Vavolombelon’i Jehovah Manerana Izao Tontolo Izao — Kolombia
TANY tsy misy toa azy ao Amerika Atsimo i Kolombia. Samy eo amoron’io tany voaravaka volkano io ireo oseana atlantika sy pasifika. Ny toe-tany dia miovaova, manomboka amin’ny hainandron’ireo moron-tsiraka sy lemaky ny tany mafana ka hatramin’ny hatsiaky ny tampon’ny Tendrombohitra Andes, avo sady rakotry ny oram-panala.a
Na dia malaza noho ny volamena sy ny emeralda aza i Kolombia, dia ireo olona no fananany sarobidy indrindra. Amin’izao andro izao, i Jehovah dia mameno voninahitra ny tranony ara-panahy. Mirohotra mankao avy any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany, anisan’izany i Kolombia, ireo mpivavaka mahafinaritra sy faniry. — Hagay 2:7, NW.
Vaky vava ireo tale amin’ny fandraharahana ahazoam-bola
Nanamarika ny fitokanana ny biraon’ny sampana vaovao sy ny trano fanontam-pirintin’ny Fikambanana Watch Tower any Facatativá, 42 kilaometatra any avaratra andrefan’i Bogotá, ny alahady 1 Novambra 1992. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ireo mpitsidika ny fitsidihana ilay sampana. Rehefa niverina tany amin’ny orinasa niasany ny mpitsidika iray, dia nampirisika tamim-pahataitairana ireo lehibeny mba hijery sy handinika fandaminana iray izay ‘zava-mahatalanjona noho ny fahaiza-miasa mandaitra sy ny filaminana ary ny toe-tsain’ireo mpiasa’. Nandritra ny fitsidihan’ireo tale nanaraka, dia nampiseho fahalianana mafy sy nanao fanontaniana maro izy ireo.
Ireo tale ireo dia naniry ny handefa ireo mpanara-maso sy mpifehy ary lehiben’ny mpiasa ao aminy — raha ny tena izy dia ny mpiasa rehetra — hanao fitsidihana. Isan-kerinandro, dia nanao fandaharam-potoana ho an’ny mpiasa 15 ka hatramin’ny 25 hanao fitsidihana izy ireo mandra-pahafahan’ireo mpiasa rehetra miisa 1 300 mandinika ny fahaiza-miasa mandaitra toy izany raha ny amin’ny fandaminana.
An-jatony maro tamin’ireo mpiasa no nanao fitsidihana ireo tranon’ny sampana ary nijery ilay vidéo hoe Les Témoins de Jéhovah: un nom, une organisation. Vaky vava tamin’ny halehiben’ny fandaminana sy ny fitaran’ny asa fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany izy ireo, ka nitolagaga tamin’ny fahambonian’ny haitao ampiasaina amin’ny fanatontosana asa eo amin’ny Fikambanana. Rehefa niainga izy ireo, dia maro no heno nilaza fa nahatsiaro ho toy ny hoe ‘nandao ny Paradisa mba hiverina ho any amin’ny tontolo tsy milamina’.
Mahatratra ny karazan’olona rehetra ny fahamarinana
Ireo karazan’olona rehetra dia tratran’ny vaovao tsara. (1 Timoty 2:3, 4). Ohatra, ny mpamoron-kira sady mpitarika tarika rock heavy-metal taloha iray dia nanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy nanao fiovana teo amin’ny fiainany ary tsy ela dia tonga mpisava lalana maharitra. Tatỳ aoriana, dia voatendry ho mpikarakara momba ny asa izy. Nisy olona maromaro izay mpikambana tamin’ny antoko mpanongam-panjakana, nianatra ny hametraka ny fitokiany sy ny fanantenany amin’ny Fanjakan’i Jehovah. Mandray anjara amim-paharisihana amin’ny fitoriana ny hafatra momba ny tontolo vaovao iray mandry feizay izy ireo ankehitriny.
Nisy mpidoroka sy mpamatsy zava-mahadomelina koa nitodika tamin’ny fahamarinana. Ny lehilahy tanora iray izay Vavolombelona ankehitriny dia nitantana fambolena zava-mahadomelina sy laboratoara fanamboarana cocaïne tany anaty ala mikitroka nandritra ny dimy taona, talohan’ny nisarahany tamin’izany karazam-piainana izany. Mahita fahasambarana izy amin’ny fianarana sy ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Ao amin’ny fonja iray, dia misy mpamono olona voaheloka natosiky ny fianarana tamim-pahatsorana ny Baiboly, mivavaka amin-kafanam-po mba hamelan’i Jehovah ny fahotany sy hanekeny azy ireo ho mpanompony.
Toy izany no andraisan’ny karazan’olona rehetra ny hafatra momba ilay Fanjakana. Any Kolombia, toy ny any amin’ny toeran-kafa, dia mameno voninahitra toy izany ny tranony i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana fanampiny, dia jereo ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1994.
[Efajoro, pejy 8]
ANTONTAN’ISAN’ILAY TANY
Taom-piasana 1993
TAMPON’ISAN’NY MPITORY: 60 854
AMIN’NY ARA-KEVINY: Vavolombelona 1 ho an’ny olona 558
MPANATRIKA NY FAHATSIAROVANA: 249 271
ANTSALAN’NY MPITORY MPISAVA LALANA: 8 487
ANTSALAN’NY FAMPIANARANA NY BAIBOLY: 100 927
ISAN’NY NATAO BATISA: 5 183
ISAN’NY KONGREGASIONA: 751
BIRAON’NY SAMPANA: FACATATIVÁ
[Sary, pejy 9]
Ny mpiasan’ny biraon’ny sampana sy ireo misionera tamin’ny 1956
[Sary, pejy 9]
Sarin’ny biraon’ny sampana nalaina avy eny ambony fiaramanidina