FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/7 p. 28-30
  • Araka ny Marina ve ny Kalandrie Jiosy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Araka ny Marina ve ny Kalandrie Jiosy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Famerana ny fotoana fiaingana
  • “Vanim-potoan’ny Famoronana”
  • Fototra ho an’ilay fandaharan-taona
  • Lovantsofina sy filazana hevitra manokana
  • Relìka ara-pivavahana
  • Fanisan-taona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fitopolo Herinandro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fianarana Faha-3 — Fametrahana Ireo Fisehoan-javatra eo Amin’ny Fandehan’ny Fotoana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Daty
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/7 p. 28-30

Araka ny Marina ve ny Kalandrie Jiosy?

ARAKA ny kalandrie jiosy, dia ny alakamisy 16 Septambra 1993 no andro fankalazana ny Rosh Hashanah. Araka ny lovantsofina, dia notsofina tamin’izay ny shofar, na ny trompetra vita tamin’ny tandrok’ondrilahy mba hanambarana ny fahatongavan’ny taombaovao. Io taona io no taona 5754 (kalandrie jiosy), ary nanomboka tamin’ny 16 Septambra 1993 izy io ka hiafara amin’ny 5 Septambra 1994.

Avy hatrany dia mahamarika isika fa misy fahasamihafana 3 760 taona eo amin’ny fanisam-potoana jiosy sy ny kalandrie gregoriana na tandrefana, izay ampiasain’ny besinimaro ankehitriny. Nahoana no misy io fahasamihafana io? Ary araka ny marina ve ny kalandrie jiosy?

Famerana ny fotoana fiaingana

Tsy maintsy manana fotoana fototra na fiaingana voafaritra tsara ny rafitra fanisam-potoana rehetra. Ohatra, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia manisa ny fotoana nanomboka tamin’ny taona izay noheverina fa nahaterahan’i Jesosy Kristy. Lazaina fa ao anatin’ny vanim-potoana kristiana ireo daty hatramin’izay. Izy ireny dia tondroina matetika amin’ny fanamarihana hoe A.D., avy amin’ny teny latina hoe anno Domini, izay midika hoe “amin’ny andron’ny Tompo”. Marihina hoe T.K., “Talohan’i Kristy”, ireo daty talohan’io fe-potoana io.a Ny Sinoa manaraka ny lovantsofina dia manisa ny fotoana toy izany koa, nanomboka tamin’ny 2698 al.f.i., izay fiandohan’ny fotoana nanjakan’i Huang-Ti, ilay Emperora Mavo, araka ny angano. Araka izany, ny 10 Febroary 1994 dia nanamarika ny fiandohan’ny taona sinoa 4692 araka ny fihodinan’ny volana (année lunaire). Ahoana anefa ny amin’ny kalandrie jiosy?

Milaza ny The Jewish Encyclopedia hoe: “Ny fomba mahazatra ankehitriny eo amin’ireo Jiosy amin’ny firaketana an-tsoratra ny datin’ny fisehoan-javatra iray, dia ny filazana ny isan’ireo taona izay lasa hatramin’ny namoronana izao tontolo izao.” Io rafitra io, fantatra eo amin’ireo Jiosy hoe ny Vanim-potoan’ny Famoronana, dia nanjary nampiasain’ny besinimaro, tokony ho tany amin’ny taonjato fahasivy am.f.i. Araka izany, ireo daty ao amin’ny kalandrie jiosy mazàna dia ialohavan’ny fanondroana hoe A.M. Io dia mampiseho ny anno mundi, izay endrika nohafohezina amin’ny ab creatione mundi, midika hoe “nanomboka tamin’ny famoronana izao tontolo izao”. Koa satria A.M. 5754 ny taona ankehitriny, araka io rafitra fanisam-potoana io, dia heverina ho nitranga 5 753 taona lasa izay ny “famoronana izao tontolo izao”. Aoka hojerentsika ny fomba namaritana izany.

“Vanim-potoan’ny Famoronana”

Manome izao fanazavana izao ny Encyclopaedia Judaica (1971): “Ao amin’ny asa marika rabinika samihafa, ny ‘Vanim-potoan’ny Famoronana’ dia nanomboka tamin’ny fararanon’ny iray tamin’ireo taona teo anelanelan’ny 3762 sy 3758 al.f.i. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-12 am.f.i. anefa, dia nanjary nekena fa nanomboka tamin’ny 3761 al.f.i. (raha ny marina kokoa, tamin’ny 7 Okt. tamin’io taona io), ny ‘Vanim-potoan’ny Famoronana’. Io asa marika io dia miorina amin’ny fampifanarahana ireo anton-javatra araka ny fandaharan-taona aseho ao amin’ny Baiboly sy ireo fanazavana araka ny fandaharan-taona hita ao amin’ny haisoratra jiosy taorian’ny Baiboly tany am-boalohany.”

Miorina voalohany indrindra amin’ny filazan’ireo raby ny heviny manokana momba ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, io rafitra fanomezana daty manomboka amin’ny “famoronana izao tontolo izao” io. Noho ny finoan’ireo manam-pahaizana rabinika, ary koa ireo ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, fa noforonina tao anatin’ny enina andro ara-bakiteny nisy 24 ora izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo aminy, dia mihevitra izy ireo fa nitranga tamin’ny taona namoronana izao tontolo izao ny famoronana an’i Adama, ilay lehilahy voalohany. Kanefa tsy araka ny marina velively izany.

Manomboka amin’ny filazana toy izao ny toko voalohany ao amin’ny Genesisy: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” Avy eo izy io dia manohy amin’ny filazalazana izay nataon’Andriamanitra tao anatin’ny enina “andro” nisesy mba hanovana ny tany avy amin’ny toe-javatra “tsy nisy endrika sady foana” ho lasa fonenana sahaza ho an’ny olombelona. (Genesisy 1:1, 2). Nety ho nisy an-tapitrisany taona maro lasa teo anelanelan’ireo ambaratonga roa ireo. Ankoatra izany, dia tsy fe-potoana nisy 24 ora ireo andro famoronana, toy ny hoe voafaritry ny fetra toy izany ireo asan’Andriamanitra. Ny maha-mety ho lava kokoa noho ny 24 ora ny “andro” ao amin’io teny manodidina io dia tondroin’ny Genesisy 2:4, izay milaza ireo fe-potoana famoronana rehetra ho “andro” iray. An’arivony taona maro no lasa teo anelanelan’ny andro famoronana voalohany sy fahenina, fony noforonina i Adama. Ny fanomezana ny datin’ny famoronana an’i Adama ho mitovy amin’ny an’ny lanitra sy ny tany fizika dia sady tsy araka ny Soratra Masina no tsy siantifika. Kanefa, ahoana no namaritana fa nanomboka tamin’ny 3761 al.f.i. ny “Vanim-potoan’ny Famoronana”?

Fototra ho an’ilay fandaharan-taona

Mampalahelo fa tsy misy intsony ny ankamaroan’ireo haisoratra jiosy izay niorenan’ireo asa marika nanaovana fandinihana. Asa soratra araka ny fandaharan-taona nantsoina tany am-boalohany hoe Seder ʽOlam (Filaharan’izao Tontolo Izao) no sisa tavela. Heverina ho nosoratan’i Yose ben Halafta, manam-pahaizana momba ny Talmoda tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., izy io. Io asa soratra io (nantsoina tatỳ aoriana hoe Seder ʽOlam Rabbah, mba hanavahana azy tamin’ny tantara voalahatra tamin’ny Moyen Age nitondra ny lohateny hoe Seder ʽOlam Zuṭa), dia manome tantara araka ny fandaharan-taona nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’ny fikomian’ireo Jiosy tamin’i Roma teo ambany fitarihan’ilay Mesia sandoka atao hoe Bar Kokhba, tamin’ny taonjato faharoa am.f.i. Ahoana no nahazoan’ilay mpanoratra fanazavana toy izany?

Na dia niezaka nanaraka ny fitantaran’ny Baiboly aza i Yose ben Halafta, dia nampiany ny filazany hevitra manokana izany rehefa tsy mazava tsara ny soratra raha ny amin’ireo daty tafiditra. “Tamin’ny toe-javatra maro, (...) dia nanome ireo daty araka ny lovantsofina izy ary nampiditra, ambonin’izany, ireo teny sy halakot [lovantsofina] nataon’ireo raby teo aloha sy ireo niara-belona taminy”, hoy ny The Jewish Encyclopedia. Tsy mba tsara fanahy toy izany ny hafa tamin’ny fanombanan’izy ireo ny asa sorany. Milaza marimarina toy izao ny The Book of Jewish Knowledge: “Nanisa nanomboka tamin’ny Vanim-potoan’ny Famoronana izy ary, araka izany, dia nilaza daty noforomporonin’ny saina fotsiny ho an’ireo fisehoan-javatra jiosy samihafa izay noheverina fa nitranga nanomboka tamin’i Adama, ilay lehilahy voalohany, hatramin’i Aleksandra Lehibe.” Kanefa tamin’ny ahoana no nisy fiantraikany teo amin’ny naha-araka ny marina sy ny naha-azo itokiana ny fandaharan-taona jiosy ireo filazana sy fampidirana hevitra manokana toy izany? Aoka hojerentsika.

Lovantsofina sy filazana hevitra manokana

Nifanaraka tamin’ny lovantsofina rabinika, dia nanao kajy i Yose ben Halafta fa naharitra 420 taona tamin’ny fitambarany ny tempoly faharoa tao Jerosalema. Niorina tamin’ny filazana hevitra manokana rabinika momba ny faminanian’i Daniela ny amin’ny “fito-polo herinandro”, na 490 taona, izany. (Daniela 9:24). Nampiharina tamin’ny elanelam-potoana nisy teo amin’ny fandravana ny tempoly voalohany sy ny fandravana ilay faharoa io fe-potoana io. Tamin’ny famelana 70 taona ho an’ny sesitany tany Babylona, dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra i Yose ben Halafta fa naharitra 420 taona ilay tempoly faharoa.

Mitondra ho amin’ny zava-manahirana lehibe anefa, io filazana hevitra manokana io. Samy fantatra ho daty ara-tantara ny taona nianjeran’i Babylona (539 al.f.i.) sy ny nandravana ilay tempoly faharoa (70 am.f.i.). Koa amin’izany, ny fe-potoana naharetan’ilay tempoly faharoa dia tsy maintsy ho 605 taona fa tsy 420 taona. Amin’ny famerana 420 taona monja ho an’io fe-potoana io, dia tsy ampy 185 taona ny fandaharan-taona jiosy.

Ilay faminanian’i Daniela dia tsy mahakasika ny hoe hafiriana no haharetan’ny tempoly tao Jerosalema. Nilaza mialoha ny fotoana izay hisehoan’ny Mesia kosa izy io. Milaza mazava ilay faminaniana fa “hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’ny Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro”. (Daniela 9:25, 26). Na dia napetraka aza ny fanorenan’ilay tempoly tamin’ny taona faharoa niverenan’ireo Jiosy avy tany amin’ny sesitany (536 al.f.i.), “ny didy” hanamboarana indray ny tanànan’i Jerosalema dia tsy nivoaka mandra-pahatongan’ny “taona faharoa-polo nanjakan’i Artaksersesy”. (Nehemia 2:1-8). Manaporofo ny tantara tsy ara-pivavahana araka ny marina fa ny 455 al.f.i. io taona io. Ny fanisana mandroso ireo 69 “herinandro”, na 483 taona, dia mitondra antsika ho amin’ny taona 29 am.f.i. Io no fotoana nisehoan’ny Mesia, tamin’ny nanaovana batisa an’i Jesosy.b

Ny lafin-javatra hafa amin’ny filazana hevitra manokana rabinika izay niteraka fifanoheran-javatra lehibe teo amin’ny fandaharan-taona jiosy dia mikasika ny fotoana nahaterahan’i Abrahama. Natambatr’ireo raby ny taonan’ireo taranaka nisesy voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Genesisy 11:10-26 ary nofaritany ho 292 taona ny fe-potoana nanomboka tamin’ny Safodrano ka hatramin’ny nahaterahan’i Abrahama (Abrama). Kanefa, ny zava-manahirana dia mikasika ilay filazana hevitra manokana rabinika ny amin’ny Ge 11:26 andininy faha-26, izay milaza hoe: “Rehefa fito-polo taona ny andro niainan’i Tera, dia niteraka an’i Abrama sy Nahora ary Harana izy.” Avy amin’io, dia mihevitra ny lovantsofina jiosy fa 70 taona i Tera fony teraka i Abrama. Kanefa, ilay andininy dia tsy milaza amin’ny fomba voafaritra tsara fa tonga rain’i Abrama i Tera tamin’ny faha-70 taonany. Tena milaza kosa izy io fa tonga rain’ny zanakalahy telo izy taorian’ny naha-70 taona azy.

Mba hahitana ny tena taonan’i Tera tamin’ny nahaterahan’i Abrama, dia ilaintsika fotsiny ny manohy mamaky ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly. Avy amin’ny Genesisy 11:32–12:4, dia mahafantatra isika fa taorian’ny nahafatesan’i Tera teo amin’ny faha-205 taonany, dia nandao an’i Harana i Abrahama sy ny fianakaviany, araka ny didin’i Jehovah. Tamin’izay fotoana izay dia 75 taona i Abrahama. Koa amin’izany, dia tsy maintsy teraka i Abrahama fony 130, fa tsy 70 taona, i Tera. Araka izany, ny fe-potoana nanomboka tamin’ny Safodrano hatramin’ny nahaterahan’i Abrahama dia 352 taona fa tsy 292 taona. Nanao fahadisoana 60 taona eto ny fandaharan-taona jiosy.

Relìka ara-pivavahana

Nahatonga fahasanganehana maro sy ady hevitra be teo amin’ireo manam-pahaizana jiosy ireo hadisoana sy fifanoheran-javatra toy izany ao amin’ny Seder ‘Olam Rabbah sy ireo asa soratra hafa momba ny fandaharan-taona araka ny Talmoda. Na dia nisy fanandramana maromaro aza natao mba hampifanarahana io fandaharan-taona io tamin’ny zava-misy ara-tantara fantatra, dia tsy nahomby tanteraka izy ireo. Fa nahoana? “Ny zavatra nahaliana azy ireo dia tsy akademika fa ara-pivavahana”, hoy ny fanamarihan’ny Encyclopedia Judaica. “Tsy maintsy notohanana ny lovantsofina na inona na inona vidiny, indrindra teo anatrehan’ireo mpanaraka antokom-pivavahana tsy mifanaraka.” Naleon’ireo manam-pahaizana jiosy sasany nanandrana nanao izay tsy hinoana ireo fitantaran’ny Baiboly, toy izay hanafoana ny fisafotofotoana naterak’ireo lovantsofiny. Niezaka nitady fanohanana avy tamin’ireo angano sy lovantsofina babyloniana sy egyptiana ary hindoa, ireo hafa.

Vokatr’izany, dia tsy mihevitra intsony ny “Vanim-potoan’ny Famoronana” ho asa soratra araka ny fandaharan-taona azo ianteherana ireo mpanoratra tantara. Vitsy ireo manam-pahaizana jiosy hiezaka ny hiaro azy io, ary na dia ireo asa soratra fakan-teny manam-pahefana toy ny The Jewish Encyclopedia sy ny Encyclopaedia Judaica aza dia manana fiheverana tsy manorina momba azy io amin’ny ankapobeny. Koa amin’izany, ny fomba fanisam-potoana araka ny lovantsofina jiosy, nanomboka tamin’ny famoronana izao tontolo izao dia tsy azo heverina ho araka ny marina raha jerena avy amin’ny fandaharan-taona ao amin’ny Baiboly, ilay fandaharam-potoana ara-paminaniana miharihary miandalana avy amin’i Jehovah Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Samy manondro ny nahaterahan’i Jesosy Kristy ho tamin’ny taona 2 T.K. ireo porofo ara-baiboly sy ara-tantara. Noho izany, mba ho araka ny marina, dia tian’ny maro kokoa ny mampiasa ireo fanondroana hoe am.f.i. (Amin’ny Fanisan-taona Iraisana) sy al.f.i. (Alohan’ny Fanisan-taona Iraisana), ary izany no fomba fanondroana ireo daty ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Fikambanana Watch Tower.

b Mba hahafantarana ny tsipiriany, dia jereo ny Toute Ecriture est inspirée de Dieu et utile, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., Fianarana Faha-3, fehintsoratra faha-18; ary koa Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1992, pejy faha-11, fehintsoratra faha-8-11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara