FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/7 p. 3-5
  • Iza moa i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza moa i Jehovah?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ambony noho ireo andriamanitra egyptiana
  • Mpiaro ny vahoakany
  • Fianarana azo avy amin’ny fanandraman-javatra
  • ‘Jehovah no Famonjena Ahy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Fizarana faha-3: 1942-1513 al. fan. ir. — Egypta — Saha fiadian’ireo andriamanitra
    Mifohaza!—1990
  • Ireo Loza Telo Voalohany
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mihaona Amin’i Farao i Mosesy sy Arona
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/7 p. 3-5

Iza moa i Jehovah?

‘IZA moa i Jehovah?’ Io fanontaniana io dia nataon’i Farao niavonavona, mpanjakan’i Egypta, 3 500 taona lasa izay. Ny fihaikana dia toa nanosika azy hanampy teny hoe: “Tsy fantatro izay Jehovah”. Ireo lehilahy roa nitsangana teo anatrehan’i Farao tamin’izay dia nahafantatra hoe iza i Jehovah. Mpirahalahy ara-nofo izy ireo, i Mosesy sy i Arona, avy tamin’ny fokon’i Levy teo amin’ny Isiraely. Naniraka azy ireo i Jehovah mba hitaky tamin’io mpanapaka an’i Egypta io ny handefasany ny Isiraelita hankany an’efitra mba hanao firavoravoana ara-pivavahana. — Eksodosy 5:1, 2.

Tsy naniry valiny ho an’ilay fanontaniany i Farao. Teo ambany fahefany, ireo mpisorona dia nampandroso ny fanompoam-pivavahana tamin’andriamanitra sandoka an-jatony maro. Ny tenan’i Farao mihitsy aza dia noheverina ho andriamanitra! Araka ny angano egyptiana, dia sady zanak’i Ra, andriamanitra-masoandro, no fisehoana velon’i Horus, ilay andriamanitra manan-doham-boromahery, izy. Nantsoina tamin’ny anaram-boninahitra toy ny hoe “ilay andriamanitra mahery” sy hoe “ny mandrakizay” i Farao. Koa tsy nahagaga raha nanontany tamim-pamingavingana toy izao izy: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny”?

Tsy nila namaly izany fanontaniana izany i Mosesy sy i Arona. Fantatr’i Farao fa i Jehovah dia ilay Andriamanitra nivavahan’ireo Isiraelita izay nijaly noho ny fanandevozana egyptiana tamin’izay. Tsy ho ela anefa dia ho fantatr’i Farao sy i Egypta iray manontolo fa i Jehovah no Andriamanitra marina. Toy izany koa amin’izao andro izao, dia hataon’i Jehovah izay hahafantaran’ny olona rehetra eto an-tany ny anarany sy ny maha-Andriamanitra azy. (Ezekiela 36:23). Koa afaka mandray soa avy amin’ny fandinihana ny fomba nankalazan’i Jehovah Andriamanitra ny anarany teo amin’i Egypta fahizay isika.

Ambony noho ireo andriamanitra egyptiana

Rehefa nanontany tamim-pihaikana hoe iza moa i Jehovah, i Farao dia tsy nanampo ireo vokany ho hitany. Ny tenan’i Jehovah mihitsy no namaly tamin’ny fitondrana loza folo teo amin’i Egypta. Tsy famelezana ilay firenena fotsiny ireo loza ireo. Famelezana ireo andriamanitr’i Egypta izy ireo.

Nasehon’ireo loza ny fahambonian’i Jehovah raha noharina tamin’ireo andriamanitra egyptiana. (Eksodosy 12:12; Nomery 33:4). Alao sary an-tsaina ny horakoraka rehefa novan’i Jehovah ho ra ny Renirano Neily sy ireo rano rehetra tany Egypta! Noho io fahagagana io, i Farao sy ny olony dia nianatra fa ambony noho i Hapi, andriamanitra-Neily, i Jehovah. Ny fahafatesan’ireo hazandrano tao Neily dia famelezana koa ny fivavahana egyptiana, satria nisy karazana hazandrano sasany nankamasinina. — Eksodosy 7:19-21.

Nitondra loza avy tamin’ny sahona teo amin’i Egypta i Jehovah nanaraka izany. Izany dia nanala baraka an’i Heqt, ilay andriamanibavy-sahona egyptiana. (Eksodosy 8:1-10). Ilay loza fahatelo dia nahavery hevitra ireo mpisorona mpanao majika izay tsy afaka naka tahaka ny fahagagana nataon’i Jehovah tamin’ny fanovana ny vovoka ho moka. “Rantsantànan’Andriamanitra ity” hoy ny antsoantson’izy ireo. (Eksodosy 8:12-15). Tsy afaka nanampy ireo mpisandoka ireo ilay andriamanitra egyptiana atao hoe Thoth izay nolazaina fa namorona ny fanaovana majika.

Teo am-pianarana i Farao hoe iza i Jehovah. I Jehovah no ilay Andriamanitra izay afaka nanambara ny fikasany tamin’ny alalan’i Mosesy, ary avy eo dia nanatanteraka izany tamin’ny fitondrana loza nahagaga teo amin’ireo Egyptiana. Afaka nampandeha sy nampitsahatra ireo famelezana araka ny sitrapony koa i Jehovah. Izany fahalalana izany anefa dia tsy nanosika an’i Farao hanaiky an’i Jehovah. Nifanohitra tamin’izany, fa nanohy nanohitra tamim-pikirizana an’i Jehovah ilay mpanapaka nieboebo tao Egypta.

Nandritra ilay loza fahefatra, ny lalitra dia nanimba ilay tany, nanafika ireo trano, ary azo inoana fa nihahohaho teny amin’ny rivotra izay nivavahana ho toy ny fisehoan’i Shu andriamanitra, na i Isis andriamanibavy, mpanjakavavin’ny lanitra. Ilay teny hebreo ilazana an’io bibikely io dia nadika hoe “fihitra”, “lalitr’alika”, “voantay”. (Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao; Septante; Young). Raha tafiditra tamin’izany ny voantay, dia nasian’ny bibikely izay noheverin’izy ireo ho masina ny Egyptiana, ary tsy afa-namindra ny olona raha tsy nanitsaka azy ireny tao ambany tongony. Na ahoana, na ahoana, dia nampianatra an’i Farao zava-baovao momba an’i Jehovah io loza io. Na dia tsy afaka niaro ny mpivavaka taminy tamin’ny fihitra aza ireo andriamanitr’i Egypta, i Jehovah dia afaka niaro ny vahoakany. Io loza io sy ireo loza rehetra nanaraka izany dia nampahory ny Egyptiana fa tsy ny Isiraelita. — Eksodosy 8:16-20.

Ny loza fahadimy dia areti-mandringana teo amin’ny biby fiompy egyptiana. Io loza io dia nanala baraka an’i Hathor sy i Apis ary i Nut, andriamanibavy-lanitra naseho toy ny ombivavy. (Eksodosy 9:1-7). Ny loza fahenina dia nitondra vay teo amin’ny olona sy ny biby, nampietry ireo andriamanitra Thoth sy Isis ary Ptah izay nolazaina tamin’ny fomba diso fa nanana fahaizana nanasitrana. — Eksodosy 9:8-11.

Ny loza fahafito dia havandra vaventy, narahina afo nipendrampendrana teny anelanelany. Izany dia nampahamenatra ny andriamanitra Reshpu, izay noheverina ho mpifehy ny tselatra, sy i Thoth izay nolazaina fa nanam-pahefana teo amin’ny orana sy ny varatra. (Eksodosy 9:22-26). Ny loza fahavalo, famelezana tamin’ny valala, dia nampiseho ny fahambonian’i Jehovah raha noharina tamin’i Min, andriamanitry ny fahavokarana, izay nampoizina ho niaro ny vokatry ny tany. (Eksodosy 10:12-15). Ny famelezana fahasivy, haizim-pito hateloana teo amin’i Egypta, dia nitondra fanesoana an’ireo andriamanitra egyptiana, toa an’i Ra sy i Horus, andriamanitra-masoandro. — Eksodosy 10:​21-23.

Na dia teo aza ireo loza sivy nandrava zavatra, dia mbola tsy nety namela ny Isiraelita handeha ihany i Farao. Ny fahamafisan’ny fony dia nanjary novidin’i Egypta lafo dia lafo rehefa nitondra ny loza fahafolo sady farany Andriamanitra — ny fahafatesan’ny voalohan-teraka teo amin’ny olona sy ny biby. Maty na dia ny lahimatoan’i Farao aza, na dia noheverina ho andriamanitra aza izy io. Araka izany, dia ‘notsarain’i Jehovah avokoa ireo andriamanitr’i Egypta’. — Eksodosy 12:12, 29.

Nampiantso an’i Mosesy sy i Arona izao i Farao ary niteny hoe: “Mitsangàna, mialà eto amin’ny vahoakako hianareo sy ny Zanak’Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’i Jehovah araka ny nolazainareo. Ary ny ondry aman-osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.” — Eksodosy 12:31, 32.

Mpiaro ny vahoakany

Lasa ireo Isiraelita, saingy tsy ela dia toa hitan’i Farao fa nirenireny tsy nahita haleha tany an’efitra izy ireo. Nifanontany toy izao izy sy ny mpanompony: “Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin’ny fanompoany antsika isika?” (Eksodosy 14:3-5). Ho fahavoazana lehibe eo amin’ny toekarenan’i Egypta ny famoizana io firenena andevo io.

Namory ny tafiny i Farao ary nanenjika ny Isiraely hatrany Pi-hahirota. (Eksodosy 14:6-9). Teo amin’ny lafin’ny tafika, dia toa tsara ny tarehin-javatra nisy ny Egyptiana satria voafandrika teo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra ny Isiraelita. Nanao zavatra mba hiarovana ny Isiraelita anefa i Jehovah tamin’ny fametrahana rahona teo anelanelan’izy ireo sy ny Egyptiana. Tany amin’ny ilany nisy ny Egyptiana, izy io dia ‘rahona sy fahamaizinana’ ka nanakana azy ireo tsy hanafika. Teo amin’ilay ilany iray, dia nazava ilay rahona, “nampahazava ny alina” ho an’ny Isiraely. — Eksodosy 14:10-20.

Tapa-kevitra ny handroba sy handringana ireo Egyptiana saingy voasakan’ilay rahona. (Eksodosy 15:9). Rehefa nisinda anefa izy io dia akory ny hagagana! Nisaraka ny ranon’ny Ranomasina Mena, ary teo am-pamakivakiana azy ho eny ampita amin’ny tany maina ny Isiraelita! Nirodorodo nankao amin’ny fanambanin’ny ranomasina i Farao sy ny tafiny, tapa-kevitra ny hisambotra sy handroba ireo andevony taloha. Tsy niantehitra tamin’ny Andriamanitry ny Hebreo anefa ilay mpanapaka an’i Egypta nieboebo. Nanomboka nampifanaritaka ny Egyptiana i Jehovah tamin’ny fanesorana ny kodiaran’ny kalesin’izy ireo. — Eksodosy 14:21-25a.

“Aoka handositra ny tavan’ny Isiraely isika”, hoy ny antsoantson’ireo lehilahy maherin’i Egypta, “fa Jehovah no miady amin’ny Egyptiana ho an’ireo.” Diso aoriana loatra io fahatakaran-javatra io ho an’i Farao sy ny olony. Tonga soa aman-tsara teny amin’ny morony ilany i Mosesy ka naninjitra ny tanany tamin’ny ranomasina, ary dia niverina ny rano ka namono an’i Farao sy ny tafiny. — Eksodosy 14:25b-28.

Fianarana azo avy amin’ny fanandraman-javatra

Koa iza àry moa i Jehovah? Nahazo ny valin’io fanontaniana io i Farao niavonavona. Ireo zava-nitranga tany Egypta dia nampiseho fa i Jehovah no ilay hany Andriamanitra marina, tsy nitovy velively tamin’ireo ‘andriamanitra tsinontsinona’ an’ireo firenena. (Salamo 96:4, 5). “Nanao ny lanitra sy ny tany” tamin’ny heriny mahatahotra i Jehovah. Izy koa no ilay Mpanafaka Lehibe, dia Ilay ‘nitondra ny Isiraely olony nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, tamin’ny famantarana sy fahagagana sy tanana mahery ary fampahatahorana lehibe’. (Jeremia 32:17-21). Manaporofo tsara tokoa izany fa afaka miaro ny vahoakany i Jehovah!

Nianatra izany lesona izany tamin’ny alalan’ny fanandraman-javatra nangidy i Farao. Raha ny marina, ilay fianarana farany dia namoizany ny ainy. (Salamo 136:1, 15). Ho hendry kokoa izy raha nampiseho fanetren-tena rehefa nanontany hoe ‘Iza moa i Jehovah?’ Tamin’izay io mpanapaka io dia ho afaka nanao zavatra nifanaraka tamin’ny valin-teny azony. Soa ihany fa olona manetry tena maro amin’izao andro izao no mianatra ny amin’ny hoe iza moa i Jehovah. Ary karazan-toetra manao ahoana no ananany? Inona no angatahiny amintsika? Enga anie ny lahatsoratra manaraka hampitombo ny fankasitrahanao an’Ilay hany manana ny anarana hoe Jehovah. — Salamo 83:18.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara