Fahitana Voalohany Karazany Hafa any Bahamas
TOY ny vato fiampitana eo amin’ny ranomasina manga mivolon-danitra eo anelanelan’i Floride sy i Cuba, i Bahamas dia nahazo fiheverana mbola tsy nisy toy izany avy tamin’ny filazam-baovao maneran-tany tamin’ny 1992. Nahoana? Satria ny ankamaroan’ireo manam-pahefana dia mihevitra an’i Bahamas ho ny tany hita voalohany tamin’ilay dia lavitra nanan-tantara nataon’i Christophe Colomb tamin’ny 1492, fony izy nahita voalohany ireo tanin’i Amerika. Nitana ny sain’ny olona maneran-tany ny fahadimanjato taona, na ny fitsingerenana faha-500-n’ny niakaran’i Colomb an-tanety tamin’ny 12 Oktobra.
Na dia izany aza, dia tsy tafasaraka tamin’ireo mpanaratsy azy akory ny faharisihana tamin’io fahadimanjato taona io. Raha nanao lahateny tamin’ny Kaonferansa Nasionalin’ny Mpahay Lalàna Mainty Hoditra faha-23 i John Carew (profesora momba ny fandinihana iraisam-pirenena), dia voalaza fa niteny hoe “nandefa onjam-pahafatesana tamin’ny [mponin’ireo Nosy] Caraïbes” i Colomb. — The Nassau Guardian.
Amin’izao andro izao, dia tsy misy amin’ireo mponina teratany 250 000 any Bahamas afaka mamaritra ny tetirazany hatrany amin’ireo olona tompon-tany tia fihavanana hitan’i Colomb sy nolazalazainy fa “olona maronjana, bikàna sy tena tsara tarehy”. Inona no nitranga tamin’ireo mponina anosy ireo? Mamaly toy izao ny A History of the Bahamas: “Teo anelanelan’ny taona 1500 sy 1520, ny mponin’i Bahamas iray manontolo, angamba Lokaieziana 20 000 teo ho eo, dia nentina an-keriny” ho andevo mba hiasa tany amin’ireo fitrandrahana volamena espaniola tany Hispaniola (ny nosy Haïti na Saint-Domingue taloha).
Koa satria nihena be toy izany ny mponina tao aminy, dia “hita voalohany indray” i Bahamas. Ny Britanika aloha no nahita azy indray, ary tatỳ aoriana dia ireo antokon’olona “loyalistes” (tsy mivadika) maro be. Ireto farany dia saiky tompon’ny toeram-pambolena tany amin’ireo zanatany tany Amerika Avaratra avokoa. Noho izy ireo tsy nivadika tamin’ny Mpanjaka britanika, dia nandositra ny ady ho an’ny fahaleovan-tena izay nipoaka tao amin’ilay kaontinanta tamin’izany fotoana izany, izy ireo. Ny mponin’i Bahamas amin’izao andro izao, dia voalohany indrindra taranak’ireo mpila ravinahitra ireo sy ny andevony. Rehefa nahazo fahafahana ny maro tamin’ireo andevo, dia nitana ny anaran’ireo tompony taloha.
Fahitana voalohany karazany hafa
Tsy isalasalana fa nihevitra ny tenany ho misionera tamin’ny endriny sasany i Colomb. Voalaza fa niteny toy izao izy: “Nanao ahy ho iraka ho an’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao Andriamanitra. (...) Nasehony ahy ny toerana ahitana azy io [ilay tany vaovao]”. Ny fandripahana naterak’izany anefa dia nanaporofo ny mifanohitra amin’izany. Ilay tena “lanitra vaovao sy tany vaovao” izay nampanantenain’Andriamanitra dia tsy maintsy niandry fahitana voalohany iray karazany hafa. — 2 Petera 3:13.
Tamin’ny 1926, dia tonga tany Bahamas i Edward McKenzie sy ny vadiny. Tsy sahala amin’ireo mpahita zavatra voalohany teo alohany io mpivady jamaikana tsotra dia tsotra io, fa tonga mba hitady olona manana fo mahitsy ho azon’izy ireo izarana harena iray. Izy ireo no voalohany nitondra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tany Bahamas. (Matio 13:44; 24:14, NW ). Taoriana kokoa, tamin’io taona io ihany, dia nisy Jamaikana roa hafa niaraka tamin’izy ireo, dia i Clarence Walters sy i Rachel Gregory. Tamin’ny 1928, dia nisy mpitory ilay Fanjakana fito tany Bahamas. Niezaka mafy izy ireo nandritra ny efa-taona mba hitory ny vaovao tsara tamin’ireo mponina anosy.
Avy eo, dia tonga i E. P. Roberts, mpandahateny navitrika iray avy tany Trinité. Ireo lahateny ampahibemaso nataony tao amin’ireo efitrano fanaovana fivoriam-bahoaka dia nahavita be teo amin’ny fanesorana ireo zavatra ninoana diso, sady nanohina ny fon’ny maro tamin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Anisan’ny mpihaino nipetraka sy sondriana tao amin’ny iray tamin’ireny fivoriana ireny i Donald Oscar Murray, izay nantsoina tamim-pitiavana tatỳ aoriana hoe D. O. Nitarika ny asa izy tamin’ny farany.
Tadidin’ny misionera Nancy Porter tsara ny fomba nitenenan’i D. O. Murray ireo vavaka feno hafanam-po nataony mba hangatahana fanampiana teo amin’ny asa fitoriana. Tamin’ny 1947, i Nancy sy i George vadiny, niaraka tamin’ny olon-droa hafa, dia tonga misionera voalohany nalefan’ny Fikambanana Watch Tower tany Bahamas. Izao no tsaroany: “Ilay fivoriana voalohany nalehanay, dia zavatra izay tsy heveriko fa hohadinoinay na oviana na oviana. Nisy olona teo amin’ny sivy na folo teo ho eo nanatrika. Ranadahy Murray no mpitari-draharaha ary natombony tamin’ny vavaka izay nisaorana an’i Jehovah noho ny fahatongavan’ireo misionera izany. Nilaina ny fanampiana, hoy izy, ary ‘efa ela be izahay no nivavaka mba hahazoana fanampiana’. Nampanantena ny handefa fanampiana ny Fikambanana, ary teo izahay tamin’izay. Nanohina ny fo aoka izany ilay vavaka ka nahatonga anay hahatsapa fa naniry ny hijanona izahay ary tsy naniry ny handeha intsony.” Izao, 45 taona eo ho eo atỳ aoriana, ary na dia teo aza ny fahafatesan’ny vadiny, dia mbola mitondra ny hafatra mampionon’ilay Fanjakana any amin’ireo mponina anosy ihany Ranabavy Porter.
Nandray soa lehibe tamin’ireo mpitory manontolo andro sy ny hafa izay nitsidika ireo nosy tamin’ny sambo ny asa fitoriana ilay Fanjakana tany Bahamas, indrindra fa hatramin’ny 1947. Mazàna izy ireo no voatery namakivaky an-tsambo ireo dongom-pasika anaty rano izay mamitaka sy ireo rano marivo manonjanonja ary avy eo dia nirobo-drano teo amoron-tsiraka mba hitondrana ny vaovao tsara tany amin’ireo toerana nitokana nisy mponina. Ireny ezaka tany am-boalohany ireny dia mitondra vokatra na dia amin’izao andro izao aza.
Nisy tanjona lehibe iray tratra tamin’ny 1950. Tamin’ny Desambra tamin’io taona io, dia nitsidika voalohany an’i Bahamas i Nathan H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, sy i Milton G. Henschel, mpitantsorany. Niteny tamin’olona 312 nifanizina tao amin’ny Mother’s Club Hall, trano hazo kely iray teo amin’ny lalana Jail Alley, i Knorr. Nisy olona fanta-bahoaka maromaro ihany nanatrika tao, anisan’izany ny mpikambana iray tamin’ny antenimieram-pirenena sy ny mpampanonta gazety nivoaka isan’andro iray. Tamin’io alina io ny Rahalahy Knorr dia nanambara ny fiorenan’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana tao Bahamas.
Fandraisana feno fisakaizana nataon’ireo mponina anosy
Ireo mponina sariaka any Bahamas amin’ny ankapobeny dia nihaino ny hafatr’ilay Fanjakana. Na dia izany aza, dia zava-tsarotra ny fanatratrarana azy rehetra. Nahoana no toy izany? Na dia mipetraka ao Nassau, renivohitra, sy eo amin’ny manodidina ny Grande Bahama aza ny ankamaroan’ny olona, ny hafa dia miparitaka manerana ny 15 amin’ireo nosy lehibe kokoa sy ny sasany amin’ireo nosy kely sy haran-dranomasina 700 mahaforona io fitambarana nosy io.
Noho ny fahitana fa ilaina ny mpitory bebe kokoa, dia Vavolombelona avy eo an-toerana tsy mitsaha-mitombo sy maro avy any an-toeran-kafa no nifindra nankany amin’ireo tanànan’ny nosy madinika mba hanampy amin’ny asa fitoriana. Mendri-piderana fa, nanao izany izy ireo tamin’ny fihafiana sy fandaniana lehibe. Novalian-tsoa lehibe anefa ny ezaka nataon’izy ireo.
Nisy mpivady tanora nifindra nankany amin’ny nosy lehibe Andros. Raha nitory isan-trano izy ireo indray andro, dia nahita mpifindra monina iray avy any Haïti. Misy an’arivony maro amin’izy ireo any Bahamas. Nanaiky fampianarana Baiboly tany an-tokantrano avy hatrany ilay lehilahy. Natomboka iny alina iny ihany izany, tamin’ny fampiasana ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa Eto An-tany, amin’ny fiteny anglisy sy frantsay. Ny takariva nanaraka izany dia nanatrika voalohany ny fivoriana kristiana izy. Tsy ela ilay rangahy dia niala tamin’ny fifohana sigara, nanao fandrosoana haingana, ary nanomboka nandray anjara tamin’ny asa fitoriana.
Tamin’ny marainan’ilay andro nanaovana batisa an’io lehilahy io, dia naharay horonam-peo avy tany amin’ny fianakaviany tany Haïti izy, na dia tsy nandre na inona na inona avy tany amin’izy ireo nandritra ny dimy taona aza izy. Inona àry no zavatra tian’izy ireo hambara? Notantarain’izy ireo ny fomba nahatongavan’izy ireo ho Vavolombelon’i Jehovah. Nohazavain’izy ireo fa efa mpisava lalana maharitra, na mpitory manontolo andro ny anabaviny, ary nampirisihin’izy ireo izy mba hitady ny toerana misy ny Vavolombelona mba hianarana ny Baiboly miaraka amin’izy ireo. Tsy ilaina intsony ny milaza fa natao batisa tamin’iny andro iny ilay lehilahy tamin’ny fatokiana tanteraka fa nanao izay tokony hatao izy.
Ny fandraisana feno hafanam-po toy izany dia nanafana ny fon’ireo Vavolombelona teo an-toerana. Mihamaro hatrany amin’izy ireo no nanao ny asan’ny mpitory ny filazantsara manontolo andro, ary izany dia nandray anjara tamin’ny fitomboana. Noho izany dia tafakatra ho 1 000 ny isan’ireo mpitory ny Fanjakana tany Bahamas tamin’ny 1988. Amin’izao andro izao, any amin’ny kongregasiona 19, dia misy mpitory ilay Fanjakana 1 300 eo ho eo, saiky any amin’ireo nosy lehibe rehetra.
Voaomana ho amin’ny hoavy
Noho ny fitomboan’ny isan’izy ireo, dia sahirana ireo Vavolombelona teo amin’ny fitadiavana trano lehibe ihany takatry ny vola ho an’ny fivoriamben’izy ireo isan-taona. Voatery natao tany amin’ny nosy nisaraka ny fivoriamben’ny distrika roa mba hikarakarana ilay vahoaka. Noho izany, dia natao ny planina mba hanorenana Efitrano Fanaovana Fivoriambe iray miaraka amin’ny biraon’ny sampana vaovao iray. Natomboka tamin’ny Desambra 1989 ny asa. Nisy mpiasa an-tsitrapo an-jatony maro iraisam-pirenena sy avy eo an-toerana nanatanteraka ilay tetikasa ‘tamin’ny fo, tahaka ny ho an’i Jehovah’. — Kolosiana 3:23.
Tsy isalasalana fa ny fiarahana maro be indrindra sy nahasambatra indrindra nataon’ny Vavolombelona tany Bahamas hatramin’izao, dia nitranga tamin’ny fitokanana ilay biraon’ny sampana vaovao sy ny Efitrano Fanaovana Fivoriambe, tamin’ny 8 sy 9 Febroary 1992. Tsindrian-daona ireo rahalahy tany amin’ny faritra rehetra amin’ireo nosy teo am-panaovana fiomanana ho amin’ilay fisehoan-javatra. Nangatsiatsiaka tsy toy ny nahazatra ny andro, ary avy ny orana ny alina nialoha ilay fandaharam-pitokanana. Kanefa dia tsy nisy na inona na inona afaka nampihena ny fifalian’ilay vahoaka ravoravo niisa ho 2 714, raha nanao ny lahateny fitokanana nitondra ny lohateny hoe “Ny Hiran’ny Fitomboan’ny Teokrasia”, i John E. Barr, anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Safononoky ny fankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Ray any an-danitra, ny fo, noho ny nanomezany fahafahana hifaly sy hientam-po toy izany. Ireo nanatrika teo dia mbola tapa-kevitra kokoa ihany ny hampiasa ny heriny rehetra ho amin’ilay asa fampianarana ara-panahy izay nahatonga ilay fanitarana ara-batana tsy maintsy nilaina.
Azo inoana fa hitohy ny ady hevitra momba ny hoe nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fanatsarana ireo nosy ireo sa tsia ny fahitana voalohany nataon’i Colomb. Na dia izany aza, ny Vavolombelon’i Jehovah any Bahamas dia tafaray amin’ny fankasitrahany an’Andriamanitra noho ny nanomezany mpitory ilay Fanjakana izay natosiky ny toe-tsainy feno fahafoizan-tena mba hisetra ny tsy fantatra sy hitondra ilay vaovao tsara be voninahitra tany amin’ny rano ara-panahy tsy fantatra taloha. Ny asan’izy ireo sy ireo “fahitana voalohany” nataony dia nitondra harena ara-panahy tsy hita avanavana ho an’ireo mpitady ny fahamarinana rehetra any Bahamas.
[Sarintany/Sary, pejy 24, 25]
Grande Bahama
Abaco
Andros
New Providence
Nassau
Eleuthera
Cat Island
Les Exumas
Rum Cay
San Salvador
Long Island
Crooked Island
Acklins Island
Mayaguana
Petite Inagua
Grande Inagua
MERS DES CARAÏBES
FLORIDE
CUBA
[Sary]
Fitoriana any amin’ny tsena Straw Market
Firobohan-drano eo amoron-tsiraka mba hizarana ny vaovao tsara
Ny biraon’ny sampana dia eo amin’ny havoana iray izay ahatazanana ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambe