Vavolombelon’i Jehovah Manerana Izao Tontolo Izao — Nizeria
MISISIKA ao anatin’ilay kaoka eo am-pototry ny faritra andrefana mivohitra amin’i Afrika i Nizeria. Eo amin’ny Hoalan’i Guinée, eo avaratry ny ekoatera avy hatrany no misy azy io sady manana mponina maherin’ny 88 tapitrisa.a
Nandritra ireo taom-piasana roa lasa, dia nanome fiheverana manokana an’ireo tanora ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower atsy Nizeria. Nampiseho ny fanadihadiana natao tamin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa 80 isan-jato tamin’ireo izay nanomboka nitory ny vaovao tsara tatsy Nizeria nandritra ny 1992 dia teo anelanelan’ny 10 sy 20 taona. Tamin’ireo izay natao batisa nandritra ilay taona, dia 63 isan-jato no nitovy taona tamin’izany.
Miezaka ny hanatratra ny asan’ny mpisava lalana ireo tanora
Tanora maro no miditra ao amin’ny asa fitoriana manontolo andro amin’ny maha-mpisava lalana. Hoy ny mpisava lalana iray antsoina hoe Hannah: “Rehefa nadiva hamita ny fianarako aho, dia nitsidika an’ireo nanatrika ny Sekolin’ny Mpisava Lalana, izay nihaonako tamina rahavavy zokiolona roa. Niteny anakampo aho hoe: ‘Raha afaka manao ny asan’ny mpisava lalana izy mirahavavy ireo, nahoana aho no tsy ho afaka?’
“Koa taorian’ny fahavitan’ny fianarako, dia tonga mpisava lalana aho. Telo volana tatỳ aoriana, dia nihaona tamin’i Josephine, 26 taona, mpivavaka tamina juju [ody atao fiaro] aho. Hoy izy hoe: ‘Olon-dratsy ianareo Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mankalaza Krismasy na mampiasa ody atao fiaro ianareo.’ Namaly aho fa raha namela ahy hianatra ny Baiboly niaraka taminy izy, dia ho fantany ny antony tsy anaovanay ireny zavatra ireny. Nanasa ahy hiverina izy. Tsy ela dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana izy ary nanao fiovana maro teo amin’ny fiainany. Natao batisa tamin’ny Desambra 1990 izy. Hatramin’ny Aogositra 1991, dia mpisava lalana i Josephine. Rehefa nanatrika ny Sekolin’ny Mpisava Lalana izy tamin’ny taon-dasa, dia nampahafantatra ahy tamin’ireo iray kilasy taminy ho ny reniny ara-panahy!”
Ny vidéo sy ny Efitrano Fanjakana
Nanampy kongregasiona kely iray hahazo tany ho an’ny Efitrano Fanjakana ny iray tamin’ireo horonan-tsary vidéo an’ny Fikambanana. Tamin’ny fitadiavana tany hovidina, dia nanatona ny Onojie, filoha ara-pomba teo amin’ilay faritra ny rahalahy efatra. Nanolotra azy ireo sombin-tany iray tamin’ny vidiny 20 000 naira (3 587 500 FMG) izy. Tsy afaka nandoa izany vola be izany ilay kongregasiona, satria tsy nisy afa-tsy mpitory 17 monja no hanohana ara-bola ilay tetik’asa. Nilaza ilay Onojie fa hieritreritra toerana hafa.
Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nitsidika ny tranon’ilay Onojie ny iray tamin’ireo loholon’ny kongregasiona. Teo am-pijerena vidéo nirakitra ny fanomezam-pahefana azy ilay Onojie. Hoy ilay loholona hoe: “Manana vidéo izay tiako hojerenao aho. Antsoina hoe Les Témoins de Jéhovah: un nom, une organisation izy io.”
Tatỳ aoriana, dia nanontanian’ilay loholona izay fiheveran’ilay Onojie an’ilay vidéo. “Nijery an’ilay sarimihetsika indimy aho”, hoy izy. Nampahatsiahy an’ilay Onojie an’ireo Efitrano Fanjakana izay hitany tao amin’ilay vidéo ilay loholona ary nanazava fa naniry ny hanorina zavatra mitovy amin’izany ny kongregasiona eo an-toerana. Nanontany izy avy eo raha toa ny kongregasiona ka afaka mividy tany mifanila amin’ilay sombin-tany kely efa nananany. Namaly ilay Onojie hoe: “Omaly alina, taorian’ny fijerena ilay vidéo, dia nieritreritra an’izany aho.” Avy hatrany dia nandrefy tany enina metatra teo akaikin’ny tanin’ny kongregasiona izy. “Afaka mahazo an’io ianareo”, hoy izy. “Afaka maka tany araka izay ilainareo ianareo, manaraka ny halavany. Omano ny taratasy ofisialy, fa hosoniaviko.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana fanampiny, dia jereo ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1994.
[Efajoro, pejy 9]
ANTONTAN’ISAN’ILAY TANY
Taom-piasana 1993
TAMPON’ISAN’NY MPITORY: 174 582
AMIN’NY ARA-KEVINY: Vavolombelona 1 ho an’ny olona 507
MPANATRIKA NY FAHATSIAROVANA: 473 245
ANTSALAN’NY MPITORY MPISAVA LALANA: 19 777
ANTSALAN’NY FAMPIANARANA NY BAIBOLY: 242 028
ISAN’NY NATAO BATISA: 8 888
ISAN’NY KONGREGASIONA: 3 289
BIRAON’NY SAMPANA: BENIN CITY, FANJAKAN’I EDO