FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/2 p. 19
  • “Ny Anaran’i Jehovah dia Tilikambo Mafy”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ny Anaran’i Jehovah dia Tilikambo Mafy”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mbola velona ihany!
  • Ny herin’ny vavaka
  • Voasoratra fa Hahita Azy Aho
    Mifohaza!—2005
  • Miantehera Amin’ny Fanahin’Andriamanitra Rehefa Miova ny Fiainanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • “Ampianaro Hanao ny Sitraponao Aho”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Tanànan’i Davida
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/2 p. 19

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

“Ny Anaran’i Jehovah dia Tilikambo Mafy”

MIAINA ao anatin’ny vanim-potoana miovaova isika. Ny fiainantsika izay toa mafy orina dia mety hiova ao anatin’ny indray mipy maso, ary tamin’ny fomba tsy nampoizina akory dia tafiditra tao anatin’ny loza lehibe ny sasany talohan’ny nahatsapany izany. Ny loza dia mety ho avy amin’ny tabataba ara-politika, mpanafika mahery setra iray, loza araka ny natiora iray, na aretina lehibe iray. Na inona na inona ilay fisehoan-javatra, aiza no tokony hitodihan’ny Kristiana iray rehefa tandindomin-doza ny ainy?

Nahafantatra ny valin’io fanontaniana io avy tamin’ny zava-nitranga teo amin’ny fiainany nahatahotra iray i David, misionera mipetraka any amin’ny iray amin’ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Mpamily fiarakodia no asany, ka nivoaka alohaloha izy indray maraina mba haka amin’ny fiarakodia ireo Betelita mpanampy sasany (mpiasa an-tsitrapo izay mipetraka any ivelan’ny sampana). Mbola maizina tamin’izay. Naka an’i Rosalía izy ary nandalo teo anoloan’ny foiben’ny polisy iray nony nahare ny poa-basy voalohany.

Avy eo dia nandeha haingana ny zava-drehetra. Nahare feo tahaka ny an’ny tsipoapoaka lehibe iray izy ary nahatsapa fa nifantsitsitra nivoaka avy tamin’ny pne iray ny rivotra. Tampoka teo dia nahita miaramila iray izay nitsangana teo afovoan’ny arabe sy nikendry azy tamin’ny basiny izy. Nisy zavatra telo saika niara-nitranga: Nisy bala nandrivorivo nandoaka ny ilan’ilay jipy ka namaky ireo fitaratra; niforitra haingana i David sy i Rosalía; nitifitra ny fitaratra teo anoloana tandrifin’ny eo amin’ny maso ilay miaramila.

Noho ilay jipy norarafan’ny bala, dia nampijanona azy araka izay azony natao i David sady mbola niforitra ihany. Samy nieritreritra i David sy i Rosalía fa ho faty izy ireo. Nivavaka tamin’ny feo avo tamin’i Jehovah izy ireo, ka nangataka taminy mba hiahy azy ireo. Nilaza i Rosalía tatỳ aoriana fa tamin’ireny fotoana ireny, dia nanontany tena izy hoe ahoana no mety ho fihetsiky ny fianakaviany rehefa handre ny amin’ny fahafatesany!

Mbola velona ihany!

Nitsahatra tamin’ny farany ny feon’ny poa-basy sy ny fahavakian’ny fitaratra, ary nanopy ny masony tamin’i Rosalía i David. Rehefa nahita vaingan-dra kely boribory teo amin’ny lamosiny izy dia niontana iray ihany ny fony. Vakim-pitaratra anefa no nitsatoka teo fa tsy bala. Nandeha ra ny lohalik’i Rosalía noho ny ratra avy amin’ny fitaratra niraraka, fa ankoatr’izay dia toa tsy naninona izy.

Nanatona an’ilay jipy ny lehilahy vitsivitsy nanao fanamia-miaramila nisy fehin-tsandry fotsy ary nandidy azy ireo hivoaka sady hanangana ny tanany. Ny iray tamin’izy ireo, izay toa ambony kokoa, dia nitodika tany amin’ny miaramila iray ary niteny hoe: “Efa nilazana ianao tsy hitifitra sivily.” Niala tsiny ilay miaramila tamin’ny filazana fa nahare poa-basy izy ary nihevitra fa avy tamin’ilay jipy izany.

Rehefa nampahafantarin’i David fa Vavolombelon’i Jehovah i Rosalía sy ny tenany dia nahafinaritra ny fihetsik’ireo miaramila. Nanazava izy hoe inona no nataony, kanefa mbola te hihazona azy mianadahy ireo miaramila. Toa nisy antoko-miaramila mpanohitra nanapoaka fanonganam-panjakana tamin’ny vao maraina, ary teo am-pakana ny fifehezana ilay foiben’ny polisy ireo miaramila ireo raha nandalo tamin’ny jipy i David sy i Rosalía.

Nivadi-po i Rosalía kanefa nitana tamin-kerim-po ny fahatoniany izy raha niangavy ny fanafahana azy ireo i David. Tamin’ny farany dia navela handeha izy ireo — tsy niaraka tamin’ilay jipy. Voatery nandeha an-tongotra nankany amin’ny arabe malalaka teo akaiky teo izy ireo ary nandray aotobisy nankany amin’ny sampana, izay nikarakaran’ny infirmerie an’i Rosalía.

Ny herin’ny vavaka

Nianatra zavatra i David avy tamin’io zava-nitranga io, dia izao: Ny tsy hanamaivanana na oviana na oviana ny herin’ny vavaka amin-kafanam-po, ary ny tsy hanadinoana na oviana na oviana fa ny fampahafantarana ny tena ho Vavolombelon’i Jehovah dia matetika no fiarovana. Mety ho marina ara-bakiteny fa “ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” — Ohabolana 15:29; 18:10; Filipiana 4:6.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]

Fotografía de Publicaciones Capriles, Caracas, Venezuela

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara