Mitokia Amin’i Jehovah fa Hanatanteraka ny Fikasany Izy
“Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — SALAM0 37:29.
1. Inona no fikasan’i Jehovah ho an’ny olombelona sy ho an’itỳ tany itỳ?
FONY Andriamanitra namorona an’i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany, dia nanao azy ireo ho lavorary izy. Ary noforoniny mba ho afaka hiaina mandrakizay eto amin’itỳ tany itỳ izy ireo — raha mankato ny lalàny. (Genesisy 1:26, 27; 2:17). Ankoatr’izany, Andriamanitra dia nametraka azy ireo tao amin’ny tontolo iainana iray miendrika paradisa. (Genesisy 2:8, 9). Hoy i Jehovah tamin’izy ireo: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy”. (Genesisy 1:28). Araka izany, ny taranak’izy ireo amin’ny farany dia hiparitaka hanerana ny tany, ary ho tonga paradisa feno olombelona lavorary sy sambatra itỳ planeta itỳ. Fiaingana tsara dia tsara re izany nananan’ny fianakavian’olombelona izany! “Hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” — Genesisy 1:31.
2. Mampipoitra fanontaniana inona avy ny toe-draharahan’ny olombelona?
2 Ny toe-draharahan’ny olombelona hatramin’ny an’arivony taona maro anefa, dia tsy misy itoviana amin’ilay fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany. Ny olombelona dia tafala lavitra ny fahalavorariana, ary tsy sambatra velively izy. Mampahory ny toe-piainan’izao tontolo izao, ary araka ny voambaran’ny faminaniana, dia niharatsy tamin’ny fomba nampivarahontsana izany amin’izao androntsika izao. (2 Timoty 3:1-5, 13). Koa ahoana àry no ahafahantsika matoky fa ho tanteraka amin’ny hoavy tsy ho ela ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona? Hisy ve fe-potoana lava kokoa handalo miaraka amin’ireo toe-piainana mbola hampahory hatrany?
Inona no tsy nety?
3. Nahoana i Jehovah no tsy namarana avy hatrany ny fikomian’ny taranak’olombelona?
3 Ireo izay manana fahalalana araka ny marina momba ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry, dia mahafantatra ny antony namelan’i Jehovah ireo toe-piainana ratsy eto an-tany ireo hisy. Fantatr’izy ireo koa izay hataony mikasika izany. Nianaran’izy ireo avy tamin’ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly fa ireo ray aman-drenintsika voalohany dia nampiasa tamin’ny fomba ratsy ilay fanomezana mahatalanjona hanao safidy malalaka, izay nomen’Andriamanitra ny olombelona. (Ampitahao amin’ny 1 Petera 2:16.) Nifidy tamin’ny fomba diso ny lalan’ny tsy fiankinana tamin’Andriamanitra izy ireo. (Genesisy 2, 3 , toko faha-2 sy faha-3). Ny fikomian’izy ireo dia nampipoitra fanontaniana faran’izay lehibe, toy ny hoe: Moa ve ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao manana zo hanapaka ny olombelona? Moa ve ny fanapahany no tsara indrindra ho azy ireo? Afaka ny hahomby ve ny fanapahan’olombelona tsy misy ny fanaraha-mason’Andriamanitra? Ny fomba azo antoka ahitana ny valin’ireo fanontaniana ireo dia ny famelana handalo ireo taonjato hanapahan’olombelona. Ny vokany dia hampiseho amin’ny fomba tsy azo lavina raha ho afaka hahomby ny olombelona misaraka amin’ilay Mpanao azy.
4, 5. a) Inona no vokatry ny fandavan’ny olombelona ny fanapahan’Andriamanitra? b) Inona no nasehon’ny fandehan’ny fotoana tamin’ny fomba tsy azo lavina?
4 Rehefa nandao an’Andriamanitra i Adama sy i Eva, dia tsy nanohana azy ireo tamin’ny fahalavorariana intsony izy. Nihasimba izy ireo rehefa tsy nisy ny fanohanany. Ny vokany dia ny tsy fahalavorariana sy ny fahanterana, ary farany dia ny fahafatesana. Tamin’ny alalan’ireo lalàn’ny fandovan-toetra, ny ray aman-drenintsika voalohany dia namindra ireo toetra mampiavaka mampidi-doza ireo tamin’ny taranany manontolo, anisan’izany isika. (Romana 5:12). Ary inona no vokatr’ireo an’arivony taona maro nanapahan’olombelona? Nitondra loza amin’antambo izany, toy ny nilazan’ny Mpitoriteny 8:9 azy tamim-pahamarinana toy izao: ‘Manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy.’
5 Ny fandehan’ny fotoana dia nampiseho tamin’ny fomba tsy azo lavina fa tsy hain’ny olombelona ny mitarika ireo raharahany amim-pahombiazana raha misaraka amin’ny Mpamorona azy izy. Izao no nambaran’i Jeremia, mpanoratra ao amin’ny Baiboly nahazo tsindrimandry: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” — Jeremia 10:23; Deoteronomia 32:4, 5; Mpitoriteny 7:29.
Tsy niova ny fikasan’Andriamanitra
6, 7. a) Nampiova ny fikasan’i Jehovah ve ireo taona an’arivony maro nisian’ny tantara? b) Inona no tafiditra tao amin’ilay fikasan’i Jehovah?
6 Nampiova ny fikasan’Andriamanitra ve ny fandalon’ireo taona an’arivony maro nisian’ny tantaran’olombelona izay feno faharatsiana sy fijaliana? Izao no lazain’ny Teniny: “Fa izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana)”. (Isaia 45:18). Koa nanao ny tany mba honenan’ny olombelona àry Andriamanitra, ary mbola izany ihany no fikasany.
7 Tsy vitan’ny hoe namorona ny tany mba honenana fotsiny i Jehovah, fa nikasa koa ny hahatonga azy io ho paradisa hifalian’ny olona lavorary sy sambatra. Izany no antony nilazan’ny Baiboly mialoha fa hisy “tany vaovao” iray, izany hoe fitambaran’olona vaovao iray izay ‘hitoeran’ny fahamarinana’. (2 Petera 3:13). Ary ao amin’ny Apokalypsy 21:4, ny Tenin’Andriamanitra dia milaza amintsika fa ao amin’ilay tontolony vaovao, dia “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason[’ny taranak’olombelona]; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. Noho izany antony izany no nahafahan’i Jesosy niresaka ny amin’io tontolo vaovao ho avy eto an-tany io ho toy ny “Paradisa”. — Lioka 23:43, NW.
8. Nahoana isika no mahazo antoka fa hanatanteraka ny fikasany i Jehovah?
8 Koa satria i Jehovah no Mpamorona izao rehetra izao, feno ny hery rehetra sy ny fahendrena rehetra, dia tsy misy afaka misakana ny fikasany. “Jehovah, Tompon’ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy, ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy”. (Isaia 14:24). Araka izany, rehefa milaza Andriamanitra fa hanao itỳ tany itỳ ho paradisa hipetrahan’olombelona lavorary izy, dia izany no hitranga. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5; ampitahao amin’ny Salamo 37:29.) Afaka miantehitra amin’ny fahatanterahan’io fampanantenana io isika. Raha ny marina dia afaka mampifamatotra tanteraka ny fiainantsika amin’izany isika.
Nitoky tamin’i Jehovah izy ireo
9. Inona no nataon’i Abrahama ka nampiseho ny fitokiany tamin’i Jehovah?
9 Olona natahotra an’Andriamanitra maro nandritra ny tantara no nampifamatotra tanteraka ny fiainany tamin’ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany, satria niaiky mafy izy ireo fa ho tanteraka izany. Na dia nety ho voafetra aza ny fahalalan’izy ireo, dia nitoky tamin’Andriamanitra izy ireo ary nanorina ny fiainany tamin’ny fanaovana ny sitrapony. Teo, ohatra, i Abrahama, izay niaina tany amin’ny 2 000 taona tany ho any talohan’ny nandiavan’i Jesosy ny tany — ela be talohan’ny nanombohana nanoratra ny Baiboly. Nitoky tamin’i Jehovah fa hanatanteraka ny fampanantenany izy. Azo inoana fa i Abrahama dia nianatra ny amin’ny Mpamorona avy tamin’i Sema razambeny nahatoky, izay nampianarin’i Noa. Koa rehefa nilazan’Andriamanitra i Abrahama mba hiala tao Oran’ny Kaldeana niroborobo, hankany amin’ny tany Kanana izay tsy nahazatra sy nampidi-doza, dia fantatr’io patriarka io fa afaka nitoky tamin’i Jehovah izy ka noho izany dia nandeha. (Hebreo 11:8). Tatỳ aoriana dia nilaza taminy i Jehovah nanao hoe: “Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho”. — Genesisy 12:2.
10, 11. Nahoana i Abrahama no vonona hanatitra an’i Isaka zanany lahy tokana?
10 Inona no nitranga rehefa avy niteraka an’i Isaka i Abrahama? Nasehon’i Jehovah tamin’i Abrahama fa tamin’ny alalan’i Isaka no hitomboan’ny taranany ho firenena lehibe iray. (Genesisy 21:12). Araka izany, dia tsy maintsy ho toa nisy fifanoheran-javatra tanteraka rehefa nilazan’i Jehovah i Abrahama mba hanao sorona an’i Isaka zanany, ho fitsapana ny finoany. (Genesisy 22:2). Tamim-pitokiana tanteraka tamin’i Jehovah anefa, dia nanao dingana i Abrahama mba hankatoavana izany, ka tena nandray antsy tokoa izy mba hamonoana an’i Isaka. Tamin’ny fotoana farany, Andriamanitra dia nandefa anjely mba hisakana an’i Abrahama. — Genesisy 22:9-14.
11 Nahoana i Abrahama no nankato aoka izany? Mampiharihary izany toy izao ny Hebreo 11:17-19: “Finoana no nanateran’i Abrahama an’Isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zanani-lahy tokana no naterin’ilay efa nandray tsara ny teny fikasana, dia ilay nilazana hoe: ‘Avy amin’Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao’. Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin’izany no nandraisany azy.” Milaza toy izany koa ny Romana 4:20, 21: “Tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy [Abrahama], (...) natoky indrindra fa izay nolazainy [Andriamanitra] dia hainy hatao koa.”
12. Ahoana no namalian-tsoa an’i Abrahama noho ny finoany?
12 Novalian-tsoa noho ny finoany i Abrahama, tsy hoe tamin’ny fitsimbinana an’i Isaka sy tamin’ny fanaovana izay hisian’ny “firenena lehibe” iray hivoaka avy aminy fotsiny, fa tamin’ny fomba hafa iray koa. Izao no nolazain’Andriamanitra tamin’i Abrahama: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, — satria nanaiky ny teniko hianao.” (Genesisy 22:18). Amin’ny fomba ahoana? Ho tonga amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama ilay ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Io Fanjakana io dia hanorotoro tsy hisy intsony an’itỳ tontolo ratsy eo ambany fanapahan’i Satana itỳ. (Daniela 2:44; Romana 16:20; Apokalypsy 19:11-21). Avy eo, eo amin’ny tany voadio iray eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana, dia hiitatra haneran-tany ny Paradisa, ary hanana fahasalamana tanteraka sy fiainana mandrakizay ireo olona avy amin’ny “firenena rehetra” izay manao ny sitrapon’Andriamanitra. (1 Jaona 2:15-17). Ary na dia tsy nanana afa-tsy fahalalana voafetra ny amin’ilay Fanjakana aza i Abrahama, dia nitoky tamin’Andriamanitra izy ary niandrandra ny fiorenan’izany Fanjakana izany. — Hebreo 11:10.
13, 14. Nahoana i Joba no nitoky tamin’Andriamanitra?
13 An-jatony taona maromaro tatỳ aoriana, dia teo i Joba izay niaina teo anelanelan’ny taonjato faha-17 sy faha-16 al.f.i. tany amin’izay atao hoe Arabia amin’izao fotoana izao. Izy io koa dia niaina talohan’ny nanombohana nanoratra ny Baiboly. I Joba dia “marina sy mahitsy (...) sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy”. (Joba 1:1). Rehefa namely an’i Joba tamin’ny aretina naharikoriko sy nampanaintaina i Satana, dia “tsy nanota tamin’ny molony” io lehilahy nahatoky io nandritra ny fitsapana mafy nahazo azy. (Joba 2:10). Nitoky tamin’Andriamanitra i Joba. Ary na dia tsy nahafantatra ireo tsipiriany momba ny antony nijaliany mafy aoka izany aza izy, dia nampifamatotra tanteraka ny fiainany tamin’Andriamanitra sy ny fampanantenany.
14 Fantatr’i Joba fa na dia maty aza izy, indray andro any Andriamanitra dia ho afaka hamerina azy indray ho amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty. Nasehony io fanantenana io rehefa niteny tamin’i Jehovah Andriamanitra izy hoe: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita [ny fasana] Hianao ka (...) hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy. Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? (...) Dia hiantso hianao, ary izaho hamaly Anao”. (Joba 14:13-15). Na dia fadiranovana mafy aza i Joba dia naneho finoana ny fiandrianan’i Jehovah tamin’ny fanambarana hoe: “Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaisotra amin’ny tenako ny tsy fivadihako aho!” — Joba 27:5, NW.
15. Ahoana no nanambaran’i Davida ny fatokiany ny fikasan’i Jehovah?
15 Taonjato enina teo ho eo taorian’i Joba ary sahabo ho arivo taona talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany, dia nanambara ny fatokiany tontolo vaovao iray i Davida. Hoy izy ao amin’ireo salamo: “Izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany. Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...) Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Noho ny fanantenany tsy azo nohozongozonina, dia nampirisika toy izao i Davida: “Matokia an’i Jehovah (...) Ary miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.” — Salamo 37:3, 4, 9-11, 29.
16. Fanantenana inona no nananan’ny ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’?
16 Nandritra ireo taonjato, dia lehilahy sy vehivavy nahatoky maro no nanana fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany mitovy amin’izany. Raha ny marina, izy ireo dia nahaforona ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’ izay tena nampifamatotra tanteraka ara-bakiteny tokoa ny fiainany tamin’ny fampanantenan’i Jehovah. Maro tamin’ireny vavolombelon’i Jehovah fahiny ireny no nampijalijalina sy novonoina noho ny finoany, “mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra”. Amin’ny fomba ahoana? Ao amin’ilay tontolo vaovao, Andriamanitra dia hamaly soa azy ireo amin’ny fitsanganana amin’ny maty tsara lavitra sy amin’ny fahatsinjovana fiainana mandrakizay. — Jaona 5:28, 29; Hebreo 11:35; 12:1.
Mitoky amin’Andriamanitra ny Vavolombelona kristiana
17. Toy inona ny hamafin’ny fitokian’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany tamin’i Jehovah?
17 Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nahariharin’i Jehovah tamin’ilay kongregasiona kristiana vao niorina, ny tsipiriany bebe kokoa momba ilay Fanjakana sy ny fanapahany ambonin’ny tany. Ny fanahiny, ohatra, dia nanome tsindrimandry ny apostoly Jaona mba hanoratra fa ny isan’ireo hiaraka amin’i Jesosy Kristy ao amin’ilay Fanjakan’ny lanitra dia ho 144 000. Izy ireo dia ho mpanompon’Andriamanitra mahatoky izay “navotana avy tamin’ny olona”. (Apokalypsy 7:4; 14:1-4). Hanapaka ambonin’ny tany amin’ny maha-‘mpanjaka’ miaraka amin’i Kristy any an-danitra, izy ireo. (Apokalypsy 20:4-6). Ireny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany ireny dia nitoky mafy tamin’i Jehovah fa hanatanteraka ny fikasany ho an’ilay Fanjakana any an-danitra sy ny faritra hotapahiny eto an-tany, izy. Mafy aoka izany io fitokian’izy ireo io, hany ka vonona ny hamoy ny ainy noho ny finoany izy ireo. Izany indrindra no nataon’ny maro taminy.
18. Ahoana no anahafan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, an’ireo nitovy taminy taloha?
18 Amin’izao andro izao, dia Vavolombelon’i Jehovah efa ho dimy tapitrisa no manana fitokiana amin’Andriamanitra toy ny nataon’ireo nitovy taminy izay velona tamin’ireo taonjato teo aloha. Ireo Vavolombelona amin’izao andro izao ireo dia nampifamatotra tanteraka ny fiainan’izy ireo tamin’ny fampanantenan’Andriamanitra koa. Nanokana ny fiainany ho azy izy ireo ary manana ny Baiboly iray manontolo mba hanatanjaka ny finoany. (2 Timoty 3:14-17). Ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro maoderina ireo dia manahaka an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany izay nanambara fa “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 5:29). Tao anatin’itỳ taonjato itỳ, dia maro tamin’ireny Vavolombelona kristiana ireny no nenjehina tamin-kabibiana. Ny sasany aza novonoina mihitsy noho ny finoany. Ny hafa dia maty noho ny aretina, na noho ny voina, na noho ny fahanterana. Sahala amin’ireo vavolombelona nahatoky tamin’ny lasa anefa, dia nitoky tamin’Andriamanitra izy ireo satria fantany fa hamerina azy ireo indray ho amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty izy ao amin’ny tontolony vaovao. — Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15; Apokalypsy 20:12, 13.
19, 20. Inona no fantatsika mikasika ny faminanian’ny Baiboly ho an’izao androntsika izao?
19 Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny famoahana azy ireo avy amin’ny firenena rehetra ho ao anatin’ny firahalahiana maneran-tany iray dia efa nambara ela be mialoha ao amin’ny faminanian’ny Baiboly. (Isaia 2:2-4; Apokalypsy 7:4, 9-17). Ary izy ireo dia ampanaovin’i Jehovah asa fitoriana maneran-tany mba hanangonana ho ao anatin’ny fankasitrahany sy ny fiarovany koa ireo olona hafa manana fo marina. (Ohabolana 18:10; Matio 24:14; Romana 10:13). Ireo rehetra ireo dia samy mametraka ny fitokiany feno amin’i Jehovah, amin’ny fahafantarana fa tsy ho ela izy dia hampiditra ilay tontolony vaovao mahatalanjona. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 15:58; Hebreo 6:10.
20 Asehon’ireo faminanian’ny Baiboly fa ny tontolon’i Satana dia ao anatin’ireo andro farany hatramin’ny efa ho 80 taona izao, hatramin’ny taona fototra 1914. Manakaiky ny fiafarany itỳ tontolo itỳ. (Romana 16:20; 2 Korintiana 4:4; 2 Timoty 3:1-5). Noho izany, dia misikina herim-po ny Vavolombelon’i Jehovah satria takany fa tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia handray tanteraka ho eo ambany fifehezany ireo raharaha rehetran’ny tany. Amin’ny famaranana itỳ fandehan-javatra ratsy ankehitriny itỳ sy amin’ny fampidirana ilay tontolony vaovao sy marina, Andriamanitra dia hamafa tanteraka ny tarehin-javatra ratsy izay misy eto an-tany hatramin’ny taonjato maro. — Ohabolana 2:21, 22.
21. Nahoana isika no mifaly na dia eo aza ireo fahoriana amin’izao andro izao?
21 Avy eo, mandritra ny mandrakizay, dia hasehon’Andriamanitra ny fikarakarana lehibe hataony amintsika, amin’ny fandrotsahana fitahiana izay hanonitra be lavitra izay nety ho fahavoazana nahazo antsika tamin’ny lasa. Zava-tsoa maro aoka izany no hitranga amintsika ao amin’ilay tontolo vaovao, hany ka hanjavona ao amin’ny fitadidiantsika ireo fahoriantsika taloha. Mampionona toy inona moa ny fahafantarana fa amin’izay i Jehovah dia ‘hanokatra ny tanany ary hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamiaina rehetra’. — Salamo 145:16, NW; Isaia 65:17, 18.
22. Nahoana isika no tokony hametraka ny fitokiantsika amin’i Jehovah?
22 Ao amin’ilay tontolo vaovao, ny taranak’olombelona mahatoky dia hahita ny fahatanterahan’ny Romana 8:21 (NW ) manao hoe: “Izao zavatra ary rehetra izao koa dia hovotsorana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana ka hahazo ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” Hahita ny fahatanterahan’itỳ vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy itỳ izy ireo: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10). Koa apetraho amin’i Jehovah àry ny fitokianao tanteraka satria ny fampanantenany tsy mety diso dia hoe: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no fikasan’i Jehovah ho an’ny olombelona sy ho an’itỳ tany itỳ?
◻ Nahoana Andriamanitra no namela ny toe-piainana ratsy hisy eto an-tany?
◻ Ahoana no nanehoan’ireo olona nahatoky fahiny ny fitokiany tamin’i Jehovah?
◻ Nahoana ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao no mitoky amin’i Jehovah?
[Sary, pejy 16]
Namorona ny olombelona mba hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana eo amin’ny tany paradisa Andriamanitra
[Sary, pejy 18]
Nametraka ny fitokiany tamin’ny fahaizan’i Jehovah manangana ny maty i Abrahama