Manova ny Andro sy ny Fotoana i Jehovah, any Romania
NITSOKA nanerana an’i Eoropa Atsinanana ny rivotry ny fiovana tamin’ny 1989. Tao anatin’ny volana vitsivitsy, ireo fitondram-panjakana izay nitsangana toy ny tanàna mimanda tsy mety resy taloha dia nirodana toy ny daomy. Tonga niaraka tamin’ireo fanovana ara-politika ny fiovana ara-tsosialy, ara-toe-karena, ary, ny mahaliana indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ny fiovana ara-pivavahana. Tany amin’ny tany nisesy, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nekena tamin’ny fomba ofisialy, ary naverina tamin’izy ireo indray ny fahafahana hanohy ireo asany ara-pivavahana.
Toa tsy nitovy tamin’izany anefa ny tany Romania. Nangeja mafy aoka izany ny vahoaka ny fitondram-panjakana, hany ka toa tsy nisy vokany firy ireo rivotry ny fiovana. Rehefa nandre izay nitranga tany amin’ireo tany hafa any Eoropa Atsinanana ny Vavolombelon’i Jehovah tany, dia nanontany tena izy ireo hoe: ‘Mba ho afaka hanana fahafahana hanao fanompoam-pivavahana ve izahay alohan’ny Haramagedona?’ Naniry fatratra ny fotoana hahafahan’izy ireo hivory any amin’ireo fivoriana kristiana miaraka amin’ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy ny fon’izy ireo, fotoana hahafahan’izy ireo hitory ny vaovao tsara ampahibemaso sy hianatra an-karihary ireo bokiny momba ny Baiboly, tsy ho voatery hanafina izany amin’ny fotoana rehetra. Toa nofy fotsiny izany rehetra izany.
Avy eo, dia tanteraka ilay nofy! Nitranga izany tamin’ny Desambra 1989. Nanaitra ny rehetra fa nirodana tampoka ny fitondran’i Ceauşescu. Nahita fanamaivanana tampoka ireo Kristiana ireo. Tamin’ny 9 Aprily 1990, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nekena ara-dalàna ho fandaminana ara-pivavahana any Romania. Nanova ny andro sy ny fotoana ho an’ireo Vavolombelona marisika 17 000 any i Jehovah. — Ampitahao amin’ny Daniela 2:21.
Tantara lava
Tamin’ny 1911, dia niverina tany Romania i Carol Szabo sy i Josif Kiss avy tany Etazonia izay nianaran’izy ireo ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly ary nanoloran’izy ireo tena ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony. Naniry hizara ny vaovao tsara tamin’ireo mpiray firenena taminy izy ireo. Raha vao tonga tany Romania izy ireo, dia nanomboka nitory avy hatrany. Rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany, dia voasambotra izy ireo noho izany zavatra nataony izany. Na dia izany aza, dia nanomboka nitondra vokatra ireo voan’ilay Fanjakana nafafin’izy ireo. Tamin’ny 1920, rehefa voalamina indray ny asa, dia nisy mpitory ilay Fanjakana 1 800 teo ho eo tany Romania.
Tamin’izay fotoana izay, ny toe-tsaina revaolisionera izay nirehitra tany amin’ireo tany balkanika dia tsapa bebe kokoa hatrany tany Romania, ary niely hatraiza hatraiza ny fikorontanana. Nanohy ny asa ireo rahalahintsika ara-panahy na dia teo aza ny fotoan-tsarotra. Tamin’ny 1924, dia nanokatra birao iray tao amin’ny 26 Lalana Regina Maria, tany Cluj-Napoca ny Fikambanana Watch Tower mba hikarakara ny asa tany Romania, Hongria, Bolgaria, Yogoslavia, ary Albania.
Nihahenjana be hatrany anefa ny tarehin-javatra ara-politika, ary ankoatra ireo zava-nanahirana avy amin’ireo manam-pahefana, dia nisy zava-nanahirana tao anatin’ny fandaminana. Nanao izao tatitra izao ny Annuaire 1930: “Noho ny fivadihan’ilay nirahin’ny Fikambanana tany, dia niparitaka ireo sakaiza ary voahozongozona mafy ny fatokian’izy ireo. Eo am-pitadiavana fahafahana sasany ny Fikambanana mba hamelomana indray ny asa any amin’io tany io, kanefa mandrara ny zavatra rehetra ireo manam-pahefana eo an-toerana, ary tsy maintsy miandry isika mandra-panokatry ny Tompo lalana tsaratsara kokoa.” Avy eo, tamin’ny 1930, dia voatendry ho mpikarakara ny sampana vaovao i Martin Magyarosi, Vavolombelona romaniana vita batisa tamin’ny 1922, ary tatỳ aoriana ny birao dia nafindra tany amin’ny 33 Lalana Crişana, any Bucharest. Taorian’ny ezaka mafy naharitra, dia voasoratra ho fikambanana ara-dalàna tany Romania tamin’ny farany ny Fikambanana, tamin’ny 1933.
Nitohy ny zava-nanahirana
Nisy fitsapana mafy nitohy nianjady tamin’ireo Vavolombelona tany Romania. Nanao tatitra toy izao ny Annuaire 1936: “Tsy isalasalana fa tsy misy faritra eto an-tany izay iasan’ireo rahalahy ao anatin’ny fahasahiranana lehibe kokoa noho ny any Romania.” Na dia teo aza ny fahoriana rehetra, ny rapaoron’asa tamin’ny 1937, dia nanisy fitenenana ny amin’ny kongregasiona 75 niaraka tamin’ny mpitory 856 tany Romania. Tamin’ny Fahatsiarovana, dia nisy olona 2 608 nanatrika.
Rehefa nanomboka nihetsika ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy nitoetra ho tsy voakasika i Romania. Tamin’ny Septambra 1940, dia nandrombaka ny fahefana tao amin’ny fitondram-panjakana ny Jeneraly Ion Antonescu ary nanomboka nanapaka toy ny nataon’i Hitler. Nahazatra ireo asa fampihorohoroana. Nisy rahalahintsika an-jatony maro nosamborina, nokapohina ary nampijalijalina. Voasambotra ny Rahalahy Magyarosi tamin’ny Septambra 1942, kanefa dia mbola afaka nampifandrindra ny asa ho an’i Transylvania ihany izy tany am-ponja.
Nitohy ny fanenjehana rehefa nandalo an-keriny nanerana ilay tany ny miaramilan’i Hitler tamin’ny 1944. Nisy tatitra avy tany Bucharest nilazalaza ny toe-piainana teo ambanin’ny fitondrana nazia: “Voaenjika mafy ny Vavolombelon’i Jehovah eto amin’ity tany ity. Voafonja niaraka tamin’ireo Kaominista, ary nampangain’ny klerjy mpanohana an’i Hitler ho ratsy kokoa noho ireo Kaominista, ny maro taminay dia nomelohina 25 taona an-tranomaizina, na higadra mandra-pahafaty, na nomelohina ho faty.”
Farany dia nitsahatra ny ady, ary tamin’ny 1 Jona 1945, dia niverina niasa indray ny biraon’ny Fikambanana tany Bucharest. Na dia teo aza ny fahasahiranana teo amin’ny fahazoana taratasy, dia nisy mpiasa be fandavan-tena nanao pirinty bokikely maherin’ny 860 000 sy gazety Ny Tilikambo Fiambenana maherin’ny 85 000 tamin’ny fiteny romaniana sy hongroa. Notahin’i Jehovah tamin’ny fomba tondraka ny asa mafy nataon’izy ireo. Tamin’ny 1946, dia nisy olona vaovao sahabo ho 1 630 natao batisa. Zavatra nisongadina tamin’io taona io ilay fivoriambem-pirenena natao tany Bucharest tamin’ny 28 sy 29 Septambra. Nanao izay farany azony natao ny klerjy mba hanembantsembanana sy hampijanonana io fivoriambe io, kanefa dia tsy nahomby izy ireo, ary nisy olona sahabo ho 15 000 nanatrika ny lahateny ampahibemaso. Sambany ireo rahalahy any Romania vao afaka nanao fivoriambe toy izany.
Nalefan’ny Fikambanana tany Romania ny Rahalahy Alfred Rütimann, avy tany amin’ny sampana tany Soisa. Tamin’ny Aogositra 1947, dia afaka niresaka tamin’ny rahalahy maherin’ny 4 500 izy tany amin’ny toerana 16, nampahery azy ireo ny amin’izay hitranga. Tsy ela dia nihatra tamin’ireo Vavolombelona indray ny fanerena, tamin’ity indray mitoraka ity, dia avy tamin’ny fitondrana kaominista. Tamin’ny Febroary 1948, dia noraran’ny manam-pahefana ny asa fanaovana pirinty sy fitoriana fanaontsika. Avy eo, tamin’ny Aogositra 1949, dia nisafo tampoka tao amin’ilay birao tao amin’ny 38 Lalana Alion ny manam-pahefana. Rahalahy maro, anisan’izany ny Rahalahy Magyarosi, no voasambotra nanaraka izany. Tamin’ity indray mitoraka ity, noho izy ireo nampangaina ho imperialista, dia nalefa tany am-ponja na toby fanaovana asa an-tery vozona izy ireo. Nandritra ireo 40 taona nanaraka, dia voarara ny asa, ary nijaly mafy ireo Vavolombelona. Nanampy trotraka ilay fahoriana ireo fahasahiranana napoitran’ireo fahavalo tao anatin’ny fandaminana. Farany, dia nirodana ny fitondran’i Ceauşescu tamin’ny 1989, ary dia afaka izy ireo! Inona izao no hataon’izy ireo amin’ny fahafahany?
Fitoriana ampahibemaso indray
Tsy nandanilany fotoana ireo Vavolombelona. Avy hatrany dia nanomboka nitory isan-trano izy ireo. Tsy mora anefa izany ho an’ireo izay nanohy tamin-kerim-po ilay asa tamim-piafenana, tamin’ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana nandritra ny taona maro. Hendratrendratra izy ireo izao rehefa afaka nitory ampahibemaso. Ny ankamaroan’izy ireo dia mbola tsy nanao izany mihitsy taloha, ary ny fotoana farany nitorian’ny sasany tamin’izy ireo isan-trano, dia tany amin’ny faramparan’ireo taona 1940. Vokatra manao ahoana no hitan’izy ireo? Aoka hojerentsika izany.
Toerana tsara anombohana i Bucharest renivohitra izay misy mponina 2,5 tapitrisa. Roa taona lasa izay, dia tsy nisy afa-tsy kongregasiona efatra tao amin’io tanàna io. Izao ao dia misy kongregasiona folo, ary maherin’ny 2 100 no tonga tamin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana 1992. Noho ireo fampianarana Baiboly any an-tokantrano maro be mandroso, dia mety hisy kongregasiona vaovao hiforona tsy ho ela.
I Craiova dia tanàna iray misy mponina 300 000 eo ho eo, any amin’ny faritra atsimo andrefan’ilay tany. Hatramin’ny 1990, dia tsy nisy afa-tsy Vavolombelona 80 teo ho eo tao amin’ilay tanàna manontolo. Avy eo dia nanjary be mpitia ny toe-tsain’ny mpisava lalana, ary dia nandroso haingana tampoka ny asa. Tamin’ny 1992 fotsiny, dia olona 74 no natao batisa, ary maherin’ny 150 ny fampianarana ny Baiboly notarihina. Noho ny fananany mpitory 200 mahery, dia mitady fatratra toerana mety ho an’ny Efitrano Fanjakana iray izy ireo.
Tany Tirgu-Mures, dia nankany amin’ny pretra ortodoksa mba hamafa ny anarany tao amin’ny bokim-piangonana ny anabavy iray Vavolombelona sy ny rahalahy roa. Rehefa nahafantatra ny anton’ny fitsidihan’izy ireo ilay pretra, dia nanasa azy ireo hiditra, ary nanao dinidinika nahafinaritra izy ireo. Nilaza ilay pretra tamin’izay hoe: “Mitsiriritra anareo aho fa tsy amin’ny fomba ratsy. Tokony ho eo am-panaovana ny asa ataonareo izahay. Tena ratsy tokoa fa goavana iray matory ny Eglizy ortodoksa”! Nandray ilay bokikely hoe Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? sy nomerao iray amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izy. Faly ilay anabavy fa tsy anisan’ilay “goavana matory” intsony. — Apokalypsy 18:4.
Misy heviny lehibe ny maha-tanora ny ankamaroan’ireo mianatra ny fahamarinana amin’izao andro izao. Nahoana? Toa nanantena zavatra betsaka avy tamin’ny fiovana teo amin’ny fitondrana izy ireo, saingy diso fanantenana. Faly izy ireo mahafantatra fa ny Fanjakan’i Jehovah ihany no afaka mitondra ala olana maharitra amin’ny zava-manahirana antsika. — Salamo 146:3-5.
Zavatra lehibe mitranga any amin’ireo faritra kely
Vohitra kely any amin’ny faritra avaratr’i Romania i Ocoliş. Tamin’ny 1920, dia niverina avy tany amin’ny vava ady rosiana izay nitanana azy ho babo an’ady, ny lehilahy iray atao hoe Pintea Moise. Katolika izy taloha, saingy talohan’ny niverenany dia tonga Batista izy. Roa tokom-bolana tatỳ aoriana, dia nitsidika azy ireo Mpianatra ny Baiboly, anarana nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Taorian’io fitsidihana io, dia hoy izy: “Nahita ny fahamarinana momba an’Andriamanitra aho izao!” Tamin’ny 1924, dia nisy antokon’olona 35 tany Ocoliş.
Amin’izao andro izao, eo amin’ireo mponina eo an-toerana 473, dia mpitory ilay Fanjakana 170 no any. Ny mpitory tsirairay dia nomena trano roa eo ho eo ho faritaniny, ary miasa any amin’ireo vohitra manodidina koa izy ireo. Na dia izany aza, dia mahay mijery lafy tsaran-javatra izy ireo. Vao avy nanorina Efitrano Fanjakana iray tsara tarehy antonona olona 400 izy ireo. Ny asa rehetra dia nataon’ireo Vavolombelona teo an-toerana.
Valea Largă no toerana nonenan’ny Rahalahy Szabo sy i Kiss tamin’ny 1914. Tamin’ny 1991, teo amin’ireo mponiny 3 700, dia nisy kongregasiona valo ary mpitory ilay Fanjakana 582. Tamin’ny Fahatsiarovana 1992, dia nisy 1 082 nanatrika — efa ho 1 ao anatin’ny 3 amin’ny olona ao amin’io lohasaha io.
Manomana ny lalana ireo mpisava lalana manokana
Manana anjara lehibe amin’ny fitondrana ny vaovao tsara any amin’ny olona any amin’ny faritra mitokana ireo mpisava lalana manokana. Raha vantany vao nomena ny fahafahana hitory i Ionel Alban, dia nanomboka niasa tany amin’ny tanàna roa, nandany roa andro isan-kerinandro izy tany Orşova, ary dimy andro tany Turnu-Severin.
Tsy nisy Vavolombelona tany Orşova fony i Ionel tonga tany. Ny herinandro voalohany izy dia nanomboka fianarana ny Baiboly niaraka tamin’ny zazalahy iray 14 taona. Nanao fiovana maro aoka izany ilay zazalahy tao anatin’ny roa volana, hany ka nanomboka nianatra koa ny namany iray sy ny mpifanila trano iray. Ilay mpifanila trano, i Roland, izay Katolika, dia nanao fandrosoana nampitolagaga. Rehefa afaka iray volana sy tapany monja, dia niaraka tamin’i Ionel tamin’ny asa fitoriana izy, ary tao anatin’ny dimy volana, dia natao batisa izy. Niditra tao amin’ny fanompoana manontolo andro avy hatrany izy. Nanomboka nianatra koa ny reniny ary natao batisa tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika 1992 “Ireo Mpitondra Fahazavana”. Amin’izao fotoana izao dia misy mpitory folo any Orşova, ary mitarika fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano 30 izy ireo.
Ny olona voalohany nanaiky ny fahamarinana tany Turnu-Severin dia mpandray vahiny tao amin’ilay hotely nipetrahan’i Ionel. Rehefa afaka roa volana, dia tonga mpitory tsy vita batisa izy, ary tao anatin’ny telo volana izy dia vita batisa. Izao izy dia iray amin’ireo mpitory 32 any izay mitarika fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano 84 amin’ny fitambarany.
I Gabriela Geica, mpisava lalana manokana hafa iray, dia nanompo tamin’ny naha-mpisava lalana maharitra na dia fony mbola voarara aza ny asa. Ny faniriany dia ny hiasa any amin’izay ilana mpitory kokoa. Nomena faritany midadasika izy. Indraindray, dia manao dia 100 ka hatramin’ny 160 kilaometatra izy mba hitsidihana olona liana. Tanàna iray niasany i Motru, izay tsy nisy afa-tsy Vavolombelona efatra. “Noho ny asa nitombo tao Motru, dia nisy pretra sy antokon’olona mpivavaka hafa nanomboka nanohitra anay”, hoy ny fitantarany. “Nampirisihin’izy ireo ny ben’ny tanàna sy ny polisy mba hanery ireo fianakaviana nanome ahy filasiana. Nandroaka ahy izy ireo, koa isaky ny iray volana teo ho eo monja aho, dia voatery nitady toerana hipetrahana.”
Nanomboka nianatra niaraka tamin’ny olona iray tsy mino an’Andriamanitra tany Orşova i Gabriela. Nilaza io vehivavy io fa tsy nahaliana azy na ny fivavahana na ny Baiboly. Rehefa afaka efa-bolana nianarana monja anefa, dia nanomboka niaro ny Baiboly ilay vehivavy. Na dia nanidy azy tany ivelany tamin’ny alina aza ny vadiny ary nandrahona ny hisaraka taminy na hamono azy, dia nitana ny tsy fivadihany izy. Na dia talohan’ny naha-vita batisa azy aza, dia nitarika fampianarana ny Baiboly folo izy.
Fahatsinjovan-javatra mahafinaritra ho avy
Tamin’ny Aogositra 1992, dia nahatratra tampon’isan’ny mpitory 24 752 any amin’ny kongregasiona 286 i Romania. Maherin’ny 66 000 ny mpanatrika tamin’ny Fahatsiarovana. Ao amin’ilay birao kelin’ny sampana ao Bucharest, ireo mpiasa 17 dia manao izay farany azony atao mba hikarakarana ireo zavatra ilain’ireo rahalahiny ara-panahy. Miandrandra ny hanombohana tsy ho ela ny fanorenana sampana lehibe kokoa izy ireo.
Tsy mahatana ny fahagagany noho ireo fiovana haingana tao anatin’ireo taona vitsivitsy farany ny Vavolombelon’i Jehovah any Romania. Feno fankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo satria anisan’ilay kongregasiona iraisam-pirenena izay mitondra ny anarany ary mitarika ny olona ho amin’ny fahalalana marina ny Aminy sy ny fikasany tsy miova. Taorian’ny taona maro toy izany nisian’ny zava-tsarotra sy ny fanenjehana, dia feno fisaorana an’i Jehovah toy inona moa izy ireo noho ny nanovany tokoa ny andro sy ny fotoana tany Romania!
[Sarintany, pejy 23]
(Jereo ny gazety)
ROMANIA
HONGRIA
Bucharest
Cluj-Napoca
Craiova
Tirgu-Mures
Orşova
Turnu-Severin
Motru
Turda
BOLGARIA
[Sary, pejy 24, 25]
1. Vavolombelona sahabo ho 700 nivory tany anaty ala tamin’ny 1947
2. Taratasy fanasana ho amin’ny lahateny ampahibemaso iray tamin’ny 1946
3. Fivoriambe tany Alba Iulia tamin’ny 1992
4. Fanaovana fanambarana any Cluj-Napoca amin’izao andro izao
5. Efitrano Fanjakana any akaikin’i Turda
6. Fianakavian’ny Betela any Bucharest