Miaro ny Vahoakany i Jehovah, any Hongria
I HONGRIA, eo afovoan’i Eoropa, dia niharan’ny fitsimbadihana matetika niseho teo amin’ny tantara. Nijaly aoka izany ny vahoakany na dia natokan’i Stephen, mpanjakan’izy ireo voalohany, ho an’i Maria Virjiny sy notereny ho tonga Kristiana anarana fotsiny aza izy ireo tamin’ny 1001 am.f.i..
Nandritra ny taonjato maro, dia nihaosa noho ireo ady an-trano maro be, izay namela ny firenena hafa handresy azy imbetsaka, i Hongria. Ny mponin’ireo vohitra manontolo no naripaka nandritra ireny ady ireny, ka nosoloana mponina vahiny tatỳ aoriana. Araka izany, dia nanjary fifangaroam-pirazanana maro ny mponina. Amin’ny lafiny fivavahana, dia androatokony eo ho eo amin’ny mponin’ilay tany no nitoetra ho Katolika, na dia niely tany amin’ny faritra sasany aza ny Réforme (Fanavaozana).
Fiantombohana kely
Nafafy voalohany tany Hongria ny voan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny 1908. Vehivavy iray izay nianatra ny fahamarinana tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, anarana nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany, no nanao izany. Maro be no nanjary liana tamin’ny vaovao tsara noho ny fitoriany. Tsy ela taorian’izany, dia nisy lehilahy roa izay niverina avy tany Etazonia, nanely ny vaovao tsara manontolo andro tany Hongria tamin’ny naha-colporteurs. Niely niadana nefa tamin’ny fomba azo antoka ny fahamarinana, ary nanomboka nampiasaina tao Kolozsvár ny milina fanaovana pirinty iray.
Tamin’ny 1922 no nahazoana filazana voalohany azo itokiana, rehefa nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny Mpianatra ny Baiboly 67 avy tamin’ny tanàna folo. Nisy vokany avy hatrany ny asa fanambarana nataon’izy ireo, nitarika fanoherana, rehefa nitaona ny fitondram-panjakana sy ny gazety hanakantsakana ny asa fitoriana, ny klerjy.
Mihamafy ny famelezana
Tamin’ny 1928, dia namoaka bokikely iray nitondra ny lohateny hoe Ireo Mpianatra ny Baiboly Mpino ny Arivo Taona ny pretra katolika atao hoe Zoltán Nyisztor. Izao no nambarany tao momba ny Mpianatra ny Baiboly: “Ratsy kokoa noho ireo bolsevika mena izay manafika amin’ny fitaovam-piadiana izy ireo, satria mamitaka ny tsy manan-tsiny amin’ny fampiasana ny Baiboly mba hanafenana ny tena antony manosika azy. Manara-maso mafy ny asan’izy ireo ny Polisim-panjakana hongroà.”
Tao anatin’izany fotoana izany, dia nitsidika ireo kongregasiona ny rahalahy iray be zotom-po nantsoina hoe Josef Kiss. Nitsongo dia azy nangingina ny zandary. Tamin’ny 1931, dia tao an-tranon’ny rahalahy iray izy rehefa nahatratra azy ny polisy ka nandidy azy hiala tsy nisy hataka andro tao. Rehefa nanomboka namehy ny entany ny Rahalahy Kiss, dia nikapoka azy tamin’ny vody basiny ny polisy iray ary nandrahona azy hoe: “Faingàna, raha tsy izany dia ho voatrabaka eo ianao!” Nitsiky ny Rahalahy Kiss sady nilaza hoe: “Amin’izay aho dia hody aloha kokoa”, niresaka ny amin’ny fanantenany ny ho any an-danitra tamin’ny naha-Kristiana voahosotra izy.
Nanaraka an-dRahalahy Kiss hatrany amin’ny fiarandalamby ny miaramila. Nantenaina ny fahatongavany tao amin’ny kongregasionan’i Debrecen ny 20 Jona 1931, nefa tsy nipoitra mihitsy izy. Nanatsoaka hevitra ny rahalahy fa novonoin’ireo fahavalony izy, fa lasa ‘nody’ tokoa izy. Na dia nitsahatra aza ny asany, dia tsy afaka namono velively ny fahazavan’ny fahamarinana ny manam-pahefana.
Nampiasaina ny fahaizana mamoron-kevitra matetika mba hanomezana fanambarana. Ohatra, tany antenatenan’ireo taona 1930, dia nody mandry tany Tiszakarád ny rahalahy iray. Tsy azo natao ny fandevenana tamin’izany fotoana izany raha tsy nahazo lalana tamin’ny manam-pahefana. Vavaka iray minitra sy hira iray minitra monja no navela hataon’ireo rahalahy. Ireo mpikambana tamin’ny zandary nirongo basy sy benitra tonga tamin’ny fandevenana dia natao mba hampihatra izany. Tonga teo ny mponina maro tao an-tanàna satria liana izy ireo ny hahita ny fomba hitarihana ny fandevenana.
Nijoro teo anilan’ny vatam-paty ny rahalahy iray ary nivavaka nandritra ny antsasak’adiny, nefa tamin’ny fomba izay nahatonga ny olona hilaza fa mbola tsy nandre zavatra tahaka izany velively izy ireo. “Na dia pretra enina aza no nitarika ny fandevenana”, hoy izy ireo, “dia tsy ho nampihetsi-po fatratra toy izany.” Nanomboka nitarika ny fihirana avy eo ny rahalahy iray tsara feo, nefa nandidy azy hangina ny zandary iray. Niaiky ny polisy tatỳ aoriana fa, na dia sanganehana aza izy ireo, dia tsy afaka nampitsahatra ny vavaka.
Rehefa nitohy ny famelezana, dia nanoratra izao manaraka izao tao amin’ny bokikeliny hoe Antikristy any Akaikin’ny Onin’i Tisza, tamin’ny 1935, ny pretra iray atao hoe Lajos Szabó avy amin’ny Eglise Réformée: “Fampisehoam-pahaizana ny famahanana ara-tsaina ny olona amin’ny bolsevisma amin’ny anaran’ny fivavahana (...) Naka ny endrik’i Kristy i Marx (...) Ny Antikristy dia teto, nitafy ny akanjony mena tamin’ny alalan’ny Vavolombelon’i Jehovah.”
Ireo taona teo ambany fandrarana
Norarana tanteraka ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1939. Noharatsina hoe asa “manohitra ny fivavahana sy manohitra ny fiaraha-monina” izany. Namoaka bokikely ho fanoherana ny Vavolombelona ny Advantista, ny Batista sy ny avy amin’ny Ara-pilazantsara ary ny Presbyteriana. Nefa tsy nahafoy ny mpanompony i Jehovah, ary nokarakarain’ny Vavolombelona tany an-tany hafa izy ireo. Ankoatra izany, dia nanana fanandraman-javatra maro nanatanjaka ny finoana ny vahoakan’Andriamanitra tany Hongria.
Ohatra, rehefa nitondra kitapo fibaby feno ireo gazetintsika avy tany Tsekoslovakia ny rahalahy iray, dia nanontany azy toy izao ilay mpiasan’ny ladoany: “Inona no any anaty kitaponao any?” Namaly tamim-pahamarinana ilay rahalahy hoe: “Tilikambo Fiambenana.” Teo dia nanao marika tamin’ny tanany ilay mpiasa toy ny hoe adala ilay rahalahy, ary navelany hanohy ny diany izy. Tonga tany Hongria soa aman-tsara tamin’izany fomba izany ny sakafo ara-panahy.
Tsy nitsahatra anefa ny fanenjehana. Rahalahy nihamaro hatrany no nosamborina ary nogadraina nandritra ny vanim-potoana samihafa. Taorian’izany dia nisy antokon’olona mpanao famotorana manokana notendrena hampihatra ny lalàna tamin’ny fomba hentitra teo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny 1942, dia lehilahy sy vehivavy ary ankizy maro no nangonina ary napetraka tany amin’ny tranom-biby sy sekoly jiosy tsy nisy na inona na inona. Rehefa nampijalijalina nandritra ny roa volana izy ireo dia notsaraina ary nomelohina. Nosazina higadra mandra-pahafatiny ny sasantsasany; ny hafa nahazo sazy 2 ka hatramin’ny 15 taona an-tranomaizina. Nomelohina ho faty tamin’ny alalan’ny fanantonana azy ny rahalahy telo — i Dénes Faluvégi sy i András Bartha ary i János Konrád, nefa novana ho fanagadrana mandra-pahafaty ilay sazy tatỳ aoriana. Nentina tany amin’ny toby famonoana tany Bor, tanàna any Serbie, taorian’izany ny rahalahy 160. Rehefa avy niampita ny sisin-tany izy ireo, dia nilazana fa tsy ho tafaverina velona na oviana na oviana. Tamin’ireo Jiosy 6 000 nafindra toerana tao amin’io toby io, dia 83 monja no sisa velona. Tafaverina avokoa anefa ny Vavolombelona, afa-tsy efatra monja.
Nanana ny maritiorany tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahafaty rahalahy maromaro ny Nazia tany amin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa. Notifirina ho faty i Bertalan Szabó sy i János Zsondor ary i Antal Hónis, ary nahantona i Lajos Deli. — Matio 24:9.
Nihelina fotsiny ny fiovana nahasoa
Taorian’ny ady lehibe faharoa, dia niova indray ny tarehin-javatra. Nampanantena ny hanaja ny zon’olombelona ny fitondram-panjakam-pifanekena iray. Nanomboka nitory tsy nisy hataka andro ireo rahalahy tafaverina avy tany amin’ireo toby ary nandamina ireo kongregasiona. Tsapany fa ny nanomezan’i Jehovah fahafahana ho azy dia ny mba hahafahany hankalaza ny anarany lehibe, fa tsy ny hanandramany hanangona fananana ara-nofo. Nisy mpitorin’ilay Fanjakana 590 narisika tamin’ny faran’ny 1945. Novidina ny trano iray tamin’ny 1947 mba hampiasaina ho biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower, ary natao tao amin’ny kianjam-panatanjahan-tena iray ny fivoriambem-pirenena voalohany. Nisy mpanatrika 1 200 ary nanome fihenam-bidy 50 isan-jato ho an’ireo izay nandeha nankany amin’ilay fivoriambe mihitsy aza ny lalamby hongroà.
Tsy naharitra ela anefa ny fahafahana. Tsy ela dia nahazo fahefana ny Antoko Kaominista, ary niova ny fitondram-panjakana. Nanintona ilay fitondram-panjakana vaovao ny fitomboan’ny vahoakan’i Jehovah, satria raha teo amin’ny mpitory 1 253 izy ireo tamin’ny 1947, dia nitombo ho 2 307 kosa tamin’ny 1950. Tamin’io taona io dia nanomboka nametraka vato misakana teo amin’ny asa fitoriana ireo manam-pahefana. Notakina ny fananana fahazoan-dalana hitory, nefa nanda ny hamoaka izany ny fitondram-panjakana, ary ireo izay nangataka izany dia nokapohin’ny Polisim-pirenena. Tsy nitsahatra niampanga ny Vavolombelona ho toy ny ‘mpitsikilon’ny imperialista’ ireo lahatsoratra tamin’ny gazety. Mahaliana fa, talohan’ny nahatongavan’ny Kaominista teo amin’ny fahefana dia nalefa tany amin’ireo toby fitanana ny Vavolombelona noho ny fiampangana ho ‘mpiandany amin’ny Jiosy kaominista’.
Manomboka ny fampihorohoroana
Tamin’ny 13 Novambra 1950, dia nosamborina ny mpiandraikitra ny sampana sy ny mpandika teny (anisan’ireo izay nomelohina ho faty tany aloha izy mirahalahy) niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany voalohany. Nentina tany amin’ilay tranomaizina niafina ratsy laza tao amin’ny 60 Lalana Andrássy tao Budapest izy ireo, mba “holemena”. Natao ny 2 Febroary ny taona nanaraka ny fitsarana azy ireo. Voasazy hotanana an-tranomaizina folo taona ilay mpiandraikitra ny sampana, sivy taona ny an’ilay mpandika teny, ary valo taona ny an’ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany. Nalaina ny fananan’izy telo mirahalahy. Nandritra ilay fitsarana dia mpiandraikitra ny kongregasiona efatra hafa koa no nahazo sazy dimy ka hatramin’ny enin-taona an-tranomaizina noho ny fanamelohana ho nitady hanongam-panjakana.
Ireo rahalahy dia napetraka tao an-tranomaizina voambina mafy, izay tsy nahafahany nandray na taratasy, na fonosan’entana, na mpitsidika. Tsy nandre vaovao ny amin’izy ireo mihitsy ny fianakaviany. Tsy nahazo nanonona ny anarany na dia ireo mpiambina aza. Mba hamantarana azy ireo, dia nitondra teny am-bozony tapa-kazo iray nisy nomerao, izy tsirairay. Nisy marika mihitsy aza teo amin’ny rindrina namakiana hoe: “Aza ambenana fotsiny ireo mpigadra; ankahalao izy.”
Nandeha tamim-piafenana ny Vavolombelona, nefa tsy nitsahatra ny asa fitoriana. Nanohy teo amin’ny toeran’ireo nampidirina an-tranomaizina ny Vavolombelona hafa. Tamin’ny farany, dia voasambotra koa ireo mpisolo toerana. Voaheloka sy nosazina an-tranomaizina ny rahalahy maherin’ny 500 tany amin’ny taona 1953, nefa tsy nety voafatotra ny vaovao tsara. Rahalahy vitsy kely ihany no nino ny fampanantenana mamitaka nataon’ireo mpiambina ka nanaiky lembenana.
Fahatsinjovan-javatra mamirapiratra
Nanomboka nikomy tamin’ny fitondram-panjakana ny vahoaka tamin’ny fararanon’ny 1956. Nisakana ilay fikomiana ny Tafika Sovietika, ary nahazo fahefana indray ny Antoko Kaominista.
Efa nafahana ireo Vavolombelona rehetra tany an-tranomaizina, nefa tamin’izay dia nampidirina am-ponja indray ireo rahalahy vitsivitsy fantatra tsara mba hanohy ny saziny, fa tsy nomelohina kosa ireo rahalahy vao haingana kokoa. Tamin’ny farany, tamin’ny 1964, dia nanomboka nihatsara ny tarehin-javatra. Tsy nanao na inona na inona intsony ny manam-pahefana mba hisakanana ny fandevenana sy ny koranam-panambadiana. Natao tany anaty ala ireo fivoriamben’ny fizaran-tany. Na dia naato aza ny sasany tamin’ireny, dia tsy nisy Vavolombelona hafa nalefa tany an-tranomaizina intsony.
Tamin’ny 1978, dia navela hanatrika ny fivoriamben’ny distrika tany Vienna ireo rahalahy tompon’andraikitra. Nampanantena ny hanome fanekena ara-dalàna ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny manam-pahefana tamin’io taona io, nefa folo taona mahery tatỳ aoriana vao nitranga tokoa izany. Natao tao amin’ny Sahan’ny Tanora ao amin’ny Alan’i Kamara tamin’ny 1986, ny fivoriamben’ny distrika voalohany, ary fantatr’ireo manam-pahefana izany. Nisy famantarana aza napetraka, nanambara fa io no Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah “Ny Fiadanan’Andriamanitra”. Natao ny taona nanaraka ny Fivoriamben’ny Distrika “Matokia an’i Jehovah”, ary tamin’ny 1988 dia nifaly tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Fahamarinan’Andriamanitra” ny rahalahy.
Afaka rehefa ela ny ela!
Andro nahafinaritra ny 27 Jona 1989, satria tamin’izay no nahazoan’ny rahalahy ny taratasim-panjakana fanekena ara-dalàna ny Fandaminana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Hongria. Ny Jolay dia nandray ireo olona 9 477 nanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Fitiavam-pivavahana” ny Kianja Mitafo Fanaovana Fanatanjahan-tena ao Budapest. Nampiasaina tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Fiteny Madio” koa io kianja mitafo io tamin’ny 1990, ary nisy fivoriamben’ny distrika koa natao tany amin’ny tanàn-dehibe telo hafa any Hongria.
Rehefa nesorina tanteraka ankehitriny ny fandrarana, dia azo natao ny nandamina ny fivoriambe iraisam-pirenena voalohany. Na dia teo aza ny andro ratsy, dia natao tao Népstadion ao Budapest izy io, ka nahitana olona 40 601 tafavory mba hifaly tamin’ny fifankatiavan-drahalahy mafana. Nisy mpikambana tamin’ny Fitambara-mpitantana nanatrika tao sady nanatanjaka ny finoan’ny rahalahy tamin’ireo lahateny nataony, ary navoaka tamin’io fivoriambe io ireo boky sy bokikely vaovao misy sary miloko tanteraka.
Izay mitranga amin’izao andro izao
Miara-mivoaka amin’ireo mifanitsy aminy amin’ny teny anglisy ary mitovy hatsaran-tarehy aminy ankehitriny, ny fanontana hongroà amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Nanomboka navoaka tamin’ny teny hongroà ny Annuaire tamin’ny 1992. Raha 6 352 ny isan’ny mpitory ny vaovao tsara tamin’ny 1971 dia nitsambikina ho 13 136 izany tamin’ny Janoary 1993.
Mifaly amin’ny fahafahana ara-pivavahana ankehitriny ny Vavolombelon’i Jehovah any Hongria ary mitory malalaka isan-trano. Misy kongregasiona 205 any, ary 27 844 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 17 Aprily 1992. Mandra-pisin’ny Efitrano Fanjakana ampy azo ampiasaina, ireo kongregasiona dia manohy mivory any amin’ireo sekoly, ireo foibe ara-tsaina, ireo trano tsy misy mipetraka, ary na dia any amin’ireo biraon’ny Antoko Kaominista tsy misy mpiasa aza. Tamin’ny 1992, dia kongregasiona folo no nitokana ny Efitrano Fanjakana azy manokana, ary efitrano maro hafa no eo am-panorenana.
Tao anatin’ireo fiovana sy revolisiona rehetra, dia nitoetra tamin’ny andanin’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany tamim-pahatokiana ireo rahalahy, ary nanohy nitory. Tsy naharingana azy ireo ireo fitsimbadihana teo amin’ny fiainana, satria niaro ny vahoakany tany Hongria i Jehovah. — Ohabolana 18:10.
[Sarintany, pejy 9]
(Jereo ny gazety)
Vienna
AOTRISY
Budapest
Debrecen
HONGRIA
ROMANIA
[Sary, pejy 10]
Ny vahoakan’i Jehovah nivory tao Budapest