Miatrika Fitsarana ny Fivoarana Miandalana
Mitaky amim-pitabatabana ny hamerenana ny fandinihana feno momba ny fiandohan’ny fiainana izao ireo mpanohana mafana fo ny fivoarana miandalana
AOKA hatao hoe mpitsara ao amin’ny fitsarana ady heloka iray ianao. Manambara amin-toky ny tsy maha-meloka azy ilay torina, ary mandroso ireo vavolombelona mba hanamarina azy. Eo am-pihainoana ny fanambaran’izy ireo anefa, dia mahamarika ianao fa mifanohitra izay lazain’ny vavolombelona tsirairay. Avy eo, rehefa asaina miverina eo amin’ny toerana ijoroan’ny vavolombelona ireo izay miaro ilay torina, dia miova ny fitantaran’izy ireo. Amin’ny maha-mpitsara anao, hanisy lanjany ny fanambaran’izy ireo ve ianao? Hirona hanafaka madiodio ilay ampangaina ve ianao? Azo inoana fa tsia, satria izay mety ho fiovaovan’ny fanambarana hiarovana ilay torina dia mampihena ny maha-azo inoana ny tenany.
Toy izany ny tarehin-javatra misy ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana. Nisy vavolombelona maro be niseho mba hanome fanazavana isan-karazany ny amin’ny fiandohan’ny fiainana, ka niaro ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana. Kanefa, moa ve ny fanambaran’izy ireo hahajanona eo anatrehan’ny fitsarana? Moa ve ireo izay manandratra ilay tsangan-kevitra mifanaraka eo amin’izay lazain’izy ireo?
Fanambarana mifanohitra
Ahoana no niandohan’ny fiainana? Angamba tsy misy fanontaniana hafa nampipoitra fanombantombanana bebe kokoa sy niteraka ady hevitra bebe kokoa noho io fanontaniana io. Kanefa, ilay fifandirana dia tsy eo amin’ny fivoarana miandalana sy ny famoronana fotsiny; mitranga eo amin’ireo samy mpanohana ny fivoarana miandalana ihany ny ankamaroan’ilay fifanoherana. Saika ny tsipiriany tsirairay amin’ny fivoarana miandalana — ny fomba nitrangan’izy io, ny toerana nanombohany, iza na inona no nanomboka azy io, sy ny faharetan’ilay fisehoan-javatra — dia iadian-kevitra amin’ny fomba mafana.
Nanantitrantitra nandritra ny taona maro ireo mpanohana ny fivoarana miandalana fa nanomboka tao anatin’ny dobo mafampàna iray voaforon’ny “lasopy” organika, ny fiainana. Mino izao ny sasany fa nety ho afaka niteraka fiainana ny roatran’ny oseana. Toerana nanoloran’ireo mpahay siansa sasany hevitra ho niandohan’ny fiainana ireo loharano mafana any ambany ranomasina. Mihevitra ny sasany fa tonga niaraka tamin’ny tainkintana nianjera teto an-tany ireo zavamiaina. Na angamba, hoy ny hafa, nisy astéroïdes (tenan-javatra eny amin’ny lanitra) nidona mafy tamin’ny tany ka potika ary nanova ny atmosfera ka nampandeha ny fiainana. “Raha misy astéroïde lehibe voaforona vy midona amin’ny tany”, hoy ny mpanao fikarohana iray, “dia mety hisy zavatra mahaliana hitranga.”
Dinihina indray koa ny toetoetry ny fiandohan’ny fiainana. “Tsy nipoitra tao anatin’ny toe-javatra tony sady mahafinaritra ny fiainana, araka ny niheverana azy teo aloha”, hoy ny fanoloran-kevitra nataon’ny gazetiboky Time, “fa teo ambanin’ny habakabaka miendrika afobe nisy ny planeta iray rotidrotiky ny fipoahan’ny volkano ary norahonan’ireo kintana manan-drambo sy astéroïdes.” Mba hivoaran’ny fiainana teo anivon’izany fisafotofotoana izany, dia milaza ny mpahay siansa sasany izao fa tsy maintsy nitranga tao anatin’ny halavam-potoana fohy kokoa noho izay noheverina teo aloha ilay fisehoan-javatra manontolo.
Manana hevitra tsy mitovy koa ireo mpahay siansa momba ny toerana notanan’Andriamanitra — “raha misy izy” — tamin’izany. Milaza ny sasany fa nivoatra tsy nisy ny fisalovanan’ny Mpamorona iray ny fiainana, fa manolo-kevitra kosa ny hafa hoe natombok’Andriamanitra ilay fisehoan-javatra ary navelany ny fivoarana miandalana hanohy izany.
Rehefa nanomboka nisy ny fiainana, ahoana no nitrangan’ny fivoarana miandalana? Na dia eto aza, dia mifanohitra ireo fanazavana. Tamin’ny 1958, taonjato iray taorian’ny namoahana ilay boky hoe L’origine des espèces, dia nilaza toy izao ilay mpanohana ny fivoarana miandalana atao hoe Sir Julian Huxley: “Ny zavatra lehibe hitan’i Darwin, izany hoe ilay fotopoto-pitsipika manerana izao rehetra izao momba ny sélection naturelle [fifantenan’ny natiora izay zavamiaina mifanentana indrindra amin’ny tontolo iainana ka afaka ho tafita velona], dia voaorina mafy tamin’ny farany ho ny hany fitaovana tamin’ny fiovana lehibe araka ny fivoarana miandalana.” Efatra amby roapolo taona tatỳ aoriana anefa, dia nanoratra toy izao ilay mpanohana ny fivoarana miandalana atao hoe Michael Ruse: “Misy biolojista mihamitombo isa (...) manaporofo fa tsy feno amin’ny fomba mamitaka izay tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana rehetra miorina amin’ny fotopoto-pitsipika naorin’i Darwin, indrindra izay tsangan-kevitra mihevitra fa ny sélection naturelle no ilay anton-javatra zary fitaovana tamin’ny fiovana araka ny fivoarana miandalana.”
Ny gazetiboky Time, na dia nilaza aza fa misy “zava-misy mafy orina maro” manohana ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana, dia miaiky anefa fa fitantarana sarotra misy “tsininy maro sy tsangan-kevitra mifanohitra maro ny amin’ny fomba hamenoana ireo porofo banga”, ny fivoarana miandalana. Tsy nanipy hevitra hoe vita ilay raharaha, ny sasany amin’ireo mpanohana ny fivoarana miandalana mafana fo indrindra fa mitaky amim-pitabatabana kosa izy ireo izao ny hamerenana ny fandinihana feno momba ny fiandohan’ny fiainana.
Araka izany, ilay fanaporofoan-kevitra momba ny fivoarana miandalana — indrindra ilay momba ny fiandohan’ny fiainana araka ny fivoarana miandalana — dia tsy miorina amin’ny fanambarana tsy miovaova. Nanamarika ilay mpahay siansa atao hoe T. H. Janabi fa ireo izay miaro ny fivoarana miandalana “dia namelabelatra sy namela tsangan-kevitra maro feno fahadisoana nandritra ny taona maro, ary tsy afaka nifanara-kevitra tamin’ny tsangan-kevitra na dia iray aza hatramin’izao ireo mpahay siansa”.
Mahaliana fa nahatsinjo mialoha izany fifanoherana izany i Charles Darwin. Nanoratra toy izao izy tao amin’ny sasin-tenin’ny L’origine des espèces: “Fantatro tsara fa zara raha misy hevitra tokana velabelarina ato anatin’itỳ boky itỳ, tsy azo anolorana zava-misy ho porofo, ka matetika dia toa mitarika ho amin’ny fanatsoahan-kevitra mifanohitra mivantana amin’ny fanatsoahan-kevitro.”
Eny tokoa, ny fanambarana mifanohitra toy izany dia mampipoitra fisalasalana raha azo inoana ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana.
Safidin’ny avara-pianarana ve ny fivoarana miandalana?
Hatrany am-boalohany, hoy ny fanamarihan’ny boky Milestones of History, ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana dia “nanintona olona maro satria toa tena siantifika kokoa noho ny tsangan-kevitra momba ny famoronana ireo karazana izy io”.
Ambonin’izany, dia afaka manery ireo filazana jadona ataon’ny mpanohana ny fivoarana miandalana sasany. Ohatra, milaza marimarina ilay mpahay siansa atao hoe H. S. Shelton fa ilay fiheverana ny amin’ny famoronana ireo karazana dia “mampiseho hadalana loatra ka tsy mendrika ny hoheverina amim-pitandremana”. Nilaza toy izao tamin’ny fomba nivantambantana i Richard Dawkins, biolojista: “Raha toa ianao ka mifanena amin’olona izay manantitrantitra fa tsy mino ny fivoarana miandalana, dia tsy mahay na inona na inona, dondrona na adaladala izany olona izany.” Toy izany koa, dia hoy ny Profesora René Dubos: “Ny ankamaroan’ireo olona manam-pahalalana izao dia manaiky ho toy ny zava-misy ny hoe: Nivoatra ary manohy mivoatra amin’ny alalan’ny fivoarana miandalana ny zava-drehetra eo amin’izao rehetra izao mirindra, manomboka amin’ny tenan-javatra eny amin’ny lanitra ka hatramin’ny olombelona.”
Avy amin’ireo filazana ireo, dia toa hita fa na iza na iza manana fahakingan-tsaina antonona dia hanaiky ny fivoarana miandalana mora foana. Rehefa dinihina tokoa, ny fanaovana izany dia midika fa “manam-pahalalana” fa tsy “dondrona” ny tena. Kanefa, misy lehilahy sy vehivavy nahita fianarana ambony, izay tsy manohana ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana. “Nahita mpahay siansa maro manana fisalasalana manokana aho”, hoy ny nosoratan’i Francis Hitching tao amin’ny bokiny hoe The Neck of the Giraffe, “ary misy vitsivitsy izay tonga hatramin’ny filazana fa nanjary tsy tsangan-kevitra siantifika velively ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana naorin’i Darwin.”
I Chandra Wickramasinghe, mpahay siansa britanika nohobina fatratra, dia manana fiheverana mitovy amin’izany koa. “Tsy misy ny porofon’ireo fotopoto-pitsipika fototra inoana fa marina ao amin’ny tsangan-kevitra naorin’i Darwin”, hoy izy. “Hery ara-tsosialy izay nanomboka nifehy izao tontolo izao izy io tamin’ny 1860, ary heveriko fa loza ho an’ny siansa izy io hatramin’izay.”
Nanadihady ireo fanaporofoan-kevitra naroson’ireo mpanohana ny fivoarana miandalana i T. H. Janabi. “Hitako fa tena hafa noho izay nampinoana antsika ny tarehin-javatra”, hoy izy. “Ny porofo dia zara raha misy sady mizarazara be loatra, hany ka tsy afaka manohana tsangan-kevitra sarotra toy ny amin’ny fiandohan’ny fiainana.”
Araka izany, ireo izay manohitra ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana dia tsy tokony hohamavoina fotsiny ho toy ny “tsy mahay na inona na inona, dondrona na adaladala”. Mikasika an’ireo fiheverana izay mandà ny fivoarana miandalana, na dia ilay mpanohana ny fivoarana miandalana tsy azo hozongozonina atao hoe George Gaylord Simpson aza dia voatery niaiky toy izao: “Azo antoka fa ho fahadisoana ny hanilihana fotsiny ireny hevitra ireny amim-pitsikiana na ny hanaovana tsinontsinona azy ireny. Mpandinika lalin-tsaina sy nahay (ary mbola toy izany) ireo izay nanohitra ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana.”
Raharaham-pinoana
Mihevitra ny sasany fa miorina amin’ny zava-misy ny fiekena ny fahamarinan’ny fivoarana miandalana, fa miorina amin’ny finoana kosa ny fiekena ny fahamarinan’ny famoronana. Marina fa tsy nisy olona nahita an’Andriamanitra. (Jaona 1:18; ampitahao amin’ny 2 Korintiana 5:7.) Kanefa, tsy manana tombony amin’io lafiny io ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana, satria miorina amin’ny fisehoan-javatra izay tsy nisy olombelona nanatri-maso na naverina indray na oviana na oviana izy io.
Ohatra, tsy nahamarika na oviana na oviana mutations (fiovana lalina sy tampoka eo amin’ny gènes) — na dia ireo mahasoa aza — izay miteraka endri-piainana vaovao ireo mpahay siansa; mahazo antoka anefa izy ireo fa izany indrindra no fomba nisian’ireo karazana vaovao. Tsy vavolombelona nanatri-maso ny fipoiran’ny fiainana ho azy avy amin’ny zavatra tsy manana aina izy ireo; nefa manizingizina izy ireo fa izany no fomba niandohan’ny fiainana.
Nahatonga an’i T. H. Janabi hiantso ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana hoe “ ‘finoana’ ihany”, ny tsy fisian’ny porofo toy izany. Niantso azy io hoe “ny Evanjily araka an’i Darwin” ilay fizisiana atao hoe Fred Hoyle. Lasa lavitra kokoa aza ny Dr. Evan Shute. “Ahiahiko ho manana zava-miafina vitsy kokoa hohazavaina ny mpino ny créationnisme noho ny mpanohana ny fivoarana miandalana mafana fo”, hoy izy.
Misy manam-pahaizana hafa miombon-kevitra amin’izany. “Rehefa mandinika ny maha-izy fototra ny olona aho”, hoy ny fieken’ilay astronoma atao hoe Robert Jastrow, “dia toa fahagagana toy ny fitantarana ao amin’ny Baiboly ny amin’ny fiandohan’ny olona ny fipoiran’io fisiana mahatalanjona io [ny olombelona] avy tamin’ny raha simika levona tao anaty dobon-drano mafampàna”.
Nahoana àry no mbola misy olona maro ihany mandà ny hevitra hoe noforonina ny fiainana?
[Sary, pejy 3]
Afaka manery ireo filazana jadona ataon’ny sasany