Fanatratrarana “ny Karazan’olona Rehetra” any Belzika
NY APOSTOLY Paoly dia nampahatsiahy an’ireo Kristiana voahosotra namany ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra hoe “ny karazan’olona rehetra dia tokony hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana marina ny fahamarinana”. Ho amin’izany no tokony hivavahan’izy ireo hanomezana azy “fiainana tony sy milamina” mba hitoriany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’izay rehetra nanan-tsofina nandre.—1 Timoty 2:1-4, NW.
Amin’izao andro izao, ny fanatratrarana “ny karazan’olona rehetra” amin’ny vaovao tsara dia misy heviny manokana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Belzika. Hatramin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa, io tany kely io, izay ho omby mora foana ao amin’ny Farihy Tanganyika na ny antsasaky ny Farihy Michigan, dia nandalo fiovana lehibe tamin’ny lafiny nahaforona azy ara-piaviana sy kolontsaina. Ho fanampin’ireo fitambaran’olona telo nahazatra — Flamands (Neherlanday), Frantsay, ary Alemanina — dia misy karazana maromaro eo amin’ny antokom-pitenenana sy kolontsaina izao any Belzika. Misy mponina arabo, tiorka, karàna, sinoa, olona avy any Philippines, mponina afrikana, ary amerikana any, raha vitsivitsy monja aza no holazaina. Tombanana ho ny 1 isaky ny olona 10 any Belzika no avy amin’ny fiaviana hafa firenena.
Araka izany, ny Vavolombelona any Belzika, sahala amin’ireo Kristiana namany maneran-tany, dia miatrika zava-tsarotra momba ny fanatratrarana “ny karazan’olona rehetra” amin’ny vaovao tsara. Ahoana ny amin’ny fitoriana eo anivon’izany olona avy amin’ny firenena isan-karazany izany? Ahoana no fomba hanatonana olona manana ivom-piainana ara-kolontsaina sy ara-pivavahana hafa tanteraka noho ny an’ny tena? Ary ahoana no fihetsik’izy ireny manoloana ny hafatra ao amin’ny Baiboly?
Mitondra vokatra ny fanombohan-javatra
Fanandraman-javatra iray mahafaly sy mandrisika ny firesahana amin’ny “karazan’olona rehetra” momba ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Natao hahitana olona avy amin’ny kaontinanta rehetra eny amin’ireo lalana be mpandeha, eny an-tsena, eny amin’ny fitateram-bahoaka, ary isan-trano. Raha mahay manombo-javatra kely fotsiny ny mpitory, dia afaka mitari-dresaka mora foana izy, ary matetika izany no mitondra vokatra andraisana valisoa.
Teo amin’ny fijanonan’ny aotobisy iray, ny Vavolombelona iray dia nanombo-dresaka tamin’ny vehivavy afrikana iray tamim-pitsikiana mafana fotsiny. Tsy ela dia naneho ny hafaliany tamin’ny fandrenesana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ilay ramatoa, ary naniry ny hahafantatra misimisy kokoa momba ny Baiboly izy io. Nanaiky handray gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izy ary nanome ny adiresiny an’ilay Vavolombelona. Rehefa niteny ilay Vavolombelona fa hitsidika azy izy tsy ho ela, dia nanda ilay ramatoa tamin’ny filazana hoe: “Tsia! Tsia! Aoka isika hifanao fotoana hentitra mba ho ao an-trano aho amin’izay fotoana hahatongavanao.”
Telo andro tatỳ aoriana, rehefa tonga ny fotoana tokony hanaovan’ilay Vavolombelona ny fitsidihana, dia hitany fa very ny adiresin’ilay ramatoa. Tsaroany anefa ny anaran’ilay lalana ka nandeha izy ary nizaha ny trano rehetra mba hahitana raha nety hahita anarana afrikana izy. Tonga tany amin’ny faran’ilay lalana izy nefa tsy nahita izay notadiaviny. Fahadisoam-panantenana moa izany ny azy! Raha ilay vonona ny handeha iny izy, tampoka teo, toy ny hoe nipoitra avy aiza angaha, dia nijoro teo anoloany ilay ramatoa notadiaviny mihitsy, ary tamin’ny ora nifanekeny hanaovana ilay fitsidihana indrindra izany! Natomboka ny fianarana ny Baiboly.
Inona no holazaina ny amin’ireo fomba amam-panao sy zavatra inoana ary fomban-drazana samy hafa? Ahoana, ohatra, ny amin’ireo zavatra inoan’ny Hindoa? Mbola tsaroan’ny mpisava lalana iray izay novakiny tao amin’ilay boky hoe Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina. Milaza toy izao izy io: “Aza manaiky ho very ao amin’ny fiolikoliky ny filozofia hindoista fa asehoy ireo fahamarinana mampahery ao amin’ny Baiboly Masina. (...) Ireo fahamarinana mazava ao amin’ny Teniny dia hanohina ny fon’ireo izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana.”
Izany indrindra no nataon’ilay mpisava lalana rehefa tojo an’i Kashi, vehivavy iray avy any India izay nanaiky fampianarana Baiboly, izy. Nandroso haingana i Kashi, ary tsy ela izy dia niresaka tamin’ny namany rehetra momba izay nianarany. Indray andro ilay mpisava lalana dia nifankahita tamin’ny vadina ambasadaoro iray, izay nanontany hoe: “Ianao ve ilay mampianatra Baiboly an’i Kashi?” Toy inona moa ny fahatairan’ilay mpisava lalana rehefa niteny ilay ramatoa hoe: “Tena mpampianatra tokoa izy! Vitany ny nandresy lahatra ahy momba ny hevitra maro be. Alao sary an-tsaina hoe izy izay Hindoa no mampianatra ny Baiboly ahy izay Katolika!”
Rehefa sendra ireo olona avy any Philippines ianao, dia ho tsapanao avy hatrany fa tia Baiboly ny ankamaroan’izy ireo. Be fitiavana sady mahay mandray olona izy ireo, ary mora erỳ ny manombo-dresaka aminy. Nandray gazety roa avy hatrany ny vehivavy avy any Philippines iray, saingy noho izy Katolika dia nariany izany. Rehefa afaka herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nandray gazety roa indray izy, ka navelany tao anatin’ny poketrany izany. Indray alina dia naniry hanao famakian-teny izy. Rehefa avy nitady zavatra mahaliana hovakina izy, dia nahita ireo gazety. Tamim-pisalasalana, dia nanomboka namaky izy, ary nitombo ny fahalianany. Fotoana fohy taorian’izay, dia nisy Vavolombelona nitsidika tao aminy, ary nanao fanontaniana maro be ilay ramatoa. Sambany izy tamin’izay vao mba nampitaha ireo zavatra inoana katolika narahiny tamin’izay lazain’ny Baiboly. Nandresy lahatra azy ilay fampisehoana araka ny fandrindran-kevitra sy araka ny Soratra Masina, hany ka nahita ny fahamarinana izy tamin’ny farany.
“Atsipazo (...) ny haninao”
Maro be amin’ireo mponina hafa firenena no any Belzika noho ny antony momba ny raharaham-barotra na mba hiasa any amin’ny iray amin’ireo ambasady 150 nomen-dalana na ao amin’ny Commission de la Communauté Européenne. Tsy mijanona afa-tsy taona vitsivitsy monja ny ankamaroan’izy ireo. Mety ho toa tsy ahitam-bokatra amin’ny voalohany ny fitoriana amin’izy ireo sy ny fianarana Baiboly miaraka aminy. Mampahatsiahy antsika toy izao anefa ny Baiboly: “Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.” (Mpitoriteny 11:1). Matetika dia ahitana valisoa amin’ny fomba manaitra ireo vokatra.
Toy izany no nitranga tamin’ny vehivavy amerikana iray izay nandray tsy tapaka ireo gazety avy tamin’ny Vavolombelona iray. Tamin’ny farany, ilay Vavolombelona dia nanintona ny sainy ho amin’ny soa azo amin’ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka, ary nanao fanoloran-kevitra ny amin’ny hianarany miaraka aminy izy. Nanaiky ilay fanoloran-kevitra ilay vehivavy ary nandroso haingana. Tsy ela izy dia nahita ny fahasamihafana misy eo amin’ny fivavahana marina sy ny diso. Nanala ireo sary ara-pivavahana rehetra tao an-tranony àry izy. Taorian’izay dia tonga ny fotoana hiverenany any Etazonia. Nilaza ve izany fa izay no faran’ny fandrosoany ara-panahy? Alao sary an-tsaina ny fifaliana sy ny fahatairan’ilay Vavolombelona rehefa naharay antso an-telefaonina avy tamin’ny Vavolombelona iray any Etazonia izy, nilaza taminy fa nanohy ny fianarany ilay ramatoa, nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah Andriamanitra, ary natao batisa! Raha ny marina, dia efa nanompo tamin’ny naha-minisitra mpisava lalana mpanampy izy io.
Marina ihany koa izany raha ny amin’i Kashi, ilay vehivavy karàna, sy ny amin’ilay ramatoa avy any Philippines noresahina teo am-piandohana. Rehefa tafaverina tany India i Kashi, dia nanohy ny fianarany ny Baiboly indray izy sy ny vadiny. Rehefa ela ny ela, dia samy nanolo-tena ho an’i Jehovah izy mivady ary nandray anjara tamin’ny asa fitoriana. Koa satria izy ireo nonina tany amin’ny faritra iray tsy nisy Vavolombelona hafa, dia nanolotra ny tranony hanaovana Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona izy ireo. Nanompo tamin’ny naha-mpisava lalana mpanampy i Kashi, arakaraka ny namelan’ny fahasalamany azy hanao izany, ary efa nitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano enina, izay nahafaoka olona 31 amin’ny fitambarany, izy. Sahala amin’izany koa, tamin’ny farany ilay vehivavy avy any Philippines dia nifindra nankany Etazonia, nandroso ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa, ary tonga mpisava lalana maharitra. Ny vokatra mahafaly toy izany dia santionany amin’ireo maro be hitan’ireo mpitory ilay Fanjakana any Belzika, raha mbola manohy mitory amin’ny olona ao amin’ny faritaniny izy ireo.
Ny zava-tsarotra momba ny fiteny
Mba hanatontosana ny adidy hitory amin’ny “karazan’olona rehetra”, dia tsy maintsy manana eo am-pelatanany zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly amin’ny fiteny maherin’ny zato ny biraon’ny sampana. Misy kongregasiona belza miteny amin’ny fiteny folo izao any. Amin’ireo kongregasiona 341 any, ny 61 dia miteny amin’ny fiteny vahiny, ary amin’ireo mpitory ilay Fanjakana 26 000, ny 5 000 dia olom-pirenena vahiny. Ny kongregasiona iray dia ahitana lehilahy sy vehivavy avy any amin’ny tany 25 samy hafa. Alao sary an-tsaina ange ny loko sy ny fahasamihafan-karazana ao amin’ireo fivorian’izy ireo e! Kanefa ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina eo amin’ny mpirahalahy dia porofo mahery ny amin’ny maha-mpianatra kristiana marina azy ireo. — Jaona 13:34, 35.
Koa satria misy mponina maro be aoka izany any Belzika mila ny mandre ny vaovao tsara amin’ny fiteny vahiny, dia misy mpitory nanaiky ny zava-tsarotra ny amin’ny fianarana fiteny sarotra, toy ny fiteny tiorka, arabo ary sinoa. Novalian-tsoa tondraka ny fiezahan’izy ireo.
Ireo izay miasa eo anivon’ny mponina arabo dia mahita fa afaka manaitra fahalianana ho amin’ny Baiboly izy matetika amin’ny fampiharihariana ny hasarobidin’izy io rehefa ampiharina. Nanao fifanakalozan-kevitra nahaliana tamina arabo mpampianatra iray ny mpitory iray, ary avy eo, nandritra ireo telo taona nanaraka dia tsy afaka nahita ilay mpampianatra intsony izy. Tsy mora kivy ilay mpitory fa nanapa-kevitra ny hamela taratasy nisy fanontaniana momba ny Baiboly vitsivitsy ho an’ilay mpampianatra. Nanaitra ny fahalianan’io fatratra izany, hany ka naniry ny hanao fandinihana ny Baiboly tsy nisy fitompoan-teny fantatra izy. Talanjona aoka izany izy noho izay hitany, koa dia nanokana takariva sasany mba hiaraha-mamaky ny Baiboly izy mivady, izay samy Miozilimanina.
Ireo izay miezaka manampy ireo mponina sinoa maro be any amin’ireo tanàna lehibe dia mahita vato misakana hafa horesena ho fanampin’ny fefy ara-pitenenana. Ny ankamaroan’ny Sinoa dia tsy mino an’Andriamanitra ho ny Mpamorona na ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra. Kanefa liana ta hahafanta-javatra izy ireo ary maniry ny hahalala ny momba izany rehetra izany. Mpamaky teny izaitsizy koa izy ireo. Tena mahazatra ho azy ireo ny mamita ny famakiana izay zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly rehetra apetraka aminy, na tapany maromaro amin’ny Baiboly mihitsy aza, ao anatin’ny andro vitsivitsy monja. Raha mahitsy ny fony dia voatosiky ny herin’ny Tenin’Andriamanitra izy.
Ny vehivavy sinoa iray dia nahita fa tena sarotra ny nanaiky ny hevitra momba ny Mpamorona iray. Nandritra ny fianarana faharoa anefa dia nanganohano ny ranomasony rehefa niteny izy hoe: “Mino an’i Jehovah Andriamanitra aho ankehitriny satria, raha nosoratan’ny lehilahy 40 samy hafa nandritra ny fe-potoana 1 600 taona mahery ny Baiboly, ary anefa mifanaraka tanteraka amin’ny foto-kevitra iray ihany, dia tsy maintsy ho i Jehovah Andriamanitra no nitarika ny fanoratana azy. Tena araka ny fandrindran-kevitra mihitsy izany!”
Ny vehivavy sinoa hafa iray dia nohatonin’ny Vavolombelona iray teny ambony tramway. “Kristiana angaha ianao?” hoy izy nanontany an’ilay Vavolombelona. Nilaza izy avy eo fa tena diso fanantenana amin’ny fahitana fifanoherana maro eo amin’ireo milaza tena ho Kristiana. Nanaiky izay nolazainy ilay Vavolombelona, nefa nanazava taminy fa tsy mba misy teny mifanohitra ao amin’ny Baiboly. Tamin’izay indrindra no tsy maintsy niala ilay vehivavy. Nomeny an’ilay Vavolombelona ny adiresiny, ary rehefa nitsidika azy izy dia nihiaka toy izao ilay vehivavy: “Raha mba fantatro mantsy dia ho efa nandray tramway herintaona nialoha aho!” Rehefa nanontaniana ny amin’izay tiany holazaina ilay vehivavy dia nanazava hoe: “Sambany aho tamin’iny vao mba nandeha tramway ho any amin’ny oniversite. Azonao alaina sary an-tsaina ve? Very herintaona aho izao!” Faly aoka izany izy afaka nianatra ny Baiboly na dia nandritra ny volana vitsivitsy monja talohan’ny hiverenany any Sina aza.
Nanome fianarana ho an’ny Vavolombelona belza ny fanandraman-javatra toy izany. “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao”, hoy ny Baiboly, “fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta”. (Mpitoriteny 11:6). Ireo fiezahana atao mba handresena ireo fefy ara-pitenenana sy fomba amam-panao ary fomban-drazana dia tena mendrika ny vokatra azo. Ireo fihetsika mampifaly ny fo asehon’ny olona dia manaporofo, ambonin’ny zavatra rehetra, fa tena “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany”. — Asan’ny Apostoly 10:34, 35.