Ny Baiboly — Boky Iray Natao ho Azo ny Heviny
MINO ny olona sasany fa ny Baiboly dia ny Tenin’Andriamanitra mazava izay tokony harahina ara-bakiteny. Ho an’ny hafa, “ny hafatra ao amin’ny Baiboly dia sarotra hazavaina kokoa”. Izany no nolazain’ny komitin’ny finoana sy ny teolojia misy mpikambana 12 ao amin’ny antokom-pivavahana protestanta lehibe indrindra any Kanada. Mihevitra ny mpitondra fivavahana iray atao hoe Clifford Elliott, ao amin’ny Fiangonana Mitambatra, fa ho an’ny sasany “ny Baiboly dia manjary teoria fotsiny sy tsy mahakasika ny olona ary tsy azo ampiharina”.
Mampipoitra fanontaniana mifanentana izay mendrika ny hahazo valiny ireny fiheverana ireny. Lehibe amin’izany ny hoe: Nahoana no nosoratana ny Baiboly? Manahiran-tsaina sy be kojakojany loatra ve izy io ka tsy azo ny heviny? Moa ve afaka mahazo ny hevitr’izy io ny olon-tsotra? Fanampiana inona no ilain’ny tena mba hahazoana ny hevitry ny Soratra Masina? Ary nahoana no tena ilaina ny fahalalana araka ny marina ny Baiboly amin’izao fotoana misafotofoto izao?
Nahoana no nosoratana ny Baiboly?
Ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra dia fepetra notakina foana tamin’ireo izay nahazo fitia sy fankasitrahana avy tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra. Mpanjaka, mpisorona, ray aman-dreny, lehilahy, vehivavy, sy ankizy — manankarena sy mahantra — no nasaina tamin’ny fomba nitovy haka fotoana avy tamin’ny asa aman-draharaha teo amin’ny fiainana andavanandro mba hanomezana fiheverana lehibe sy tamim-pahatsorana ny Tenin’Andriamanitra voarakitra an-tsoratra. — Deoteronomia 6:6, 7; 17:18-20; 31:9-12; Nehemia 8:8; Salamo 1:1, 2; 119:7-11, 72, 98-100, 104, 142; Ohabolana 3:13-18.
Ohatra, i Josoa dia nodidiana hoe: “Ataovy azo antoka fa vakina mandrakariva amin’ny fanompoam-pivavahanao ny bokin’ny Lalàna. Mianara azy io andro aman’alina, ary ataovy azo antoka fa mankato ny zava-drehetra voasoratra ao anatiny ianao. Amin’izay dia hiroborobo sy hahomby ianao.” (Josoa 1:8, Today’s English Version). Hiteraka fahombiazana sy fahasambarana ny fianarana sy ny fampiharana amim-pitandremana toy izany ny Lalàn’Andriamanitra. Nokasain’i Jehovah ny hoe “ny olona rehetra” dia tsy hoe hahazo fotsiny ny hevitry ny Teniny, ny Baiboly, fa hankato azy io koa, amin’ny fahatsinjovana ny hahazo ilay fanomezana, dia ny fiainana. — 1 Timoty 2:3, 4; Jaona 17:3.
Be kojakojany loatra ve ka tsy azo ny heviny?
Talohan’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia nasehony mazava fa tiany hitohy maneran-tany ny fandaharana lehibe iray amin’ny fampianarana Baiboly. (Asan’ny Apostoly 1:8). Fantany fa natao ho azo ny hevitry ny Baiboly. Taorian’ny nanazavany fa nomen’i Jehovah azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia namoaka izao baiko mivantana izao izy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. — Matio 28:19, 20.
Talohan’ny batisa, ireo mpianatra vaovao dia tsy maintsy nampianarina momba an’i Jehovah sy ny Zanany ary ny fiasan’ny fanahy masina. Fanampin’izany, dia tsy maintsy nampianarina ny lalàn’ny fandehan-javatra kristiana izy ireo. (1 Korintiana 9:21; Galatiana 6:2). Mba hahatratrarana izany vokatra izany, ireo olona mendrika dia nila ny hino fa, voalohany, avy tamin’i Jehovah ny Baiboly, ary faharoa, natao ho azo ny hevitr’izy io. — Matio 10:11-13.
Inona no takina avy aminao mba hahazoana ny hevitry ny Baiboly? Nanao ezaka manokana ny Zanak’Andriamanitra mba hanazavana ny Soratra Masina. Fantany fa marina ny Soratra Masina ary mirakitra ny filazana ny sitrapon’i Jehovah izy ireny. (Jaona 17:17). Mikasika ny asa nanendrena azy, dia hoy i Jesosy Kristy: “Teraka sady tonga teto amin’izao tontolo izao aho noho izao fikasana izao: Hiteny momba ny fahamarinana. Na iza na iza anisan’ny fahamarinana dia mihaino ahy.” (Jaona 18:37, TEV; Lioka 4:43). Tsy niahotra nampianatra an’ireo izay nanana fo sy saina mora nandray i Jesosy. Izao no lazaina amintsika ao amin’ny Lioka 24:45: “Dia nanokatra ny sain’izy ireo Izy [Kristy Jesosy] hahalala ny Soratra Masina.”
Nandritra ny fanompoan’i Jesosy, dia naka teny avy tao amin’ny Teny voasoratra tamin’ny fomba malalaka izy, ka nanazava sy nanisy firesahana ny amin’ireo andininy tao amin’ny “lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo”. (Lioka 24:27, 44). Ireo izay nandre ny fanazavana araka ny Soratra Masina nomeny dia nihetsi-po mafy tamin’ny fahazavan’ny fahazoany hevi-javatra, ary koa tamin’ny fahaizany nampianatra. (Matio 7:28, 29; Marka 1:22; Lioka 4:32; 24:32). Ho an’i Jesosy, ny Soratra Masina dia boky izay mora azo ny heviny.
Ny Baiboly sy ireo mpanara-dia an’i Jesosy
Nahita ny ilana ny hampianarana ny hafa izay raketin’ny Soratra Masina ny apostoly Paoly, mpanahaka an’i Jesosy Kristy. Fantany koa fa natao ho azo ny hevitr’izy ireny. Izany no antony nampianarany ampahibemaso ary tsy isalasalana fa nanazavany ny Soratra Masina tany an-tokantranon’ireo izay naniry ny hahazo ny hevitr’izy ireny. Nampahafantatra ny heviny i Paoly rehefa nilaza hoe: “Fantatrareo fa tsy nihazona izay mety hanampiana anareo aho rehefa nitory sy nampianatra ampahibemaso sy tany an-tokantranonareo.” (Asan’ny Apostoly 20:20, TEV ). Nandritra ireo fiaraha-midinika nataony, dia nanjohy hevitra avy tamin’ny Soratra Masina izy, ka nanazava sy nanaporofo ireo heviny tamin’ny fakan-teny. (Asan’ny Apostoly 17:2, 3, NW ). Liana tamin’ny fanampiana ny hafa hahazo ny hevitry ny Soratra Masina izy.
Moa ve ianao manana faniriana mafy hahazo ny hevitr’ireo zavatra izay nampianarin’i Jesosy sy ireo mpianany? (1 Petera 2:2). Nanana izany faniriana izany ireo mponin’i Beria fahiny, ary dodona ny hino izay nampianarin’ny apostoly Paoly azy momba an’i Kristy izy ireo. Koa nampirisihina hianatra ny Soratra Masina isan’andro izy ireo ary araka izany, dia nahazo toky fa fahamarinana tokoa ny vaovao tsara ren’izy ireo. Koa satria mora nandray ny sain’izy ireo, dia “maro tamin’ireo no nino”. — Asan’ny Apostoly 17:11, 12.
Mba hahazoana ny hevitry ny Baiboly, ny olona iray dia tokony hanana ny toe-po tsara sy ny faniriana amim-pahatsorana ny hianatra ary ny ‘fahatsapana fa mila zavatra ara-panahy ny tenany’. (Matio 5:3, NW ). Rehefa nanontaniana i Jesosy hoe: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”, dia namaly izy hoe: “Hianareo no [nomena, fanamarihana ambany pejy] hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba [nomena].” Nambara mialoha fa ‘hiloa-bava hilaza fanoharana sy hanambara zavatra izay nafenina’ izy. (Matio 13:10, 11, 35). Koa niteny tamin’ny alalan’ny fanoharana i Jesosy mba hanavahana ny mpihaino tsy rototra sy ta hahafanta-javatra tamin’ny mpanadihady tso-po. Nampiseho ny fahatsoram-pony ireo mpianatr’i Jesosy indray mandeha rehefa niaraka niditra taminy tao amin’ny trano iray ka nilaza toy izao: “[Hazavao, NW ] aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary.” — Matio 13:36.
Miharihary fa mila fanampiana isika raha tiantsika ny hahazo ny hevitry ny Baiboly. Nilaza toy izao ny mpitondra fivavahana atao hoe Hal Llewellyn, mpitantsoratra momba ny teolojia sy ny finoana ary ny firaisam-pinoana ao amin’ny Fiangonana Mitambatra: “Tena zava-dehibe ny hanazavana izay tian’ny Baiboly holazaina amintsika sy ny fomba amakiana azy sady anazavana ny heviny.” Kanefa, na dia tsy ny rehetra aza no mahatsapa izany, ny zava-misy dia izao: Tsy afaka mahazo ny hevitry ny Baiboly samirery isika. Mila fanampiana isika.
Fanampiana inona no azo raisina?
Misy teny mahavery hevitra sy fanontaniana mahavaky loha ary filazana lalina sasany izay mitaky fanazavana, ao amin’ny Baiboly. Mety ho niniana natao ho saro-takarina izy ireny, tamin’ny fampiasana fampitahana misy antony izay tsy natao ho azo ny heviny tamin’ny fotoana nanoratana azy. Kanefa tena nahafaoka ny fikasan’i Jehovah izy ireny. Ohatra, ny Apokalypsy 13:18 dia milaza fa “enina amby enim-polo amby enin-jato” ny “isan’ny bibi-dia”. Na dia milaza aza ilay andininy hoe “indro ny fahendrena”, dia tsy manazava ny hevitr’ilay isa. Navelan’i Jehovah anefa ireo mpanompony mahatoky hahazo ny hevitr’izy io amin’ny alalan’ny fandaminany, amin’izao andro izao. (Jereo ny faritra voafefy hoe: “Fitaovana Hahazoana ny Hevitry ny Baiboly”.) Afaka manana io fahazoana hevi-javatra io koa ianao amin’ny fanampian’ireo izay ampy fanandraman-javatra amin’ny ‘[fampiasana, NW ] ny teny fahamarinana’. — 2 Timoty 2:2, 15, 23-25; 4:2-5; Ohabolana 2:1-5.
Nampiasa fanoharana i Jesosy indraindray mba hampisehoana ny fandraisana na ny tsy fandraisana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nasehony fa tsy handroso ny sasany satria ho kivy noho ny fanoherana avy amin’ny namana sy ny havana. Hamela ny “fahoriana na fanenjehana” hanimba ny fankasitrahany ny hafatra momba ilay Fanjakana ny hafa. Ny sasany koa dia hamela ny asa aman-draharaha amin’ny fiainana andavanandro, “ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena”, hangeja izay mety ho fitiavany ny vaovao tsara. Etsy an-danin’izany, dia ao ireo izay mandray amim-pifaliana sady vonona ny hihaino ny teny sarobidy ka hahazo ny heviny. Izy ireo dia “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao” ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, fanao izay heverina fa atao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Maniry fatratra ny hampianarina ny amin’ny lalan’i Jehovah ny olona toy izany ka noho izany dia hahazo ny hevitr’izay vakiny ao amin’ny Baiboly. — Matio 13:3-9, 18-23; Ezekiela 9:4; Isaia 2:2-4.
Ho an’ireo izay maniry ny hahazo fahatakarana hevi-dalina ny amin’ny fikasan’i Jehovah amin’ny maha-isam-batan’olona, i Jehovah dia afaka miantoka ny hanomezana ny fanampiana ilaina. Ohatra, ny Baiboly dia mitantara fa nitarika an’i Filipo evanjelisitra hanampy lehilahy etiopiana iray ny fanahin’i Jehovah. Teo amim-pandinihana ny bokin’i Isaia ao amin’ny Baiboly io lehilahy io fony nanao dia lavitra avy tany Jerosalema. Teny an-dalana hody, dia teo am-pamakiana izany teo amin’ny kalesiny izy. Ho fankatoavana ny fitarihan’ny fanahy masin’i Jehovah, dia nihazakazaka teo anilan’ilay kalesy i Filipo ary nanontany hoe: ‘Azonao ve izay vakinao?’ Ampy fanetren-tena sy fahatsorana ilay lehilahy ka niaiky fa nila fanampiana izy. Nampianatra tamim-pifaliana an’io olona noana ara-panahy sy vonona ny hianatra io i Filipo. Nanampy azy io hahazo ny hevitry ny Soratra Masina ilay fampianarana. Fantany izay tokony hataony izao mba hananana fifandraisana ankasitrahana amin’i Jehovah ka hahazoana ny fiainana mandrakizay. Tonga mpanompon’i Jehovah sambatra sy vita batisa, izay nanaraka fomba fiaina nampifaly an’Andriamanitra, izy io. — Asan’ny Apostoly 8:26-39.
Mety hanana Baiboly ianao ao an-tokantranonao, ary mety ho namaky azy io imbetsaka. Tena azo inoana fa nahita zava-manahirana mitovy amin’ny hitan’ilay Etiopiana tso-po sy nanetry tena ianao. Tsy afaka nahazo ny hevitr’izay novakiny izy. Nila fanampiana izy ary tsy nisalasala nanaiky ilay fanampiana izay tian’i Jehovah Andriamanitra homena. Tahaka an’i Filipo, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia faly ny hanampy anao amin’ny fahazoana ny hevitr’ireo zavatra mahakasika an’Andriamanitra izay voasoratra ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Fantatr’izy ireo fa nanome ny Baiboly i Jehovah sady te hilaza fa tokony ho azo ny hevitr’izy io. — 1 Korintiana 2:10; Efesiana 3:18; 2 Petera 3:16.
Nahoana no tena ilaina ny Baiboly?
Miaina eo amin’ny fotoana maha-maika indrindra amin’ny tantaran’olombelona isika. Manisy firesahana an’izany ho “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” ny Baiboly. (Matio 24:3, NW ). Ahariharin’ireo fisehoan-javatra maro mitranga hatramin’ny taona 1914 ho fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa tena tsy ho ela izao, ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra dia ‘hanorotoro sy handevona ny fanjakana hafa rehetra’. — Daniela 2:44.
Vakio ho anao izay nambara mialoha ao amin’ny Baiboly ao amin’ny Matio 24 toko faha-24 sy Marka 13 toko faha-13 ary Lioka 21 toko faha-21. Ho voamarikao fa ireo fisehoan-javatra voalazalaza dia mahakasika an’izao tontolo izao. Mahafaoka ady lehibe — miavaka amin’ny ady hafa rehetra — izy ireny. Hatramin’ny Ady Lehibe Voalohany, isika dia manatri-maso ny mosary sy ny horohoron-tany ary ny fotoan’ny tsy fankatoavan-dalàna tsy fahita voalaza mialoha. Ary toa tena efa hanao fanantitranterana ireo firenena ankehitriny, fanantitranterana izay hanome famantarana tsy mety diso fa antomotra ny fandravana izao tontolo izao. Mahakasika izany, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ho avy tsy misy hafa amin’ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah. Amin’izay fotoana hilazan’izy ireo hoe: ‘Fiadanana sy Filaminana!’ dia tsy maintsy tonga aminy avy hatrany ny fandringanana tampoka; (...) ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.” (1 Tesaloniana 5:2, 3, NW ). Iza moa ireo izay tsy afa-mandositra? Manazava toy izao i Paoly: “Izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika”. (2 Tesaloniana 1:7-9). Nisy tapany tamin’ilay famantarana maro loha tokony hotanterahin’ireo izay mankato ilay baiko nomena ao amin’ny Matio 24:14 (NW ) mba hitory ny ‘vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’ny tany onenana manontolo’.
Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro no manatanteraka io baiko io any amin’ny tany sy nosin-dranomasina 231. Mitsidika any an-tokantranon’olona izy ireo ary manasa azy ireny manokana mba hianatra momba ny fitondram-panjakan’i Jehovah. Tondroin’izy ireo amin-katsaram-panahy ny lalana izay tsy maintsy harahin’ny tsirairay avy mba ho anisan’ireo ho tafita velona amin’itỳ fandehan-javatra itỳ ka hiaina ao amin’ny paradisa an-tany izay tsy hisian’ny alahelo, ny fisentoana, ny fanaintainana, na ny fahafatesana. — Apokalypsy 21:3, 4.
Mihatapitra haingana ny fotoana ho an’itỳ tontolo ratsy itỳ. Ary tena ilain’ny rehetra izay maniry ny ho tafita velona amin’ny faran’itỳ tontolo itỳ ny mianatra ny amin’izay tafiditra amin’ny ‘fanekena ny vaovao tsara’, ka araka izany, dia ho afa-mandositra ny fandringanana. Amin’ny fotoana manaraka hitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao an-tokantranonao, nahoana no tsy manaiky ny fanasana hianatra Baiboly isan-kerinandro? Ny mbola tsaratsara kokoa aza, nahoana no tsy mangataka amin’izy ireo ny hianatra ny Baiboly miaraka aminao satria tianao ny hahazo ny hevitr’izy io?
[Efajoro, pejy 8]
FITAOVANA HAHAZOANA NY HEVITRY NY BAIBOLY
NANOME toky antsika i Jesosy fa aorian’ny fahafatesany sy ny fitsanganany, dia hanangana “mpanompo mahatoky sy malina” izay hanompo amin’ny maha-fitaovana fampitany hevitra izy. (Matio 24:45-47, NW ). Nampahafantatra an’io fitaovana io tamin’ireo Kristiana tany Efesosy ny apostoly Paoly rehefa nanoratra fa “hampahafantarina (...) ny mahamaro samy hafa ny fahendren’Andriamanitra [amin’ny alalan’ny kongregasiona, NW ], araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”. (Efesiana 3:10, 11). Ny kongregasiona voaforon’ireo Kristiana voahosotra, teraka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. no nanankinana “ny zavatra ambara”. (Deoteronomia 29:28). Amin’ny fitambarany, ireo Kristiana voahosotra dia manompo amin’ny maha-mpanompo mahatoky sy malina. (Lioka 12:42-44, NW ). Ny asa anendrena azy ireo avy amin’Andriamanitra dia ny hanome fahazoana hevi-javatra amin’ny lafiny ara-panahy momba ireo “zavatra ambara”.
Na dia nanondro nankany amin’i Mesia aza ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, dia mitarika antsika koa ho amin’ny fitambarana Vavolombelona kristiana voahosotra tafaray izay manompo amin’ny maha-mpanompo mahatoky sy malina ankehitriny.a Manampy antsika hahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra izy io. Tokony ho takatr’izay rehetra maniry ny hahazo ny hevitry ny Baiboly fa ‘ny fahendren’Andriamanitra maro samy hafa’ dia tsy azo fantarina raha tsy amin’ny alalan’ilay fitaovana fampitan’i Jehovah hevitra, dia ny mpanompo mahatoky sy malina. — Jaona 6:68.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana, 1 Septambra 1981, pejy faha-24-30.