Tetezin’ireo “Mpitory Ilay Fanjakana” Ireo Rano Maro any Guyana
GUYANA.a Io teny amerindiana io dia midika hoe “tanin’ny rano”. Izany dia milazalaza tsara ilay toerana eo amin’io hany tany miteny anglisy any Amerika Atsimo io. Io tany io dia ifamezivezen’ny renirano maro sy ireo sakeli-dranony, izay manavatsava ny lalany avy any Guiana Highlands, mamakivaky ireo ala mikirindro tropikaly, hatrany amin’ny Oseana Atlantika. Ireny lalan-drano ireny dia iankinan’ny ain’ireo vohitra sy toeram-piompiana sy fambolena maro miparitaka manaraka ny morony.
Takatr’ireo Vavolombelon’i Jehovah any Guyana fa, rehefa nilaza mialoha i Jesosy hoe “hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”, izany dia hahafaoka ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny olona mipetraka any amin’ireny faritra manamorona ny renirano ireny. (Matio 24:14, NW ). Araka izany, nandritra ny taona maro dia nisy antokona Vavolombelona, mpisava lalana ny maro taminy, nampiasa lakana lehibe sy kely mba hitetezana ireo rano ao Guyana hitondrana ny vaovao tsara any amin’ny olona.
Mba hanampiana amin’ilay asa, ny Fikambanana Watch Tower any Guyana dia nampiasa, hatramin’izao, lakana hazo dimy nantsoina hoe Mpitory Ilay Fanjakana I ka hatramin’ny Mpitory Ilay Fanjakana V. Izy ireo dia lakana hazo fito metatra, tsy misy tafo ary miendrika V ny fanambaniny. Antsoina hoe balahoo izy ireo ary misy fianakaviana iray Vavolombelona mandrafitra sy mikarakara azy. Nantsoin’ny Vavolombelona teo an-toerana tamim-pitiavana hoe Mpitory ireo lakana roa voalohany izay nitsahatra tamin’ny asany rehefa avy nampiasaina am-polony taona maro. Ny nomerao faha-III sy faha-IV ary faha-V anefa dia samy mbola am-perinasa eo amin’ireo renirano Pomeroon sy Mahaica ary Demerara.
Eo amin’i Demerara
Any Grande-Bretagne sy ny faritra hafa any Eoropa, ny teny hoe “demerara” dia mety hahatonga hieritreritra voan-tsiramamy madinika mavo manja mivolom-bolamena avy amin’ny fary, avy any amin’ireo toeram-pambolena manamorona io renirano mamotaka sy feno antsanga io. Eo amin’ny sisiny andrefana, ny lalana avy any amoron-tsiraka dia tapitra eo amin’ny fifaranan’ny toeram-pambolena fary. Ankoatra izay faritra izay, dia miankina amin’ireo lakana Mpitory Ilay Fanjakana ny Vavolombelona mba hitondrana ny hafatra mamin’ny Fanjakan’i Jehovah any amin’ireo mponina amin’ny faritra manamorona ilay renirano — Hindoa, Miozilimanina, ary Kristiana anarana.
Ireo ezaka manokana atao ho fitoriana eo amin’i Demerara dia mety ho dia indray andro na mety haharitra herinandro maromaro, itetezana isan-toeram-piantsonana, vao mangiran-dratsy mandra-paha-maty masoandro. Amin’ireo dia andriana an-dalana, dia tsy vitan’ny hoe mahandro sy misakafo ao anatin’ny lakana fotsiny ireo mpisava lalana, fa matory ao koa. Rehefa milatsaka ny alina, i Mpitory dia hafatotra amin’ny hazo honko (palétuvier), na haraikitra amin’ny vatofantsika manamorona ny toeram-piantsonana iray, raha misy iray azo ampiasaina. Misy hazo kely sakany 2,5 metatra atsangana eo amin’ny loha lakana sy ny vodiny. Henjanina mafy eo ambonin’ireo tsato-kazo mijoro mahitsy ny tady mahazaka iray, ary rakofana labasy lehibe eo amboniny mba hanaovana tafo na tampony. Hazo fisaka no solom-pandriana, ary bodofotsy sy lamba no atao kidoro. Na dia izany aza, dia tonga mora foana ny torimaso aorian’ny andro iray lava be.
“Misasa ao anatin’io ranom-potaka io ve ianareo?”, hoy ny fanontaniana natao tamin’ireo mpisava lalana.
“Tsia, rehefa afaka tsy manao izany izahay!”, hoy ny valin-teny. “Rehefa mandalo helo-drano kely misy rano madio izahay, dia mameno rano hahandroan-tsakafo sy hosotroina ary hisasana ny fitoeran-dranonay izahay.”
Valian-tsoa ny fiaretan’izy ireo amin’ny zavatra tsara dia tsara hita eny am-pitoriana. Indray mandeha, dia tonga teo amin’ny toeram-piantsonana ny lehilahy iray, nijoro nisabaka, nitehin-kiho, ary nandinika anay tamim-pahalianana fatratra. “Mpitory Ilay Fanjakana V”!, hoy izy namaky mafy ilay anarana teo amin’ny loha lakana. “Tsy maintsy Vavolombelon’i Jehovah ianareo. Ianareo ihany no olona mampiasa ny teny hoe ‘fanjakana’ amin’io fomba io. Manana ny Efitrano Fanjakananareo ianareo ary izao dia Mpitory Ilay Fanjakana koa.”
Avy any Gileada nankany Pomeroon
Manana endriny somary hafa amin’izany ny asa eo amin’ny Renirano Pomeroon, hoy ny tsaroan’i Frederick McAlman. Herintaona taorian’ny nahazoany diplaoma tany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada Alamin’ny Watchtower, tamin’ny 1970, dia tonga tany Charity izy. Izy io dia tanàna ambanivohitra iray amoron-drenirano, 34 kilaometatra miditra an-tanety eo amin’ny ilany atsinanan’i Pomeroon, ary misy antokona mpitory ilay Fanjakana dimy.
“Nandritra ny dimy taona naninjitra, dia nahita ‘fahafinaretana’ nivoy an’i Mpitory II niakatra sy nidina an’i Pomeroon izahay talohan’ny nahazoanay môterana sambo kely [6 CV]”, hoy ny fitantaran’ny Rahalahy McAlman. “Tamin’ny fivoizan-dakana amin’ny samonta (marée haute), no nitorianay nidina nankany amin’ny sisiny atsinanana mandra-pahatonganay tany Hackney, [11 km] avy eo amin’ny vinany. Tany izahay dia nahita toeram-patoriana amin’ny alina nampiadana, tany an-tranon-dRanabavy DeCambra, mpampivelona tany amin’io faritra io tamin’izay fotoana izay. Vao maraina be ny ampitso, dia nanohy nidina nankany amin’ny vinanin’ilay renirano izahay talohan’ny niampitana nankeny amin’ny sisiny andrefana. Avy eo izahay dia niverina namita ireo [34 km] hatrany Charity.”
Nampiasain’izy ireo nandritra ny folo taona ilay môtera six chevaux (6 CV). Avy eo, tamin’ny 1986, dia nosoloana tamin’ny iray vaovao, modely quinze chevaux (15 CV) izy io. Rehefa avy nanompo tamim-pahatokiana teo amin’i Pomeroon nandritra ny 21 taona mahery ny Rahalahy McAlman, dia afaka mijery amim-pahafaham-po ilay Efitrano Fanjakana vao naorina any Charity, izay ampiasain’ny kongregasiona misy mpitory 43 avy amin’ny erà (amont) sy ava (aval) amin’ilay renirano amin’izao fotoana izao. Ny antsalany amin’ny mpanatrika ny fivoriana dia maherin’ny 60, ary tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy tamin’ny 1992, dia nisy vahoaka 190!
Fitadiavana ilay “rangahin’ny Tilikambo Fiambenana”
Andro tsena ny alatsinainy any Charity. Koa izany dia fotoana tsara itoriana ny vaovao tsara, ka dia eo ireo Vavolombelona miaraka amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Indray andro, tany am-piandohan’ireo taona 1970, i Monica Fitzallen avy any Warimuri, eo amin’i Moruka, dia tonga tany an-tsena ary nandray gazety roa tamin’ny Rahalahy McAlman. Rehefa tonga tany an-tranony anefa izy, dia napetrany tao amin’ny fanambanin’ny vata fitoeran’akanjony izany.
“Nipirina tao nandritra ny roa taona tsy voavakiko izy ireo”, hoy i Monica nahatsiaro. “Avy eo, dia narary aho ary raikitra am-pandriana nandritra ny fotoana kelikely. Rehefa nody tsikelikely ny fahasalamako, dia nanomboka nandinika ny lahatsoratra tsirairay tao amin’ireo zavatra azo novakina tao an-trano aho mba handaniana andro. Farany, dia tsaroako ireo gazety roa tao anatin’ilay vata fitoeran’akanjo, ka nanomboka nandinika azy ireo aho.” Takany avy hatrany fa fahamarinana ilay izy.
Rehefa sitrana i Monica, dia nangataka an’i Eugène vadiny izy mba hitady asa nanamorona an’i Pomeroon mba hahafahany hahita ny toeran’ilay rangahy nanome azy ireo gazety. Nanaiky i Eugène, saingy tsy nahita afa-tsy asa nandritra ny herinandro, nanomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny asabotsy mitataovovonana, tany amin’ny toeram-piompiana iray tao amin’ny faritra misy an’i Pomeroon.
Hatramin’io asabotsy io, dia mbola tsy nahita ilay lehilahy nanome azy ireo gazety i Monica. Teo amin’ny mitataovovonana teo ho eo, dia nanontany ny vadiny izy raha namela azy ireo hivoy lakana hatrany Charity ny samonta, mba hitadiavana ilay “rangahin’ny Tilikambo Fiambenana”. Vao tapitra ny teniny, dia nandre olona nandeha teo amin’ny lalankely izy ireo, ary nahita ny endrika nitsikin’ny anabavy iray izay tonga mba hanolotra ireo nomerao farany tamin’ireo gazety. “Anisan’ny olon’ny Tilikambo Fiambenana ve ianao?” hoy ny fanontanian’i Monica. Maro be aoka izany ireo fanontaniana nanaraka, hany ka voatery niverina tany amin’ny lakana ilay anabavy mba hitady fanampiana. Iza hoy ianao no tao? Tsy iza fa ny Rahalahy McAlman ihany!
Nalamina ny hisian’ny fianarana nalefa paositra. Fotoana fohy tatỳ aoriana, dia nandefa ny taratasy fialany tany amin’ny Fiangonana Anglikana i Monica. Ho valin’izany, dia naharay taratasy fohy avy tany amin’ilay presbitera izy nanao hoe: “Aza mihaino ny VJ. Tsy manana fahalalana lalina izy ireo eo amin’ny fahatakarany ny Baiboly. Ho avy aho hiresaka aminao ny amin’ilay raharaha.” Hatramin’izao, dia mbola tsy nipoitra ilay presbitera. Teo anelanelan’izay, dia natao batisa i Monica tamin’ny 1975. Herintaona tatỳ aoriana, rehefa avy nandinika lalina ny Soratra Masina ny vadiny, izay antsoina amim-pitiavana hoe Dadatoa Eugène izao, dia natao batisa koa. (Asan’ny Apostoly 17:10, 11). Na dia mipetraka any amin’ny lalana adiny 12 an-dakana avy eo amin’ny kongregasiona akaiky indrindra any Charity aza izy ireo, dia mitoetra ho mpitory ilay Fanjakana marisika mandraka androany.
Dia lavitra nataon’ireo misionera nitsofoka lavitra ny moron-tsiraka
Tao anatin’ireo taona faramparany, dia nanohana ny fandehanana tsy tapaka ataon’ireo misionera nitsofoka lalina lavitra ny moron-tsiraka ny Fikambanana Watch Tower. Amin’ny alalan’ny lakana misy môterana sambo kely, dia mpiasa an-tsitrapo maro no nanandrana ny fientanam-po amin’ny fitondrana ny vaovao tsara amin’ny olona mipetraka any amin’ireo faritra voatokana ho an’ny Amerindiana sy ireo toerana mitokana misy fitambaran’olona mpikapa hazo sy mpiompy manamorona ireo lalan-drano mitsofoka lavitra be any anatiny. Mpisava lalana amin’ny heviny ara-bakiteny izy ireo ka manana tombontsoa hitondra ilay “anaran’i Jehovah” mamonjy aina, any amin’ireny faritra mitokana ireny voalohany indrindra. (Romana 10:13-15). Tsy maintsy miaritra zava-tsarotra maro ireo rahalahy, indraindray mandeha an-dakana eo amin’ireo lalan-drano hatramin’ny telo andro ngarangidina mba hahatratrarana ny sasany amin’ireny toerana ireny. Mendrika ny hanaovana izany anefa ireo valisoa.
Nisy tovolahy iray pentekôtista nipetraka tany akaikin’ny fitambaran’olona mpikapa hazo any Kwebanna, eo amin’ny Renirano Waini, voatsidika tamin’ilay dia voalohany nataon’ny misionera tany amin’iny faritra iny, tamin’ny Jolay 1991. Tamin’ny fiverenana nitsidika tamin’ny Oktobra, dia natomboka ny fianarana Baiboly. Sambany izy vao nahita tao amin’ny Baiboliny manokana hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra, ary tsy Tsitoha akory i Jesosy, sady tsy araka ny Soratra Masina ny fampianarana ny amin’ny Trinite. (Salamo 83:18; 1 Korintiana 11:3). Nafana fo aoka izany izy hany ka, raha vao lasa ireo rahalahy, dia nanangona ireo Pentekôtista namany izy, ary nanomboka nampiseho tamin’izy ireo tao amin’ny Baiboliny ny fahamarinana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Rehefa tsy nety nanaiky ny fahamarinana ny ankamaroany, dia nanapa-kevitra izy fa tonga ny fotoana hametraham-pialana sy hivoahana avy ao amin’i “Babylona Lehibe”. (Apokalypsy 18:2, 4). Rehefa niverina mba hijery azy ireo rahalahy tamin’ny Febroary 1992, dia nilaza tamin’izy ireo izay nitranga izy ary nanampy teny hoe: “Te hiaraka aminareo aho. Te ho tonga Vavolombelon’i Jehovah aho. Ta hampianatra ny olona ny fahamarinana aho!”
Ny fitantarana toy izany dia manampy ireo rahalahy mba handeha hatrany amin’io asa isetrana zava-tsarotra io. Ireo izay manao dia misionera dia tsy maintsy mamoy ireo zavatra mampiadana any an-trano, tsy maintsy misetra aretina toy ny tazo, ary tsy maintsy miaritra voina mety hitranga amin’ny fiainana anaty akata. Ireo izay mijanona anefa dia mamoy zavatra toy izany koa. Misy fianakaviana malahelo ny olon-tiany, indraindray mandritra ny herinandro maro. Misy kongregasiona voatery miasa tsy misy ireo loholona sy ireo lehilahy tanora ao aminy. Amin’ny toe-javatra sasany, dia rahalahy iray ihany no avela mba hikarakara izay ilain’ny kongregasiona. Na dia izany aza, dia toy inona moa ny fifaliana sy fampaherezana rehefa mandre ireo fitantarana mandrisika ny kongregasiona eo amin’ny fahatongavan’izy ireo! Toa tsy misy dikany ireo famoizan-javatra natao raha oharina amin’ilay fifaliana!
Ireo mpitory ilay Fanjakana izay mitety ireo rano maro any Guyana miaraka amin’ny vaovao tsara dia tena mankafy fanandraman-javatra manokana tokoa. Miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy manerana izao tontolo izao, izy ireo dia ‘manatitra fanati-piderana ho an’Andriamanitra, dia ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso ny anarany’, amin-kerim-po sy an-tsitrapo. — Hebreo 13:15, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Guiana Britanika taloha, fa novana hoe Guyana taorian’ny nahazoan’ilay tany ny fahaleovan-tena tamin’i Grande-Bretagne tamin’ny 1966.
[Sarintany, pejy 24]
(Jereo ny gazety)
HONDURAS
NIKARAGOAY
COSTA RICA
PANAMA
VENEZOELA
KOLOMBIA
GUYANA
SURINAME
GUYANE FRANÇAISE
BREZILA
BOLIVIA
OSEANA ATLANTIKA
[Sary, pejy 26, 27]
Havia: Fanaovana fanambarana amin’ny andro tsena
Ambony: Miresaka ny vaovao tsara eo amin’ny Renirano Demerara
Ambony havanana: Antokona misionera mivoy lakana miverina any an-toby