Inona no Mitranga Amin’ny Fahefana?
MAHITA ny ilana ny fahefana ny olona misaina. Hanjary hisafotofoto vetivety ny fiaraha-monina raha tsy misy karazana rafi-pahefana sasany. Koa amin’izany, dia milaza toy izao ny boky fianarana frantsay kilasika iray momba ny lalàm-panorenana: “Ao anatin’izay mety ho antokon’olona rehetra, dia ahitana kilasin’olona roa: ireo izay mandidy sy ireo izay mankato, ireo izay manome baiko sy ireo izay manaiky, ireo mpitarika sy mpikambana, ireo mpitondra sy entina. (...) Ny fisian’ny fahefana dia azo jerena ao anatin’izay mety ho fiaraha-monina rehetra.”a
Kanefa, ireo fihetsika eo anatrehan’ny fahefana dia niova hatramin’ny Ady Lehibe Faharoa ary indrindra indrindra hatramin’ireo taona 1960. Amin’ny fanazavana io fe-potoana io, ny Encyclopædia Universalis frantsay dia miresaka ny amin’ny “krizin’ny fanoherana ambaratongam-pitondrana sy fanoherana fahefana”. Ny krizy toy izany dia tsy mahagaga an’ireo mpianatra ny Baiboly. Nilaza mialoha ny apostoly Paoly hoe: “Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, (...) mpanontolo fo, (...) tsy mahonom-po, lozabe, (...) mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”. — 2 Timoty 3:1-4.
Ao anatin’ny krizy ny fahefana
Io faminaniana io dia milazalaza tsara ny andro sy ny vanim-potoana misy antsika. Anaovana fihaikana ny fahefana amin’ny ambaratonga rehetra — fianakaviana, sekolim-bahoaka, oniversite, fandraharahana ahazoam-bola, fitondrana eo an-toerana sy eo amin’ny firenena. Ny revaolisiona eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny tena mozika rap, ny fihetsiketsehan’ny mpianatra, ny fitokonan’ny mpiasa, ny tsy fankatoavana ny fitondram-panjakana, sy ireo asa fampihorohoroana dia famantarana avokoa ny faharavan’ny fanajana ny fahefana.
Tao amin’ny fivorian’ny manam-pahaizana manokana tany Paris nalamin’ny Institut des Sciences Politiques frantsay sy ny gazety mivoaka isan’andro Le Monde ao Paris, dia nilaza ny Profesora Yves Mény hoe: “Tsy afaka ny hisy ny fahefana raha tsy tohanan’ny maha-ara-dalàna azy.” Ny antony iray mahatonga ny krizin’ny fahefana amin’izao andro izao dia ny fisalasalan’ny maro ny amin’ny maha-ara-dalàna an’ireo eo amin’ny fahefana. Izany hoe misalasala izy ireo ny amin’ny zon’izy ireny hanam-pahefana. Nampiseho ny fitsapana hevi-bahoaka iray fa tamin’ny voalohandohan’ireo taona 1980, dia 9 isan-jaton’ny mponina any Etazonia, 10 isan-jaton’ny any Aostralia, 24 isan-jaton’ny any Grande-Bretagne, 26 isan-jaton’ny any Frantsa, sy 41 isan-jaton’ny any India no mihevitra fa tsy ara-dalàna ny fitondram-panjakana eo aminy.
Ny fikarohan’ny olona ny fahefana ara-dalàna
Araka ny voalazan’ny Baiboly, dia teo ambanin’ny fahefan’Andriamanitra nivantana ny olona tany am-boalohany. (Genesisy 1:27, 28; 2:16, 17). Kanefa, taloha be dia efa nitaky fahaleovan-tena ara-pitondran-tena tamin’ny Mpamorona azy ny olombelona. (Genesisy 3:1-6). Noho izy ireo nanda ny teokrasia, na ny fanapahan’Andriamanitra, dia voatery nitady rafi-pahefana hafa izy ireo. (Mpitoriteny 8:9). Nanantitrantitra ny fahefany tamin’ny alalan’ny hery ny sasany. Ho azy ireo, dia nidika ho zo ny fananana tanjaka. Ampy fotsiny ny hoe natanjaka izy ireo mba hanerena ny fanarahana ny sitrapony. Ny ankamaroany anefa dia nahatsapa ny ilana ny haha-ara-dalàna ny zony hanapaka.
Hatramin’ny taloha indrindra, dia mpanapaka maro no nanao izany tamin’ny filazana fa andriamanitra izy ireo na nahazo fahefana avy tamin’ireo andriamanitra izy ireo. Izany no fiheverana miorina amin’ny angano ny amin’ny “toeran’ny mpanjaka masina”, nihamboan’ireo mpanapaka tany Mezopotamia tany am-boalohany sy ireo Faraon’i Egypta fahiny.
I Aleksandra Lehibe sy ireo mpanjaka helenistika izay nandimby azy ary ireo emperora romana maro koa dia nihambo ho andriamanitra ka nitaky ny hanolorana fanompoam-pivavahana mihitsy aza. Ny rafitra teo ambany fitondran’ny mpanapaka toy ireny dia fantatra hoe “fivavahana amin’ny mpanapaka”, ary ny hanamafy ny fahefan’ilay mpanapaka teo amin’ny fifangaroan’ireo vahoaka resy no zava-nokendreny. Ny fandavana tsy hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ilay mpanapaka dia nomelohina toy ny fanaovan-javatra nanoherana ny Fanjakana. Tao amin’ny The Legacy of Rome, dia nanoratra toy izao ny Profesora Ernest Barker: “Ny fanandratana ny emperora [romana] ho andriamanitra sy ny fifikirana naseho taminy noho ny maha-andriamanitra azy, dia miharihary fa ny fanorenana, na ny simenitr’ilay empira na ahoana na ahoana.”
Mbola marina izany na dia taorian’ny nanaovan’ny Emperora Constantin (nanapaka tamin’ny 306-337 am.f.i.) ny “Kristianisma” ho ara-dalàna sy naneken’ny Emperora Théodose I (nanapaka tamin’ny 379-395 am.f.i.) azy io tatỳ aoriana ho fivavahan’ny Fanjakana teo amin’ny Empira Romana aza. Nivavahana toy ny andriamanitra ireo emperora “kristiana” sasany hatramin’ny taonjato fahadimy am.f.i. mihitsy.
“Fahefana roa”, “sabatra roa”
Rehefa nanjary nahery kokoa ny fanapahan’ny papa, dia nanjary henjana ireo zava-nanahirana teo amin’ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Koa tamin’izany, tamin’ny faran’ny taonjato fahadimy am.f.i., ny Papa Gélase I dia namoaka ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny “fahefana roa”: ny fahefana masina ananan’ireo papa miara-misy amin’ny fahefana ananan’ireo mpanjaka — ka eo ambany fahefan’ny papa ny mpanjaka. Io fotopoto-pitsipika io tatỳ aoriana dia nanjary foto-pampianarana ny amin’ny “sabatra roa”: “Tazonin’ny tenan’ireo papa ny sabatra ara-panahy, amin’ny fanankinana ny sabatra sivily amin’ireo mpanapaka lahika, kanefa ireto farany, na dia izany aza, dia tsy maintsy mampiasa ilay sabatra sivily mifanaraka amin’ny toro lalana omen’ny papa.” (The New Encyclopædia Britannica). Niorina tamin’io foto-pampianarana io, nandritra ny Moyen Age, ny Eglizy Katolika dia nihambo ho nanana ny zo hanome fahefana emperora sy mpanjaka mba haha-ara-dalàna ny fahefan’izy ireo, ka manohy araka izany ilay angano fahiny ny amin’ny “toeran’ny mpanjaka masina”.
Izany anefa dia tsy tokony hampifangaroina amin’izay antsoina hoe zon’ny mpanjaka avy amin’Andriamanitra, fisehoan-javatra tatỳ aoriana izay nokendrena hanafahana ireo mpanapaka ara-politika avy tamin’ny fanekena ny fanapahan’ny papa. Milaza ny tsangan-kevitra ny amin’ny zo avy amin’Andriamanitra fa ireo mpanjaka dia mahazo ny fahefany hanapaka avy amin’Andriamanitra mivantana, fa tsy amin’ny alalan’ny papa ao Roma. Milaza toy izao ny New Catholic Encyclopedia: “Tamin’ny fotoana nampiharan’ny papa fahefana ara-panahy hatraiza hatraiza sy fahefana sivily mihitsy aza teo amin’ireo filoham-panjakana, ny hevitra ny amin’ny zo avy amin’Andriamanitra dia nametraka ireo mpanjakan’ny fanjakam-pirenena ho amin’ny toerana izay hanamarinana ny fahefany ho avy amin’Andriamanitra mitovy amin’ny an’ny papa.”b
Ilay angano ny amin’ny fiandrianam-bahoaka
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanolo-kevitra ny amin’ny loharanom-pahefana hafa ny olona. Ny iray tamin’izany dia ny fiandrianam-bahoaka. Maro no mino fa io hevitra io dia niandoha tany Gresy. Tsy nampiharina afa-tsy tao amin’ny tanàna-fanjakana vitsivitsy anefa ny demokrasia grika fahiny, ary na dia tao amin’izy ireny aza dia ireo olom-pirenena lahy ihany no nifidy. Ireo vehivavy sy andevo ary mpivahiny — tombanana ho antsasany ka hatramin’ny efatra ampahadimin’ny mponina — dia navela. Tsy fiandrianam-bahoaka velively!
Iza no nampandroso ilay hevitra ny amin’ny fiandrianam-bahoaka? Mahagaga fa nampidirin’ireo teolojiana katolika tamin’ny Moyen Age izy io. Tamin’ny taonjato faha-13, i Thomas d’Aquin dia nihevitra fa na dia avy amin’Andriamanitra aza ny fiandrianana, dia omena ny vahoaka izy io. Hita fa tian’ny besinimaro io hevitra io. Hoy ny New Catholic Encyclopedia: “Io hevitra io hoe ny vahoaka no loharanom-pahefana dia notohanan’ny ankamaroan’ireo teolojiana katolika tamin’ny taonjato faha-17.”
Nahoana ireo teolojiana ao amin’ny fiangonana izay tsy nananan’ny olona zo hiteny velively tamin’ny fifidianana papa, eveka, na pretra, no nampandroso ilay hevitra ny amin’ny fiandrianam-bahoaka? Satria ireo mpanjaka eoropeanina sasany dia niha-tsy afa-po teo ambanin’ny fahefan’ny papa. Ny tsangan-kevitra ny amin’ny fiandrianam-bahoaka dia nanome ho an’ny papa ny fahefana hanongana emperora na mpanjaka, raha hita fa ilaina izany. Nanoratra toy izao ireo mpanoratra tantara atao hoe Will sy Ariel Durant: “Ireo mpiaro ny fiandrianam-bahoaka dia nahafaoka Jesoita maro, izay nahita an’io hevitra io ho fitaovana handemena ny fahefan’ny mpanjaka nanohitra ny fahefan’ny papa. Raha toa ka avy amin’ny vahoaka, hoy ny fanaporofoan-kevitry ny Kardinaly Bellarmine, ary manaiky azy noho izany, ny fahefan’ny mpanjaka, dia miharihary fa eo ambany fahefan’ny papa izany (...) Nanatsoaka hevitra i Luis Molina, Jesoita espaniola iray, fa ny vahoaka, amin’ny maha-loharanon’ny fahefana tsy ara-pivavahana azy, dia mety hanala amin’ny toerany amin’ny fomba ara-drariny — kanefa amin’ny fanaovan-javatra amin’ny fomba milamina — mpanjaka tsy marina iray.”
Ilay “fanaovan-javatra amin’ny fomba milamina”, mazava ho azy, dia harindran’ny papa. Amin’ny fanamafisana izany, ny boky katolika frantsay hoe Histoire Universelle de l’Eglise Catholique, dia naka teny tao amin’ny Biographie universelle, izay milaza hoe: “I Bellarmine (...) dia nampianatra ho toy ny foto-pampianarana katolika iombonana fa nahazo ny fahefany avy tamin’ny safidim-bahoaka ireo andriana, ary fa tsy afaka mampihatra io zo io ny vahoaka raha tsy eo ambanin’ny fitaoman’ny papa ihany.” (Izahay no manao sora-mandry.) Ny fiandrianam-bahoaka araka izany dia nanjary fitaovana izay azon’ny papa nampiasaina mba hananana fitaomana teo amin’ny fifidianana mpanapaka ary, raha ilaina izany, mba hanalana azy ireo eo amin’ny toerany. Vao haingana kokoa, izy io dia nanome lalana ny ambaratongam-pahefana katolika hanana fitaomana teo amin’ireo mpifidy katolika tao amin’ny demokrasia nisy solombavam-bahoaka.
Eo amin’ny demokrasia maoderina, ny maha-ara-dalàna ny fitondram-panjakana dia miorina eo amin’izay antsoina hoe “fanekena an-tsitrapo avy amin’izay entina”. Raha tsara indrindra anefa izy io dia ny “fanekena an-tsitrapo avy amin’ny maro an’isa”, ary noho ny tsy firaikan’ny mpifidy sy noho ny fanambakana ara-politika, io “maro an’isa” io matetika dia ny vitsy an’isa amin’ny mponina ihany raha ny marina. Amin’izao andro izao, ny “fanekena an-tsitrapo avy amin’izay entina” matetika dia tsy midika afa-tsy “fanekena mora foana, na fanekena tsy satry, avy amin’izay entina”.
Ilay angano ny amin’ny fiandrianam-pirenena
Ilay angano ny amin’ny toeran’ny mpanjaka masina nampandrosoin’ireo papa tany am-boalohany dia nifotitra tamin’ny fanapahan’ny papa ihany rehefa niova ho ny zon’ny mpanjaka avy amin’Andriamanitra izy io. Ny tsangan-kevitra ny amin’ny fiandrianam-pirenena dia nifotitra toy izany koa tamin’ny Eglizy Katolika. Nandritra ireo taonjato faha-17 sy faha-18, ireo filozofa tsy ara-pivavahana toa an’ireo Anglisy atao hoe Thomas Hobbes sy i John Locke ary ilay Frantsay atao hoe Jean-Jacques Rousseau, dia nandinika ilay hevitra ny amin’ny fiandrianam-bahoaka. Namelabelatra filazalazana hafa ny amin’ny tsangan-kevitry ny “fifanekena ara-tsosialy” teo amin’ireo mpanapaka sy ny tapahina izy ireo. Niorina tsy teo amin’ny teolojia fa teo amin’ny “lalàna araka ny natiora”, ny fotopoto-pitsipik’izy ireo, ary ilay fiheverana dia nahatratra ny fara tampony tamin’ny hevitra izay nitondra fahavoazana mafy ho an’ny Eglizy Katolika sy ny fanapahan’ny papa.
Fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Rousseau, dia nipoaka tampoka ny Revaolisiona Frantsay. Nandrava hevitra sasany momba izay ara-dalàna io revaolisiona io, kanefa namorona vaovao iray, dia ny hevitra ny amin’ny fiandrianam-pirenena. Manazava toy izao ny The New Encyclopædia Britannica: “Ny vahoaka frantsay dia nanda ny zon’ny mpanjaka avy tamin’Andriamanitra, ny fanapahan’ny fitambaran’olona ambony, ny tombontsoan’ny Eglizy Katolika.” Kanefa, hoy ny Britannica, “ilay Revaolisiona dia nitondra ilay zavatra noforonina vaovao, ilay firenena-fanjakana, ho amin’ny fahamatorana”. Nila io “zavatra noforonina” vaovao io ireo revaolisionera. Nahoana?
Satria eo ambanin’ilay rafitra notohanan’i Rousseau, ny olom-pirenena rehetra dia hanana zo mitovy hilaza ny heviny ny amin’ny fifidianana mpanapaka. Izany dia hamokatra demokrasia miorina amin’ny fifidianan’ny besinimaro — zavatra izay tsy nankasitrahan’ireo mpitarika ny Revaolisiona Frantsay. Nanazava toy izao ny Profesora Duverger: “Mba hanalavirana indrindra io vokatra io, noheverina ho tsy mahasoa, no namoronan’ireo anisan’ny kilasin’olona antonontonony tao amin’ny Antenimieram-bahoaka ny tsangan-kevitra ny amin’ny fiandrianam-pirenena, nanomboka tamin’ny 1789 ka hatramin’ny 1791. Izy ireo dia nampitovy ny vahoaka tamin’ny ‘Firenena’, izay noheveriny ho tena fisiana mahaleo tena, miavaka amin’ireo tapany mahaforona azy. Ilay Firenena ihany, amin’ny alalan’ireo solontenany, no nomena lalana hihazona fiandrianana (...) Demokratika eo ivelany, saingy tsy demokratika velively ilay foto-pampianarana ny amin’ny fiandrianam-pirenena, satria azo ampiasaina mba hanamarinana saika izay mety ho endrika fitondram-panjakana izy io, indrindra fa ny fitondran’olon-tokana tsy refesi-mandidy.” (Izy no manao sora-mandry.)
Ireo ezak’olombelona: tsy fahombiazana
Ny fanekena ilay Firenena-Fanjakana ho loharanom-pahefana ara-dalàna dia nitarika ho amin’ny fanindrahindram-pirenena. Milaza toy izao ny The New Encyclopædia Britannica: “Matetika dia heverina ho tena tranainy ny fanindrahindram-pirenena; indraindray izy io dia heverina amin’ny fomba diso ho anton-javatra maharitra eo amin’ny fihetsika ara-politika. Raha ny marina, ireo revaolisiona amerikana sy frantsay dia azo heverina ho ny fisehoany mahery voalohany.” Hatramin’ireo revaolisiona ireo, dia nanenika an’ireo tanin’i Amerika, Eoropa, Afrika sy Azia ny fanindrahindram-pirenena. Natao ho ara-dalàna tamin’ny anaran’ny fanindrahindram-pirenena ireo ady feno halozana.
Nanoratra toy izao ilay mpanoratra tantara britanika atao hoe Arnold Toynbee: “Kavingy [ferment] marikivy amin’ny divay vaovaon’ny Demokrasia ao anatin’ny siny hoditra tranainin’ny Fanindrahindram-poko, ny toe-tsain’ny Fanindrahindram-pirenena. (...) Io fanekena lembenana hafahafa eo amin’ny Demokrasia sy ny Fanindrahindram-poko io dia nanan-kery lavitra noho ny Demokrasia mihitsy, teo amin’ny politika ampiharin’ny Tontolontsika Tandrefana maoderina.” Tsy namokatra tontolo mandry feizay ny fanindrahindram-pirenena. Hoy i Toynbee: “Ireo Adin’ny Fivavahana dia narahin’ireo Adin’ny Fanindrahindram-pirenena, taorian’ny fiatoana faran’izay fohy; ary eo amin’ny Tontolontsika Tandrefana maoderina dia miharihary fa fihetseham-po mafy sady ratsy iray mitovy ihany ny toe-tsain’ny firehetana tafahoatra ara-pivavahana sy ny toe-tsain’ny firehetana tafahoatra eo amin’ny fanindrahindram-pirenena.”
Amin’ny alalan’ny angano ny amin’ny “toeran’ny mpanjaka masina”, “zon’ny mpanjaka avy amin’Andriamanitra”, “fiandrianam-bahoaka”, sy “fiandrianam-pirenena”, dia nanandrana nanao izay haha-ara-dalàna ny fahefany teo amin’ireo mpiara-belona taminy ireo mpanapaka. Taorian’ny fandinihana ny firaketana an-tsoratry ny mpanapaka olombelona anefa, dia tsy afaka ny tsy hiombon-kevitra amin’ilay fiheverana voalazan’i Solomona toy izao ny Kristiana iray: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” — Mpitoriteny 8:9.
Toy izay hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny Fanjakana ara-politika, dia aleon’ireo Kristiana manolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra sy manaiky azy ho loharano ara-dalàn’ny fahefana rehetra. Miray hevitra amin’i Davida mpanao salamo izay nilaza toy izao izy ireo: “Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; anao, ry Iaveh, ny fanjakana, anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra!” (1 Tantara 29:11, Kat.). Na dia izany aza, noho ny fanekena sy fanajana an’Andriamanitra, dia mampiseho fanajana araka ny mety ny fahefana eo amin’ny lafiny tsy ara-pivavahana sy ara-panahy, izy ireo. Ny fomba sy ny antony ahafahan’izy ireo manao izany amim-pifaliana dia hodinihina ao amin’ireo lahatsoratra roa manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Droit constitutionnel et institutions politiques, nataon’i Maurice Duverger.
b Milaza toy izao ny The Catholic Encyclopedia: “Io ‘zon’ny mpanjaka avy amin’Andriamanitra’ io (samy hafa tanteraka amin’ny foto-pampianarana hoe avy amin’Andriamanitra ny fahefana rehetra, na ny an’ny mpanjaka na ny an’ny repoblika), dia tsy neken’ny Eglizy Katolika ho ara-dalàna na oviana na oviana. Tamin’ny Réforme, dia naka endrika nampiseho fankahalana tafahoatra ny Katolisisma izy io, ka nihambo ho nanana ny fahafenoan’ny fahefana ara-panahy sy sivily ireo mpanjaka toa an-dry Henri VIII sy Jacques I tany Angletera.”
[Sary, pejy 15]
Nihambo ho nanana ny fahefana hanome fahefana emperora sy mpanjaka ny Eglizy Katolika
[Sary nahazoan-dalana]
Fanokanana an’i Charlemagne ho emperora: Bibliothèque Nationale, any Paris