Sambatra eo Am-panompoana An’Andriamanitra na dia Mpitsoa-ponenana Aza
ADY, mosary, loza amin’antambo, sy korontana. Lohatenim-baovao amin’ny gazety fotsiny ireo ho an’ny olona sasany. Ho an’ny olona maro hafa anefa dia anisan’ny fiainana isan’andro izany. Amin’ny maha-fitambarana Kristiana maneran-tany azy, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia mahalala tsara fa na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona ipoahan’ny ady iray na amelezan’ny loza amin’antambo iray, dia misy amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena mety hijaly. Ary rehefa voatery mandositra ny olona mba hamonjy ny ainy, dia mety ho tsy maintsy manao tahaka izany koa ireo rahalahintsika.
Nandritra ny taona maro, ireo Vavolombelona tao amin’ny tany maromaro atsy Afrika dia voatery niaritra fanandraman-javatra toy izany. Maro taminy no tsy maintsy nanangona izay rehetra azony nentina mba hitady fialofana any an-toeran-kafa. Na dia vitsy taminy aza no nanana fitaovam-pitaterana, angamba bisikilety iray, ny ankamaroany kosa dia voatery nandeha an-tongotra lavitra be — nandritra ny andro maro na herinandro maro mihitsy aza — mba hahatongavana any amin’izay alehany.
Ny toerana iray naleha toy izany dia tanàna kely iray antsoina hoe Mboki, ao amin’ny Repoblika Centrafricaine. Nandritra ireo taona, dia lehilahy sy vehivavy, tanora sy antitra an’arivony maro no tonga tao. Tamin’izy ireo dia nisy maromaro tamin’ireo rahalahy sy anabavintsika kristiana, niaraka tamin’ireo olona liana. Mazava ho azy fa ireo namana kristiana ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ao Bangui, renivohitry ny Repoblika Centrafricaine, dia liana mafy hihaona tamin’ireo mpitsoa-ponenana ireo mba hanome fanampiana. Indimy no nisy solontena iray nalefan’ny sampana niaraka tamin’ny vola, sakafo sy fitafiana ary fanafody, nomen’ireo Vavolombelona tamin-pahalalahan-tanana avy ao Bangui, izay sahabo ho 1 130 kilaometatra avy eo. Na dia kely aza no nananan’ireo nanolotra io fanampiana tamim-pahalalahan-tanana io, ara-bola, dia faly izy ireo nanao izay azony natao.
Fankanesana tany Mboki
Ny rahalahy ao amin’ny biraon’ny sampana dia naniry hahita izay zavatra hafa ho azo atao sy izay fomba ho azo anampiana ara-panahy ireo mpitsoa-ponenana. Koa nanomboka ny dianay izahay mivady nandeha fiara Land Cruiser 4x4, niaraka tamin’i Symphorien, mpisava lalana manokana iray, sy ny vadiny. Nahafantatra tsara ny lalana i Symphorien sady nahay ny fiteny zande, fitenin’ireo mpitsoa-ponenana ao Mboki. Efatra andro lava be sady nanasatra no laninay vao tonga tany.
Ireo 400 kilaometatra farany dia namakivakiana faritra kanto ambanivohitra iray be fidinana sy fiakarana sy misy baobaba makadiry. Nandalo vohitra kely maro izahay indraindray. Tamin’io ampahan-dalana io, ny vadiko dia nanisa tetezana 50 tsy diso — maro no tena ratsy, ny sasany tsy azo nitana. Namboarinay tamin’ny hazo sy hazo lava simba ny tetezana sasany, natsofokay ny crabotage-n’ilay fiara 4x4, nivavaka izahay sy nandroso tamim-pitandremana fatratra. Raha nisy vohitra kely teo akaiky, dia tonga nihazakazaka nankeo ireo zatovo mba hanampy, ho takalon’ny karama kely. Gaga izahay fa nahita tapatapaka vatan-kazo sy hazo fisaka foana avy tamin’ilay tetezana izy ireo tao anaty bozaka matevina sy tao ambanin’ny kirihitra teo akaiky teo. Nahatonga anay hanontany tena izany raha nesorina avy tamin’ny tetezana izy ireny mba hotahirizina ho an’ny mpandeha mila vonjy.
Tamin’ny tarehin-javatra telo izahay dia nanda ny fanampian’ireny zatovo ireny satria hita ho nampidi-doza loatra ny tetezana mba hitana. Koa niala tamin’ny lalana izahay, nidina nankeo amin’ny sakeli-drano, namakivaky teo amin’ny vato, niakatra indray, ary niverina teo amin’ny lalana. Faly toy inona moa izahay fa main-tany tamin’io, satria raha tsy izany dia tsy ho nisy fomba nandehananay, afa-tsy tamin’ny alalan’ny helicoptère angamba!
Tahaka ny ahoana moa i Mboki? Tonga matetika tao an-tsainay izany teny am-pandehanana tamin’io piste tsy manam-pahataperany io, ny hoe piste dia teny frantsay ampiasaina any amin’ny Repoblika Centrafricaine ilazana ny lalana na lalan-kely feno fasika sy vato ary karaobato — ary feno lavaka an’arivony maro.
Ny andro fahefatra, taoriana kelin’ny mitataovovonana, dia nanondro trano bozaka sasantsasany voahodidina hazo papay sy tany mangahazo i Symphorien. “Voilà! Eto no toerana anombohan’i Mboki”, hoy izy niantso mafy. Gaga tokoa izahay tamin’izay hitanay. “Itỳ ve i Mboki? Aiza ny toby?”, hoy izahay nanontany, satria tsy toby no hitanay fa trano maro fotsiny miparitaka etsy sy eroa. Trano kely izy ireo nefa madio ary mitafo bozaka. Nisy hazo sy kirihitra koa teny rehetra teny. Namboly zavamaniry teo akaikin’ny tranony ny olona. Tsy ny karazana toby nampoizinay ho hita i Mboki; izy io dia vohitra lehibe iray sahabo ho 35 kilaometatra ny halavany.
Fihaonana tamin’ireo rahalahy
Fantatr’ireo rahalahy tao Mboki fa ho avy izahay, nefa nihevitra izy ireo fa haharitra dimy andro ny dianay. Rehefa nandre ny fiaranay izy ireo dia nanatona nihazakazaka. Nivoaka haingana avy tao amin’ny trano keliny sy ireo trano mitambatra ary tonga avy tany an-tsahany ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy mba hiarahaba anay. Ny olona tsirairay dia nitsikitsiky sy nihomehy ary nifandray tanana imbetsaka raha azo atao. Ireo reny dia niarahaba anay nanolotra ny zanany kely. Te hiarahaba anay avokoa ny rehetra, ary nandray anay tamin-kafanam-po tokoa izy ireo.
Tsy nisy zavatra betsaka nataonay mivady tamin’io fotoana io noho ny fefy amin’ny fiteny. Nanandrana niteny tamin’ny fiteny frantsay kely, fiteny sango kely, sy fiteny anglisy ary fiteny arabo kely izahay. Ny ankamaroan’ireo rahalahintsika dia mahay miteny sy mamaky ary manoratra amin’ny teny zande. Voatery nandika teny i Symphorien rehefa nanazava ny fandaharana ho an’ny fitsidihanay.
Nanohy kilaometatra vitsivitsy fanampiny izahay ary tonga teo amin’ny Efitrano Fanjakana. Izy io no “fiangonana” voalohany naorin’ireo mpitsoa-ponenana avy amin’izay fivavahana rehetra nisy tao Mboki. Maromaro kokoa tamin’ireo rahalahy sy ireo zanany ary ireo olona liana no tonga mba hifandray tanana. Na dia ireo ankizy teo amin’ny manodidina aza dia tonga niaraka tamin’ny rahalahy mba handray tanana anay.
Efa nanomana trano kely roa ho anay vahininy, ireo rahalahintsika. Tena nadio be ireo trano. Nisy koveta misy rano madio efa vonona niandry anay. Efa nivimbina ny sakafonay sy rano fisotro manokana izahay, nanampo ny tsy hahita na inona na inona, ary mba tsy hampitondra enta-mavesatra an’ireo rahalahintsika. Kanefa, teo amim-pamoahana ny entana avy tao anaty fiara, dia nisy ankizivavy tanora iray tonga ka nanontany ny fomba hitiavanay hanamboarana ny akoho tamin’io alina io, hatono sa handrahoina amin’ny lasosy? Tsy nampoizinay velively izany ary nanontanianay izay nokasain’izy ireo hampiarahina amin’izy io. Ny valin-teny dia hoe: mangahazo. Koa nifidy ny akoho amin’ny lasosy misy zava-manitra izahay. Voky tsara izahay tamin’io alina io. Nefa nanome sakafo anay hatrany izy ireo isan’andro — tamin’ny antoandro sy hariva. Sarotra taminay ny nino izany — mpitsoa-ponenana manome sakafo sy mikarakara anay, na dia tsy nanan-javatra betsaka aza ny tenany.
Kongregasiona kely iray falifaly
Atỳ amin’ny toerana lavitra no nisy anay nefa eo anivon’ny rahalahintsika 21. Roa monja tamin’izy ireo no efa vita batisa fony tonga teto. Olona liana ny sisa fony tonga teto. Nanohy nianatra izy ireo ary natao batisa tao anatin’ireo roa taona farany. Nisy efatra fanampiny natao batisa tao amin’ny ony teo akaiky teo nandritra ny fitsidihanay.
Ohatra iray miavaka ny amin’izany i Faustino. Talohan’ny nahatongavany teto Mboki izy dia nianatra ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly tamin’ny namana iray. Nankasitraka izay nianarany i Faustino. Tsy ela izy sy ilay namany dia nanomboka nitory tamin’ny hafa, nefa tojo fanoherana izy ireo ary naiditra an-tranomaizina, satria “nanakorontana ny mponina” tamin’ny fivavahany. Nony tany an-tranomaizina, dia nihemotra ny naman’i Faustino noho ny tahotra ary nafahana. Roa volana tatỳ aoriana, dia notsaraina i Faustino. Nazava anefa fa tsy marim-pototra ny fiampangana azy, koa nafahana izy. Rehefa tonga tany amin’ny faritra nisy azy ny ady, dia nandositra nankany amin’ny Repoblika Centrafricaine i Faustino ary tao izy dia tafahoana tamin’ireo rahalahy ka niverina nianatra Baiboly indray. Tamin’ny Jolay 1991 dia natao batisa izy ary tamin’ny 1992, dia nanomboka ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpisava lalana maharitra.
Ilay kongregasiona kely falifaly sady tsara fanahy ao Mboki izao dia misy mpisava lalana manokana iray sy mpitory 21. Rahalahy roa mahay miteny anglisy no manompo amin’ny maha-loholona sy afaka mifandray tsara hatrany amin’ny biraon’ny sampana ao Bangui. Nampoizinay ho tao anatin’ny toe-piainana nahatsiravina sy nampamoy fo ireo rahalahintsika nitsoa-ponenana, tsy izany anefa no toe-javatra nisy. Na dia nahantra ara-nofo aza izy ireo, dia tsy nisy nitaraina, na be ahiahy na nimonomonona. Hatramin’ny nahatongavany ireo rahalahy dia nanorina ny trano keliny sy ny tranony ary nanomboka namboly zavatra hatao sakafo sy niompy akoho. Kely kokoa noho ny teo aloha ny zavatra nananany, nefa velon’aina izy ireo ary miaraka amin’ireo namana kristiana.
Koa satria eo anelanelan’ny 17 000 sy 20 000 ny isan’ireo mpitsoa-ponenana ao Mboki, ary misy maro hafa tonga isam-bolana, dia manana faritra lehibe ho an’ny asa fanompoany ireo ralahintsika. Nandeha nitory niaraka tamin’izy ireo izahay, ka tena nahaliana tokoa izany. Mampiasa matetika ny Baiboly amin’ny fiteny zande izy ireo, ary ahitana ny anaran’Andriamanitra ao amin’io fandikan-teny io, ao amin’ny Soratra Hebreo sy ao amin’ny toerana maromaro amin’ny Soratra Grika Kristiana. Ho an’ireo olona ireo, Andriamanitra dia tsy “Mboli” (“Andriamanitra” amin’ny fiteny zande) fotsiny, fa “Yekova”, izay fomba anononany ny anarana manokan’Andriamanitra. Fitenenana iray mahazatra ny hoe “Mboli Yekova”. Ireo fandikan-teny protestanta amin’ny fiteny afrikana maro hafa dia tsy manaraka io fandikana mety io; soloan’izy ireny amin’ny hoe “Nzapa”, “Nzambe”, na anarana afrikana hafa ho an’ny hoe “Andriamanitra” kosa ny hoe “Jehovah”.
Mifanaraka amin’ny faminanian’i Jesosy, dia torina manerana izao tontolo izao ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, na dia ao Mboki aza. (Matio 24:14, NW ). Ny kongregasiona izao dia voavatsy tsara amin’ny Baiboly, boky, gazety, bokikely sy taratasy mivalona amin’ny fiteny rehetra izay ilainy. Angamba amin’ny hoavy, dia hisy zavatra vita an-tsoratra bebe kokoa ho azo raisina amin’ny fiteny zande.
Fiandrasana fonenana maharitra
Ny takariva voalohany izahay dia nampiseho ny fandaharana misy diapositives an’ny Fikambanana mitondra ny lohateny hoe “Midera an’i Jehovah Ireo Mpanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika any Eoropa Atsinanana”. Ny alina nanaraka dia natao ilay fandaharana hoe “La multitude est amenée à la justice au temps de la fin”. Ny fampisehoana diapositives dia natao teny an-kalamanjana, teo akaikin’ny Efitrano Fanjakana, tamin’ny lanitra mazava sy nisy volana nampirapiratra toy ny volafotsy. Rivo-piainana toy inona moa izany! Olona an-jatony maro no tonga nijery ireo fampisehoana diapositives ireo, ary faly sy nirehareha ireo rahalahintsika nanolotra zavatra manokana ho an’ny mponina.
Rehefa tonga ny alatsinainy, dia niomana ho amin’ny dianay miverina izahay. Izany dia ho dia lavitra haharitra efatra andro indray, handehanana amin’ireo lalana sy hitana ireo tetezana 50 teo aloha ihany. Tsy nanaiky ny anabavy iray raha tsy nanomana sakafo hohaninay eny an-dalana — akoho roa fanampiny efa voatono sy nasiana tongolo gasy. Teny am-pandehanana izy ireo dia nanamanitra aoka izany ny tao anatin’ilay Land Cruiser. Tamin’ny mitataovovonana izahay dia nijanona teo amin’ny faritra nisy kirihitr’ala mba hankafy ireo akoho voatono, teo amim-pieritreretana ireo rahalahintsika any Mboki. Na dia voatery nitsoa-ponenana aza izy ireo, dia manohy manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana, eo am-piandrasana fonenam-piadanana maharitra iray ao amin’ny tany vaovao nampanantenain’Andriamanitra. (2 Petera 3:13). — Avy amin’ny mpamaky iray.