Mila ny Baiboly ve Isika?
RAVORAVO i Oxana, vehivavy tanora rosiana iray, rehefa nahatazana Baiboly iray natolotry ny mpivaro-boky iray teny amin’ny sisin-dalana tany Moscou. Voatohina ny fon’i John namany, izay avy tany amin’ny tany iray ahazoana ny Baiboly amin-kalalahana, nahita ny hafanam-pon’i Oxana. “Naniry hividy azy io ho azy aho, izay tsy mino an’Andriamanitra akory”, hoy ny fiekeny. Na dia nanda aza i Oxana tamin’ny voalohany, dia nanaiky ny fanomezan’i John ihany izy tamin’ny farany.
Olona maro, tahaka an’i Oxana, no maniry mafy ny hanana Baiboly. Marina indrindra izany any amin’ireo tany izay nanakanana ny fanelezana ny Baiboly nandritra ny taona maro. Ireo mpampanonta ity gazety ity, ohatra, dia miezaka mafy mba haharaka ny fanafarana Baiboly avy any amin’ireo repoblika sovietika taloha, ary koa avy any amin’ny faritra maro hafa amin’ny tany. Vao voalohany ny olona maro any amin’ireny faritra ireny no manana fahafahana handinika tsara ny Baiboly — ary maro no voasinton’ilay hafatra mahery raketiny.
Ireo mpanakiana sy ireo mpisalasala
Etsy an-danin’izany kosa, indrindra fa any Eoropa avaratra, ny Baiboly dia nanjary mpanangom-bovoka eo amin’ny talantalam-boky fotsiny. “Tantara maty!”, hoy ny sasany. Ary manampy teny izy ireo hoe: “Nosoratana ho an’ny olona tamin’ny taranaka taloha izy io, fa tsy misy ifandraisany amin’ny olona maoderina velively.” Nisy mpitondra fivavahana malaza mihitsy aza nanao fanambarana ampahibemaso izay nahatonga ny olona tsy hino ny Baiboly. Ilay arseveka anglikanina antsoina hoe Desmond Tutu dia voalaza ao amin’ny The Star, gazety iray mivoaka atsy Afrika Atsimo, fa nilaza hoe: “Ao amin’ny Baiboly dia misy tapany izay tsy manana vidiny maharitra.” Ny fanambarana toy izany dia nahatonga olona maro hanontany tena raha tokony hino ny Baiboly izy.
Ilaina ny fitarihana
Ireo mpanakiana sy ireo mpino dia samy tsy maintsy miaiky fa mila ala olana azo ampiharina izao tontolo izao, ary mihoatra noho ny hatramin’izay. “Raha tsy mianatra haingana ny hifehy ny hafainganam-pandehan’ny fiovana ny olombelona, eo amin’ny raharahany manokana sy eo amin’ny fitambaran’olona amin’ny ankapobeny”, hoy ny nosoratan’i Alvin Toffler ao amin’ny bokiny hoe Future Shock, “dia tsy maintsy hiharan’ny firodanana (...) goavana isika.” Roapolo taona mahery lasa izay no nanomezana izany fampitandremana izany, ary toa hita fa mitranga amin’izao fotoana izao io firodanana noresahin’i Toffler io.
Mihamanatona ny farany ity taonjato ity, kanefa ireo fandrosoana eo amin’ny haitao sy ny filozofian’ny olombelona dia tsy nahavita nitondra tsy fihozongozonana eo amin’izao tontolo izao. Ireo fanantenana vao haingana mba hisian’ny fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao dia nanome toerana ho an’ny fahadisoam-panantenana. Ankoatra izany, ny fiainan’ny olona maro dia nanjary nietry ka tonga ady mba hivelomana isan’andro fotsiny.
Ireo antontan’isa dia mampiseho fa ilay fisarahana ara-toe-karena eo amin’ny manankarena sy ny mahantra dia nanjary hantsana. Ny fandinihana iray natao vao haingana dia mampiseho fa ny 82,7 isan-jaton’ny harena eo amin’izao tontolo izao dia miangona ao an-tanan’ny 20 isan-jaton’ny mponina monja. Mahagaga àry ve raha mahazo vahana ny ady, ny mosary, ny aretina, ny rotaka ary ny fanjakan’i Baroa any amin’ny tany maro? Ny fanerena hizaka fiainana izay miharatsy hatrany dia miteraka fihenjanana lehibe eo amin’ny fihetseham-pon’ny olona. Ho vokatr’izany, na dia ny fototry ny fitambaran’olona mihitsy aza, izany hoe ny fianakaviana, dia iharan’ny fihasimbana.
Na dia olona maro aza no manipy hevitra, tahaka an’i Toffler, fa andraikitry ny olombelona ny “mikaroka fomba vaovao tanteraka mba hahitana tsy fihozongozonana sy tsy fananana ahiahy”, ny porofo dia mampiharihary fa tsy afaka manome ny ala olana ho an’ny tenany ihany ny olombelona.
Ny hany safidy azo raisina
Ny Baiboly Masina, izay nanomboka 3 500 taona lasa teo ho eo izay ny fanoratana azy, dia tsy niova tao anatin’ireo taonjato lasa. Mitovy foana ireo fotopoto-pitsipika ao anatiny. Ohatra, ireto teny ao amin’ny Jeremia 10:23 ireto dia hita fa marina amin’izao fotoana izao, mihoatra noho ny hatramin’izay: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” Raha tsy afaka ny hitarika ny lalany ny olombelona, iza àry no afaka hanao izany? Manondro an’ilay hany Loharanon’ny fitarihana marina toy izao ny Baiboly: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” — Isaia 48:17.
Ao amin’ireo pejin’ny Baiboly, dia mampianatra antsika hanampy ny tenantsika i Jehovah Andriamanitra. Feno torohevitra izay mampiseho amintsika ny lalana tokony harahintsika izy ireo. Ny toroheviny dia mety tsara amin’izao andro izao, tsy misy hafa amin’ny tamin’ny fotoana nanoratana azy. Ilay lahatsoratra manaraka dia handinika ny maha-azo ampiharina ny Baiboly na dia amin’izao andro maoderina izao aza. Momba ny raharaha maro samy hafa, manomboka amin’ny fahasalamana ka hatramin’ny harena, ny fiainam-pianakaviana ary ny fitondran-tena manokana, dia ho afaka hahita ianao fa ny Baiboly dia tena toy ny vato tsy azo hozongozonina eo anivon’ny fasi-polaka mahaforona ity tontolo amin’izao andro izao ity.
[Sary, pejy 4]
Ny Baiboly dia vatofantsika manome fahafahana hiorina mafy eo anivon’ ity tontolo misa-mboaravoara ity