Fampitana Fahatakaran-javatra Atsy Namibia
TAMIN’NY fiteny firy no nandrenesanao ilay fitenenana hoe “Tsy fantatro izany”? “Hi nokuzuva”, hoy ilay ramatoa herero, manao akanjo lava nentin-drazana sy saron-doha miendrika tandroka. “Nghi udite ko”, hoy ny navalin’ilay ankizivavy kwanyama tamim-pitsikiana. “Kandi uvite ko”, hoy ny nasetrin’ilay tantsaha ndonga, nanainga soroka. “Kapi na kuzuvha”, hoy ny fanamarihan’ny Kwangali iray mpiandry osy.
Samy niteny avokoa ireo olona ireo hoe: “Tsy fantatro izany”. Tena mampiseho tokoa izany fa niatrika zava-nanahirana ara-pitenenana lehibe dia lehibe ireo Vavolombelon’i Jehovah tatsy Namibia rehefa niezaka nanatratra ireo mponina 1 370 000 ao amin’io faritany midadasika tokony ho eo amin’ny 824 000 kilaometatra toradroa io!
Ary tsy mahagaga izany! Tsy ny Herero sy ny Nama ihany, fa ny Ovambo, ny Kavango, ny Tswana, ny Caprivian, ny Himba, ny Bushman, ary ny Damara atsy Namibia koa, dia samy manana ny fiteniny avy. Nifanohitra tamin’izany fa ireo Vavolombelon’i Jehovah dia tsy nanana afa-tsy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ny fiteny anglisy sy afrikaans tany aminy. Mazava ho azy fa mba hahatonga ny fahamarinana ho takatry ny olona maro kokoa, dia tena zava-dehibe ny asa fandikan-teny. Izany dia nanomboka tamin’ny fomba kely dia kely, taona maro lasa izay, tany Windhoek, renivohitr’ilay nantsoina hoe Afrika Atsimo Andrefana tamin’izany.
“Tany Windhoek, dia nisy fanoherana nahery vaika ny asa fanambarana nataonay, avy tamin’ny fiangonana sy ny polisy”, hoy ny tsaroan’i Dick Waldron. Tonga tao amin’io tany io izy, tamin’ny 1953, niaraka tamin’i Coralie vadiny, tamin’ny naha-misionera nahazo diplaoma tany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada Alamin’ny Watchtower. “Tsy nahazo lalana niditra ny faritra nonenan’ny mainty hoditra izahay, ary nampiharana fanorisorenana tsy an-kijanona indraindray rehefa tratra niresaka tamin’ny olona mainty hoditra. Tamin’ny farany izahay dia nahita toerana iray nampandry feizay anay — ny lemaka maina teo amin’ny ony Gammans izany! Tany ivelan’ny tanàna indrindra izy io. Nitarika fampianarana Baiboly tao izahay, takona tao ambanin’ny kirihitra akasia.”
Teo amin’io toerana io koa no nadika voalohany ho amin’ireo fiteny eo an-toerana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower. Anisan’izany ny taratasy mivalona sasany amin’ny fiteny kwanyama sy ilay bokikely hoe “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity” amin’ny fiteny nama. Tadidin’ny rahalahy Waldron ny zava-nitranga nampihomehy iray momba io bokikely io. Sakaizan’ny fahamarinana iray no nanampy tamin’ny fandikana azy. Tsy hita izay fiteny nama mifanitsy amin’ny fehezanteny hoe: “I Adama dia lehilahy lavorary.” Koa dia niteny io sakaizan’ny fahamarinana io hoe: “Soraty fotsiny hoe i Adama dia sahala amin’ny paiso masaka iray. Ho takatry ny Nama fa lavorary i Adama.” Toy izany àry no nanaovana fanombohana tamin’ny fampitana fahatakarana ny Soratra Masina tamin’ireo teratany maro be atsy Namibia. — Ampitahao amin’ny Daniela 11:33.
Fanatratrarana tanjona iray
Tratra ny tanjona iray tany am-piandohan’ireo taona 1970 rehefa voadika tamin’ny fiteny ndonga sy kwanyama ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Ireo no fiteny roa lehibe indrindra itenenan’ny fitambaran’olona namibiana lehibe any Ovamboland, izay 700 kilaometatra any avaratr’i Windhoek. Tamin’izay ny tranon’ny mpisava lalana dia naorina tany Ondangwa, tany vao iray any Ovamboland. Mba hanampiana ireo olona liana tany amin’io faritra io handray soa avy amin’ny fiaraha-midinika ara-baiboly isan-kerinandro miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, dia notendrena handika an-tsoratra famintinana ireo lahatsoratra natao hianarana amin’ny fiteny anglisy ho amin’ny fiteny ndonga sy kwanyama ireo mpisava lalana manokana nanompo tany Ovamboland.
Ny “birao” fandikan-teny dia zoron’ny garazy iray nasiana efitra, izay nanontana ireo kopian’ny Ny Tilikambo Fiambenana efa voadika, tamin’ny milina tranainy iray fanaovana kopia. Tsy mora ny nifantoka tamin’io asa nitaky ezaka io noho ireo fitaovana efa tranainy ihany sy ny maripana amin’ny fahavaratra mahatratra 38° ka hatramin’ny 44° C. Na dia izany aza, dia teto no nandikana ireo bokikely be velarana vaovao sy ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany.
Rehefa nisy kongregasiona niforona tany Ovamboland sy tany amin’ny faritra hafa teto Namibia, ny vokany dia ny nilana tany efa nisy trano lehibe kokoa sy tsara kokoa. Fanampin’izany, dia nirina ny toerana afovoany kokoa mba hahafahana haneho fiheverana izay ilaina any amin’ireo faritra hafa amin’ilay tany. Teo anelanelan’izay dia nihanalefaka ny fitsarana an-tendrony ny asa fitoriana ilay Fanjakana ataontsika. Koa azo àry ny fahazoan-dalana hanomboka fanorenana teo amin’ny sombin-tany malalaka iray nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah iray any Windhoek. Tsy ela dia nisy mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 40 nampiantranoina tao amin’ilay toeram-panorenana, ary tamin’ny Desambra 1990 dia vita tanteraka ireo birao fandikan-teny.
Ankehitriny, ao amin’ireo birao sy efitrano ary fomba ao amin’io trano lehibe sy maoderina io, dia mandroso haingana ny asa natao hitondrana fahatakaran-javatra ho an’ny maro. Misy zavatra vita an-tsoratra vaovao adika amin’ny fomba mitohy ho amin’ny fiteny herero sy kwangali. Raha ny amin’ny fiteny ndonga sy kwanyama indray, dia misy Ny Tilikambo Fiambenana iray ihany ahitana lahatsoratra amin’ireo fiteny roa ireo miaraka izao, avoaka isam-bolana ary miloko. Misy ny lahatsoratra natao hianarana rehetra mbamin’ny lahatsoratra hafa izy io. Izany dia hafa lavitra tokoa noho ilay fanombohana kely tany amin’ny lemaky ny renirano maina, taona maro lasa izay.
Tsy fandre firy intsony izao ny hoe “Tsy fantatro izany”. Ireo Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 600 atsy Namibia kosa dia velom-pankasitrahana lalina an’ilay Rainy any an-danitra, ary afaka miteny izao izy ireo hoe: “Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny kely saina.” — Salamo 119:130.
[Sary, pejy 25]
Fitoriana ny vaovao tsara eo amin’ireo Herero
Fandikana ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana mba hanasoavana ny mponina ao Namibia
Birao fandikan-teny ao Namibia