Jereo ny Nataon’i Jehovah ho Anay!
“FANAONAY ny nivavaka ho an’izao fitrangan-javatra izao”, hoy ny lehilahy iray. Ny iray hafa dia nifoha tamin’ny efatra isa-maraina mba hivavaka. Momba ny inona? “Mba hanananay fahafahana hanompo an’i Jehovah amin-kalalahana indray andro any”, hoy izy. Tamin’ny Janoary 1992, rehefa niara-nivory tatsy Addis Ababa tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Tia Fahafahana” ireo Vavolombelon’i Jehovah atsy Etiopia, dia hita nazava tsara fa novaliana izany vavaka feno fahatsorana natao tamim-panetren-tena izany.
Io fivoriamben’ny distrikan’i Etiopia io dia nampiseho fa miova ny tarehin-javatra atsy Afrika. Tamin’ireo taona faramparany, ny vahoakan’i Jehovah any amin’ny tany 13 ao dia faly nahazo fahafahana ara-dalàna rehefa avy norarana na niharan’ny fameperana teo aloha. Atsy Etiopia, ny fandrarana ofisialy naharitra 34 taona dia nifarana tamin’ny 11 Novambra 1991, rehefa nanome ny fanekeny ireo manam-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakana, ary dia natao ny fanoratana ara-dalàna indray. Avy hatrany dia nanao fandaharana mba hanao fivoriamben’ny distrika iraisam-pirenena ireo Vavolombelona. Kanefa ny fahitana vahoaka niisa ho 7 573 niara-nivory tao amin’ny Addis Ababa City Stadium dia nihoatra noho izay nonofisin’izy rehetra. Ho an’ny ankamaroan’ireo nanatrika, dia toy ny nofy izany. Nifampiresaka tsy an-kijanona izy ireo hoe: “Jereo, ry rahalahy, ny nataon’i Jehovah Andriamanitsika ho antsika!” — Ampitahao amin’ny Salamo 66:1-5; 126:1.
Ny naha-tao anatin’ny fandrarana azy ireo nandritra ny 34 taona dia niteraka zava-manahirana tsy nampoizina. Ny ankamaroan’izy ireo dia tsy nahafantatra ireo hiran’ilay Fanjakana kanto dia kanto. Ahoana no hahaizan’izy ireo hihira izany talohan’ny fivoriambe? Nisy hira efapolo, anisan’izany ireo 17 nampiasaina tamin’ny fandaharan’ny fivoriambe, nadika tamin’ny fiteny amharika. Avy eo dia nisy antoko mpihira nalamina manokana mba haka feo an’ireo hira tamin’ny fandefasana cassette. Nahazo iray tamin’izany cassette izany ny kongregasiona tsirairay avy tao an-drenivohitra, ary naka 30 minitra taloha sy taorian’ireo fivoriana ny kongregasiona manontolo mba hianarana ireo hira. Ny vokany? Feno ny fihirana avy tamin’ny fo manontolo sy falifaly ilay kianja nandritra ny fivoriambe.
Noho ny korontana tany amin’ny faritra atsinanan’ilay tany, dia tapaka ny lalana nankao an-drenivohitra avy tany Diredawa sy Harar. Ny hany fomba hahatongavana avy tany amin’ireo toerana ireo dia tamin’ny fiaramanidina. Tsy afaka nandoa ny saran’ny dia tamin’ny fiaramanidina ny rahalahy valo tany Harar, nefa tapa-kevitra ny ho any amin’ny fivoriambe, ka nankany amin’ny toby miaramila ary nangataka ny handeha tamin’ny fiaramanidina miaramila. Gaga izy ireo raha nekena ny fangatahany. Navela handeha maimaimpoana hankany amin’ilay fivoriambe izy ireo!
Ny fahitana fa novaliana ny vavaka nataony dia nahalatsa-dranomasom-pifaliana an’ireo rahalahy etiopiana ireo, izay niaritra zava-tsarotra sy fanenjehana nandritra ireo telopolo taona farany ary nahita mihitsy aza ny namany novonoina noho ny finoany. Hoy ny solontena iray: “Nitomany aho hatramin’ny niandohan’ny fivoriambe.” Ny iray hafa nanao hoe: “Raha nahay namaky ny ao am-pon’ny hafa ianareo, dia ho hitanareo ny haben’ny hasambarako.” Eny tokoa, tena zavatra mahatalanjona no nataon’i Jehovah ho an’ireo Vavolombelona mahatoky ireo! — Salamo 66:16, 19.
Fahafahana lehibe kokoa atsy amin’ny faritra andrefana sy afovoan’i Afrika
I Bénin dia tany hafa iray izay vao avy nanekena ho ara-dalàna ny asan’ny vahoakan’i Jehovah. Manao ahoana ny fihetseham-pon’ireo Vavolombelona momba izany? Niaiky toy izao ny mpandahateny iray tamin’ny fivoriana kristiana iray natao tany: “Tena fanomezana avy amin’i Jehovah ny fahafahana eo amin’ny fanompoam-pivavahana eto amin’ity tany ity.” Eny tokoa, feno fankasitrahana lalina ny mpanompon’i Jehovah any noho izy ireo afaka manana fahafahana tsy misy fameperana ankehitriny mba hivory ho amin’ny fanompoam-pivavahana ary hiresaka amin’ny mpiara-belona aminy momba ny Fanjakan’i Jehovah — fahafahana izay raisin’ny maro amintsika ho toy ny mandeha ho azy.
Amin’ny fomba ahoana no anehoan’izy ireo ny hafaliany? Nampiseho ny iray amin’izany fomba izany ilay mpandahateny voatonona etsy aloha rehefa nilaza hoe: “Ny fandraisantsika anjara amin’ny asa fitoriana — indrindra fa ny fandehanantsika isan-trano hitondra ny vaovao tsara — dia manome taratry ny fankasitrahantsika izao fahafahana izao.” Tena marina indrindra izany atsy Bénin. Ho porofon’izany, dia jereo fotsiny ny isan’ireo mpisava lalana. Nandritra ny volana Janoary 1990, izay nanafoanana ny fandrarana naharitra 14 taona, dia 77 ny isan’ireo mpitory nanao ny fanompoana manontolo andro. Roa taona tatỳ aoriana, dia nitombo avo telo heny mahery izany, ka tafakatra ho 244!
Izany akory tsy milaza fa tsy niasa ireo Vavolombelona atsy Bénin talohan’ny nanafoanana ny fandrarana. Ny fiaretan’izy ireo dia nisy vokany lalina teo amin’ny manamboninahitra miaramila iray izay notendrena hiasa tamin’ny toby iray nitondrana azy ireo rehefa avy nosamborina. Koa satria nitarika ho amin’ny fisamborana azy ireo matetika ny fahatapahan-keviny hanompo an’i Jehovah, dia nanjary nifandray tamin’izy ireo saiky tsy tapaka izy. Kanefa izany dia tsy nanao afa-tsy ny nampahatsiahy azy ireo fifanakalozan-kevitra ara-baiboly nahafinaritra nifanaovany tamin’izy ireo tamin’ny andro taloha fony mbola nanana fahafahana ara-dalàna izy ireo.
Tamin’ny farany, dia namoha fahatsapana hanoanana ara-panahy tao aminy ny finoana mafy nananan’izy ireo. Nitety fiangonana sy antokom-pivavahana maro samy hafa izy, nefa mbola tsy nahazo fahafaham-po tamin’izany hanoanany izany. Rehefa nofoanana ilay fandrarana tamin’ny Janoary 1990 vao afaka niara-niresaka momba ny Baiboly tamin-kalalahana tamin’ireo Vavolombelona izy sy afaka nahita ny valin’izay nilainy ara-panahy. Izao izy dia vita batisa ary manao ny asan’ny mpisava lalana. Amin’ny heviny iray, ny fiovany dia mampahatsiahy an’ireo rahalahy atsy Bénin izay nitranga tamin’i Saoly avy tany Tarsosy toy izao: “Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.” — Galatiana 1:23.
Tamin’ny Desambra 1991, ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany hafa iray atsy amin’ny faritra andrefan’i Afrika, i Niger, dia nosoratana ho fikambanana ara-dalàna, ary nifarana ireo fameperana nampiharina tamin’ny asany. Teto koa dia nisy fihetsika feno hafaliana teo anoloan’izany. Manao izao tatitra izao momba ny fihetsika hita tany amin’ny fivoriamben’ny distrika iray ny sampan’i Nizeria, izay mikarakara an’i Niger: “Rehefa vita ny lahateny fototra tamin’ny fivoriamben’ny distrikan’i Maradi tamin’ny zoma, dia nambara tamin’ireo rahalahy fa nahazo ny fanekena ho ara-dalàna ny asantsika isika izao atsy Niger. Faly aoka izany izy ireo ka nitehaka nandritra ny minitra maro. Rehefa nifarana ny fotoam-pivoriana, dia tsy nanafina ny fihetseham-pony ireo rahalahy ka nifamihina ary nifaly noho izany vaovao tsara izany.” Afaka maka sary an-tsaina ilay fisehoan-javatra isika, ary miara-mifaly amin’izy ireo.
Amin’ny fomba ahoana no hampiasan’ireo rahalahy any ny fahafahany vao azony? Tsy manana fisalasalana na dia kely akory aza momba ny valin’io fanontaniana io ny anabavy iray mpisava lalana atsy Niger. Hoy ny taratasiny: “Ny zava-misy dia mampiseho fa eto amin’ny faritaninay eto Niger, dia ho maro be ireo hiala amin’i Babylona Lehibe alohan’ny farany. Ho porofon’izany, izaho dia afaka nanoratra fiverenana mitsidika 80 ka hatramin’ny 85 isam-bolana teo amin’ny filazana asa ary nitarika fampianarana Baiboly 13 na 14, ary efa nisy maro tamin’ireo fiverenana mitsidika nataoko aza nomeko mpitory hafa.” Manampy teny toy izao io anabavy mahatoky io: “Noho ny zava-manahirana ara-pahasalamana mahazo ahy, dia tsy afaka manao betsaka araka izay iriko aho eo amin’ny asa fanompoana, nefa manao izay vitany ny tsirairay.”
Atsy Rwanda, atsy amin’ny faritra afovoan’i Afrika, dia niova be koa ny toerana misy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny Aprily 1992, dia nisy taratasy navoaka nanambara fa fandaminana ara-dalàna amin’izay izy ireo rehefa ela ny ela. Voaray tamin’ny herinandron’ny Fahatsiarovana io taratasy io, ary faly aoka izany ireo mpitory 1 526 atsy Rwanda nahita mpanatrika 6 228 tamin’io fankalazana io. Moa ve ireo rahalahy malala ireo haneho ny fifaliany sy ny fankasitrahany amin’ny fampitomboana ny asany fanambarana ny vaovao tsara? Mazava ho azy izany! Nandritra io volana Aprily io ihany, ireo mpitory, tamin’ny antsalany, dia nandany ora 27,7 teo amin’ny asa fitoriana, nanao fiverenana mitsidika 17 ary nitarika fampianarana Baiboly 2,4. Ary ny 40 isan-jaton’izy ireo teo ho eo dia tao amin’ny fanompoana manontolo andro.
Nekena ho ara-dalàna atsy amin’ny faritra atsimon’i Afrika
Atsy amin’ny faritra atsimon’i Afrika, dia nisy tany tsara tarehy roa nahita fahafahana vaovao, dia i Mozambique sy i Angola. Tatsy Mozambique dia nekena ho ara-dalàna ny asantsika tamin’ny Febroary 1991. Nihamora ny tarehin-javatra ao, hany ka nandefa misionera tany amin’io tany io izay rotidrotiky ny ady an-trano tanteraka, ny Watch Tower Bible and Tract Society. Nahita faritany namokatra tsara ireo misionera. Mitady zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tsy misy ohatra izany ny olona — indrindra fa ny boky Les Jeunes S’interrogent — Réponses Pratiques. Manao tatitra ny misionera iray fa nahapetraka boky 50 tao anatin’ny adiny roa sy sasany latsaka izy.
Mamaly haingana ireo olona liana. Nankany amin’ny toerana iray araka ny adiresy nomen’ny Fikambanana azy ny misionera iray, ary hitany fa adiresin’ny lehilahy iray tao amin’ny tafika ilay izy. Nisy fifanakalozan-kevitra tsara nifanaovany tamin’io lehilahy io sy ny roa tamin’ireo havany. Tamin’ny fitsidihana nanaraka, dia nisy fifanakalozan-kevitra nahavokatra hafa koa nifanaovany tamin’io lehilahy io sy ny olona dimy hafa. Avy eo dia nanaiky ny fanasana hanatrika ny lahateny ampahibemaso sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana izy ireo — tao anatin’ny efatra andro izany rehetra izany.
Atsy Angola dia nihanitombo ny fahafahan’ny Vavolombelona ary niafara tamin’ny fanekena ny asany ho ara-dalàna tamin’ny Aprily 1992. Amin’ny fomba ahoana no ampiasan’izy ireo ny fahafahany nitombo? Mandray anjara amin’ny asa fanompoana izy ireo! Misy mpitory eo amin’ny 17 000 eo ho eo atsy Angola, ary mitarika fampianarana Baiboly efa ho 60 000 ireo mpitory ireo. Endre izany fahatsinjovana fitomboana amin’ny hoavy!
Mandray anjara amin’ny fanaovana fanambarana ny tanora
Any amin’ireny tany vao avy nanekena ho ara-dalàna ny asa fitoriana ireny, na dia ireo tanora sy ireo mbola tsy vita batisa aza dia maneho ny fankasitrahany amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana. Tany amin’ny Repoblikan’i Cape Verde, izay nanekena ny Vavolombelon’i Jehovah ho ara-dalàna tamin’ny Novambra 1990, dia nitsangana ho fanehoana ampahibemaso ny finoany tamin’ny fivoriamben’ny distrika ny ankizivavy iray 17 taona. Taorian’ny batisa, dia nahita olona be dia be nanodidina azy ny mpitsidika iray. Nanatona azy mba hanao teny fiarahabana taminy izy ka nanontany azy hoe iza ireo olona be dia be ireo. “Olona ampianariko ny Baiboly ireo”, hoy ny valin-teniny. Nitarika fampianarana Baiboly fito izy, ary nanatona azy hanao teny fiarahabana taminy noho izy natao batisa izy ireo. Efa nameno taratasy fangatahana hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy sahady izy ary manantena ny hahafeno fepetra mba ho mpisava lalana maharitra any aoriana.
Nanontaniana ny ankizivavy kely folo taona iray tatsy Angola raha mpitory izy. Hoy ny valin-teniny: “Eny.” Nitarika fampianarana Baiboly ve izy? “Mazava ho azy izany.” Firy? “Fito”, hoy ny navalin’io ankizy kely folo taona io.
Mamaky ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly isika fa nisy fotoana tamin’ny taonjato voalohany nahitana fa “niditra tao amin’ny fotoam-piadanana ny kongregasiona nanerana an’i Jodia sy i Galilia ary i Samaria, sady niorina tsara; ary teo am-pandehanany tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fampiononan’ny fanahy masina, dia tsy nitsahatra ny nitombo izy ireo.” (Asan’ny Apostoly 9:31, NW ). Mivavaka ho an’ireo rahalahintsika atsy Afrika isika mba ho fotoam-piadanana koa izao diaviny izao. Miara-mifaly amin’izy ireo isika eo am-piorenan’izy ireo tsara, sady mivavaka mba ho eo aminy ny fanahin’i Jehovah eo am-panararaotan’izy ireo ny fahafahana azony mba hampielezana ny vaovao tsara ka tsy hitsaharany ny hitombo.
[Sarintany, pejy 24]
(Jereo ny gazety)
Ireo Tany Nanekena ny Vavolombelon’i Jehovah ho Ara-dalàna na Nanesorana Ireo Fameperana teo Aminy
1. Gambia, Desambra 1989
2. Bénin, Janoary 1990
3. Repoblikan’i Cape Verde, Novambra 1990
4. Mozambique, Febroary 1991
5. Ghana, Novambra 1991
6. Etiopia, Novambra 1991
7. Congo, Novambra 1991
8. Togo, Desambra 1991
9. Niger, Desambra 1991
10. Kenya, Martsa 1992
11. Tchad, Janoary 1992
12. Angola, Aprily 1992
13. Rwanda, Aprily 1992
[Sary, pejy 23]
Atsy Bénin, mively ireo tenin’ny Matio 24:14 amin’ny ampongany mpandefa hafatra ny mpitory ilay Fanjakana iray
[Sary, pejy 25]
Any amin’ny tany afrikana maro, dia mampiasa tsara ny fahafahana vao azony ireo Kristiana marina
[Sary, pejy 26]
Manamarika ny fanolorany tena ho an’i Jehovah amin’ny batisa anaty rano ireo Vavolombelona vaovao