Manaja ny Fahamendrehan’ny Hafa ve Ianao Rehefa Manome Torohevitra?
TSARA sy mahasoa erỳ ny hoe omena torohevitra amim-pahamendrehana! “Ny torohevitra mampiseho hatsaram-panahy sy fiheverana ary fiahiana dia miteraka fifandraisana tsara”, hoy i Edward. “Rehefa mahatsapa ianao fa ilay mpanome torohevitra dia manome voninahitra sy manaja anao amin’ny fanehoana fahavononana hihaino ny fanazavanao ny amin’ilay raharaha, dia mora lavitra ny manaiky ilay torohevitra”, hoy ny fanantitranteran’i Warren. “Rehefa mitondra ahy amim-panajana ny mpanome torohevitra iray, dia tsy misalasala aho manatona azy mba hangataka torohevitra aminy”, hoy ny fanamarihan’i Norman.
Zon’ny olona ara-dalàna ny fahamendrehana
Tena raisina tsara tokoa ny torohevitra omena amin-kafanana sy amim-pisakaizana ary amim-pitiavana. Ny fanomezana torohevitra ny hafa amin’ny fomba tianao hanomezana torohevitra anao dia mahasoa. (Matio 7:12). Ny mpanome torohevitra mahay iray dia maka fotoana hihainoana sy hiezahana hahatakatra ilay omena torohevitra — ny fomba fisainany sy ny toerana misy azy ary ny fihetseham-pony — fa tsy manakiana sy manameloka akory. — Ohabolana 18:13.
Ireo mpanome torohevitra amin’ny andro ankehitriny, anisan’izany ireo loholona kristiana, dia mila ny ho mailaka ny hanaja ny fahamendrehan’ny hafa rehefa manome torohevitra. Nahoana? Noho izao antony tsotra izao: Fihetsika mahazo vahana eo amin’ny tany ama-monina ny fitondrana ny hafa amin’ny fomba tsy manaja ny fahamendrehany. Mora mifindra izany fihetsika izany. Matetika mihitsy ireo olona antenainao fa hanaja ny fahamendrehanao no tsy manao izany, na olona nahita fianarana izany, na mpitondra fivavahana, na ny hafa. Ohatra, ny fandroahana amin’ny asa any amin’ny toeram-piasana dia mampikorontan-tsaina sy miteraka fihenjanana, na ho an’ny mpampiasa na ho an’ny mpiasa. Manimba ny fahatsiarovan-tena ho mendrika izy io, indrindra fa raha entina tsy misy fanajana ny fahamendrehany ilay noroahina. Ireo mpampiasa ao anatin’io tarehin-javatra io dia tsy maintsy mianatra ny fomba hilazana ilay “vaovao mazana mba hampitaina amin’ny fomba mazava, hivantana sy hampiseho fahaizana manokana, sady hitana ny fahamendrehan’ilay olona tsy ho voatohina”, hoy ny fitantaran’ny The Vancouver Sun. Eny, ny olona rehetra dia mendrika hoentina amim-pahamendrehana.
Ny Antenimiera Fara Tampon’ny Firenena Mikambana dia nanambara hoe: “Ny olombelona rehetra dia teraka afaka sady mitovy fahamendrehana sy zo. Nomena fahaiza-misaina sy feon’ny fieritreretana izy rehetra ary tokony hifampitondra amin’ny toe-tsaina mampiseho firahalahiana.” Koa satria iharan’ny famelezana ny fahamendrehan’ny olona, dia manana antony tsara ny Fitsipika Itondrana ny Firenena Mikambana sy ny sasin-teny ao amin’ny Fanambarana Eran-tany Momba ny Zon’olombelona hanekena io toetra io. Manamafy izy ireo fa “manam-pinoana ny amin’ny zon’olombelona fototra sy ny amin’ny fahamendrehena ary ny fananan’ny olona vidiny”.
Namorona ny olona hanana fahamendrehana voajanahary i Jehovah
Andriamanitra feno fahamendrehana i Jehovah. Milaza araka ny marina ny Teniny ara-tsindrimandry hoe: “Fahamendrehana sy famirapiratana no eo anatrehany”, ary hoe “Natao[ny] eny amin’ny lanitra ny [fahamendreha[ny], NW ]”. — 1 Tantara 16:27, NW; Salamo 8:1.
Amin’ny maha-Andriamanitra sy Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao feno fahamendrehana azy, dia manome fahamendrehana an’ireo zavaboariny rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany izy. Miavaka eo amin’ireo nomem-boninahitra toy izany ireo ny Zanany nahazo laza sy fanapahana, dia i Kristy Jesosy Mpanjaka. “Fahamendrehana sy famirapiratana no nataonao taminy”, hoy ny nosoratan’i Davida ara-paminaniana. — Salamo 21:5, NW; Daniela 7:14.
Mampalahelo fa nampiasaina tamin’ny fomba ratsy io zon’ny olombelona fototra io nandritra ny tantara. Ny anjely mahery iray, izay nanjary Satana Devoly noho ireo zavatra nataony, dia nanohitra ny fananan’ny fiandrianan’Andriamanitra zo hanapaka ary koa ny maha-ara-drariny sy maha-mendrika azy io. Tamin’ny fanaovana izany, dia nampiseho tsy fanajana an’i Jehovah izy ary nanala baraka ny anarany feno fahamendrehana no sady nihaika ny zony hanapaka. Nandrombaka fahamendrehana tafahoatra ho an’ny tenany izy. Toy ny Devoly, dia nirehareha ny amin’ny ‘heriny sy ny fahalehibiazany’ ireo mpanjaka olombelona nahery, tahaka an’i Nebokadnezara tamin’ny andron’ny Baiboly. Nanohitra tamin’ny fomba nahery vaika ny fahamendrehan’i Jehovah izy ireo, ary nanome fahamendrehana be loatra ho an’ny tenany. (Daniela 4:27). Ny fanapahan’i Satana mampahory izay angejana ny tontolon’olombelona, dia namely ary manohy mamely ny fahamendrehan’ny olona.
Moa ve efa notevatevaina ny fahamendrehanao? Rehefa nomena torohevitra ianao, moa ve natao izay hahatsiarovanao tena aoka izany ho meloka, menatra, afa-baraka na naetry? “Tsy nahatsapa fiahiana sy fangoraham-po ary fahamendrehana aho. Natao izay hahatsapako tena ho tsinontsinona”, hoy ny fanantitranteran’i André, izay nanampy hoe: “Izany dia nitarika ho amin’ny fahatsapana fahadisoam-panantenana sy fitebitebena ary fahaketrahana mihitsy aza.” “Sarotra ny manaiky torohevitra avy amin’ny olona izay tsapanao fa tsy mihevitra firy ny amin’izay mahasoa anao”, hoy i Laura.
Noho izany antony izany, dia toroana hevitra ireo mpiandraikitra kristiana mba hitondra ny andian’ondrin’Andriamanitra amim-panajana sy amin’ny fanomezam-boninahitra. (1 Petera 5:2, 3). Raha mitranga ny toe-javatra izay ahitana fa ilaina sy mahasoa ny fanomezana torohevitra ny hafa, ahoana no hahafahanao hiaro ny tenanao amin’ny fomba fisaina sy fitondran-tena mampiavaka ny olona eo amin’izao tontolo izao, izay tsy mihambahamba manohitra ny fahamendrehan’ny hafa? Inona no afaka manampy anao hitsimbina ny fahamendrehan’ireo Kristiana namanao sy ny anao koa? — Ohabolana 27:6; Galatiana 6:1.
Fotopoto-pitsipika izay mitsimbina ny fahamendrehana
Tsy hoe tsy manan-kolazaina ny amin’io foto-dresaka io akory ny Tenin’Andriamanitra. Ny mpanome torohevitra mahay iray dia tsy hisalasala hametraka fitokiana amin’ny torohevitra omen’ny Tenin’Andriamanitra, toy izay hitodika any amin’ny fahendren’itỳ tontolo itỳ. Ireo Soratra Masina dia mirakitra torohevitra mahasoa. Rehefa arahina izy ireny dia manaja ny fahamendrehan’ilay mpanome sy ilay omena torohevitra. Araka izany, dia toy izao ny torolalana nomen’i Paoly an’i Timoty mpiandraikitra kristiana: “Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra.” (1 Timoty 5:1, 2). Firifiry moa ny alahelo sy ny fihetseham-po voaratra ary ny fahaverezan-kevitra azo sorohina rehefa arahina ireo fari-pitsipika ireo!
Mariho fa ny fanalahidin’ny fanomezana torohevitra mahomby dia ny fanajana araka ny tokony ho izy ilay iray hafa sy ny zony hoentina amin’ny fomba mampiseho fanajana ny fahamendrehany sy fiahiana. Tokony hiezaka hanaraka izany torohevitra izany ireo loholona kristiana, anisan’izany ireo mpiandraikitra mpitety faritany, ka hitady hamantatra hoe nahoana ilay olona mila fanitsiana no mieritreritra sy manao zavatra toy izany. Tokony haniry ny handre ny heviny izy ireo ary hanao ny ezaka rehetra mba hisorohana ny fanomezana henatra, ny fampietrena, na ny fanalana baraka ilay olona ampiana.
Amin’ny maha-loholona anao, dia ataovy fantatry ny rahalahinao fa miahy azy ianao ary maniry hanampy azy amin’ny zava-manahirana mahazo azy. Izany no ataon’ny dokotera tsara fanahy iray rehefa manatona ny toeram-piasany ianao mba hozahany. Ny fieritreretana hoe manala akanjo ao anatin’ny efitra iray tsy manintona sady tsy mahaliana dia hahasakodiavatra sy hampietry anao. Hankasitrahanao erỳ ny dokotera iray izay mampiseho fahatakarana ny fahatsiarovanao tena ho mendrika ary manaja ny fahamendrehanao amin’ny fanafiana anao rehefa manao ny fizahana ilaina izy mba hamantatra ny antony nahatonga ny aretinao! Toy izany koa, ny Kristiana iray mpanome torohevitra, izay mampiseho fanajana araka ny tokony ho izy ilay olona dia tsara fanahy sy hentitra, kanefa manafy ilay omena torohevitra amin’ny fahamendrehana. Mifamadika amin’izany fa ny torohevitra henjana sy tsy misy hafanana ary tsy misy fangorahana, dia tahaka ny fanesorana akanjo ara-panoharana izay mahatonga anao hahatsiaro tena ho menatra sy afa-baraka ary nanesorana fahamendrehana.
Ireo mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika dia mitandrina manokana mba hanome torohevitra amim-pahamendrehana. Rehefa manome torohevitra ny be taona izy ireo, dia mampiseho taratry ny fitiavana mitovy amin’izay hasehony amin’ny ray aman-dreniny ara-nofo. Feno fiheverana sy fisakaizana ary hafanana izy ireny. Ilaina ny fahatakarana ny fihetseham-pon’ny hafa toy izany. Izy io dia miteraka rivo-piainana manamora ny fanomezana sy ny fandraisana torohevitra araka ny tokony ho izy.
Ry loholona, tadidio fa ny torohevitra azo ampiharina dia manome hery ny saina, mampirisika sy mampahery ary mampandroso. Milaza toy izao ny Efesiana 4:29: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.”
Tsy ilaina ny mampiasa teny, fomba fitenenana na fanjohian-kevitra henjana. Ny fanajana ilay iray hafa sy ny faniriana hitsimbina ny fahatsapany tena ho misy vidiny sy ho mendrika kosa, dia hanosika anao hampiseho ilay raharaha amin’ny fomba manorina sy mampandroso. Atombohy amin’ny teny fiderana feno fahatsorana sy marina momba ireo toetrany tsara ny fanamarihana rehetra ataonao, toy izay hanantitrantitra fiheverana izay mahatonga azy hahatsiaro tena ho diso fanantenana sy ho tsy misy vidiny. Raha manompo amin’ny maha-loholona ianao, dia ampiasao ny ‘fahefana izay nomena anao hananganana fa tsy handravana’. — 2 Korintiana 10:8.
Eny, ny vokatr’izay torohevitra rehetra avy amin’ireo mpiandraikitra kristiana dia tokony ho ny fanomezana fampaherezana ilaina, ny fahazoana fahasoavana. Tsy tokony hahakivy na “hampitahotra” izy io. (2 Korintiana 10:9). Na dia ny olona iray izay nanao fahadisoana lehibe aza dia mila ny hekena fa manana fanajan-tena sy fahamendrehana sasany. Tsy maintsy hampifandanjaina amin’ny teny fibedena feno hatsaram-panahy nefa hentitra ny torohevitra mba hanosika azy hibebaka. — Salamo 44:15; 1 Korintiana 15:34.
Zava-dehibe fa ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely dia nirakitra ireo fotopoto-pitsipika ireo. Izy io dia nanome lalana ho amin’ny fanomezana torohevitra sy ny famaizana ara-batana mihitsy aza, no sady nitsimbina ny zon’ny isam-batan’olona hahazo fanajana ny fahamendrehany amin’ny fetra sasany koa, tetsy an-kilany. Nekena ny hoe “hatao araka ny helony no isan’ny kapoka hatao aminy”, saingy tsy tokony ho tafahoatra izany. Noferana ny isan’ny kapoka nomena mba tsy ho “toy ny tsinontsinona” ilay nanota. — Deoteronomia 25:2, 3.
Ny fiahiana ny fihetseham-pon’ireo nanao ratsy nibebaka dia toetra nampiavaka an’i Jesosy koa. Naminany toy izao momba azy i Isaia: “Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.” — Isaia 42:3; Matio 12:17, 20; Lioka 7:37, 38, 44-50.
Ny fanantitranterana fanampiny ny amin’ny ilana hahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa dia ireto tenin’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra ireto: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. (Matio 7:12). Zava-dehibe aoka izany io fotopoto-pitsipika io mba hampandrosoana fifandraisana tsara, hany ka antsoina mahazatra hoe ny Fitsipika Volamena izy io. Amin’ny maha-loholona kristiana anao, ahoana no ahafahan’izy io manampy anao hitondra ny hafa amin-katsaram-panahy sy amim-pahamendrehana rehefa manome torohevitra?
Tadidio fa ianao koa dia manao fahadisoana. Araka ny fanamarihan’i Jakoba hoe: “Tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra.” (Jakoba 3:2). Ny fitadidiana izany dia hanampy anao hanalefaka ny fanamarihana ataonao sy hifehy ny fihetseham-ponao rehefa ilaina ny miresaka amin’ny hafa ny amin’ny kileman-toetrany. Ekeo fa manana izay mahasaro-po azy izy ireny. Izany dia hanampy anao hanalavitra ny fanakianana tafahoatra sy ny fanintonana ny saina ho amin’ny fahadisoana na fahalemena madinika. Nanantitrantitra an’izany i Jesosy rehefa nilaza izy hoe: “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.” — Matio 7:1, 2.
Hajao ny fahamendrehan’ny hafa — Tohero ny Devoly
Ireo tetik’i Satana dia nataony mba hanesorana aminao ny fahamendrehanao, mba hiteraka fahatsapana fahafaham-baraka sy tsy fisiana vidiny ary famoizam-po. Mariho ny fomba nampiasany olona iray mba hanairana fihetseham-po tsy nanorina tao anatin’i Joba nahatoky. Nanizingizina i Elifaza mpihatsaravelatsihy hoe: “Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy [Jehovah], eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra, koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany [olombelona mpanota], sady avy tamin’ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny [samoina, NW ] izy”. (Joba 4:18, 19). Koa araka ny heviny àry, dia tsy nisy vidiny teo imason’Andriamanitra mihoatra noho ny samoina i Joba. Ny torohevitra nomen’i Elifaza sy ireo namany izay tsy nampandroso velively, dia tena nanaisotra tokoa tamin’i Joba na dia ny fahatsiarovana fotoana nahafinaritra kokoa aza. Teo imason’izy ireo, dia tsy nisy vidiny ny fahatokiany sy ny fitaizany ny fianakaviany ary ny fifandraisany tamin’Andriamanitra mbamin’ireo fanati-pisaorana teo aloha.
Toy izany koa ankehitriny, ireo nanao ratsy mibebaka dia mora azon’ny fihetseham-po toy izany indrindra, ary atahorana sao ho “resin’ny fitomboan’alahelo” izy ireny. Ry loholona, rehefa manome torohevitra ny olona toy izany ianareo, dia “hekenareo horaisina tsara amin’ny fitiavana” izy ireny amin’ny famelana azy hitsimbina ny fahamendrehany ihany. (2 Korintiana 2:7, 8). “Ny fitondrana ny tena tsy misy fanajana ny fahamendrehan’ny tena dia manasarotra ny fanekena torohevitra”, hoy ny fieken’i William. Ilaina ny hanamafisana ny finoany fa sarobidy eo imason’Andriamanitra ny tenany. Ampahatsiahivo azy ireo fa i Jehovah dia “tsy mba tsy marina hanadino ny asan[’izy ireo] sy ny fitiavana izay nasehon[’izy ireo] ho voninahitry ny anarany” nandritra ireo taon-dasa nanompoany tamim-pahatokiana. — Hebreo 6:10.
Anton-javatra fanampiny inona avy no afaka manampy anao hanaja ny fahamendrehan’ny hafa rehefa manome torohevitra ianao? Ekeo fa ny olona rehetra dia manana zo ara-dalàna hanana fahamendrehana, satria natao araka ny endrik’Andriamanitra izy ireny. Misy vidiny eo imason’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy izy ireny; manamarina izany ireo fandaharana roa sosona ny amin’ny avotra sy ny fananganana amin’ny maty. Manome fahamendrehana amboniny ho an’ny Kristiana i Jehovah amin’ny ‘fanendreny [azy ireo] ho amin’ny fanompoana’, ka mampiasa azy ireny hangataka amin’ny taranaka ratsy fanahy mba hihavana amin’Andriamanitra. — 1 Timoty 1:12.
Ry loholona, tadidio fa ny ankamaroan’ireo rahalahinareo kristiana dia antenaina fa ho anisan’ny fototry ny fitambaran’olona vaovao ao amin’ny tany voadio. Amin’ny maha-olona sarobidy toy izany azy ireo, dia mendrika ny homena voninahitra izy ireo. Rehefa manome torohevitra ianareo, dia tsarovy ny fomba anehoan’i Jehovah sy i Jesosy fiheverana azy ireo, ary manohiza manao ny anjaranareo mba hanampiana ireo rahalahinareo hitsimbina ny fahatsapany tena ho mendrika sy misy vidiny eo anatrehan’ny fihaikana alefan’i Satana. — 2 Petera 3:13; ampitahao amin’ny 1 Petera 3:7.
[Efajoro, pejy 29]
Torohevitra Izay Manaja ny Fahamendrehana
1) Manomeza teny fiderana marina sy amim-pahatsorana. (Apokalyspy 2:2, 3).
2) Mihainoa tsara. Fantaro mazava tsara sy amin-katsaram-panahy ilay zava-manahirana sy ny antony ilana torohevitra. (2 Samoela 12:1-14; Ohabolana 18:13; Apokalypsy 2:4).
3) Ataovy miorina ao amin’ny Soratra Masina ny torohevitra omenao. Aoka ianao ho manorina, mahay mandanjalanja, ary mampahery, ary manehoa fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa. Hazony ho tsy voatohina ny fahamendrehana sy ny fiheveran’ilay omena torohevitra ny tenany ho misy vidiny. (2 Timoty 3:16; Titosy 3:2; Apokalypsy 2:5, 6).
4) Omeo toky ilay omena torohevitra fa misy fitahiana avy amin’ny fanekena sy fampiharana ny torohevitra. (Hebreo 12:7, 11; Apokalypsy 2:7).
[Sary, pejy 26]
Mila ny manaja ny fahamendrehan’ny hafa ireo loholona kristiana rehefa manome torohevitra