotany, dia nilaza tamin’Andriamanitra toy izao izy: “Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.” Raha ny marina, dia nilaza izy hoe: “Tsy fahadisoako izany!” I Eva, ilay vehivavy voalohany, dia nanao nitovy tamin’izany, fony izy nilaza hoe: “Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.” — Genesisy 3:12, 13.

Araka izany, dia tao amin’ny sahan’i Edena no toerana nisehoan’ny fandavan’ny olombelona hiantsoroka andraikitra amin’ny zavatra ataon’ny tenany manokana. Efa mba nanao izany ve ny tenanao? Rehefa mipoitra ireo zava-manahirana, moa ve ianao manome tsiny haingana ny hafa? Sa ianao mamakafaka ny tarehin-javatra mba hahitana hoe fahadisoan’iza marina moa izany? Amin’ny fiainana andavanandro, dia mora erỳ ny ho latsaka ao amin’ny fandrika amin’ny fanomezan-tsiny ny hafa noho ireo fahadisoana izay nataon’ny tenantsika, ka hilaza hoe: “Tsy fahadisoako izany!” Aoka isika hijery tarehin-javatra mahazatra, ka hahita izay ataon’ny olona sasany. Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia eritrereto izay ho nataonao tao anatin’ny toe-javatra toy izany.

Zava-tsarotra ara-bola

“Tsy fahadisoako izany — fa fahadisoan’ny toe-karena, ireo mpanao raharaham-barotra tsy marina, ny fidangan’ny vidim-piainana”, hoy ny mety holazain’ny sasany rehefa tafiditra lalina ao anatin’ny fahasahiranana ara-bola izy. Ireo anton-javatra ireo tokoa ve anefa no tokony homen-tsiny? Angamba nitarika azy ireo hiditra tamin’ny fandraharahana ahazoam-bola mampisalasala na mety hahitan-doza ny toe-piainana tsy azo ianteherana. Indraindray ny faniriana mihoa-pampana dia manamaizina ny fijerena zavatra tena izy, ary mahita ny tenany tafiditra ao anaty rano tsy fantatra ny olona, ka tonga remby mora harapaka ho an’ireo mpanao am-pihi-mamba. Hadinon’izy ireo ilay hain-teny hoe: “Tsara loatra ka sarotra inoana.” Mitady torohevitra izay iriny ho re izy ireo, nefa rehefa tonga zavatra tena izy tsy mahafinaritra ny zava-tsarotra ara-bola, dia mitady olon-kafa homen-tsiny izy. Mampalahelo fa izany indraindray no mitranga na dia ao anatin’ny kongregasiona kristiana aza.

Ny sasany dia voafandrika tao amin’ny tetik’asa ampiasana vola tsy misy fahamalinana na mamitaka mihitsy aza, toy ny fividianana diamondra tsy nisy akory, ny fanomezana vola ampiasaina amin’ny fandaharan’ny televiziona be mpitia nefa lefy haingana, na ny fanohanana ny fividianan-trano sy tany izay efa bankirompitra. Ny faniriana harena tafahoatra dia mety ho nampanjavozavo tao amin’ny fitadidian’izy ireo ilay torohevitry ny Baiboly hoe: ‘Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ka manindrona ny tenany amin’ny alahelo be’. — 1 Timoty 6:9, 10.

Ny fandaniana tsy voafehy koa dia mety hitarika ho amin’ny fahavoazana ara-bola. Mihevitra ny sasany fa tsy maintsy mitovy amin’ireo olona ao amin’ny gazetin-damody farany indrindra izy, maka fialan-tsasatra lafo vidy sy misakafo any amin’ireo hotely faran’izay tsara ary mividy ireo “kilalao” fanalana andro lamody farany ho an’ny olon-dehibe — fiara fitondra miala voly, sambo, caméras, fitaovana stéréo. Mazava ho azy fa mety ho afaka hahazo ireo zavatra ireo amin’ny alalan’ny tetika feno fahiratan-tsaina sy ny fitsitsiana ny sasany amin’ny farany. Kanefa, ireo izay maimay hahazo azy ireny dia mety hahita ny tenany raiki-trosa be. Raha toa mitranga amin’izy ireo izany, fahadisoan’iza moa no nahatonga izany? Miharihary fa izy ireo dia nanao tsirambina ny torohevitra marim-pototra ao amin’ny Ohabolana 13:18 manao hoe: “Fahalahelovana sy henatra no ho an’izay mandà famaizana”.

Fahadisoam-panantenana momba ny ankizy

“Fahadisoan’ireo loholona matoa nandao ny fahamarinana ny zanako”, hoy ny mety holazain’ireo ray aman-dreny sasany. “Tsy naneho fiheverana firy ny zanako izy ireo.”

Ireo loholona tokoa dia manana andraikitra hiandry sy hikarakara ny andian’ondry, nefa ahoana ny amin’ny tenan’ireo ray aman-dreny mihitsy? Fakan-tahaka ve izy ireo amin’ny fanehoana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny fifampiraharahana rehetra ataon’izy ireo? Notarihina tamin’ny fomba tsy tapaka ve ny fianaran’ny fianakaviana ny Baiboly? Naneho zotom-po tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ve ireo ray aman-dreny ary nanampy ny zanany hiomana tamin’izany ve izy ireo? Nitandrina tsara ny fifaneraseran’ireo zanany ve izy ireo?

Tahaka izany koa, dia mora ho an’ny ray na ny reny iray ny hilaza mikasika ny fianarana any an-tsekoly hoe: “Fahadisoan’ny mpampianatra matoa tsy mahay ny zanako any an-tsekoly. Tsy tiany ny zanako. Ary tena ambany ny fari-pahaizan’io sekoly io na ahoana na ahoana.” Mba nifandray akaiky tamin’ny sekoly ve anefa ilay ray na ilay reny? Naneho fahalianana tamin’ireo taranjam-pianarana sy ny fianaran’ilay ankizy ve izy ireo? Natao ve ny fandaharam-potoana mba hanaovany ny enti-modiny, ary nisy fanampiana nomena ve rehefa nilaina izany? Raharaha momba ny fihetsika na momba ny fahakamoana avy amin’ilay ankizy na avy amin’ny ray aman-dreny ve ny fototr’ilay zava-manahirana?

Toy izay hanome tsiny ny rafitra any an-tsekoly, dia hahita soa be lavitra ireo ray aman-dreny raha manao zavatra manorina, ka manao izay hahazoana antoka fa manana ny fihetsika mety sy mampiasa ireo fahafahana mianatra azon’izy ireo raisina any an-tsekoly ny zanany.

Ny tsy fandrosoana ara-panahy

Indraindray isika dia mandre olona miteny toy izao: “Iriko ny ho tonga matanjaka ara-panahy, nefa tsy fahadisoako matoa aho tsy matanjaka. Tsy mihevitra ahy firy ny loholona. Tsy manana namana mihitsy aho. Tsy ao amin’io kongregasiona io ny fanahin’i Jehovah.” Mandritra izany fotoana izany, ireo hafa ao anatin’ny kongregasiona dia manana namana sady sambatra ary manao fandrosoana ara-panahy tsara dia tsara; ary voatahy amin’ny fitomboana sy ny firoboroboana ara-panahy ny kongregasiona. Koa nahoana ny sasany no manan-java-manahirana?

Vitsy ny olona maniry hinamana akaiky amin’ireo izay maneho toe-tsaina tsy manorina sy be taraina. Mety hahakivy indrindra ny fitenenana henjana sy mandratra ary ny fitarainan-dava. Tsy maniry hihamalemy ara-panahy ny sasany ka mety hametra ny fifandraisan’izy ireo amin’ny maha-mpinamana amin’ny olona toy izany. Mandray izany ho toy ny fanehoana fangatsiahana avy amin’ny kongregasiona ny olona iray, ka mety hanomboka hifindrafindra kongregasiona izy. Tahaka ireo andiam-biby mpifindrafindra toerana any amin’ireo tanety midadasik’i Afrika, eo am-pitadiavana vilona maitso kokoa foana ireny Kristiana “mpifindrafindra toerana” ireny, ka mitady foana ilay kongregasiona mifanentana tsara aminy. Ho sambatra kokoa toy inona moa izy ireo raha toa ka nijery ireo toetra tsara tao amin’ny hafa ary niezaka mafy naneho tamin’ny fomba feno kokoa ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra teo amin’ny fiainany manokana! — Galatiana 5:22, 23.

Manao izany ny sasany amin’ny fanaovana fiezahana manokana mba hiresaka amin’ny olona samy hafa isaky ny fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana ary hanao teny fiderana amim-pahatsorana azy noho ny zavatra tsara iray nataony. Mety ho momba ireo zanany tsara taiza izany, ny tsy fahatapahany amin’ireo fivoriana kristiana, ireo valin-teniny voaomana tsara amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ny fahaizany mandray vahiny amin’ny famelany ny tranony hampiasaina ho amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona sy ireo fivoriana alohan’ny asa fitoriana, sy ny toy izany. Amin’ny fanaovana ho zava-kendrenao ny handinika akaiky izay mety ho takon’ny tsy fahalavorariana amin’ny voalohany, dia hahita tokoa ireo toetra tena tsara ao amin’ireo rahalahinao sy anabavinao kristiana ianao. Izany dia hahatonga anao ho mamin’ny fon’izy ireo, ary ho hitanao fa tsy hoe tsy ampy namana mahatoky ianao.

Ny fialan-tsiny farany

“Izany no sitrapon’Andriamanitra.” “Ny Devoly no tokony homen-tsiny.” Azo inoana fa ny fialan-tsiny farany dia ny hanome tsiny an’Andriamanitra na ny Devoly noho ny tsy fahombiazan’ny tenantsika manokana. Marina fa Andriamanitra na ny Devoly dia mety hanan-kery eo amin’ny fisehoan-javatra sasantsasany eo amin’ny fiainantsika. Mino anefa ny sasany fa saika ny zava-drehetra, tsara na ratsy, eo amin’ny fiainany dia vokatry ny fisalovanan’Andriamanitra na ny fisalovanan’i Satana. Toy ny hoe tsy misy na inona na inona mitranga aminy vokatry ny zavatra ataon’ny tenany manokana mihitsy. “Raha tian’Andriamanitra ny hahazoako iny fiara vaovao iny, dia hataony izay hahazoako azy io.”

Matetika ny olona toy izany dia mitondra ny fiainany tsy misy firaharahana izay mety ho vokany, ka manao fanapahan-kevitra ara-bola na hafa amin’ny fiheverana fa Andriamanitra dia hamonjy azy. Raha toa ka miafara amin’ny loza ara-toe-karena na hafa ny zavatra nataony tsy tamim-pitandremana, dia ny Devoly no omeny tsiny. Ny manao zavatra maika tsy ‘amim-piheverana izay ho lany’ aloha, ary avy eo dia manome tsiny an’i Satana noho ny tsy fahombiazana, na mbola ratsy lavitra aza, manantena an’i Jehovah mba hisalovana, dia tsy hoe fahasahisahian-dratsy fotsiny fa hifanohitra amin’ny Soratra Masina koa. — Lioka 14:28, 29.

I Satana dia nanandrana nitarika an’i Jesosy hieritreritra tahaka izany ka tsy handray andraikitra tamin’ireo zavatra nataony. Mikasika ilay fakam-panahy faharoa, dia manao tatitra toy izao ny Matio 4:5-7: “Ny devoly nitondra Azy nankany amin’ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly, dia nanao taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe (...): ‘Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary eny an-tànany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao’. ” Takatr’i Jesosy fa tsy afaka nanantena an’i Jehovah hisalovana izy raha toa ny tenany nanaraka fitondran-tena mazava fa sahisahy ratsy hampidi-doza ny ainy mihitsy aza. Koa tamin’izany izy dia namaly toy izao: “Voasoratra hoe koa: ‘Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao’. ”

Ireo izay manana fironana hanome tsiny na ny Devoly na Andriamanitra noho ireo zavatra mampisalasala ataon’ny tenany manokana dia tena mitovy amin’ireo mpanaraka ny astrolojia, izay mampiasa fotsiny ny kintana ho solon’Andriamanitra na ho solon’ny Devoly. Noho izy ireo miaiky tanteraka fa saika ny zava-drehetra mitranga dia tsy voafehiny, dia hadinon’izy ireo ilay fotopoto-pitsipika tsotra nambara tao amin’ny Galatiana 6:7 hoe: “Izay afafin’ny olona no hojinjany.”

Fanekena ny zavatra tena izy

Tsy misy olona handa fa miaina ao amin’ny tontolo tsy lavorary isika. Ireo zava-manahirana noresahina teto dia tena misy. Hisy olona hanararaotra antsika ara-bola. Hisy mpampiasa tsy hanao ny rariny. Ireo olom-pantatra dia mety hampihatra fitaomana ratsy eo amin’ireo zanatsika. Ny mpampianatra sy ny sekoly sasany dia mila fanatsarana. Indraindray ireo loholona dia ho afaka haneho fitiavana sy fiahiana bebe kokoa. Nefa tsy maintsy ekentsika ny vokatry ny tsy fahalavorariana sy izay marihin’ny Baiboly toy izao: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. Koa tsy fijerena ny zavatra tena izy àry ny hanantenana fa hisosa tsara foana ny diantsika eo amin’ny fiainana. — 1 Jaona 5:19.

Ho fanampin’izany, isika dia tsy maintsy miaiky ny tsy fahalavorariana sy ny fetran’ny tenantsika manokana ary mahatakatra fa matetika ireo zava-manahirana antsika dia vokatry ny hadalana nasehon’ny tenantsika manokana. Nananatra ny Kristiana tany Roma toy izao i Paoly: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina.” (Romana 12:3). Mbola mihatra amintsika amin-kery toy izany ihany io torohevitra io amin’izao andro izao. Rehefa misy zavatra tsy mahafinaritra mitranga eo amin’ny fiainantsika, dia tsy hanahaka avy hatrany an’i Adama sy Eva razambentsika isika ka hilaza hoe: “Tsy fahadisoako izany!” Hanontany tena kosa aza isika hoe: ‘Inona kosa no ho azoko natao mba hanalavirana izany fiafarana tsy mahafinaritra izany? Naneho fahaiza-mitsara zavatra ve aho tamin’ilay raharaha ary nitady torohevitra avy tamin’ny loharano feno fahendrena? Moa ve aho nihevitra ny andaniny hafa na ireo andaniny voakasika tamin’ilay fifandirana ho tsy diso rehefa tsy nahazo antoka, ka hihevitra azy ireo ho mendrika?’

Raha manaraka ireo fotopoto-pitsipika kristiana isika ary maneho fahaiza-mitsara zavatra, dia hanana namana maro kokoa ary tsy hanan-java-manahirana firy. Maro amin’ireo zava-manahirana azo ialana eo amin’ny fiainantsika isan’andro no ho voalamina. Hahita fifaliana amin’ny fifampiraharahantsika amin’ny hafa isika ary tsy ho voahelingelin’ny fanontaniana hoe: “Fahadisoan’iza moa izany?”

[Sary, pejy 28]

Afaka manao zavatra betsaka ireo ray aman-dreny mba hanampiana ireo zanany handroso ara-panahy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara