Fitanana ny Masontsika ho “Tsotra” eo Amin’ny Asan’ilay Fanjakana
ZARA raha nahatratra ny fahefapolo taonany ny Repoblika Demokratikan’i Alemaina (R.D.A.), na izay fantatra taloha hoe Alemaina Atsinanana. Nifarana tamin’ny 3 Oktobra 1990 ireo 41 taona nisiany, rehefa nakambana ho anisan’ny Repoblika Federalin’i Alemaina izay nantsoina hoe Alemaina Andrefana, ny faritaniny izay mitovitovy amin’ny haben’i Libéria, na ny fanjakan’i Tennessee any Etazonia.
Nidika ho fanovana maro dia maro ny fanakambanana indray an’ireo Alemaina roa. Tsy ny sisin-tany ara-bakiteny ihany no nampisaraka ireo tany roa ireo, fa ny sisin-tany ara-pirehan-kevitra koa. Inona no dikan’izany rehetra izany ho an’ny olona any, ary ahoana no niovan’ny fiainana ho an’ireo Vavolombelon’i Jehovah?
Ny Wende, ilay revaolisiona tamin’ny Novambra 1989 izay nahatonga ny fanakambanana indray ho azo natao, dia nanaraka avy hatrany ireo efapolo taona nisian’ny sosialisma jadona. Nandritra izany vanim-potoana izany dia norarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary indraindray dia tena mafy ny fanenjehana azy ireo.a Rehefa tonga tao amin’ny R.D.A. ny fahafahana, dia nahazo ny mponina ny fientanan-kafaliana. Arakaraka ny nihenan’ilay hafaliana be anefa, dia maro no very hevitra sy nangaina ary very fanantenana mihitsy aza. Mahatalanjona ilay asa fanakambanana ireo Alemaina roa ho fisiana iray ihany ara-tsosialy sy ara-politika ary ara-toe-karena.
Araka ilay tatitra manokana hoe “162 Tage Deutsche Geschichte” (162 Andron’ny Tantaran’i Alemaina) tao amin’ny Der Spiegel, taorian’ny fanakambanana indray dia nisy tahotra niely hatraiza hatraiza ny amin’ny tsy fananana asa, ny fisondrotan’ny vidim-piainana, ary ny fisondrotan’ny hofan-trano. “Ho ampy ve ny pension-ko?” hoy ny fanontanian’ny maro any amin’ny R.D.A. teo aloha. Ahoana ny amin’ny trano? “Manerana ny R.D.A., dia mikoa ireo trano tranainy, ka manjary tsy azo onenana ny arabe iray manontolo.” Nahatratra ambaratonga mahatsiravina ny fandotoana.
Eo anatrehan’ny fikorontanana lehibe ara-tsosialy sy ara-toe-karena toy izany, ahoana no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany R.D.A. teo aloha?
Fitanana ny maso hifantoka araka ny tokony ho izy
Tsy manana sisin-tany ara-pirehan-kevitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Iray ihany ny finoan’izy ireo miorina amin’ny Baiboly, na any Atsinanana na any Andrefana. Noho ny rivo-piainana ara-tsosialy misy azy ireo eo am-piovana, dia mitana ny fahaizany mandanjalanja ara-panahy ny ankamaroan’ny Vavolombelona, amin’ny fitanana ny masony hifantoka amin’ilay tanjona voalohany indrindra, dia ny fanompoana an’i Jehovah. Nahoana izany no tsy maintsy atao?
Satria “eo am-piovana ny sehatr’izao tontolo izao”. (1 Korintiana 7:31, NW ). Voamariky ny loholona kristiana iray fa nitaky herim-po ny fitoriana tao anatin’ny fandrarana talohan’ny Wende; nampianatra ny Vavolombelona hiantehitra tamin’i Jehovah izany ary nampiofana azy ireo hampiasa tsara ny Baiboly. Izao anefa, “dia voatery mitandrina bebe kokoa izahay mba tsy ho voavilin’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo sy ny fanahiana eo amin’ny fiainana”.
Matetika dia tombanana amin’ny zavatra ara-nofo ny fahafahana sy ny fandrosoana. Olona maro any amin’io faritra io no mahatsiaro fa mila manonitra ny fotoana lany sy angamba koa ny fahafinaretana tsy azony taloha. Manjary miharihary izany rehefa mitondra fiara ianao amin’ny lalana vita rarivato any amin’ireo tanàna sy vohitr’i Thuringia sy i Saxe any atsimo. Mila fanamboarana ny lalana, ary ny trano dia tsotsotra, nefa oadray izany habetsahan’ny antennes paraboliques! Mora ho an’ny olona iray ny ho voafitaka amin’ny finoana fa ny tsy fananana ahiahy sy ny fahasambarana dia avy amin’izay rehetra hitan’ny maso. Fandrika mampidi-doza toy inona moa izany!
Tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra i Jesosy dia niresaka ny amin’ireo loza amin’ny fanisiana fiheverana tafahoatra an’ireo zavatra ara-nofo sy amin’ireo fanahiana eo amin’ny fiainana. “Aza manangona harena ho anareo etỳ an-tany”, hoy ny fampitandremany. Nanampy teny toy izao izy: “Ny maso no jiron’ny vatana. Koa raha tsotra àry ny masonareo, dia hazava ny vatanareo iray manontolo.” (Matio 6:19, 22, NW ). Inona no tiany hambara? Ny maso tsotra iray dia maso izay mifantoka sy mampita sary mazava ao an-tsaina. Ny maso araka ny fanahy iray izay tsotra dia mitana ny sarin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho mazava. Koa manampy amin’ny fitanan’ny Kristiana iray hahay handanjalanja ara-panahy àry ny fahatapahan-keviny hitana ny masony ho tsotra, hifantoka mazava tsara amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy hanilika ny fanahiana any aoriana.
Azo atao ny manazava izany amin’ny alalan’ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny mpivady iray tany Zwickau, any Saxe, izay naneho fahalianana tamin’ny Baiboly tamin’ny fotoan’ny Wende. Naka fotoana be dia be ny asan’izy ireo, kanefa dia nametraka ireo tombontsoa ara-panahy teo amin’ny toerana voalohany izy ka nanatrika ireo fivoriana kristiana rehetra. “Raha jerena eo amin’ny lafin’ny asanay, dia tsy afaka ny hanam-potoana izahay”, hoy ny fieken’izy ireo, “kanefa dia nila izany izahay ara-panahy.” Fanapahan-kevitra feno fahendrena re izany!
Hevero koa ny fianakaviana iray any Plauen, any Saxe koa. Mpanao famantaranandro ilay lehilahy, mpanao asa tanana mahay, niasa ho an’ny tenany. Taorian’ny Wende, dia nisondrotra be ny hofan’ny tranony. Inona no tokony hataony? “Hitaky vola be ilay izy, ary nianatra ny fahamarinana aho mba hahatonga azy io ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainako.” Koa nifindra ho ao amin’ny trano ratsy toerana kokoa fa kely hofa kokoa, izy. Eny, nianatra haingana dia haingana nitana ny masony ho tsotra ilay mpanao famantaranandro.
Ny sasany anefa diso aoriana loatra vao nianatra izany. Nanokatra raharaham-barotra ny loholona kristiana iray izay nanjohy hevitra fa nisy zavatra maro azo nantenaina avy amin’ilay toe-karena miorina amin’ny varotra malalaka vao nosantarina. Nampirisika azy tamin-katsaram-panahy ny mpiandraikitra mpitety faritany iray mba tsy hamela ireo fanekeny ara-barotra hanaisotra ny fahasalamany ara-panahy. Mampalahelo anefa fa izany no nitranga. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana dia niala tsy ho loholona izy. Nanoratra toy izao izy tatỳ aoriana: “Miorina amin’ny fanandraman-javatra hitako manokana, dia manoro hevitra izay mety ho rahalahy miezaka ny hahazo tombontsoam-panompoana aho mba tsy hanokatra raharaham-barotra ho an’ny tenany.” Izany akory tsy midika hoe ratsy ho an’ny Kristiana ny miasa ho an’ny tenany. Fa, na manana ny raharaham-barotsika manokana isika na tsia, ny fanisiana fiheverana be loatra an’ireo fanahiana ara-bola dia mety hahatonga antsika ho andevon’ny harena tsy satry. Nasehon’i Jesosy ny fiafaran’izany: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny.” (Matio 6:24). Nilaza toy izao ilay poety alemanina atao hoe Goethe: “Tsy misy andevo tsy misy antenaina kokoa noho ireo izay mino amin’ny fomba diso fa afaka.”
Ao anatin’ny tafio-drivotra ara-bakiteny iray, ny fitanana ny tanjontsika ho tazana hatrany dia mety hitaky ny somary hanakimpiantsika kely ny masontsika, na ny hampiasantsika ny tanantsika mba hitarafana azy io. Rehefa voahodidin’ny fikorontanana lehibe ara-politika, na ara-toe-karena, na ara-tsosialy isika, dia ilaina ny fifantohana mba hitanana ny tanjontsika ara-panahy ho taza-maso. Inona no ataon’ny Kristiana sasany mba hitanana ny maso tsotra ananan’izy ireo ho amin’ny asan’ilay Fanjakana?
Asan’ilay Fanjakana mitombo
Manerana ny R.D.A. teo aloha, ny Vavolombelona dia manokana fotoana bebe kokoa mbola tsy nisy toy izany ho an’ny fitoriana. Tao anatin’ireo roa taona farany, ny antsalan’ny fotoana lany teny amin’ny asa fanompoana dia niakatra ho 21 isan-jato. Ny vokatr’izany dia fitomboana nanaitra 34 isan-jato teo amin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Ankoatra izany, ny isan’ireo mpisava lalana maharitra amin’izao fotoana izao dia avo efatra heny noho ilay tamin’ny roa taona lasa monja izay! Raha manahy sy mitaraina ny hafa, dia misy Kristiana maherin’ny 23 000 miatrika amim-pahombiazana ny tarehin-javatra amin’ny fitanana ny masony ho tsotra any amin’izay nantsoina hatreo hoe R.D.A. Izany dia nandray anjara tamin’ilay fitomboana nahatalanjona teo amin’ny asan’ilay Fanjakana. — Ampitahao amin’ny Josoa 6:15.
Ny asa miitatra dia midika fa voakarakara tsara ny faritany any atsimo, izay onenan’ny ankamaroan’ny Vavolombelona. Maro amin’ireo anaran-toerana no misy heviny ara-tantara. Raha tia vilia bakoly ianao, dia ho fantatrao ny tanànan’i Meissen, any akaikin’i Dresden, ho ilay toerana niavian’ny sasany amin’ireo bakoly manify indrindra eo amin’izao tontolo izao. Fonenan’ny mpitory ilay Fanjakana 130 izao i Meissen. Na diniho i Weimar, “ilay renivohitr’i Alemaina nentim-paharazana”. Ny Tsangambato Goethe-Schiller ao afovoan-tanàna dia manaporofo ny fifandraisana tamim-boninahitra nisy teo amin’i Weimar sy ireo mpanoratra roa ireo, ary izany dia reharehan’ny olona maro any. Amin’izao andro izao i Weimar dia afaka mirehareha ny amin’ireo mpitory ny vaovao tsara 150 ao aminy.
Any avaratra anefa, dia tena hafa ny toe-javatra, noho ny fisian’ny mpitory vitsy kokoa sy ny fahalaviran-dalana be kokoa eo anelanelan’ireo kongregasiona. Amin’ny fomba manokana, dia zara raha misy ny asa. Maro amin’ireo manana asa no eo ambany fanerena hanao ora fanampiny mba hitanana ny asany. Manazava toy izao ny rahalahy iray manompo amin’ny maha-mpitory manontolo andro any avaratra: “Tao anatin’ny fandrarana ny rahalahy tsirairay dia nila ny fiarovan’i Jehovah teo amin’ny asa fanompoana, kanefa tsy sarotra ny nahita asa. Izao dia mitsimbadika ny tarehin-javatra. Manana fahalalahana hitory izahay, kanefa dia mila ny fitarihany izahay mikasika ny asa fivelomana. Ny fiovana toy izany dia somary mitaky fahazarana sasany ihany.”
Faly ve ireo mpitory afaka mitory matetika kokoa? Izao no hevitr’i Wolfgang: “Tsara lavitra ny isian’ny mpitory iray ihany miasa amin’ny faritany iray ihany miverimberina. Manjary matoky azy sy mora miresaka kokoa ny olona.” Fanampin’izany, ireo tompon-trano dia “tsy sanganehana intsony miresaka eo am-baravarana ny amin’ny fivavahana, na dia misy mpandalo mety handre izany aza. Tsy foto-dresaka fady intsony ny fivavahana”. Manaiky izany i Ralf sy i Martina. “Mahafinaritra anay ny miasa matetika kokoa ny faritaninay. Manjary afaka mahafantatra manokana ny olona izahay ary mientam-po koa noho ireo zavatra vita an-tsoratra maro karazana azo ampiasaina.”
Fankasitrahana ireo zavatra vita an-tsoratra avoakantsika
I Ralf sy i Martina dia mankasitraka manokana ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création? Tena boky fianarana ny Baiboly mahatalanjona io boky io ho an’ireo olona maro nanaraka ny tsy finoana an’Andriamanitra tao amin’ny R.D.A. teo aloha. Naniry koa izy ireo ny hisian’ny zavatra vita an-tsoratra fohy kokoa mirakitra foto-kevitra mitovy amin’io. “Toy inona moa ny fientanam-ponay tamin’ny fivoahan’ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika 1992 ‘Ireo Mpitondra Fahazavana’ tany Dresden. Valin’ny vavaka nataonay izy io.”
Olona tsy Vavolombelona maro no nanjary nidera ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower. Tamin’ny Jolay 1992, ny mpandahateny iray tao amin’ny fampianarana ara-tsosialy dia nanoratra mba hanambarany ny “fanajany ambony dia ambony sy ny fisaorany faran’izay mafana” noho ireo zavatra vita an-tsoratra izay ampiasainy mba hanomanana lahateny. Tamin’ny Janoary 1992, dia nisy ramatoa iray tany Rostock nandray ny boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany avy tamin’ny Vavolombelona roa izay tonga teo am-baravarany. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana any Alemaina toy izao izy: “Anisan’ny Fiangonana Loteriana aho. Hajaiko fatratra ny asan’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Milaza amim-pahatapahan-kevitra izy ireo fa tsy afaka miaina intsony tsy misy ny fitarihan’Andriamanitra ny olombelona.”
Toy inona moa ny fitarihana ara-panahy nomen’ny fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana an’ireo mpikambana ao aminy? Ilay gazety hajaina hoe Die Zeit dia nanazava tamin’ny Desambra 1991 fa na dia “nisonanina tamim-boninahitra nandritra ny fotoana fohy tamin’ny naha-renin’ny revaolisiona tsy nisy ady [azy aza ny Fiangonana Loteriana], dia toa mihena haingana ny fitiavam-bahoaka azy io”. Marina tokoa fa nanao izao fitarainana izao ny solontenan’ny Fiangonana Loteriana iray: “Ampifangaroin’ny olona amin’ny paradisa ny fiainana ao anatin’ny fandehan-javatra isian’ny varotra malalaka.” Nanoratra mba hangataka fanazavana ny mpikambana iray ao amin’ny fiangonana any Magdeburg. Nahoana? “Taorian’ny taona maro nitsikiana tamin’ny tsy finoana”, hoy ny nosoratan’ilay rangahy, “dia miaiky mafy aho izao fa itỳ tontolo itỳ dia tonga eo amin’ny androny farany, ary isika dia hiatrika fikorontanana lehibe amin’ny hoavy tsy ho ela.” — 2 Timoty 3:1-5.
Fanorenana ho fanitarana
Talohan’ny Wende, dia tsy azo natao ny Efitrano Fanjakana tany amin’ny R.D.A. Ilaina maika izy ireny izao; omena ny laharam-pahamehana ny fanorenana azy ireny. Izany dia lafiny hafa iray amin’ny fanompoam-pivavahana marina izay nandalo fiovana niavaka. Ny fanandraman-javatra hitan’ny rahalahy iray dia manazava ny hafainganan’izany fiovana izany.
Tamin’ny Martsa 1990, ora vitsivitsy monja taorian’ny nahazoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fanekena ara-dalàna tao amin’ny R.D.A., dia nasaina ny rahalahy iray hiteny tamin’ny antokona Vavolombelona tamin’ny fampiasana fanamafisam-peo, sambany teo amin’ny fiainany. Roa taona sy tapany tatỳ aoriana, ilay kongregasiona misy azy dia nitokana Efitrano Fanjakana vaovao tanteraka. Tamin’ny faran’ny 1992, dia nisy Efitrano Fanjakana fito voaorina ho an’ny kongregasiona 16. Eo am-panaovana azy ny drafitra ho an’ny Efitrano Fanjakana maherin’ny 30 hafa sy ny Efitrano Fanaovana Fivoriambe tsara tarehy iray.
Maso mifantoka amin’ny Fanjakan’Andriamanitra
“Fotoana fohy taorian’ny Wende”, hoy ny fanamarihan’ny loholona kristiana iray, “dia olona maro no nanda ny Baiboly. Nametraka ny fanantenany tamin’ilay fitondram-panjakana vaovao izay nanolotra fampanantenana toe-piainana tsara kokoa, rehefa ela ny ela, izy ireo.” Tanteraka ve ny fanantenan’izy ireo? “Tao anatin’ny roa taona dia niova hevitra izy ireo. Izao ny olona dia miray hevitra aminay fa tsy afaka mitondra fiadanana sy fahamarinana na oviana na oviana ny fitondram-panjakan’olombelona.”
Vahoaka sesehena no nifaly tamin’ny fianjeran’ny sosialisma jadona tao amin’ny R.D.A., tamin’ny fihobiana an’ilay heverin’izy ireo fa vanim-potoana isian’ny fanambinana sy fahasambarana ho an’ny firehan-kevitra tandrefana. Diso fanantenana anefa izy ireo. Na inona na inona fitondram-panjakana eo amin’ny fahefana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitana ny masony ho tsotra sy mifantoka mafy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay mamirapiratra toy ny kintana eny amin’ny lanitra. Tsy hitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana mihitsy ny fanantenana toy izany. — Romana 5:5, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo “Jéhovah a pris soin de nous sous l’interdiction”, Parties 1-3, ao amin’ireo nomeraon’ny La Tour de Garde 15 Avril, 1 Mai, 15 Mai 1992.
[Sary, pejy 26]
Mampiasa ny fahafahany mba hidirana bebe kokoa amin’ny asan’ilay Fanjakana ny Vavolombelona any Alemaina