FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/10 p. 23-26
  • Fitoriana any Amin’ny Tanin’ny Fifanoheran-javatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitoriana any Amin’ny Tanin’ny Fifanoheran-javatra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Miroborobo ny vaovao tsara
  • Ireo efitrano voaorina haingana any amin’ireo faritra mitokana
  • Mizotra mankany amin’ny “Tendrony Farany”
  • Mankany Alice Springs sy mivoaka ny faritra ambanivohitra mitokana
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/10 p. 23-26

Fitoriana any Amin’ny Tanin’ny Fifanoheran-javatra

KANGOUROUS, koalas, vombats, sy ornithorynques, ny Ayers Rock sy ny Grande Barrière de corail — ireo no anarana tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra an’i Aostralia ny olona. Nefa mety hahagaga fa ny ankamaroan’ireo Aostralianina dia azo inoana fa mbola tsy nitsidika mihitsy ny Ayers Rock na ny Grande Barrière de corail, na nahita koala, na vombat, na ornithorynque tany ivelan’ny saha misy biby azo jerena. Ny antony dia satria ny 85 isan-jaton’ireo mponina 17,3 tapitrisa ao amin’ilay tany dia mponina ambonivohitra, mipetraka any amin’ireo tanàn-dehibe dimy lehibe indrindra manaraka ny moron-dranomasina.

Rehefa mandao ny sisin’ny morontsiraka ka mizotra any amin’ny 200 kilaometatra mankany afovoan-tany na toy izany ny tena, dia tonga any amin’ny fiantombohan’ny faritra ambanivolo malaza ao amin’ilay kontinenta. Miova ny tany ka ilay ala mando lonaka sy ilay toeram-pambolena mahavokatra teo dia dimbasan’ny tany ngazana mahamay sy tsy misy rano, izay tsy misy afaka maniry ao afa-tsy ny hazo madinika sy ny bozaka matevina. Misy fiainana anefa any ambanivolo na dia izany aza. Tany fiompiana ondry sy omby midadasika, na kijana araka ny iantsoana azy, no mandrakotra faritra an-jatony kilaometatra toradroa. Ny afovoan-tany lavitra kokoa dia tanihay mafana be, izay amoizana ain’olona indraindray rehefa tsy misy fitandremana mialoha araka ny mety.

Miroborobo ny vaovao tsara

Ao anatin’ny toe-javatra toy izany no itoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’io tany io. An’arivony maro isan-taona no manaiky ny fampanantenan’i Jehovah tontolo vaovao iray marina. Tamin’ny taom-piasana farany, dia nahatratra tampon’isa 57 000 mahery ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana, izany hoe efa ho ny roa henin’ny tamin’ny folo taona lasa. Na dia mitangorona any amin’ireo tanàn-dehibe amoron-tsiraka aza ny ankabeazan’ireo mpitory, sahala amin’ny ankabeazan’ny mponina ihany, dia miroborobo koa ny vaovao tsara any afovoan-tany.

Mba hanaovana topy maso ny amin’izay atao hoe fitoriana any amin’io tanin’ny fifanoheran-javatra midadasika io, dia andeha isika hanaraka ny iray amin’ireo mpiandraikitra ny distrika dimy, sy ny vadiny, rehefa mitsidika ny sasany amin’ireo kongregasiona any amin’ny faritra ambanivolo lavitra izy ireo. Ny dian’izy ireo dia mahafaoka ny fanjakan’i Aostralia Andrefana, ny antsasaky ny fanjakan’i Queensland, sy ny Faritany Avaratra, izany hoe faritra iray mirefy maherin’ny 4,7 tapitrisa kilaometatra tora-droa. Izany dia efa ho ny antsasaky ny haben’i Eoropa, anisan’izany ny Firaisana Sovietika teo aloha.

Manomboka ao Perth, renivohitr’i Aostralia Andrefana, ny diantsika. Ao amin’io tanàn-dehibe maoderina tanteraka io, izay misy mponina 1,2 tapitrisa, dia misy kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah 49 izao. Fanampin’ny kongregasiona miteny anglisy, dia misy kongregasiona miteny grika, italiana, portogay, sy espaniola, ary koa antokony kely kokoa amin’ny fiteny hafa, any. Misy koa kongregasiona iray voaforon’ny rahalahy sy anabavy aborizenina irery ihany, izay manompana ny ezaka fitoriana ataony eo amin’ireny olona teratany ao amin’ilay kontinenta ireny. Maro be amin’ireny olona manetry tena ireny izao no manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. Manao ahoana anefa ny toe-draharaha any amin’ny toerana lavitra an’ireo tanàna lehibe?

Avy eo Perth isika dia mizotra 1 800 kilaometatra mianavaratra any Port Hedland, izay hanaovana fivoriamben’ny fizaran-tany iray. Ny ankamaroan’ireo 289 nanatrika dia tsy maintsy nanao dia 200 ka hatramin’ny 700 kilaometatra mba hahatongavana teto. Izy ireo dia avy any amin’ireo faritra mitokana izay mety ho any amin’ny 250 kilaometatra ny kongregasiona akaiky azy indrindra, amin’ny lalan-tany feno vato maranitra izay matetika mamaky ny pnen’ny fiara. Ny kongregasiona telo ao amin’io faritra io dia nanorina Efitrano Fanjakana vao haingana, ka nampiasa ny fomba fanorenana vita haingana.

Ireo efitrano voaorina haingana any amin’ireo faritra mitokana

Toy inona moa ny fifanoheran-javatra eo amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana any amin’izany faritra izany sy ny fanorenana iray any amin’ireo tanàn-dehibe sy vohitra lehibe kokoa! Ny ankamaroan’ireo fitaovam-panorenana dia tsy maintsy taterina amin’ny kamiao avy any Perth, any amin’ny 1 600 kilaometatra any atsimo. Rahalahy sy anabavy an-jatony maro no mandeha amin’io elanelana io sy mihoatra an’izany amin’ny faran’ny herinandro voafaritra tsara, mba hanorina ilay Efitrano Fanjakana ao anatin’ny hafanana 40 ka hatramin’ny 45 degre Celsius. Izany fahatongavana maro ao amin’ny fitambaran’olona mitokana kely izany dia efa fanambarana miavaka. Rehefa nisy Efitrano Fanjakana iray voaorina tao Tom Price, tanàna kely fitrandrahana vy sy alimo, dia nanambara toy izao ny pejy voalohan’ny gazety eo an-toerana: “Fiarahabana mafana ho an’ireo mpanao asa tanana sy mpanampy an-tsitrapo nandray anjara tamin’ny telo andro nampiasana ny fomba ‘fanorenana vita haingana’ tamin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Tom Price.”

Toa saika ny rehetra tao an-tanàna no nazoto fatratra hiara-miasa. Tsy nitaky ny 11 000 dolara aostraliana mahazatra, saran’ny fitondrana ireo fitaovana 50 taonina ny tompon-kamiao malala-tanana iray, fa nasainy nandray anjara tamin’ny vidin-dasantsy fotsiny ireo rahalahy. Nanao ho fanomezana loko 100 litatra ireo mpiantoka loko teo an-toerana. Nampindrana milina hampiasaina ireo mpihady tany, ary nampindrana maimaim-poana milina fampakarana entana ny kompania mpanao fitrandrahana. Nametraka olana ny fahitana filasiana ho an’ireo vahiny 300, nefa niavaka tokoa ny fiaraha-miasan’ny olona teo an-tanàna. Niantso an-telefaonina ny sasany ary nanolotra farafara. Niantso ny lehilahy iray mba hilaza fa tsy ho eo izy amin’ny faran’ny herinandro, nefa tsy hohidiany ny trano. Hoy izy hoe: “Anareo ny trano mandritra ny fandaharam-panorenana.”

Nisy zavatra nampihomehy nitranga rehefa nisy nanome an’ireo rahalahy ny adiresin’ny toerana tokony hakany ny remorque iray an’ny fizaran-tany teo an-toerana. Sanganehana izy ireo rehefa nahita soratra teo amin’ny vavahady, nanao hoe: “Tsy Mila Mpivavaka Mitsidika”. Nefa dia tao no nipetrahan’ilay fiara fitarika. Koa nampandre an’ilay madama tompon-trano àry izy ireo fa nalainy ilay remorque, izay feno fako. Raha mbola teo am-panadiovana azy io izy ireo, dia nahita tampoka fa hay tsy ny remorque an’ny fizaran-tany ilay izy! Rehefa tonga tao an-trano ny tompon’ilay remorque, dia nilaza taminy ny vadiny fa nalain’ny Vavolombelon’i Jehovah ny remorque-ny. Tsy ela dia niverina ireo rahalahy niaraka tamin’ilay remorque efa foana izao, ka nanazava ilay fifandisoana. Nisy resadresaka nahafinaritra nanaraka izany, ary nanao fanontaniana maro be momba antsika sy ny asantsika ireo mpanohitra taloha ireo. Naniry mafy ny ho tonga sy hijery ilay Efitrano Fanjakana vaovao izao izy ireo.

Mitaky fiaretana ny fitoriana ny vaovao tsara any amin’io faritra io. Voalohany, dia eo ny halaviran-toerana lehibe. Ny anabavy mpisava lalana iray sy ny vadiny dia mandeha fiara tsy tapaka mandroso sy miverina amin’ny lalan-tany mamovoka, mirefy 350 kilaometatra mahery, avy any Port Hedland mankany Marble Bar, mba hanao fiverenana mitsidika sy hitarika fampianarana Baiboly. I Marble Bar dia anisan’ireo toerana mahamay indrindra any Aostralia, ka mahatratra mihoatra ny 50 degre Celsius matetika ny maripana manomboka amin’ny Oktobra ka hatramin’ny Martsa.

Mizotra mankany amin’ny “Tendrony Farany”

I Darwin, any amin’ny 2 500 kilaometatra any avaratra lavitra, no tanàna manarakaraka hanaovana fivoriamben’ny fizaran-tany. Manararaotra ireo ora lava andehanana ny mpiandraikitra ny distrika sy ny vadiny mba hanaovana ny fianarana manokana. Mamaky sy mandinika ny teny natao hovakina isan’andro aloha izy ireo. Avy eo dia mihaino ny famakiana ny Baiboly amin’ny horonam-peo izy ireo. Mifandimby izy ireo mitondra fiara, dia toy izany koa fa mifandimby izy mamaky lahatsoratra avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!

Nampitandrina azy ireo ny takela-by famantarana iray mba ho mailo amin’ny “trains routiers”. Izany dia kamiao matanjaka mitarika remorques telo na efatra mifampitohy ary mahatratra 55 metatra ny halavany mitambatra. Noho izany dia mila elanelana malalaka rehefa tojo azy ireny. Ampiasaina izy ireny mba hitondrana biby fiompy sy entana hafa mankany amin’ireo tanàna mitokana.

Mahamay foana ny toetr’andro ary maina hatrany ny any ambanivohitra. Angamba mety hafangaron’ny olona amin’ny toeram-pandevenana midadasika ilay faritra taza-maso karakaina satria feno votry mielanelana mitovy ilay faritra. Manana loko isan-karazany ireny votry ireny, arakaraka ny tany nanamboaran’ny vitsika azy, ary na aiza na aiza dia eo amin’ny iray ka hatramin’ny roa metatra sy sasany ny mety ho haavony. Avy eo, rehefa miampita ny Renirano Victoria ireto mpandeha, dia misy famantarana nataon-tanana manintona ny sainy. “Loza Mahafaty: Tsy Azo Ilomanosana. Renirano Misy Voay Mihinana Olona!” hoy ny iray amin’izy ireo. Manapa-kevitra amim-pahendrena ny hitady fomba hafa handroana sy hakana hatsiatsiaka izy ireo!

Farany, dia tratran’izy ireo ny tendrony avaratr’i Aostralia, izay fantatry ny rehetra amin’ny hoe “Tendrony Farany”. Misy kongregasiona roa lehibe an’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Darwin, renivohitry ny Faritany Avaratra. Mora hita ny toetran’i Darwin miavaka amin’ny kolontsaina maro be rehefa manatrika ny fivoriamben’ny fizaran-tany. Indro i Charles, 30 taona, izay avy any Timor Atsinanana rotidrotiky ny ady any Indonezia ny fiaviany. Nampianatra azy hanaraka ny fanompoam-pivavahan’ny razambeny ireo ray aman-dreniny izay Sinoa. Nanjary tafiditra lalina tamin’ny arts martiaux koa izy. Tsy mora ny niala tamin’izany noho ny fifamatorany mafy tamin’ny spiritisma. Na dia izany aza, tamin’ny fitadidiana an-tsaina ny fampanantenan’i Jesosy fa “ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo”, dia nanafa-tena tamin’izany fomba fiaina izany izy. (Jaona 8:32). “Ankehitriny”, hoy izy, “dia manana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’i Jehovah aho, ary manompo amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa aho izao. Ny hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana no tanjona kendreko.”

Manaraka izany, dia indro i Beverly, avy any Papouasie-Nouvelle-Guinée. “Tamin’ny voalohany dia tsy natoky tena firy aho nitory tamin’ny olona fotsy hoditra”, hoy ny fieken’i Beverly, “satria teny vahiny amiko ny anglisy ary ireo fitenenana sasany miaraka amin’ny toe-peo aostralianina dia nahatonga azy io ho sarotra tamiko ny nahazo azy. Nefa tamin’ny fitadidiana fa milaza amintsika ny Baiboly mba hatoky an’i Jehovah sy hanandrana ary hahita fa tsara izy, dia nanomboka nanao ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpisava lalana aho tamin’ny Janoary 1991. Mpisava lalana izao ny olona nampianariko Baiboly voalohany. Nanaiky ny fahamarinana koa ny zanany roa vavy, ary manao ny asan’ny mpisava lalana miaraka amin’ny vadiny ny iray amin’izy ireo.”

Alohan’ny handaozana an’i Darwin, dia andeha isika hanao dia 250 kilaometatra vetivety any atsinanana, any amin’ny Saham-pirenen’i Kakadu, izay malaza noho ireo fiainam-borona miroborobo ao aminy. Eto isika dia mihaona amin’i Debbie, ilay mpitory ny vaovao tsara mitokana ao amin’ilay faritra manontolo. Anontaniantsika izy ny amin’ny fomba ataony mba hitoerana ho matanjaka ara-panahy hatrany amin’izao fitokanany izao. Mamaly izy hoe: “Voalohany, dia amin’ny alalan’ny vavaka. (...) Ary manovo fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina aho, toy ny ao amin’ny Isaia 41:10 milaza toy izao: ‘Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho.’ ”

Ao Jilkmingan, 450 kilaometatra any atsimon’i Darwin isika, dia mahita antokon’olom-bitsy voaforona Aborizenina. Nandritra ny taona maro io fitambaran’olona aborizenina io dia noheverina ho fitambaran’olona Vavolombelon’i Jehovah satria maro be no nanatrika tsy tapaka ireo fivoriamben’ny distrika sy fivoriambe hafa, na dia tsy nisy vita batisa aza tamin’izy ireo. Voamarika noho ny fahadiovany io fitambaran’olona io. Soa ihany fa niandany mafy tamin’ny fahamarinana izao ny sasany ary vita batisa. Izy ireo no anisan’ireo Aborizenina tambanivohitra voalohany nanao toy izany. Mila tena herim-po sy fianteherana amin’ny fanahy masin’i Jehovah ireo olona manetry tena ireo mba hialana amin’ny fomban-drazana sy ny fanao miharo spiritisma efa hatramin’ny fahagola narahin’ny foko misy azy.

Mankany Alice Springs sy mivoaka ny faritra ambanivohitra mitokana

Tonga izao ny fotoana handaozana “Ny Tendrony” sy hizorana 1 600 kilaometatra mianatsimo any Alice Springs, any amin’ny “Afovoany Mena” amin’ilay kontinenta, akaikin’ny Ayers Rock malaza. Eto, ao amin’ny Efitrano Fanjakana misy rivotra voaova araka ny mety, dia misy seza mampiadana nomena hampiasaina amin’ny fivoriambe iray misy mpanatrika 130 na maherin’izany avy any amin’ireo kongregasiona roa ao amin’io faritra io. Eto indray koa isika dia manana fahitana mahafaly: Polynezianina, Eoropeanina, sy Aborizenina mifamahofaho ao amin’ny fiarahana kristiana.

Farany, dia mandao an’i Alice Springs isika ary manomboka ny tapany farany amin’ny dia iarahana amin’ny mpiandraikitra mpitety distrika sy ny vadiny. Io dia io dia mitondra antsika ho any amin’ny 2 000 kilaometatra mamakivaky ilay kontinenta, mizotra mianavaratra sy miantsinanana. Amin’izany isika dia manao veloma ny faritra ambanivohitra mitokana satria amin’ny farany dia hahatratra ny ala mando tropikaly lonak’i Queensland. Eto, eo amin’ny moron-tsirak’i Queensland avaratra — ny tanin’ny Grande Barrière de corail — dia misy kongregasiona maro be manana ara-kevin’ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah betsaka, raha oharina amin’ny mponina.

Mbola tsy vita anefa ny diantsika alohan’ny hanatrehana fivoriamben’ny fizaran-tany iray koa. Mandray fiaramanidina ao Cairns — ny tanàna tropikaly malazan’ny Barrière de corail any Queensland — isika ary mandao ny kontinentan’i Aostralia mba hisidina kely any amin’ny tendrony avaratry ny Saikinosy Cape York, ampitan’i Torres Strait, mankany amin’ny Nosy Thursday. Misy kongregasiona kely manana mpitory 23 monja eto. Toy inona moa ny hafaliana nahita ireo mpanatrika 63 tao amin’ny fivoriambe farany nalehantsika tamin’itỳ dia itỳ!

Antenaina fa nankafizinao izany topy maso momba ny asa fitoriana ilay Fanjakana atao any amin’io tanin’ny fifanoheran-javatra io izany. Angamba indray andro any ianao mety ho afaka hitsidika anay atỳ amin’itỳ tany mahavariana itỳ ary hihaona mivantana amin’ireo rahalahy sy anabavy izay manatanteraka amim-pahatokiana ny fanompoany ao amin’ny toerana tsy manam-paharoa nanendrena azy.

[Sarintany/Sary, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

Port Hedland

Canberra

Tom Price

Marble Bar

Newman

Darwin

Katherine

Alice Springs

Ayers Rock

Nosy Thursday

Cairns

Adelaïde

Melbourne

Hobart

Sydney

Brisbane

Perth

[Sary, pejy 24]

Perth, renivohitr’i Aostralia Andrefana

[Sary, pejy 25]

Mitondra vokatra tsara ny fitoriana eny amin’ny arabe

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara