Fiainana Misy Heviny Sady Mahafa-po ao Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah
NOTANTARAIN’I LEO KALLIO
Taona 1914 tamin’izay, ary nifarana ny andro fahavaratra kanto iray tao amin’ny manodidina an’i Turku, tanàna iray any Finlande. Tampoka teo, dia nandrava ilay filaminana ny vaovao momba ny fipoahan’ny ady lehibe iray. Vetivety ny arabe dia feno an’ireo olona lasa eritreritra ny amin’ny hevitr’izany fisehoan-javatra izany. Ny endrika maotin’ireo olon-dehibe dia nahatonga anay ankizy hanontany tena ny amin’izay hitranga. Sivy taona aho tamin’izay, ary tadidiko fa niova ho lalao kiadiady ny lalao nilamina fanaon’ny ankizy.
NA DIA tsy niditra tamin’ny Ady Lehibe Voalohany (1914-1918) aza i Finlande, dia norotidrotehin’ny ady an-trano ilay tany tamin’ny 1918. Nandray fiadiana hifamelezan’izy samy izy ireo mpihavana sy mpinamana taloha noho ny firehana politika samy hafa. Niaina izany fankahalana izany izahay fito mianaka. Ny raiko izay nivantambantana teo amin’ny filazana ny fomba fiheviny dia voasambotra ary voasazy fito taona an-tranomaizina. Nafahana izy tatỳ aoriana, saingy hatreo dia simba ny fahasalamany.
Niaritra hanoanana sy aretina ny fianakavianay nandritra izany fe-potoana nahatsiravina izany. Nody mandry ireo zandriko vavy telo. Nandre ny fahorianay ny rahalahin-draiko nonina tao amin’ny tanànan’i Tampere ka nanasa an’ireo ray aman-dreniko sy izahay ankizy roa sisa tavela hiara-mipetraka aminy.
Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, raha mbola nipetraka tany Tampere aho, dia nihaona tamin-jazavavy iray mahafatifaty antsoina hoe Sylvi. Nitovitovy tamin’ny ahy ny zava-nitranga taminy. Maty novonoina tamin’ny ady an-trano ny rain’i Sylvi, ary taorian’izay dia nandray azy sy ny zokiny vavy ary ny reniny tao an-tranony i Kaarlo (Kalle) Vesanto, namana iray akaiky ny fianakaviany, avy tao amin’ny tanànan’i Pori. Nanao fandaharana io namana akaiky io mba hahazoan’ny renin’i Sylvi asa ary handehanan’ireo ankizivavy hianatra. Nifindra teto Tampere mba hiasa i Sylvi tatỳ aoriana ary tamin’izay no nifankahitanay.
Takariva iray nanova ny fiainako
Tamin’ny 1928, dia tonga fofombadiko i Sylvi, ary nanao dia ho any Pori mba hitsidika an’i Kalle Vesanto sy ny fianakaviany izahay, indray andro. Tsy nisy fisehoan-javatra hafa nanamarika ny fiainako tamin’ny fomba nampiaiky tahaka an’io. Nanana soavaly mpanao hazakazaka i Kalle ary mpifaninana tamin’ny hazakaza-tsoavaly izy, saingy navelany izany fandraharahana nahazoam-bola izany. Nanjary mpitory be zotom-po ny vaovao tsaran’ilay Fanjakan’Andriamanitra izy mivady. Ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1990 dia milazalaza ny fomba nanakaramany olona hanoratra tamin’ny loko ny teny hoe “Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy” teo amin’ny rindrina ivelan’ny tranony nisy rihan-tokana. Lehibe tsara ilay soratra ka azo novakina mora foana avy tao amin’ireo fiarandalamby niriotra mafy.
Tamin’io alina io, dia niresaka mandra-pangiran-dratsin’ny andro izahay sy i Kalle. “Nahoana? Nahoana? Nahoana?”, hoy aho nanontany ary dia nanazava i Kalle. Ara-bakiteny, dia nianarako nandritra ny indray alina ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly. Nosoratako ireo andinin-teny nanazava ireo fampianarana samihafa. Tatỳ aoriana, rehefa nody aho dia naka kahie ary nandika ireo andinin-teny rehetra ireo, tsy nisy latsaka na dia iray aza. Koa satria mbola tsy nifankazatra tsara tamin’ny Baiboly aho, dia nampiasaiko io kahie io mba hanaovana fanambarana teny amin’ilay toeram-panorenana niasako. Rehefa nampiharihary ny fampianaran’ny fivavahan-diso aho dia matetika no nahita ny tenako namerina ny tenin’i Kalle nanao hoe: “Tena voafitaka marina tokoa ianareo, ry zalahy a!”
Nomen’i Kalle ahy ny adiresin’ny trano kely iray teto Tampere izay nivorian’ireo Mpianatra ny Baiboly 30 teo ho eo. Tao aho dia nitorovoka teo amin’ny zoron-trano akaikin’ny varavarana teo anilan’ny Rahalahy Andersson, tompon’ilay trano kely. Tapatapaka ihany ny fanatrehako fivoriana, kanefa niharihary fa nanampy ny vavaka. Rehefa tra-pahasahiranana lehibe tany am-piasana aho, dia nivavaka toy izao indray mandeha: “Andriamanitra ô, raha ampianao handresy ireto fahasahiranana ireto aho dia mampanantena fa hanatrika ny fivoriana rehetra.” Kanefa vao mainka niharatsy aza ny tarehin-javatra. Takatro avy eo fa nametraka fepetra mba hanompoana an’i Jehovah aho, koa novako toy izao indray ny vavaka nataoko: “Na inona na inona hitranga dia mampanantena aho fa hamonjy ny fivoriana rehetra.” Tamin’izay dia nihena ny zava-tsarotra nahazo ahy, ary nanjary mpanatrika fivoriana tsy tapaka aho. — 1 Jaona 5:14.
Ny fanompoanay tany amin’ireo taona voalohandohany
Nivady izahay sy i Sylvi tamin’ny 1929 ary samy nanamarika ny fanoloranay tena ho an’i Jehovah tao amin’ny batisa amin’ny rano izahay roa tamin’ny 1934. Ny fanompoanay, tamin’izany andro izany, dia nahatafiditra fitondrana grafofona sy kapila nisy feo tany an-tokantranon’ny olona, ary fangatahana tamin-katsaram-panahy raha azonay natao ny nanolotra lahateny ara-baiboly iray maimaim-poana. Mazàna ny olona no nampandroso anay avy hatrany, ary rehefa avy nihaino ny lahateny noraisim-peo izy ireo dia nandray anjara tamin’ny resaka sy nanaiky ny sasany tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra nentinay.
Rehefa nahazo lalana tamin’ny manam-pahefana izahay, dia nandefa ireo lahateny ara-baiboly ireo ihany tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo tany amin’ireo saha fitsangantsanganan’ny besinimaro. Ary tany amin’ny toerana nanodidina dia napetakay tamin’ny tafo na ny tampon’ny fivoahan-tsetroka ny fanamafisam-peo. Tamin’ny fotoana hafa, dia nalefanay nanoloana farihy izay niangonan’ny mponina an-tanàn-dehibe maro be, ireny lahateny ara-baiboly ireny. Nentinay fotsiny tao anaty lakana iray ny fanamafisam-peo ary novoizinay moramora nanaraka ny moron-drano izy io. Ny alahady, dia nandeha aotobisy mba hitory tany ambanivohitra izahay, ampy fitaovana nitondra ireo fanamafisam-peonay sarobidy sy zavatra vita an-tsoratra maro be nanananay.
Fiovana iray nisedra ny finoanay
Tamin’ny 1938, dia niditra tamin’ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpisava lalana aho, kanefa, nanohy koa niasa tamin’ny naha-mpandatsa-biriky. Tamin’ny fahavaratra nanaraka, dia naharay fanasana avy tamin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana aho, mba ho tonga minisitra mpitety faritany, antsoina ankehitriny hoe mpiandraikitra ny fizaran-tany. Tsy mora ny nanapa-kevitra hanaiky satria finaritra aho niara-niasa tamin’ny kongregasionanay teto Tampere. Ankoatra izany dia nanana ny tranonay manokana izahay; nanana an’i Arto, zanakay lahy enin-taona, izay hanomboka hiditra hianatra tsy ho ela, izahay; ary nahafinaritra an’i Sylvi ny asany tamin’ny naha-mpivarotra azy. Rehefa avy niara-nidinika anefa izahay, dia nekeko io tombontsoam-panompoana an’ilay Fanjakana fanampiny io. — Matio 6:33.
Nanomboka taorian’izay ny fe-potoan-tsarotra hafa iray. Nipoaka ny ady tamin’ny 30 Novambra 1939 rehefa niditra hatratỳ Finlande ireo tafika sovietika. Ilay ady, nantsoina hoe Ady Ririnina, dia naharitra hatramin’ny Martsa 1940, rehefa voatery nanaiky fanekem-pihavanana iray i Finlande. Toy ny hoe niditra hiady hatramin’ny natiora koa aza, satria izay no ririnina nangatsiaka indrindra tsaroako. Nandeha am-bisikilety nitety kongregasiona aho, rehefa nanondro nihoatra ny 30 degre Celsius ambanin’ny zero ny tondrofana!
Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Finlande tamin’ny 1940. Rehefa avy eo dia natao am-ponja ary noterena hijanona tao, niaritra toe-piainana faran’izay mafy, ny tanora Vavolombelona finlanday maro. Soa ihany fa afaka nanompo ireo kongregasiona aho nandritra ny ady lehibe faharoa manontolo, nanomboka tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1945. Mazàna izany dia nitaky ny handaozako an’i Sylvi sy i Arto nandritra ny volana vitsivitsy isaky ny nandeha. Ambonin’izany dia teo ny fandrahonana tsy ankijanona ny ho voasambotra noho ny fanaovana asa iray tsy ara-dalàna.
Tsy maintsy ho hafahafa be ny fahitana ahy nandeha bisikilety novesarana vata iray sy lasaka nisy zavatra vita an-tsoratra sy grafofona ary kapila nisy feo. Ny antony iray nitondrako kapila nisy feo dia ny hanaporofoana, raha sendra voasambotra, fa tsy mpilatsaka amin’ny elon’aina mpisafo tany ho an’ny Rosiana aho. Izao manko, afaka nilaza aho fa ho vaky potika teo am-pitsambikinana ireo kapila misy feo ireo, raha mpilatsaka amin’ny elon’aina aho.
Na dia izany aza, indray mandeha, raha teo am-pitsidihana faritra nanodidina iray izay efa nampitandremana ny amin’ny mpitsikilo aho, dia nihevitra tamim-pahadisoana ahy ho mpitsikilo ny fianakaviana Vavolombelona iray. Nandondòna teo am-baravaran-drizareo aho indray alin’ny ririnina maizina, ary natahotra loatra izy ka tsy namoha. Koa nandany ilay alina tao amin’ny trano fitoeram-biby sy vokatra aho ary nisitrika tao anaty ahitra maina mba hanandramana hitoetra ho mafana. Voalamina ilay fiheverana ahy ho olon-kafa ny ampitso maraina, ary tsy maintsy antitranteriko fa nampiseho fahaiza-mampiantrano vahiny faran’izay niavaka ny mpikambana tao amin’ilay ankohonana nandritra ny fotoana sisa nitsidihako azy!
Nandritra ireo taona nisian’ny ady, dia izahay sy ny Rahalahy Johannes Koskinen no hany nanompo ireo kongregasiona tany Finlande afovoany sy avaratra. Nanana faritra midadasika, teo amin’ny 600 kilaometatra teo ho eo ny halavany, nokarakaraina ny tsirairay avy taminay. Maro aoka izany ireo kongregasiona tokony ho notsidihinay hany ka tsy afaka nijanona afa-tsy roa na telo andro monja izahay niaraka tamin’ny kongregasiona tsirairay. Mahalana vao ara-potoana ireo fiarandalamby, ary vitsy sy feno hipoka aoka izany ireo aotobisy, hany ka nampisalasala ny fahatongavanay tany amin’ny toerana nalehanay.
Saika nahita loza imbetsaka
Indray mandeha, tamin’ny fiandohan’ilay Ady Ririnina, dia nandeha tany amin’ny biraon’ny sampana tany Helsinki aho ary nandray baoritra mavesatra efatra nisy zavatra vita an-tsoratra voarara hoentiko hiaraka tamiko tamin’ny fiarandalamby mba hozaraina tamin’ny kongregasiona. Raha mbola tao amin’ny garan’i Riihimäki aho dia naneno ny fanairana fanafihana ana habakabaka iray. Niakanjo ny fitafiany fitondra amin’ny ririnina ireo miaramila tao anaty fiarandalamby ary nasaina nandao ny fiarandalamby avy hatrany ireo mpandeha ka namantana teny amin’ny tanety ngazana iray teny ampitan’ilay gara.
Nasaiko nentin’ireo miaramila ireo baoritro ary nolazaiko taminy ny hasarobidiny. Efatra tamin’izy ireo no nandray baoritra iray, ary nihazakazaka 200 metatra namakivaky ilay tanety rakotry ny ranomandry izahay. Niantoraka tamin’ny tany izahay ary nisy olona nikiakiaka tamiko hoe: “E, ry sivily, aza mihetsika na dia kely akory aza! Raha vao mahita fihetsehana ireo mpanjera baomba, dia handaroka baomba antsika izy.” Liana ta hahita zavatra erỳ aho, ka nitodika tamim-pitandremana hijery ny lanitra ary nahaisa fiaramanidina 28 teny!
Tampoka teo, dia nihovotrovotra ny tany noho ny fipoaky ny baomba. Na dia tsy voa aza ilay gara dia voazera baomba kosa ilay fiarandalamby nahatongavanay. Ratsy tarehy erỳ ny fahitana ilay fiarandalamby simba sy ireo lalamby niolanolana! Afaka nanohy ny diako niaraka tamin’ireo baoritra aho ny ampitso maraina ary nanohy ny diany tamin’ny fiarandalamby hafa ireo miaramila. Nanjary Vavolombelona ny iray taminy taorian’ny ady, ary nilazany aho fa niresaka momba ilay sivily hafa kely sy ireo baoritra nentiny ireo miaramila tatỳ aoriana.
Tsy ela tatỳ aoriana, dia voasambotra talohan’ny nivoahany ny fiarandalamby ny Rahalahy Koskinen izay nanao dia mba hanompo ilay kongregasiona kely tao Rovaniemi, tany Finlande avaratra. Natao an-tranomaizina izy ary tany izy dia nentina tamin’ny fomba ratsy dia ratsy. Rehefa tonga ny fotoana nanompoako io kongregasiona io ihany, dia nanao fandaharana aho mba hiala tao amin’ny gara kelin’i Koivu. Tao dia nanao izay hanohizako ilay lalana sisa tavela tao anatin’ny fiara iray mpitondra ronono ny Anabavy Helmi Pallari. Nahomby ny fitsidihako ny Kongregasionan’i Rovaniemi. Nahita fahasahiranana anefa aho teo am-piaingana.
Teny an-dalana ho any amin’ny gara, dia sendra miaramila roa lahy nisava ny taratasin’ireo mpandalo rehetra izahay sy ilay namako. “Aza mijery azy ireo. Mibanjìna mahitsy hatrany”, hoy aho. Nandeha namaky teo anelanelany izahay toy ny hoe tsy nisy akory izy ireo. Avy eo dia nanomboka nanenjika anay izy. Farany, tao amin’ilay gara, dia haiko ny nidify azy ireo tao anaty vahoaka ary dia nijapy fiarandalamby iray teny am-pandehanana aho. Tsy hoe tsy nisy fahataitairana akory tamin’ny asa fitetezam-paritany tamin’izany andro izany!
Voasambotra aho indray mandeha ary nentina teo amin’ny tompon’andraikitra amin’ny fiantsoana ho amin’ny raharaha miaramila tsy maintsy atao. Nokendrena ny handefasana ahy tany am-bava ady. Naneno anefa ny telefaonina ary namaly izany ilay manamboninahitry ny tafika izay saika hanadinadina ahy. Henoko ilay feo tao amin’ny telefaonina nikiakiaka hoe: “Nahoana loatra àry ianareo no manohy mandefa ireny lehilahy marary tsy misy ilana azy ireny foana e? Ny hany azonay atao dia ny mandefa azy ireny hiverina. Mila lehilahy mety amin’ny asa izahay!” Soa ihany fa tany amiko ny taratasin’ny dokotera iray nilaza ny zava-nanahirana ahy ara-pahasalamana. Rehefa nasehoko ilay izy dia navela handeha aho ka tamin’izany dia nanohy tsy nisy fahatapahana ny asako teo amin’ireo kongregasiona!
Nanampy tao amin’ny raharaha ara-pitsarana iray
Namely mafy hatrany ny fahataitairana be vokatry ny ady, ary voasambotra i Ahti Laeste namako. Niantso ahy ny vadiny. Rehefa tao an-tranon-drizareo aho, dia nahita ireo taratasim-panjakana momba azy avy tamin’ny polisy teo an-toerana izay nanome lalana an’i Ahti handefa ireo lahateny noraisina tao anaty kapila tany amin’ny zaridaina fitsangantsanganan’ny besinimaro tao an-tanàna. Tonga nitondra ilay taratasim-panjakana tao amin’ny fitsarana izahay. Rehefa avy novakin’izy ireo ilay fiampangana, dia natolotro ny Rahalahy Laeste ilay taratasim-panjakana. Nasain’ilay mpitsara naka grafofona sy maromaro tamin’ireo famelabelarana ara-baiboly noraisina tao anaty kapila mba hohenoin’ny fitsarana ny miaramila iray. Rehefa voahaino ny famelabelarana tsirairay, dia nilaza ilay mpitsara fa tsy hitany izay tsy nety tamin’izay voalaza.
Avy eo dia nasaina nivoaka tao amin’ny lalantsara izahay sy i Ahti ary ny vadiny mba hiandry ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Nijoro tao izahay, niandry tamim-pitaintainana. Farany dia renay ny feo nilaza hoe “Ry voampanga, midira ato amin’ny efitrano fitsarana, aza fady.” Afaka nadiodio ny Rahalahy Laeste! Velom-pankasitrahana marina tokoa an’i Jehovah izahay rehefa nanohy ny asanay: ny Rahalahy sy Anabavy Laeste moa tany amin’ny kongregasiona teo an-toerana, ary izaho tany amin’ny ahy teo amin’ny asa fitetezam-paritany.
Nifarana ny ady — Nitohy ny fanompoanay
Nofoanana ny fandrarana ny asa fitoriana nataonay rehefa nifarana ny ady ary novotsorana avy tany am-pigadrana ireo rahalahy. Nandritra ireo taona maro nanompoako, dia voatohina lalina tokoa ny foko noho ny anjara noraisin’ireo anabavy kristiana tamin’ny asan’ilay Fanjakana sy tamin’ny fanohanany ny vadiny. Velom-pankasitrahana manokana aho noho ny fahafoizan-tena sy ny fanohanan’i Sylvi. Vokatr’izany dia afaka nanohy ny asa fitetezam-paritany nandritra ny 33 taona tsy niato aho ary nanompo tamin’ny naha-mpisava lalana manokana avy eo.
Nampirisika an’i Arto izahay sy i Sylvi mba hanombohany ny asan’ny mpisava lalana rehefa vita ny fianarany, hianarany teny anglisy sy hanatrehany ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower any Etazonia. Nahazo ny diplaomany tany Gileada tamin’ny 1953 izy. Nanambady an’i Eeva izy avy eo, ary niara-nandray anjara tamin’ireo endrika samihafan’ny fanompoana manontolo andro izy ireo, anisan’izany ny asan’ny fizaran-tany, ny fanompoana tao amin’ny Betela sy ny asan’ny mpisava lalana manokana. Nifindra teto Tampere, tanàna fonenanay, izy ireo tamin’ny 1988 mba hikarakara ahy sy i Sylvi sady manohy manompo amin’ny maha-mpisava lalana manokana.
Nanana fiainana nisy heviny sy voatahy tamin’ny fahatsiarovana mampahery maro be izahay sy i Sylvi, na dia nihena be aza ankehitriny ny tanjakay. Tena faran’izay mahafa-po ny fieritreretana ny fitomboana hitanay. Rehefa nanomboka nitsidika ireo kongregasiona aho tamin’ny 1939, dia 865 ny mpitory ilay Fanjakana teto Finlande. Izao anefa dia misy mihoatra ny 18 000 izy ireo!
Tsy noheveriko, fony aho nanomboka ny fanompoana manontolo andro tamin’ny 1938, hoe mbola handray anjara amim-pifaliana amin’izy io ihany aho 55 taona atỳ aoriana. Na dia eo aza ny fandroson’ny taona, izahay dia manohy, noho ny herin’i Jehovah, miandry amim-panantenana ny valisoa nampanantenaina anay. Itokianay ny tenin’ny mpanao salamo manao hoe: “Tsara Jehovah; mandrakizay ny famindrampony, ary mihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.” — Salamo 100:5.
[Sary, pejy 21]
Nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah i Leo sy i Sylvi Kallio tamin’ny 1934
[Sary, pejy 23]
Sarin’i Leo sy i Sylvi nalaina vao haingana rehefa manatona ny faha-60 taonan’ny fanompoana feno fandavan-tena izy ireo