“Fanaratoana” ao Amin’ireo Ranon’i Fidji
FIDJI — ilay anarana dia mamoha sary an-tsaina paradisan’ny Oseana Pasifika Atsimo. Rano manga manopy maitso, haran-dranomasina, voaniho midoladola, tendrombohitra maitso mavana, trondro tropikaly, voankazo amam-boninkazo hafa kely. Afaka mahita izany rehetra izany tondraka ianao any amin’io fitambara-nosy 300 sahabo ho 1 800 kilaometatra eo avaratr’i Nouvelle-Zélande, any Pasifika Atsimo io. Koa amin’izany, dia mety hanaiky ianao fa mety ho nofinofin’ny tsirairay ny amin’ny paradisa tropikaly i Fidji.
Mambabo ny fo sy ny saina i Fidji ary tsy amin’ny hakantony voajanahary ihany anefa. Eny, tahaka ny isian’ny karazana be dia be amin’ny trondro eny amin’ny haran-dranomasina, dia ahitana karazana be dia be koa eny an-tanety. Ny tsy fitoviana eo amin’ny fifangaroana ara-poko any Fidji angamba, dia tsy misy tahaka azy eny amin’ireo nosin’ny Pasifika Atsimo. Ireo fitambaran’olona roa lehibe indrindra eo amin’ireo mponina ao aminy efa ho 750 000 dia ireo Fidjiens tompon-tany, izay manam-piaviana melaneziana, sy ireo Karàna teraka tany Fidji, taranak’ireo mpiasa nampidirina avy tany India nandritra ny andron’ny fanjanahan-tany anglisy. Kanefa dia ao koa ireo mponina avy any Banaba, ireo Sinoa, Eoropeanina, Gilbertais, Rotumans, Tuvaluans, sy ny hafa.
Ao amin’io fitambaran’olona misy kolontsaina maro be io, dia misahirana miantsoroka asa “fanaratoana” ireo Vavolombelon’i Jehovah. (Marka 1:17). Zava-tsarotra ny mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny fiaraha-monina misy karazan’olona maro toy izany. Voalohany, dia eo ny fefy ara-piteny sy ara-kolontsaina tokony horesena. Na dia ny teny anglisy aza no fiteny iombonana, dia tsy maintsy ampiasaina matetika ny fiteny fidjien, hindi, rotuman, na fiteny hafa.
Tsy maintsy ampiasaina koa ireo tari-dresaka samy hafa mba hiresahana amin’ireo olona nahazo fanabeazana ara-pivavahana samy hafa. Mpikambana amin’ny fandaminana ara-pivavahana kristiana samihafa ny ankamaroan’ireo Fidjiens tompon-tany sy ireo mponina anosy hafa. Ny mponina karàna dia voaforon’ireo Hindoa sy Miozolimanina ary Sikhs, ka ireo Hindoa no betsaka indrindra. Maro ireo fiangonana any amin’ireo tanàna sy tanàna kely, kanefa, ao amin’ireo nosy roa lehibe indrindra any Fidji, dia mampiseho tsy fitoviana ireo tempoly hindoa sy toeram-pivavahana silamo maro.
Vavolombelona eo an-toerana maro no nihalehibe tamin’ny fitenenana ireo fiteny telo lehibe indrindra — anglisy sy fidjien ary hindi. Tombony lehibe ny fananana io fahaizana io eo amin’ny asa “fanaratoana”. Indraindray ny olona dia gaga mandre Fidjien mahay miteny hindi tsara ary mandre Hindoa mahay miteny fidjien tsara. Amin’ny fiatrehana fahasamihafana ara-kolontsaina sy ara-pivavahana ary ara-piteny, izany dia mitaky ny hampiasana tari-dresaka afaka miovaova mba ho “mpiombona [ny vaovao tsara, NW ] aminy”. — 1 Korintiana 9:23.
“Fanaratoana” ao amin’ny tanàna fidjien iray
Ireo Fidjiens tompon-tany dia olona sariaka sy mahay mandray vahiny. Sarotra ny ieritreretana fa mahery kelin’ny taonjato iray lasa izay, dia nanjaka ny adim-poko. Raha ny tena izy, tamin’ny fotoana nifandraisan’ny Eoropeanina voalohany tamin’i Fidji, dia fantatra hoe ny Cannibal Islands (Nosin’ny Mpihinana Olona) izy io. Tamin’ny farany, tamin’ny fanapahan’ny filoha ambony indrindra iray sy ny fiovany ho kristiana, dia foana ny fifamelezana sy ny fihinanan’olona. Mitoetra fotsiny eo amin’ny fitenim-paritra maro izay hita any amin’ireo faritany samihafa ny fahasamihafana ara-poko, na dia ny fitenim-paritra bauan aza no azon’ny besinimaro.
Ankoatra an’i Suva, ilay renivohitra, dia misy tanàna maro manerana an’i Fidji. Mipetraka ao anatin’ny fiaraha-monina any an-tanàna kely ny ankamaroan’ireo Fidjiens, eo ambany fifehezan’ny turaga ni koro, na lehibe iray. Rehefa miditra ao amin’ny tanàna kely iray mba hiantsoroka ny “fanaratoana”, dia mahazatra ny manatona io lehilahy io mba hangata-dalana hitsidika ireo bures, na trano eo an-toerana, samihafa. Indraindray ihany, noho ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana ao an-tanàna ny Vavolombelon’i Jehovah mazàna, vao lavina ilay fahazoan-dalana. Manao ahoana izany fitsidihana trano fidjien izany?
Rehefa miditra ao amin’ny bure izahay dia mitombina eo amin’ny gorodona. Tsy ilaina eto ny fampidiran-dresaka voalaza amim-pitandremana tsara, toy izay ampiasaina mba hanairana ny fahalianana any amin’ireo tany tandrefana. Na iza na iza tonga mba hiresaka momba an’Andriamanitra dia raisina tsara. Rehefa asaina maka ny Baiboliny ilay tompon-trano, dia mitsangana an-tsitrapo ary, amin’ny fitenenana hoe “tulou” (aza fady), dia manakatra eo amin’ny talantalana ny Baiboly amin’ny teny fidjien izy ary mamaky amim-pahadodonana ireo andininy samihafa izay lazain’ilay mpitory mitsidika. Kanefa, dia mampiseho zava-tsarotra amin’ny fomba hafa ny fihetsika mahay mandray vahiny sy feno fanajana fidjien. Ilaina ny fahaiza-manavaka sy ny fahaiza-mandanjalanja lehibe mba hitarihana ireo tompon-trano ho amin’ny resadresaka, mba hampirisihana azy ireo hanaraka ny lalan’ny fanjohian-kevitra narahina, na mba hanampiana azy ireo hahita ny ilana ny hampitahana ireo zavatra inoany manokana amin’ny fampianaran’ny Baiboly.
Liana kokoa amin’ny dinika momba ny foto-pampianarana ireo tompon-trano fidjiens amin’ny ankapobeny, noho ny amin’ny firesahana momba ireo toe-piainana na raharaha iadian-kevitra ara-tsosialy. Raha ny tena izy, dia nanjary liana ny amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny maro amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah marisika maherin’ny 1 400 any Fidji, vokatry ny dinika tamin’ny fanontaniana toy ny hoe: Toerana manao ahoana moa ny afobe? Iza no mankany an-danitra? sy ny hoe: Horavana ve ny tany? Mitaky fahaiza-mampifanara-javatra sy faharetana anefa ny fanolokoloana ny fahalianana miseho. Rehefa miverina amin’ny fotoana nifanarahana ny olona iray matetika dia mahita fa lasa nankany amin’ny teitei (toeram-pambolena) na any an-toeran-kafa ilay tompon-trano. Tsia, tsy hoe tsy mahay mankasitraka ilay fitsidihana izy ireo fa hafa fotsiny ny fahatsapany fotoana. Mazava ho azy fa ho an’ireo Vavolombelona eo an-toerana, dia tsy hitany ho tsy mahazatra izany. Mikiry izy ireo amin’ny fitsidihana amin’ny fotoana hafa. Tsy misy anaran’ny arabe na nomeraon’ny trano azo raisina an-tsoratra, hany ka mila manana fitadidiana tsara ny olona iray rehefa miverina mitsidika.
“Fanaratoana” amin’ny fomba polineziana
Aoka isika izao handeha ‘hanarato’ miaraka amin’ny mpitory mpitety faritany iray, na mpiandraikitra ny fizaran-tany, amin’ny fitsidihany ny kongregasiona kely any Rotuma. Io vondro-nosy volkanika io dia eo amin’ny 500 kilaometatra eo avaratr’i Fidji. Mba hahatratrarana azy io, dia mandeha amin’ny fiaramanidina misy toerana 19 isika. Manana velarana 50 kilaometatra tora-droa monja ny nosy lehibe indrindra, izay misy mponina 3 000 eo ho eo amin’ny fitambarany. Misy lalam-pasika manaraka ny moron-tsiraka mampifandray tanàna kely 20 eo ho eo. Fehezin’i Fidji i Rotuma kanefa manana kolontsaina sy fiteny hafa. Noho ireo olona ao aminy manana fiaviana polineziana, dia samy hafa amin’ireo Fidjiens melaneziana izy ireo amin’ny endriny ivelany. Raha ny fivavahana no resahina, dia Katolika na Metodista ny ankamaroany.
Rehefa midina sy hipetraka ilay fiaramanidina, dia mahita ny zavamaniry mirobona maitso eo amin’ilay nosy isika. Hita hatraiza hatraiza ireo ravim-boaniho tahaka ny volom-borona. Misy vahoaka be dia be tonga mba hiarahaba tonga soa ilay fiaramanidina tonga indray mandeha isan-kerinandro. Misy antokona Vavolombelona eo amin’izy ireo. Arahabaina amin-kafanam-po isika, ary tolorana kôkô tanora lehibe vitsivitsy, izay efa misokatra ny “vavany”, mba hanalantsika hetaheta.
Aorian’ny fandehanana fohy, dia tonga eo amin’ny toerana ipetrahantsika isika. Misy sakafo nandrahoina tao amin’ny lafaoro anaty tany efa nomanina. Velarina eo anoloantsika ny kisoa natsatsika, akoho, trondro nendasina, orana, sy taro, karazana ovy eo an-toerana. Hanim-pito loha re izany, ary toerana toy ny paradisa re izany eo ambanin’ny voaniho tanora!
Ny ampitso isika dia mitsidika olona eny amin’ireo tanàna kely, antsoina hoe ho’aga amin’ny teny rotuman. Rehefa manatona ny trano voalohany isika, dia misy kisoa kely iray izay nilefa avy tao amin’ny tranon-kisoa, miriotra mandalo, ka midridrodridro eny am-pandehanana. Mahita antsika manatona ilay tompon-trano ary amim-pitsikiana dia manokatra ny varavarana, ka miarahaba antsika hoe “Noya!” amin’ny teny rotuman, ary manasa antsika hipetraka rehefa avy eo. Misy vilia feno akondro masaka apetraka eo anoloantsika, ary asaina misotro ranona kôkô tanora koa isika. Mandeha aloha ny fahaiza-mandray vahiny eto Rotuma.
Tsy misy agnostique na mpino ny fivoarana miandalana eto. Mino ny Baiboly ny tsirairay avy. Manaitra ny sainy mora foana ireo foto-kevitra toy ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany. Gaga ilay tompon-trano nahafantatra fa tsy horavana ny tany fa honenan’ny olona marina izay hiaina eo aminy mandrakizay. (Salamo 37:29). Manaraka akaiky izy rehefa vakina ireo andininy ao amin’ny Baiboly izay manaporofo io hevitra io, ary mandray amim-pahadodonana ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly atolotsika. Rehefa miomana ny handeha isika, dia misaotra antsika izy noho ny fitsidihana nataontsika ary manolotra antsika harona plastika feno akondro masaka izay azontsika hanina eny an-dalana. Mety hihamatavy mora foana ny olona iray amin’ny fitoriana eto!
Fahaiza-mampifanara-javatra amin’ny fiaraha-monina karàna
Na dia misy foko maro aza ao amin’ireo nosy hafa maron’ny Pasifika Atsimo, dia miavaka amin’io lafiny io i Fidji. Eo anilan’ny kolontsaina melaneziana sy mikroneziana ary polineziana, dia misy iray hafa nafindra avy tany Azia. Teo anelanelan’ny 1879 sy 1916, dia nisy mpiasa nanao contrat avy tany India nentina hiasa teny amin’ny toeram-pambolena fary. Io fandaharana io, antsoina hoe girmit (fifanekena), dia niteraka ny fahatongavan’ireo Karàna an’arivony maro tao Fidji. Ny taranak’ireo mpiasa ireo dia mahaforona ampahany lehibe amin’ny mponina ao amin’ilay tany. Nihazona ny kolontsainy sy ny fiteniny ary ny fivavahany izy ireo.
Eo amin’ny ilany andrefana amin’ny nosy lehibe indrindra any Fidji no misy ny tanànan’i Lautoka. Izy io no foiben’ny indostrian’ny fary any Fidji ary toerana ipetrahan’ny tapany lehibe amin’ny mponina karàna ao amin’ilay tany. Mila ny ho tena mahay mampifanara-javatra amin’ny asany “fanaratoana” ireo anisan’ny kongregasiona telon’ny Vavolombelon’i Jehovah eto. Rehefa mitsidika isan-trano ny olona iray dia tsy maintsy miomana mba hanova ireo foto-dresaka arakaraka ny foko sy ny fivavahan’ilay tompon-trano. Aoka isika hiaraka amin’ny antokona Vavolombelona eo an-toerana amin’ny fitsidihany ireo trano miparitaka eny amin’ny toeram-pambolena fary izay eny ivelan’i Lautoka avy hatrany.
Rehefa manatona ny trano voalohany isika, dia mahamarika tsatoka volontsangana lava misy tapa-damba mena mifatotra eo amin’ny tendrony, eo amin’ny zorony eo anoloana amin’ny tamboho. Izy io dia mampahafantatra ilay fianakaviana hoe Hindoa. Ny ankabeazan’ireo trano hindoa dia voaravaka sarin’ireo andriamaniny. Maro no manana andriamanitra tiany indrindra, toa an’i Krishna, ary matetika dia misy alitara kely ao.a
Ny ankamaroan’ireo Hindoa dia mino fa tsara ny fivavahana rehetra saingy lalana samy hafa fotsiny mba hanolorana fanompoam-pivavahana. Araka izany, dia mety hihaino amim-pahalalam-pomba ny tompon-trano iray, handray zavatra vita an-tsoratra sasany, hanolotra sakafo maivana, ary hahatsapa fa nahavita ny adidiny izy. Mba hampipoirana fanontaniana mifanentana izay hisarihana ireo tompon-trano ho amin’ny dinika misy heviny kokoa, dia ilaina matetika ny mahafantatra ny sasany amin’ireo tantara izay anisan’ny zavatra inoany. Ohatra, amin’ny fahafantarana fa ny sasany amin’ireo tantarany dia milazalaza ireo andriamaniny ho manaram-po amin’ny fanaovan-javatra izay iadian’ny olona maro hevitra, dia afaka manontany isika hoe: “Hankasitrahanao ve ny fitondran-tena toy izany avy amin’ny vadinao?” Izao ny valin-teny amin’ny ankapobeny: “Tsia, mazava ho azy fa tsia!” Avy eo, dia azo atao amin’ilay olona ny fanontaniana hoe: “Koa tokony hanao zavatra tahaka izany ve ny andriamanitra iray?” Ny dinika toy izany matetika dia manokatra fahafahana ho amin’ny fampisehoana ny hasarobidin’ny Baiboly.
Ny finoana ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao (réincarnation), lafiny hafa amin’ny Hindoisma, dia foto-kevitra miteraka ady hevitra be dia be. Nanontaniana toy izao ny vehivavy hindoa avara-pianarana iray, izay namoy vao haingana ny rainy tamin’ny fahafatesana: “Ho tianao ve ny hahita indray ny rainao tahaka azy mihitsy teo aloha?” Namaly izy hoe: “Eny, hahatalanjona izany.” Avy tamin’ny valin-teniny sy ny resaka nanaraka, dia nazava fa tsy afa-po izy tamin’ilay zavatra inoana hoe mbola velona amin’ny endriny hafa izao ny rainy ary tsy ho fantany intsony izy. Kanefa dia nanohina ny fony ny fampianarana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly momba ny fananganana amin’ny maty.
Ny Hindoa sasany dia tena manana fanontaniana ary mitady valiny mahafa-po. Rehefa nitsidika tao amin’ny tranon’ny Hindoa iray ny Vavolombelona iray, dia nanontany ilay lehilahy hoe: “Iza no anaran’ny andriamanitrao?” Namaky taminy ny Salamo 83:18 ilay Vavolombelona ary nanazava fa Jehovah no anaran’Andriamanitra ary ny Romana 10:13 dia milaza fa tsy maintsy miantso io anarana io isika mba hahazoana famonjena. Nanaitra ny sain’ilay lehilahy izany ary naniry ny hahafantatra bebe kokoa izy. Raha ny tena izy, dia ta hahafantatra mafy izy. Nanazava izy fa ny rainy, izay tena nifikitra tamin’ny sampin’ny fianakaviany, dia narary taorian’ny nivavahany teo anoloan’izy io ary maty fotoana fohy taorian’izay. Toy izany koa no nitranga tamin’ny zokiny lahy. Avy eo dia nanampy izy hoe: “Io sary io dia mitondra fahafatesana, fa tsy fiainana, ho anay. Koa tsy maintsy misy zavatra tsy mety amin’ny fivavahana amin’izy io. Angamba izany Andriamanitra Jehovah izany no afaka manampy anay hahita ny lalana mankany amin’ny fiainana.” Koa natomboka ny fianarana ny Baiboly niaraka taminy sy ny vadiny ary ny zanany roa. Nanao fandrosoana haingana izy ireo ary tsy ela dia vita batisa. Nandao ny sampiny izy ireo ary mandeha amin’ny lalan’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fiainana, ankehitriny.
Tonga ao amin’ny tranon’ny fianakaviana miozolimanina iray isika avy eo. Miharihary ilay toe-tsaina mahay mandray vahiny toy ny teo aloha, ary tsy ela dia mipetraka isika miaraka amin’ny zava-pisotro mangatsiatsiaka eny an-tanantsika. Tsy mahita sary ara-pivavahana eo amin’ny rindrina isika afa-tsy andinin-teny amin’ny soratra arabo ao anaty tranon-tsary. Milaza isika fa misy iombonan’ny Baiboly sy ny Coran, dia i Abrahama patriarka, ary fa nampanantena an’i Abrahama Andriamanitra fa amin’ny alalan’ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra. Io fampanantenana io dia tokony ho tanteraka amin’i Jesosy Kristy Zanany. Ny Miozolimanina sasany dia hanohitra ny fiheverana hoe manan-janaka Andriamanitra. Noho izany, dia manazava isika fa tahaka ny niantsoana an’i Adama, ilay lehilahy voalohany, hoe zanak’Andriamanitra noho izy noforonin’Andriamanitra, dia toy izany koa fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Tsy mila vady ara-bakiteny Andriamanitra mba hiterahana zanaka toy izany. Noho ireo Miozolimanina tsy mino ny fampianarana ny amin’ny Trinite, dia mampiasa io fototra iombonana io isika mba hampisehoana fa fara tampony i Jehovah Andriamanitra.
Tonga izao ny mitataovovona, ary miverina eo amin’ny lalana ireo anisan’ny antokontsika, mivoaka avy any amin’ny toeram-pambolena fary, mba hiandry ny aotobisy hitondra hiverina any an-tanàna. Na dia reraka kely aza ny rehetra, dia feno risi-po tamin’ilay asa “fanaratoana” maraina. Ny ezaka atao mba hahaizana mampifanara-javatra amin’ireo tarehin-javatra sy zavatra inoana samy hafa atrehina dia mendrika tsara an’izany.
Ireo rano sy haram-batolampin’i Fidji dia manome karazana trondro maro. Mba hahitana fahombiazana, dia mila ny mahay ny asany ny gonedau (mpanarato) fidjien. Marina koa izany amin’ny asa “fanaratoana” izay nanendren’i Jesosy Kristy ireo mpianany. Tsy maintsy mahay ireo “mpanarato olona” kristiana, ka hahay hampifanaraka ny fampisehoany sy ny fanaporofoan-keviny hifanentana amin’ireo zavatra samihafa inoan’ny mponina. (Matio 4:19). Ilaina tokoa izany any Fidji. Ary miharihary ireo vokatra any amin’ny fivoriambe alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona, izay anoloran’ireo Fidjiens, Karàna, Rotumans, sy olona avy amin’ny fiaviana ara-poko mifangaro, fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah amim-piraisan-kina. Eny, ny fitahiany dia eo amin’ny asa “fanaratoana” ao amin’ireo ranon’i Fidji.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay boky hoe L’humanité à la recherche de Dieu, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., pejy faha-115-117.
[Sarintany, pejy 23]
(Jereo ny gazety)
Viti Levu
Vanua Levu
Suva
Lautoka
Nandi
0 100 km
0 100 mi
18°
180°
[Sary, pejy 24]
Bure, na trano eo an-toerana
[Sary, pejy 24]
Tempoly hindoa any Fidji
[Sary, pejy 25]
“Fanaratoana” olona amim-pahombiazana any Fidji
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Fiji Visitors Bureau