Fitoriana Amim-piaretana any Amin’ny Nosin’ny Ranomandry sy Afo
ANY Atlantika Avaratra, sahabo ho eo amin’ny antsasa-dalana manelanelana an’i Amerika Avaratra sy Eoropa, no misy an’i Islandy. Na dia mivelatra eo ambanin’ny Faribolan-tendrontany aza izy io, dia antonony kokoa noho izay mety hampoizina ny toe-tany any, noho ny hafanana avy amin’ny Golfe Stream. Nantsoina hoe ny nosin’ny ranomandry sy afo i Islandy, satria izy no manana ranomandry mitsontsorika avy any an-tendrombohitra (glacier) lehibe indrindra any Eoropa, ary izy koa no iray amin’ireo faritra volkanika mihetsika indrindra maneran-tany. Fanta-daza ireo loharanony mahamay maro be sy ireo solfatares, faritra volkanika izay mandefa etona mahamay sy gaza misy solifara.
Ireo mponina 260 000 any amin’io nosy faharoa midadasika indrindra any Eoropa io dia taranak’ireo Vikings izay nanorim-ponenana tany, efa maherin’ny 1 100 taona lasa izay. Ny fiteny islanday dia mitovy indrindra amin’ny nordika, fiteny skandinavianina tamin’ny andron’ireo Vikings. Tsy dia niova firy izy io satria ireo Islanday dia nankamamy ny famakiana ireo asa soratra tranainy (sagas), izay nosoratana indrindra tany amin’ny taonjato faha-13.
Tany amin’ny taonjato faha-16, dia nanomboka nadika tamin’ny fiteny islanday ny Baiboly. Nisy “Testamenta Vaovao” iray navoaka tamin’ny 1540, ary Baiboly feno iray tamin’ny 1584. Mihoatra ny 90 isan-jaton’ny mponina no anisan’ny Fiangonana Loterana Ara-pilazantsara, izay fivavaham-panjakana. Na dia hita saika isan-tokantrano aza ny Baiboly, dia vitsy no mino fa Tenin’Andriamanitra izy io. Manana fomba fihevitra malalaka ny amin’ny fivavahana ny ankamaroan’ireo Islanday, ary amin’ny ankapobeny, dia samy manana ny heviny manokana izy ireo.
Mahatratra an’i Islandy ny vaovao tsara
Nonina tany Canada ireo Islanday voalohany nandre ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Anisan’izy ireny i Georg Fjölnir Lindal. Avy any Islandy ny ray aman-dreniny, ary niteny islanday izy. Fotoana fohy taorian’ny nanolorany tena ho an’i Jehovah Andriamanitra, dia tonga mpitory ny vaovao tsara manontolo andro izy. Tamin’ny 1929, rehefa feno 40 taona izy, dia nitondra ny vaovao tsara tany amin’ireo mponina tao amin’io nosin’ny ranomandry sy afo io.
Tena asa goavana tokoa izany ho an’olon-tokana! Mahatratra 320 kilaometatra eo ho eo avy any avaratra mianatsimo i Islandy ary 500 kilaometatra eo ho eo avy any atsinanana miankandrefana. Ny moron-tsiraka, anisan’izany ireo fjords sy helodranomasina, dia manana halava sahabo ho 6 400 kilaometatra. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy lalana mazava ary azo lazaina fa tsy nisy fiara na fomba maoderina hafa hivezivezena. Kanefa nahatety ilay nosy manontolo tao anatin’ny folo taona ny Rahalahy Lindal ary nahazara boky an’arivony maro. Nanaraka ny moron-tsiraka tamin’ny botry izy, ary rehefa nitsidika ireo toeram-piompiana tany afovoan-tany, dia nampiasa soavaly roa, ka ny iray nitondra azy ary ny iray nitondra an’ireo zavatra vita an-tsoratra sy ny entany.
Nandritra ny efa ho 18 taona, dia ny Rahalahy Lindal no hany Vavolombelona tany Islandy. Na dia teo aza ny asa mafy nataony, dia tsy nahita olona niandany tamin’ilay Fanjakana izy na iray aza nandritra izany fotoana izany. Nifarana ny naha-irery azy naharitra tany, tamin’ny 25 Martsa 1947, rehefa tonga ireo nahazo diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower voalohany. Azonao alaina sary an-tsaina ny fifaliany rehefa novalian’i Jehovah tamin’ny farany ny vavaka nataony mba hisian’ny mpiasa betsaka kokoa ho amin’ny fijinjana. (Matio 9:37, 38). Nanohy ny fanompoany tany Islandy ny Rahalahy Lindal mandra-piveriny tany Canada, tamin’ny 1953.
Mpiasa betsaka kokoa ho amin’ny fijinjana
Ireo misionera tonga tamin’ny 1947 dia rahalahy danoa roa. Nisy misionera roa fanampiny tonga tany rehefa afaka roa taona tatỳ aoriana. Rehefa nanohy ny asa fitoriana niaraka tamina namana vitsivitsy izay nifindra nankany Islandy izy ireo, dia zavatra vita an-tsoratra an’arivony maro no voazara. Tia mamaky boky izaitsizy ny ankamaroan’ireo Islanday nefa tsy maro no nandray ny vaovao tsara. Taorian’ny 27 taona nambolena sy nanondrahana, dia nanomboka nahita ny vokatry ny asa mafy nataony ireo rahalahy be faharetana ireo. Tamin’ny 1956 dia vaovao fito no niandany tamin’ilay Fanjakana ary nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah.
Nandritra ireo folo taona farany, dia nihoatra ny avo roa heny ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Ankehitriny dia misy kongregasiona fito sy antokon’olona mitokana iray any, izany hoe mpitory ny vaovao tsara 280 amin’ny fitambarany. Andeha isika hihodidina an’ilay nosy mba hitsidika ireo kongregasiona ireo.
Manodidina ny renivohitra
Nahazo fitahiana tondraka ireo rahalahy sy anabavy izay niaritra nandritra izany taona maro rehetra izany. Misy kongregasiona roa miroborobo izao ao Reykjavík, renivohitra. Mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana tsara tarehy iray mikambana amin’ny biraon’ny sampana, notokanana tamin’ny 1975, izy ireo.
I Friðrik sy i Ada dia anisan’ireo fito natao batisa tamin’ny 1956. “Tsaroako fa nanao fivoriana tao amin’ny efitrano kely iray nifanolotra tamin’ny tafo, nonenan’ireo misionera, izahay”, hoy i Friðrik. “Omby seza 12 ilay efitrano, nefa indraindray, rehefa nihoatra ny mahazatra ny isan’ireo tonga, dia novohanay ny varavarana mankao amin’ilay efitrano kely ilany. Endre izany fahasamihafana ankehitriny, izay isian’ny kongregasiona roa antonona ny Efitrano Fanjakana!”
Niandraikitra ny Sampan-draharaha Momba ny Sakafo i Friðrik rehefa natao ireo fivoriambe voalohany. “Izaho ihany no nanao ny ankamaroan’ny asa ary tamin’izay fotoana izay ihany dia tsy mahalana aho no nanana anjara telo na efatra tamin’ny fandaharana isan’andro. Rehefa niasa tany an-dakozia aho dia nanao aron’akanjo. Rehefa fotoana tokony hanaovana lahateny indray, dia nanao ny palitaoko aho ary nihazakazaka nankao amin’ny efitrano. Imbetsaka ireo rahalahy no voatery nampahatsiahy ahy mba hanala ny aron’akanjoko. Izao izahay dia misy 400 ka hatramin’ny 500 no manatrika ireo fivoriambe, ka anisan’izany ireo loholona tsara dia tsara izay mandray anjara amin’ny fandaharana. Misy koa tanana maro be vonon-kanampy ao amin’ny Sampan-draharaha Momba ny Sakafo.”
Ny kongregasiona akaiky indrindra an’i Reykjavík dia i Keflavík, sahabo ho 50 kilaometatra miankandrefana. Nitondra anay namakivaky tanety feno vatom-bolkano ilay dia. Rakotry ny vatom-bolkano ny folo isan-jaton’i Islandy. Ny zavamaniry mipoitra voalohany eny amin’ireny tanety ireny dia ny volombato sy volonkazo nefa any amin’ireo tanety misy vatom-bolkano tranainy kokoa, dia hahita voaroy dia sy kirihitra botry kely ianao.
Manana mpitory 19 ilay kongregasiona ao Keflavík, ary niorina tamin’ny 1965. Eo akaikiny eo ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, ary misy toby miaramila amerikana iray koa eo. Na dia tsy afaka nitory isan-trano teo amin’ilay toby mihitsy aza ny Vavolombelona, dia fampianarana Baiboly maro be no notarihina tany, ary nisy olona maromaro ihany nianatra ny fahamarinana.
Misy kongregasiona hafa iray any Selfoss, 55 kilaometatra any atsinanan’i Reykjavík. Eto isika dia mahita tany misy toeram-piompiana maitso mavana, ahitana omby sy ondry, anisan’izany ny fanodinan-dronono lehibe indrindra any Islandy. Teny an-dalana izahay dia nandalo tao Hveragerði, tanàna kely iray eo amin’ny lohasaha iray mahafinaritra. Avy eny lavitra izahay dia mahamarika tsanganana etondrano avy amin’ireo loharano mahamay manenika an’ilay lohasaha. Io no iray amin’ireo faritra misy ranomafana midadasika indrindra ao amin’ilay tany, ary misy fiaro voly maro be vita amin’ny fitaratra na plastika naorina mba hampiasana io loharanon-karena voajanahary io ka hamokarana voatabiha sy kokombra ary voninkazo isan-karazany natao voly mihiboka.
Ao amin’io faritra io dia misy kongregasiona iray kely nefa marisika, manana mpitory ilay Fanjakana 19. Nifindra avy any Reykjavík i Sigurður sy i Guðrún Svava, mba hanohana an’io antokon’olom-bitsy io tany amin’ny fotoana niorenan’ilay kongregasiona tamin’ny 1988. I Sigurður no hany loholona eto. Talohan’ny nahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah, efa ho folo taona lasa izao, dia mpitendry zavamaneno nalaza izy, ka nively bateria tao amina tarika isan-karazany. Amin’izao fotoana izao izy dia mamelon-tena amin’ny maha-mpanadio fitaratra, ary mampianatra mozika koa izy. Ny fomba fiainany tamin’ny naha-mpampiala voly dia nitondra zava-manahirana maro ho azy, toy ny fidorohana zava-mahadomelina, fibobohana toaka, ary faharavam-panambadiana. Toy inona moa ny fahafaham-pony izao, manana zava-kendrena eo amin’ny fiainana sady manompo an’i Jehovah!
Any amin’ny farany atsinanana
Rehefa nandao an’i Selfoss izahay, dia nanomboka dia 680 kilaometatra, ka ny ankamaroany dia teo amin’ny lalana tery sady feno karao-bato nikitoantoana. Nizotra ho any amin’ny kongregasiona nanaraka, ao an-tanànan’i Reyðarfjörður, any amoron-tsiraka atsinanana, izahay. Tao anatin’ny antsasak’adiny dia nahatazana an’i Hekla, ny volkano islanday malaza indrindra, izahay. Inefatra nipoaka izy io tao anatin’itỳ taonjato itỳ.
Tamin’ny 1973 dia nisy fipoahana volkano nampivarahontsana nitranga tany Vestmannaeyjar (ireo Nosin’i Westmann). Tafafindra soa aman-tsara tany amin’ny kontinenta, tao anatin’ny ora vitsivitsy monja, ny mponina manontolo, izay nisy 5 300 teo ho eo. Taorian’ny fanamboarana indray ny tanàna, dia niverina tsikelikely ny ankamaroan’ny mponina. Vavolombelona roa izao no monina any ary mitory ny vaovao tsara amin’ny mponina ao amin’io fitambaran’olom-bitsy io. Rehefa nandeha fiara adiny roa indray izahay, dia nifaly tamin’ny fahitana nahafinaritra an’i Vatnajökull manerinerina, ny faran’izay lehibe indrindra amin’ireo ranomandry mitsontsorika avy any an-tendrombohitra any Islandy, manana velarana 8 300 kilaometatra toradroa. Teny an-dalana koa izahay dia nandalo rian-drano sy ony tsara tarehy maro.
Rehefa nandany adiny folo teny an-dalana izahay, dia tody tany amin’ny nalehanay. Tao Reyðarfjörður izahay dia nihaona tamin’ireo mpitory 12 tao amin’ilay kongregasiona vao haingana indrindra any Islandy. Tsy nisy Vavolombelona nonina tao amin’io faritra io mandra-piorin’ny tranon’ny misionera iray tamin’ny tapany faran’ny 1988. I Kjell sy i Iiris, mpivady misionera soedoa, izay nanompo tany Islandy hatramin’ny 1963, dia voatendry hiasa teo amin’ireo mponina 15 000 any amin’io faritra ambanivohitra io. Maro be no monina any amin’ireo tanàna-mpanjono kely manamorona ny moron-tsiraka, miitatra hatrany amin’ny 500 kilaometatra.
Mitantara toy izao i Kjell: “Tsy misy isalasalana fa nitahy be dia be ny asan’ilay Fanjakana any amin’io faritr’i Islandy io i Jehovah. Tamin’ny 1 Janoary 1993, dia nisy kongregasiona iray niforona, ary mitarika fampianarana Baiboly tsara maro miaraka amin’olona manao fandrosoana tsara dia tsara izahay izao. Na dia niova aza ny fomba fitaterana hatramin’ny nandehanan’ny Rahalahy Lindal an-tsoavaly, dia tsy mora foana ny mandeha fiara amin’ireo hadilalana eo amin’ny arabe rakotry ny ranomandry, mandritra ireo volana amin’ny ririnina maizina, na dia amin’ny jipy [4×4] aza. Indray mandeha izy io dia nikipily niala tamin’ny lalana rakotry ny ranomandry iray ary nivadibadika indroa na intelo nidina ny kisolasola iray. Toy inona moa ny hafalianay afa-niala tsy naratra!”
Taorian’ny 30 taona naha-tany Islandy azy, dia nilaza toy izao i Iiris: “Nandritra ireo taona dia maro be no tonga avy any an-tany hafa mba hanampy. Na dia voatery nandao noho ny antony samihafa aza ny ankamaroany, dia azo antoka fa nandray anjara lehibe teo amin’ny asa fambolena sy fanondrahana. Faly izahay fa afaka mijanona satria manana ny tombontsoa mahita ny fijinjana mahavokatra. Manafaingana ny asany eto koa i Jehovah.”
Fitomboana be dia be no nitranga satria manao fanambarana amin’ireo mpiara-miasa aminy ireo vaovao. Nahafantatra ny fahamarinana tamin’ireo misionera i Atli ary nanomboka niresaka tamin’ny hafa tao amin’ny kompania mpanao fanorenana niasany. Roa amin’ireo mpiara-miasa aminy izao no mandray anjara amin’ny asa fitoriana, ka ny iray niara-natao batisa tamin’ny vadiny tamin’ny Aogositra 1992. Nisy mpiara-miasa iray fahatelo nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona.
Fandehanana tamin’ny lalana any avaratra
Nandao an’i Reyðarfjörður izahay, ary nandroso niankandrefana. Ny kongregasiona manaraka, dia any amin’ny 300 kilaometatra avy eo, any amin’ny tanànan’i Akureyri. Nisy mpitory manontolo andro manokana voatendry hiasa tao, tany am-piandohan’ireo taona 1950. Hatrany am-boalohany mihitsy dia efa nahita fanoherana mafy avy tamin’ireo anisan’ny klerjy sasany ny asa. Nisy lahatsoratra navoaka tamin’ny gazety teo an-toerana mba hampitandremana ny olona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maro tamin’ireo olona tao an-tanàna koa no tafiditra tamin’ny spiritisma. Kanefa noho ny fiaretana sy ny faharetan’ireo mpisava lalana sy misionera samihafa, amin’izao andro izao dia misy kongregasiona iray marisika sy be fitiavana manana mpitory ilay Fanjakana 35 any.
I Friðrik, iray amin’ireo loholona any, dia mpanjono teo aloha. Rehefa avy nanatrika ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1982 izy dia niaiky fa ny fahamarinana tokoa no nianarany. Niverina nankany Akureyri izy, tapa-kevitra ny hanao fanambarana tamin’ny fianakaviany sy ireo sakaizany ary ireo mpiara-miasa taminy. Nanao fandaharana i Friðrik mba hialana tamin’ny asany tamin’ny naha-mpanjono mba hahafahany hanana fotoana misimisy kokoa hiarahana amin’ny kongregasiona. Nilaza tamin’i Helga, ankizivavy niarahany izy fa tsy ho afaka ny hiara-mipetraka intsony izy ireo mandra-pahavitan’ny fanambadiany, satria ho tonga Vavolombelon’i Jehovah ny tenany. Tian’i Friðrik koa ny hianaran’izy io Baiboly satria tsy ‘hanambady tsy mpino’ izy. (1 Korintiana 7:39). Gaga izy fa nanomboka nianatra i Helga. Nivady izy ireo tamin’ny Aprily 1983, ary natao batisa fotoana fohy taorian’izay. Tamin’ny farany dia nanaiky ny fahamarinana koa ny renin’i Friðrik sy ny anabaviny.
Ny nijanonanay farany dia tao Akranes, 350 kilaometatra avy eo Akureyri, any ankoatran’ny tendrombohitra telo mitomandavana mamakivaky lohasaha mahafinaritra maro. Vita rarivato teto ny lalana, ka nahatonga io dia io hahafinaritra raha oharina amin’ireo arabe tery sady nikitoantoana nandehananay tamin’ny ankamaroan’ny lalana. Ao Akranes no misy ny kongregasiona kely indrindra any Islandy — mpitory dimy, ka manompo amin’ny maha-loholona ny roa amin’izy ireo. Voaforona fianakaviana roa izy ireo, izay namaly ny antso ho any Makedonia, ka nandao ny iray tamin’ireo kongregasiona lehibe kokoa any Reykjavík ary nanorim-ponenana tao amin’io tanàna kely io mba hanompo any amin’izay ilana mpitory kokoa. (Asan’ny Apostoly 16:9, 10). Nandritra ny roa taona mahery izao no nitorian’izy ireo ny vaovao tsara tamim-paharetana tany amin’io faritany io, tamin’ny fatokiana fa hanao izay hitomboan’izany i Jehovah. — 1 Korintiana 3:6.
Fanantenana fitomboana mamirapiratra
Noho ireo fiaro voly vita plastika na fitaratra, nohafanain’ny angôvo avy amin’ny hafanan’ny tany sy ny fanazavana voatr’olombelona, dia afaka namboly karazany be dia be tamin’ny voankazo sy anambazaha ary zavamaniry hafa ireo mpamboly islanday. Toy izany koa, ireo Vavolombelona ampy fitaovana amin’ny fahamarinana ara-panahy sy ny hafanan’ny fahaizana mampiaiky amim-pahamendrehana ary ny fitahiana avy amin’ny fanahy masin’i Jehovah, dia nahita vokatra mahatalanjona teo amin’ny saha islanday.
Tamin’itỳ taona itỳ dia olona 542 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, ary fampianarana Baiboly any an-tokantrano efa ho 200 izao no tarihina. Ankoatra izany, ny famaliana amim-panekena ny fampirisihana hanompo any amin’ireo faritany mbola tsy nanendrena olona dia manome toky anay fa handre ny feon’ilay Mpiandry Tsara, i Jesosy Kristy, avokoa ireo olona tahaka ny ondry any amin’io nosy midadasika io. (Jaona 10:14-16). Endre izany fiafaran-javatra mahafaly ho an’ireo mpitory ilay Fanjakana mahatoky ireo, izay naneho faharetana sy fiaretana be dia be teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara tany amin’ilay tanin’ny ranomandry sy afo, nandritra ireo 64 taona lasa!
[Sarintany, pejy 24]
(Jereo ny gazety)
Akureyri
Akranes
Keflavík
Selfoss
Vestmannaeyjar
Reyðarfjörður
Hekla
Geysir
VATNAJÖKULL
REYKJAVÍK
[Sary nahazoan-dalana]
Based on map by Jean-Pierre Biard