Mampiseho Taratry ny Fitiavana Kristiana Ireo Fandaharam-panampiana
“MANÀNA fitiavana ny fitambarana manontolon’ireo rahalahy”, hoy ny nampirisihan’ny apostoly Petera an’ireo Kristiana namany. (1 Petera 2:17, NW ). Ny fitiavana toy izany dia natao hihoatra ireo fefy ara-pirazanana sy ara-tsosialy ary ara-pirenena, amin’ny fanintonana ny olona ho tafaraka ao amin’ny firahalahiana marina. Rehefa nipoitra ny tarehin-javatra nilana zavatra ara-nofo teo amin’ireo Kristiana tany am-boalohany, ny fitiavana dia nanosika olona maro be hanome fandraisana anjara an’ireo apostoly mba hozaraina tamin’ireo sahirana. Milaza ny fitantarana fa “niombonany avokoa ny fananany rehetra”. — Asan’ny Apostoly 2:41-45; 4:32.
Niharihary ny fitiavana toy izany rehefa nanasa sampana maromaro an’ny Fikambanana Watch Tower any amin’ny faritr’i Eoropa Andrefana ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny faran’ny 1991, mba hanome sakafo sy fitafiana ho an’ireo rahalahin’izy ireo sahirana any amin’ny faritr’i Eoropa Atsinanana, anisan’izany ireo faritry ny Firaisana Sovietika teo aloha. Indro, arosonay eto ny fitohitohizana fitantarana avy any amin’ny sasantsasany amin’ireo sampana voakasik’izany.
Soeda
Tamin’ny 5 Desambra 1991, dia nisy taratasy iray nanazava ny fahasahiranana, nalefa paositra ho any amin’ireo kongregasiona rehetra miisa 348 any Soeda. Nivaly avy hatrany izany. Tao anatin’ny andro vitsivitsy monja, dia niainga ho any St. Petersburg, any Rosia, ny semi-remorque iray voalohany, nitondra lafarinina, menaka, hena am-bifotsy, vovo-dronono, sy ny toy izany, nilanja 15 taonina. Nampidina ireo entana avy tao anaty kamiao ireo Vavolombelon’i Jehovah tany an-toerana ary nizara haingana ireo fonosan’entana 750 tamin’ireo sahirana. Taorian’izay, dia nisy semi-remorques roa fanampiny nitondra sakafo ho any Rosia. Amin’ny fitambarany, dia maherin’ny 51,5 taonina no nalefa avy any Soeda.
Nihoatra noho izay nantenaina ny fahavononana hanome fitafiana sy kiraro. Niavosa haingana tao amin’ireo Efitrano Fanjakana ireo antontana fonosan’entana. Kristiana maro be no nanome ny fitafiany manokana mihitsy. Ny hafa nividy vaovao tamin’izany. Nisy rahalahy iray nividy complets dimy. Rehefa fantatr’ilay mpiandraikitra ny tranombarotra izay gaga ny zava-nokendrena tamin’izany, dia nanome complets dimy fanampiny izy. Nisy rahalahy hafa iray nividy ban-kiraro sy gan-tanana ary saron-doha iray baoritra avy. Rehefa nanazava ny zava-nokendreny izy dia nanome azy complets vaovao 30 tamin’ny vidin’ny roa monja ny tompon’ilay tranombarotra. Nanome kiraro sy baoty vaovao 100 aman’olona ny mpiandraikitra ny tranombarotra iray momba ny kojakoja fitondra amin’ny fialam-boly.
Izany entana rehetra izany avy eo dia nentina tany amin’ny sampana mba havahana, hofonosina indray, ary hafatratra ao anaty fiara. Fitafiana mitovy amin’izay zakan’ny semi-remorques 40 no nameno ny faritra malalaka tao amin’ny sampana! Niasa nandritra ny herinandro maromaro ireo rahalahy sy anabavy nanavaka izany ho antontany ho an-dehilahy, am-behivavy, an’ankizy, ary nanao izany tao anaty baoritra. Semi-remorques 15 samy hafa no nampiasaina hitondra ny fitafiana ho tody soa aman-tsara tany Rosia, Ukraine, ary Estonia.
Nilaza toy izao ny rahalahy iray nitondra ny iray tamin’ireo kamiaon’ny Fikambanana, imbalo nankany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha: “Valisoa lehibe ny fandraisana nataon’ireo rahalahintsika taminay tany amin’ireo toerana nitodiana. Namihina sy nanoroka anay izy ireo, ary na dia zara fa misy aza ny fananany, dia nanome anay fianarana tsara dia tsara ny amin’ny fahalalahan-tanana kristiana izy ireo.”
Finlanda
Na dia eo aza ny fitambotsorana lehibe sy ny tsy fananana asa miely patrana ary ireo zava-manahirana ara-toekarena any Finlanda, dia lehibe ny fahavononan’ireo rahalahy finlanday miisa 18 000 eo ho eo, hanampy ireo rahalahiny any amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Nandefa sakafo maherin’ny 58 taonina tao anatin’ny baoritra 4 850 ho any St. Petersburg, Estonia, Latvia, Lituanie, ary Kaliningrad izy ireo. Nameno izay toerana nalalaka tao amin’ireo kamiao tamin’ny fitafiana 12 metatra toratelo koa izy ireo. Nisy fiara sy kamiao goavana 25 efa niasa, natao fanomezana mba hampiasaina amin’ny asan’ilay Fanjakana.
Tonga tany amin’ny kongregasiona iray nisy mpitory 14 any Slanti, any amin’ny faritr’i St. Petersburg ny sasany tamin’ireo baoritra nisy sakafo. Naneho fankasitrahana lehibe tao amin’ny taratasy iray izy ireo. “Manana anabavy be taona folo izahay ao amin’ny kongregasionanay. Marary tokoa ny maro aminay ary tsy afaka mijoro mandritra ny ora maro eo amin’ny filaharana hahazoana sakafo. Ny Raintsika any an-danitra anefa dia tsy manome anay antony tokony hahakivy amin’izao andro sarotra izao fa mameno ny fonay amin’ny fifaliana. Mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano 43 izahay.” Rehefa nahazo ny fonosan’entany ny anabavy iray any St. Petersburg, dia tohina aoka izany, hany ka nitomany nandritra ny adiny roa nialoha ny namahany azy io.
Danemarka
Any amin’io tany kely eo amin’ny vavaranon’ny Ranomasina Baltika io, dia misy Vavolombelon’i Jehovah 16 000 niara-naka sy nandefa nankany Ukraine kamiao 19 nisy sakafo 64 taonina tao anaty baoritra 4 200; fitafiana ambony karazana 4 600 baoritra; ary kiraro vaovao 2 269 aman’olona. Nisy rahalahy iray any Alemaina namela ny sampana hampiasa kamiao dimy, izay nomeny an’ireo rahalahy any Ukraine avy eo. Rehefa niverina nody ny iray tamin’ireo mpamily dia nilaza hoe: “Nahatsapa izahay fa nitondra betsaka kokoa nody noho izay nentinay nankany. Nanatanjaka aoka izany ny finoanay ny fitiavana sy ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena nasehon’ireo rahalahintsika any Ukraine.”
Tsy maintsy maodimaody ireo mpamily noho ireo mpandroba teny amin’ireo lalana any amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Andro vitsivitsy monja talohan’ny nandalovan’ny iray tamin’ireo kamiao danoa mantsy, dia nisy fandrobana nitranga teo amin’izany lalana izany. Nisy andian-kamiao iray nisy fiara dimy, nitondra sakafo avy tamin’ny fikambanana hafa manao fanampiana, nosakanan’ny mpandroba nampiasa helikoptera sy mitraillettes. Lasan’izy ireo avokoa ireo kamiao dimy, ary navelany teo an-tsisin-dalana ireo mpamily. Na dia teo aza ny loza toy izany, dia tonga soa aman-tsara tany amin’ireo rahalahy ihany ireo fanampiana avy tany amin’ny sampana any Danemarka. Ho setrin’izany, dia nisy mpamily iray nitondra nody ho azy ireo, izao taratasy fohy manaraka izao, izay nosoratana tamin’ny fiteny anglisy tamim-pahasahiranana lehibe: “Ry rahalahy sy anabavy danoa malala: Voarainay ny fanampianareo. I Jehovah hamaly soa anareo.”
Holandy
Ny sampan’i Holandy dia nandefa sakafo 52 taonina tao anaty fonosana 2 600. Izany dia notaterina tamin’ny andiam-piara roa samy hafa nankany Ukraine. Isaky ny nandeha izy ireo dia najanona tany ny kamiao enina, satria nomen’ireo rahalahy any Alemaina ho an’ny asan’ilay Fanjakana any Atsinanana izany. Nalefan’ireo rahalahy tany Ukraine ho any Moscou sy Siberia ary ho any amin’ireo toerana hafa tena mila izany indrindra ny ankamaroan’ireo sakafo. Ambonin’izany, dia nisy fitafiana sy kiraro 736 metatra toratelo nomen’ireo rahalahy holandey. Nentina nankany Lviv, any Ukraine izany, tamin’ny andian-kamiao iray nisy fiara 11, narahin’ny fiara iray an’olona manokana.
Taorian’ny dia lavitra iray namakivakiana an’i Alemaina sy Polonina, dia nandalo mora foana an’ireo doanin’i Ukraine ilay andian-kamiao, ary tonga tany amin’ireo faritra manodidina an’i Lviv tamin’ny telo ora maraina. Mitantara toy izao ireo mpamily: “Tao anatin’ny fotoana fohy, dia antokony iray nisy rahalahy 140 no efa vonona hampidina ny entana avy tao anatin’ireo kamiao. Talohan’ny nanombohana ny asa, dia nampiseho ny fianteherany amin’i Jehovah ireo rahalahy manetry tena ireo tamin’ny fanolorana vavaka niarahana. Rehefa vita ny raharaha, dia nivory indray izy ireo hanao vavaka ho fisaorana an’i Jehovah. Rehefa avy nifaly tamin’ny fampiantranoan’ireo rahalahy teo an-toerana, izay nanome be dia be tamin’izay kely nananany izahay, dia narahin’izy ireo hatreny amin’ny lalana lehibe, ka teny izy ireo dia nanolotra vavaka iray teo an-tsisin-dalana talohan’ny handaozana anay.
“Nandritra ny dia lavitra nody, dia betsaka ny tokony hoeritreretina indray momba ny fampiantranoan’ireo rahalahy tany Alemaina sy Polonina, sy ny an’ireo rahalahy tany Lviv; ny finoana matanjaka ananan’izy ireo mbamin’ny fihetsiny mampiseho fitiavam-bavaka; ny fampiantranoany tamin’ny fanomezana filasiana sy sakafo na dia ao anatin’ny tarehin-javatra feno fahasahiranana aza izy ireo; ny fampisehoany firaisan-kina sy fifanakekezana; ary ny fankasitrahan’izy ireo. Nieritreritra an’ireo rahalahy sy anabavintsika tany an-tanàna, izay nanome tamim-pahalalahan-tanana lehibe aoka izany koa izahay.”
Soisa
Manomboka ny fitantarany ny sampana any Soisa amin’ny fanononana ny Jakoba 2:15, 16, manao hoe: “Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan-andro, ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?” Avy eo dia mitohy toy izao ilay fitantarana: “Tadidy io andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina io rehefa nanasa anay ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanome fanampiana ara-nofo ho an’ireo rahalahintsika sahirana.
“Niaraka tamin’izay dia nisahirana ny rehetra! Tao anatin’ny roa andro monja, dia sakafo 12 taonina tao anaty fonosana 600 no nalefa ho any Ukraine, tamin’ny kamiao telo avy any Alemaina, izay tokony homena hanaovana ny asa any. Nahatonga fifaliana lehibe teo amin’ireo rahalahintsika atỳ ny vaovao milaza fa tonga soa aman-tsara avokoa ny zavatra rehetra. Nandritra izany, ireo kongregasiona dia nanangona fitafiana, ary tsy ela dia tototry ny baoritra sy ny valizy ary ny kitapo ny sampana eto aminay! Ireo izay nisy akanjon’ankizy dia nahitana kilalao sasantsasany avy amin’ireo ankizy soisa ho an’ireo namana tsy fantatra any Avaratra lavitra any. Nisy takelaka sokola nasisika koa tany anatin’ny valonan’akanjo tany.”
Ahoana no fomba nanaterana izany rehetra izany? Milaza toy izao ilay fitantarana: “Nanampy anay ny sampana any Frantsa tamin’ny fanomezana semi-remorques roa sy mpamily efatra hampiasainay. Fanampin’izany, dia nilaina ny kamiao iray avy amin’ny sampana eto aminay sy efatra fanampiny an’ireo rahalahy eto an-toerana mba hitatitra ireo entana 72 taonina ho any Ukraine.” Ilay andiam-piara, nisy 150 metatra ny halavany, dia tonga soa aman-tsara tany amin’ny fitahirizana entana any Lviv, izay efa nisy rahalahy tokony ho zato niandry mba hampidina ireo entana avy tao anaty kamiao. Nitantara ireo mpamily fa tsy vato nisakana mihitsy ny fefy ara-pitenenana satria nampiseho taratry ny fankasitrahana lalina ny endrik’izy ireo.
Aotrisy
Ireo rahalahy any Aotrisy dia nandefa sakafo 48,5 taonina sy fitafiana 5 114 baoritra ary kiraro 6 700 ho any Lviv sy Uzhgorod, any Ukraine. Izy ireo koa dia nandefa sakafo 7 taonina sy fitafiana 1 418 baoritra ary kiraro 465 nankany Belgrade, Mostar, Osijek, Sarajevo, ary Zagreb, any Yogoslavia teo aloha. Milaza toy izao ny fitantaran’ny sampana: “Semi-remorques 12 feno entana ny anay no nanao dia 34 000 kilaometatra. Ny ankamaroan’izany fitaterana izany dia nataon’ny rahalahy iray sy ny zanany lahy izay mpanao fitaterana entana amin’ny kamiao.”
Raha ny amin’ireo fitafiana nomena, dia mitohy toy izao ilay fitantarana: “Nampiasa Efitrano Fanaovana Fivoriambe iray izahay ho toy ny foibe fitahirizana entana. Tsy nitsahatra nameno izany ireo entana nentin’ny kamiao nifanesy mandra-paha-tsy nisy toerana nalalaka intsony. Toy ny tamin’ny andron’i Mosesy, dia tsy maintsy noferana ny vahoaka mba tsy hitondra intsony. (Eksodosy 36:6). Nisy aza olona sasany tsy Vavolombelon’i Jehovah nanome vola, ‘satria’, hoy izy ireo, ‘fantatray fa amin’izay dia hahazo izany ireo olona sahirana’. Izahay koa dia nahazo baoritra foana izay nilaina tokoa, avy tamin’ireo fanjarianasa eo amin’izao tontolo izao, tsy nandoavam-bola.” Ireo rahalahy sy anabavy nanavaka sy nanao anaty fonosana ny zavatra rehetra dia teo amin’ny 9 ka hatramin’ny 80 taona. Nezahin’izy ireo mihitsy aza ny fampiarahana izay karavato sy lobaka mifanentana amin’ny complet tsirairay.
Manambara toy izao ilay fitantarana: “Tena nahavonjy tokoa ireo manam-pahefana atỳ Aotrisy sy ny any amin’ny sisin-tany tamin’ny fanaovana izay hetezan’ireo fitaterana fanampiana isan-karazany, sy tamin’ny fanomezana ireo taratasy nilaina mba tsy dia hampananosarotra ny fanaterana ireo entana.”
Italia
Avy tany Roma, dia sakafo efa ho 188 taonina no nalefa tamin’ny andian-kamiao lehibe roa namakivaky an’i Aotrisy sy Tsekoslovakia ary Polonina ho any amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Ny andiany tsirairay dia nahitana mpamily enina, mécanicien iray, éléctricien-automobile iray, mpandika teny iray, masoivohon’ny fandefasana entana iray, mpahandro iray, dokotera iray, mpitarika ny andian-kamiao iray mitondra jipy, ary rahalahy iray mitondra tranofiara.
Ny sakafo dia azo avy tamina fanjarianasa fito mpamatsy entana. Mitantara toy izao ny sampana: “Rehefa nandre ny anton’ilay fanombohan-javatra ireo mpamatsy anay, dia naniry handray anjara ny sasany taminy. Nisy pâtes sy vary an-jatony kilao maromaro, ary koa boaty maromaro fanao fonon-javatra nomen’ireo mpamatsy eo amin’izao tontolo izao. Mbola nisy hafa koa nanome pne fampiasa amin’ny orampanala ho an’ireo kamiao na nanao fanomezana vola.
“Nankasitraka izany tombontsoa hanampy izany ireo rahalahy any Italia. Naniry handray anjara koa ireo ankizy. Ny ankizilahikely iray dimy taona dia nandefa fandraisana anjara kely izay nantenainy fa hividianana ‘boatina lamàtra (trondro) iray mahatakatra ny lanitra ho an’ireo rahalahy any Rosia’. Noho izy nahazo naoty ambony tany am-pianarana, ny ankizivavikely iray naharay vola avy any amin’ny raibeny sy renibeny niteraka ny rainy, mba hividianana fanomezana ho an’ny ray aman-dreniny. ‘Nefa’, hoy ny nosoratany, ‘rehefa nahita aho fa maro be amin’ireo anadahiko no tsy mba manana ireo zavatra tsara fihinana rehetra ananako, dia nieritreritra aho fa tokony hanampiana ireo anadahy ireo ny fanomezana tsara indrindra azoko novidina ho an’ny ray aman-dreniko’. Nandrotsaka vola be dia be tao anaty boaty fasiana fanomezana izy. ‘Manantena aho fa hanohy hahazo naoty tsara mba hahafahako handefa vola misimisy kokoa’, hoy izy.” Namarana ny teniny ilay fitantaran’ny sampana tamin’ny filazana fa nanohina ny fo sy nampahery ary nampiray ireo taratasy feno fankasitrahana mafana avy any amin’ireo rahalahy any Ukraine, ireo teny fankasitrahan’ireo rahalahy italiana, ary ireo fanandraman-javatra tsara dia tsara tamin’ny fanomanana sy fanaterana ireo fanampiana.
Sakafo ho an’ireo mpanatrika an’arivony maro
Ny fivoriambe niraisam-pirenena voalohan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha dia natao tao amin’ny Kirov Stadium, ao St. Petersburg, any Rosia, tamin’ny 28-30 Jona 1992. Io fivoriambe niavaka io, nitondra ny loha hevitra hoe “Ireo Mpitondra Fahazavana”, dia natrehin’ny solontena 46 200 avy any amin’ny tany 28. Nanome fahafahana hafa iray hanehoana fitiavana kristiana ny “fitambarana manontolon’ireo rahalahy” izy io. — 1 Petera 2:17, NW.
Nisy sakafo an-taoniny maro avy any Danemarka, Finlanda, Soeda, ary avy any amin’ireo tany maro hafa any amin’ny faritr’i Eoropa Andrefana nozaraina maimaim-poana tamin’ireo mpanatrika ny fivoriambe an’arivony maro avy any U.R.S.S. teo aloha, mba hohanina nandritra ny fivoriambe. Rehefa nirava avy tao amin’ny fivoriambe izy ireo taorian’ny fotoam-pivoriana farany, dia nomena fonosan-tsakafo sy vatsy ihany koa mba hohaniny eny an-dalana mody.
Ireo fitantarana resahina eto dia mampiseho fa tsy nizotra nandroso fotsiny — niantsinanana — ny fanomezana. Nisy fifanakalozana fanomezana tamin’izany. Eny, niantsinanana ny sakafo sy fitafiana, nefa niankandrefana kosa ny fanehoam-pitiavana nampientam-po sy ny fitantarana mampiseho finoana, tsy tambo isaina. Izany fitantarana izany dia manome taratry ny faharetana sy ny fahatokian’ireo mpivavaka amin’i Jehovah an’arivony maro nandritra ny am-polony taona maro niaretana fanerena sy adim-piainana. Araka izany, ny andaniny sy ny ankilany dia samy nahatsapa ny fahamarinan’ireto tenin’i Jesosy ireto: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”. — Asan’ny Apostoly 20:35.
[Sary/Kisary, pejy 21]
1. Avy any Finlanda: St. Petersburg, Rosia; Tallinn sy Tartu, Estonia; Riga, Latvia; Vilnius sy Kaunas, Lituanie; Kaliningrad, Rosia; Petrozavodsk, Karelia
2. Avy any Holanda: Lviv, Ukraine
3. Avy any Soeda: St. Petersburg, Rosia; Lviv, Ukraine; Nevinnomyssk, Rosia
4. Avy any Danemarka: St. Petersburg, Rosia; Lviv, Ukraine
5. Avy any Aotrisy: Lviv, Ukraine; Belgrade, Mostar, Osijek, Sarajevo, Zagreb (any Yogoslavia teo aloha)
6. Avy any Soisa: Lviv, Ukraine
Avy any Italia: Lviv, Ukraine
[Sary, pejy 23]
Baoritra feno fitafiana ao amin’ny sampan’i Soeda
Famatrarana ireo entana fanampiana
Sakafo ao anaty fonosana iray
Ilan-kisoa natsatsika sy jambon avy any Danemarka
Andiany iray misy kamiao 11 sy fiara 1
Fonosan’entana sy valizy ao amin’ny sampan’i Aotrisy
Fampidinana ireo entana tany Lviv, any Ukraine