Fianarana Misy Zava-kendrena
“Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.” — OHABOLANA 9:9.
1. Inona no antenain’i Jehovah amin’ireo mpanompony raha ny amin’ny fahalalana?
“ANDRIAMANITRY ny fahalalana” i Jehovah. (1 Samoela 2:3). Mampianatra ny mpanompony izy. Nilaza mialoha i Mosesy fa ireo firenena niaina tamin’ny andron’ny Isiraely dia hilaza ny aminy hoe: “Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io”. (Deoteronomia 4:6). Tokony ho matsilo saina toy izany koa ny Kristiana marina. Tsy maintsy tonga mpianatra tena mahay ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly rehefa nampiseho ny zava-nokendren’ny fianarana toy izany: “Izahay (...) dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony hianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo [mendrika, NW ] ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra.” — Kolosiana 1:9, 10.
2. a) Inona no ilaina mba hahazoana fahalalana marina momba an’Andriamanitra? b) Ahoana no namoaboasan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah io raharaha io?
2 Ny fianarana mba hahazoana fahalalana marina momba an’Andriamanitra sy ny fikasany dia mitaky, fara faharatsiny, fari-pahaizana faran’izay ambany tany an-tsekoly. Kanefa dia misy olona maro izay nanomboka nianatra ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra, miaina any amin’ny tany izay tsy manome azy ireo fahafahana hahazo fianarana tsy ara-pivavahana araka ny tokony ho izy afa-tsy kely dia kely na tsy misy mihitsy aza. Very tombontsoa izy ireo. Mba handresena io zava-manahirana io, dia nanome torolalana ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny taona maro izao fa, any amin’izay ilana izany, dia tokony halamina ao anatin’ny kongregasiona ny kilasy fampianarana mamaky teny sy manoratra. Maherin’ny 30 taona lasa izay, ilay gazety brezilianina atao hoe Diário de Mogi dia namoaka lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Miditra Amin’ny Ady Atao Amin’ny Tsy Fahaiza-mamaky Teny sy Manoratra ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nilaza toy izao izy: “Misy mpampianatra mahay iray manomboka (...) mampianatra amim-paharetana ny hafa mba hamaky teny sy hanoratra. (...) Ireo mpianatra dia tsy maintsy mampitombo ny fahaizany ilay fiteny mba hanaovana lahateny, noho ny toe-javatra manosika azy ireo amin’ny maha-minisitr’Andriamanitra azy.” Olona an’arivony maro manerana izao tontolo izao no nomena, tamin’izany fomba izany, fahafahana ho tonga mpianatra mahay ny Tenin’Andriamanitra. Nanao io fianarana fototra io izy ireo tamin’ny fananana zava-kendrena ambony iray tao an-tsaina.
Ilaina ny fahaizana mba hahatongavana ho minisitra mahita vokatra
3, 4. a) Nahoana no liana ny amin’ny fianarana ny Kristiana marina? b) Nanao ahoana ny toe-javatra teo amin’ny Isiraely, ary fianarana fototra inona no tsy maintsy ilaina ao anatin’ny kongregasiona amin’izao andro izao?
3 Liana ny amin’ny fianarana ny Kristiana marina, tsy hoe noho izy ireo tia ny ho tonga olona nahita fianarana, fa mba ho tonga mpanompon’i Jehovah mahita vokatra kokoa. Naniraka ny Kristiana rehetra i Kristy mba ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra (...) sady hampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiany’. (Matio 28:19, 20). Mba hampianarana ny hafa, dia tsy maintsy mianatra aloha ny tenan’izy ireo, ary izany dia mitaky fomba fianarana tsara. Tsy maintsy mahay mandinika ny Soratra Masina amim-pitandremana izy ireo. (Asan’ny Apostoly 17:11). Mba hanatanterahana ny fanirahana azy, dia ilain’izy ireo koa ny hahay hamaky teny misosa tsara. — Jereo Habakoka 2:2, NW; 1 Timoty 4:13.
4 Araka ny hitantsika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, dia misy antony tsara inoana fa, mazàna no nahay namaky teny sy nanoratra na dia ireo tanora teo amin’ny Isiraely fahizay aza. (Mpitsara 8:14; Isaia 10:19). Ireo minisitra kristiana amin’izao andro izao dia mila ny mandray an-tsoratra madio sy milamina tsara rehefa manao fanambarana isan-trano. Manoratra taratasy izy ireo, mandray an-tsoratra any amin’ireo fivoriana, ary manisy fanamarihana eo amin’ny zavatra vita an-tsoratra ianarany. Mitaky soratanana azo vakina izany rehetra izany. Ny fitanana an-tsoratra ao anatin’ny kongregasiona kristiana dia mitaky, fara faharatsiny, fahalalana fototra amin’ny fianarana marika.
Soa avy amin’ny fianarana araka ny tokony ho izy
5. a) Avy amin’inona no niavian’ilay teny hoe “sekoly”? b) Fahafahana inona no tokony hohararaotin’ny tanora?
5 Mahaliana ny mahamarika fa ny teny hoe “sekoly” dia avy amin’ilay teny grika hoe skho·leʹ, izay nidika tany am-boalohany hoe “fotoana malalaka”, na ny fampiasana ny fotoana malalaka ho amin’ny asa lehibe sasany, toy ny fianarana. Tatỳ aoriana izy io dia nanjary nanondroana ny toerana nanaovana izany fianarana izany. Milaza izany fa, tamin’ny fotoana iray, dia ny sokajin’olona ambonimbony ihany — tany Grisia sy tany amin’ny ankamaroan’ny tany hafa — no nanam-potoana nalalaka mba hianarana. Nitoetra ho tsy nahay na inona na inona mandrakariva ny sokajin’ny mpiasa. Amin’izao andro izao, any amin’ny ankamaroan’ny tany dia omena fotoana ianarana ireo ankizy sy tanora. Ireo tanora Vavolombelona dia tokony hanararaotra ny fotoana mety mba hahatongavana ho matsilo saina sy ho mpanompon’i Jehovah mahay. — Efesiana 5:15, 16.
6, 7. a) Inona avy no soa sasany azo raisina avy amin’ny fianarana araka ny tokony ho izy? b) Amin’ny fomba ahoana avy ny fianarana fiteny vahiny no mahasoa? d) Inona no tarehin-javatra misy eo amin’ny tanora maro amin’izao andro izao, rehefa nahavita ny fianarany izy ireo?
6 Ny fahalalana fototra eo amin’ny tantara, ny jeografia, ny zavaboary, ary ny toy izany dia hahatonga ny tanora Vavolombelona ho minisitra mahay mandanjalanja. Ny fianarany dia tsy hoe hampianatra azy ireo taranja maro fotsiny, fa hampianatra azy ireo ny fomba fizotran’ny fianarana koa. Ny Kristiana marina dia tsy mitsahatra ny mianatra sy mandalina rehefa mandao ny sekoly. Izay azony avy amin’ny fandalinana nataony anefa, dia hiankina be dia be amin’ny fahafantarany ny fomba fianatra. Samy afaka manampy azy ireo hampitombo ny fahaizany misaina, na ny fianarana tsy ara-pivavahana, na ilay ao amin’ny kongregasiona. (Ohabolana 5:1, 2, NW ). Rehefa mamaky teny izy ireo dia hahay hanavaka kokoa izay zava-dehibe, ary izay mendrika homarihina sy hotadidina.
7 Ny fianarana fiteny vahiny iray, ohatra, dia tsy vitan’ny hoe hampitombo ny fahaizana ara-tsain’ny tanora fotsiny, fa hahatonga azy ireo ho azo ampiasaina kokoa ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Any amin’ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower sasany, dia hitan’ny rahalahy tanora maromaro fa andraisan-tsoa ny fahaizana miteny ny fiteny anglisy sy mamaky azy misosa tsara. Ambonin’izany, ny minisitra kristiana rehetra dia tokony hiezaka hahay hiteny tsara ny fitenin-drazany. Ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana dia mendrika ny holazaina amin’ny fomba mazava tsara sy mifanaraka amin’ny fitsipi-pitenenana. Asehon’ny zava-misy fa eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia tanora maro nahavita ny fianarany no mbola sahirana ihany eo amin’ny fanoratana sy eo amin’ny fitenenana amin’ny fomba mety, ary eo amin’ny fanaovana asa marika na dia ny faran’izay tsotra aza; ary tsy manana afa-tsy fahalalana faran’izay manjavozavo ny amin’ny tantara sy ny jeografia izy ireo.
Fianarana ampy
8. Andinin-teny inona avy no mifandray amin’ny foto-kevitra momba ny fianarana tsy ara-pivavahana sy ny fahafahan’ny olona iray hamelo-tena?
8 Toa fotoana mety àry izao mba handinihana ny fihetsiky ny Kristiana mikasika ny fianarana tsy ara-pivavahana. Fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly inona avy no mifandray amin’io foto-kevitra io? Voalohany, any amin’ny ankamaroan’ny tany, ny fanekena araka ny tokony ho izy an’i “Kaisara” dia mitaky ny handefasan’ny ray aman-dreny kristiana ny zanany any an-tsekoly. (Marka 12:17; Titosy 3:1). Raha ny amin’ireo tanora Vavolombelona, eo amin’ny fianarana ataony na any an-dakilasy na ny entimody, dia tokony hotadidin’izy ireo ny Kolosiana 3:23, izay milaza hoe: “Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona”. Ny fotopoto-pitsipika faharoa tafiditra dia ny hoe ny Kristiana dia tokony ho afaka hamelon-tena, na dia minisitra mpisava lalana manontolo andro aza izy. (2 Tesaloniana 3:10-12). Raha manambady izy, ny lehilahy iray dia tokony ho afaka hanome araka ny tokony ho izy izay ilain’ny vadiny sy izay zaza mety ho teraka, miaraka amin’ny vola fanampiny kely mba homena ireo sahirana ary mba hanohanana ny asa fitoriana eo an-toerana sy maneran-tany. — Efesiana 4:28; 1 Timoty 5:8.
9, 10. a) Inona no toa fironana any amin’ny tany maro? b) Inona no azon’ny minisitra mpisava lalana iray heverina fa karama sahaza?
9 Fianarana toy inona no ilain’ny tanora kristiana iray mba hanajana ireo fotopoto-pitsipika ireo sy hamitana ireo adidiny kristiana? Izany dia miovaova arakaraka ny tany. Mazàna anefa, dia toa fironana amin’ny ankapobeny any amin’ny tany maro ny hoe: ny fari-pahaizana takina mba hahazoana karama sahaza dia ambony kokoa izao noho izay notakina taona vitsivitsy lasa izay. Asehon’ny tatitra voaray avy amin’ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower any amin’ny faritra samy hafa eo amin’izao tontolo izao fa any amin’ny toerana maro dia sarotra ny mahita asa andraisan-karama sahaza rehefa avy nahavita ny fianarana faran’izay kely takin’ny lalàna, na rehefa nahavita ny sekoly ambaratonga faharoa na lise mihitsy aza any amin’ny tany sasany.
10 Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “karama sahaza”? Tsy manondro asa andraisan-karama be akory izy io. Ny Webster’s Dictionary dia milazalaza ny “sahaza” ho “ampy, mahafa-po” eto. Inona no azo lazaina hoe “ampy”, ohatra, ho an’ireo izay maniry ho tonga minisitra mpisava lalana ho an’ny vaovao tsara? Ny olona toy izany dia saiky mandrakariva mila asa tapa-potoana mba tsy “hahavaky tratra” ny rahalahiny na ny fianakaviany. (1 Tesaloniana 2:9). Azo lazaina hoe “ampy” na “mahafa-po” ny karaman’izy ireo raha toa ny vola azony ka mamela azy hiaina amin’ny fomba azo ekena sady manome azy fotoana sy tanjaka ampy mba hanatanterahana ny fanompoana kristiana ataony.
11. Nahoana no nandao ny asan’ny mpisava lalana ny tanora sasany, ary inona no fanontaniana mipoitra?
11 Manao ahoana ny toe-javatra mazàna amin’izao andro izao? Voalaza fa any amin’ny tany sasany dia nisy tanora tsara fikasa maro niala tamin’ny fianarana taorian’ny nahavitany ny fianarana faran’izay kely indrindra takina mba hahatongavana ho tonga mpisava lalana. Tsy nahay asa tanana na nanana fahaizana tsy ara-pivavahana izy ireo. Raha tsy nampian’ireo ray aman-dreniny ara-bola izy ireo, dia voatery nitady asa tapa-potoana. Ny sasany dia voatery nanaiky asa izay nitaky ny hiasan’izy ireo nandritra ny ora maro be mba hahitam-bola ivelomana. Noho izy ireo nanjary sasatra loatra ara-batana, dia nandao ny fanompoana tamin’ny naha-mpisava lalana izy ireo. Inona no azon’ny olona toy izany atao mba hamelomany tena ka hiverenany indray ao amin’ny asan’ny mpisava lalana?
Fomba fijery voalanjalanja mikasika ny fianarana
12. a) Mikasika ny fianarana, fomba fijery tafahoatra roa inona avy no hohalavirin’ny Kristiana? b) Ho an’ny mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy ny zanany, inona no tokony ho zava-kendren’ny fianarana?
12 Afaka manampy ny fomba fijery voalanjalanja mikasika ny fianarana. Ho an’ny tanora maro eo amin’izao tontolo izao, ny fianarana dia mariky ny voninahitra eo amin’ny fiaraha-monina, zavatra izay manampy mba hisondrotana eo amin’ny laharana ara-tsosialy, ary fanalahidin’ny fomba fiaina ahitam-panambinana sy heniky ny zavatra ara-nofo. Ho an’ny hafa, ny fianarana dia asa sarotra sy manorisory tsy maintsy vitaina haingana araka izay azo atao. Tsy misy mety ho an’ny Kristiana marina ireo fomba fijery roa ireo. Inona àry no azo lazaina hoe “fomba fijery voalanjalanja”? Ny Kristiana dia tokony hihevitra ny fianarana ho fomba iray ampiasaina mba hanatratrarana vokatra iray irina. Amin’izao andro farany izao, ny zava-kendreny dia ny hanompoana an’i Jehovah araka izay farany azo atao sy amin’ny fomba faran’izay mandaitra. Raha tsy mamela azy hahita afa-tsy asa kely karama tsy ampy amelomany ny tenany amin’ny maha-mpisava lalana azy ny fianarana faran’izay kely na ny fianarana any amin’ny lise mihitsy aza ao amin’ny tany misy azy, dia azo dinihina ny fanaovana fianarana na fiofanana fanampiny. Izany dia hatao noho ilay zava-kendrena hentitra tsara, dia ny fanompoana manontolo andro.
13. a) Ahoana no nahafahan’ny anabavy iray tany Philippines nanohy ny asan’ny mpisava lalana sady nanatontosa ny adidiny ara-pianakaviana? b) Fampitandremana inona no tena amin’ny fotoana ilana azy indrindra?
13 Ny sasany dia nanaraka fianarana fampiofanana izay nanome azy ireo fahafahana hahita asa mamela azy hiditra na hiverina indray ao amin’ny fanompoana manontolo andro. Niantoka ny fiveloman’ny fianakaviany ny anabavy iray tany Philippines kanefa dia naniry hanao ny asan’ny mpisava lalana izy. Nanao izao tatitra izao ny sampana: “Afaka nanao izany izy satria nahazo fianarana fanampiny mba hahafeno fepetra ho tonga mpanamarina kaonty.” Milaza toy izao io tatitra nataon’ny sampana io ihany: “Maromaro ihany eto aminay ireo sady mianatra no afaka mandamina ny fandaharam-potoanany mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana. Saiky tonga mpitory tsara kokoa izy ireo mandrakariva noho izy ireo tia mianatra kokoa, raha tahiny ka tsy manjary maniry fisondrotana tafahoatra eo amin’ny raharahan’izao tontolo izao izy.” Io fanamarihana farany io dia tokony hahatonga antsika hieritreritra. Ny zava-kendrena amin’ny fianarana fanampiny, rehefa toa ilaina izany, dia tsy tokony hohadinoina, na hovana ho zava-kendrena feno fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo.
14, 15. a) Nahoana no tsy tokony hisy fitsipika hentitra mikasika ny fianarana? b) Fianarana tsy ara-pivavahana inona no azon’ny rahalahy manana andraikitra sasany, kanefa inona no nanonitra izany?
14 Any amin’ny tany sasany, ny sekoly ambaratonga faharoa dia manome fiofanana ho amin’ny anton’asa izay afaka manomana ny tanora kristiana ho amin’ny asa tanana na anton’asa sasany eo amin’ny fotoam-pamaranana ny fianarana. Na dia rehefa tsy toy izany aza ny toe-javatra any amin’ny tany sasany, ireo tanora tsy nahavita afa-tsy ny fianarana tao amin’ny fanabeazana fototra, kanefa vonona ny hanao zavatra, dia mahita asa tapa-potoana izay hahazoany vola ampy mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana. Koa tsy misy àry fitsipika hentitra tokony hatao mba hanohanana na hanoherana ny fianarana fanampiny.
15 Maro amin’ireo izay manompo eo amin’ny toerana misy andraikitra amin’ny maha-mpiandraikitra mpitety faritany, any amin’ny foiben’ny Fikambanana, na any amin’ireo sampany no tsy nahavita afa-tsy ny fianarana tao amin’ny fanabeazana fototra. Mpisava lalana nahatoky izy ireo, tsy nitsahatra nianatra mihitsy, nandray fampiofanana, ary dia nanankinana andraikitra lehibe kokoa. Tsy manenina izy ireo. Etsy an-danin’izany, ny sasany tamin’ireo niara-belona taminy dia nifidy ny handranto fianarana tany amin’ny oniversite ary nitsahatra tsy nandroso ara-panahy, resin’ny filozofia sy ny “fahendren’izao tontolo izao” mpandrava finoana. — 1 Korintiana 1:19-21; 3:19, 20; Kolosiana 2:8.
Fanombanana ny vidiny
16. a) Iza no manapaka raha faniry na tsia ny fianarana fanampiny, ary inona no tokony hotanana ho ambony indrindra ao an-tsaina? b) Inona no tokony hasiana fiheverana?
16 Iza no manapaka raha tokony hanao fianarana fiofanana fanampiny na tsia ny tanora kristiana iray? Mandray anjara eto ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly momba izay ho lohany. (1 Korintiana 11:3; Efesiana 6:1). Amin’io fototra io, ny ray aman-dreny dia azo antoka fa haniry hitari-dalana ireo zanany eo amin’ny fifidianana asa tanana na anton’asa iray, sy eo amin’ny habetsahan’ny fianarana hilaina noho izany. Any amin’ny tany maro, ny safidy eo amin’ny fianarana sy ny anton’asa dia tsy maintsy atao vao eo am-piandohan’ny fianarana any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Eo no fotoana tokony hitadiavan’ny ray aman-dreny sy ny tanora kristiana ny fitarihan’i Jehovah amin’ny fanaovana safidy feno fahendrena, amin’ny fitanana ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho ambony indrindra ao an-tsaina. Manana zavatra tiana kokoa sy fahaizana tsy mitovy ny tanora. Hanisy fiheverana ny amin’izany ireo ray aman-dreny. Ny asa atao amim-pahamarinana rehetra dia mendri-kaja, na asa tanana izany, na asa birao. Na dia mety hanandratra ny asa birao aza izao tontolo izao, ka manambany ireo miasa mafy amin’ny tanany, ny Baiboly kosa tsy mba manao toy izany. (Asan’ny Apostoly 18:3). Koa rehefa avy nandanja ny maha-mety sy ny tsy maha-mety ilay raharaha tamim-pitandremana sy tao amin’ny vavaka àry ny ray aman-dreny sy ny tanora kristiana amin’izao andro izao, ka manapa-kevitra ny hanohy fianarana na tsia aorian’ny ambaratonga faharoa, dia tsy tokony hanakiana azy ny hafa ao amin’ny kongregasiona.
17. Safidy inona no ataon’ny ray aman-dreny Vavolombelona sasany ho an-janany?
17 Raha mandray andraikitra ireo ray aman-dreny kristiana ka manapa-kevitra ny hanome fampianarana fanampiny an’ireo zanany aorian’ny fianarana any amin’ny lise, dia zony manokana izany. Ny faharetan’ireny fianarana ireny dia hiankina amin’ilay karazana asa tanana na anton’asa nofantenana. Noho ny antony ara-bola sy mba hamelana ny zanany hiditra ao amin’ny fanompoana manontolo andro haingana araka izay azo atao, dia misy ray aman-dreny kristiana maro nifidy ho azy ireo fandaharam-pianarana fohy any amin’ireo sekoly mampianatra asa na sekoly teknika. Amin’ny toe-javatra sasany, dia nilain’ny tanora ny hampianarina asa tanana sasany kanefa dia ny fanompoana an’i Jehovah amin’ny fiainana manontolo no zava-kendrena.
18. Raha misy fianarana fanampiny atao, inona no tokony hotadidina ao an-tsaina?
18 Raha misy fianarana fanampiny atao, dia azo antoka fa ny antony manosika dia tsy tokony ho ny hamirapiratana eo amin’ny fianarana, na mba hikatsahana fatratra anton’asa be voninahitra araka an’izao tontolo izao. Tokony hofidina amim-pitandremana ny fianarana. Ity gazety ity dia nanantitrantitra ny amin’ireo loza avy amin’ny fianarana ambony, ary misy antony tsara manamarina izany, satria maro amin’ireo fampianarana ambony misy no manohitra ny “fampianarana tsy misy kilema” ao amin’ny Baiboly. (Titosy 2:1; 1 Timoty 6:20, 21). Ankoatra izany, hatramin’ireo taona 1960, dia sekoly momba ny fianarana ambony maro no nanjary toerana iroboroboan’ny tsy fankatoavan-dalàna sy ny fahalotoam-pitondrantena. “Ny mpanompo mahatoky sy malina” dia nampitandrina mafy ny amin’ny fidirana any amin’izany karazan-toerana izany. (Matio 24:12, 45, NW ). Tsy maintsy ekena anefa fa ny tanora amin’izao andro izao dia mifanehatra amin’ireo loza ireo any amin’ny lise, sy ny sekoly teknika ary na dia any amin’ny toeram-piasana mihitsy aza. — 1 Jaona 5:19.a
19. a) Fitandremana inona avy no tokony horaisin’ireo izay manapa-kevitra ny hanao fianarana fanampiny? b) Ahoana no nampiasan’ny sasany ny fianarana azony mba hitera-boka-tsoa?
19 Rehefa tapaka ny hevitra fa hatao ny fianarana fanampiny, dia tsara ho an’ny tanora Vavolombelona ny manao izany, raha azo atao, dieny mbola ao an-tranon-dray sy reniny izy, ka amin’izay izy dia afaka mitana ho ara-dalàna ny fahazarana mianatra sy ny fanatrehana ireo fivoriana ary ny asa fitoriana kristiana. Eo am-piandohana dia tokony hotanana ny fiandaniana araka ny tokony ho izy amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Tokony hotadidina fa babo sy natao sesitany i Daniela sy ny namany hebreo telo lahy, fony izy ireo voatery nanaraka fianarana ambony tany Babylona. Nitana foana ny tsy fivadihany anefa izy ireo. (Daniela, toko 1). Na dia nametraka ny tombontsoa ara-panahy ho voalohany aza ny tanora Vavolombelona, dia nanao fianarana mitohy izy ireo tany amin’ny tany sasany mba ho ampy fitaovana amin’ny asa tapa-potoana toy ny mpanao kaonty, mpanao taozavatra, mpampianatra, mpandika teny, na anton’asa hafa izay manohana azy amin’ny fomba ampy eo amin’ny anton’asany voalohany, dia ny asan’ny mpisava lalana. (Matio 6:33). Maromaro amin’ireny tanora ireny tatỳ aoriana no tonga mpiandraikitra mpitety faritany na mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny Betela.
Vahoaka tafaray sy nahita fianarana
20. Fanavahana eo amin’izao tontolo izao inona no tsy manan-toerana eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah?
20 Eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, na asa birao na asa tanana, na fiompiana na asa an-trano no anton’asan’ny olona iray, ny rehetra dia mila ny ho tonga mpianatra tsara ny Baiboly sy mpampianatra mahay. Ny fahaizana azon’ny rehetra amin’ny famakian-teny sy ny fianarana ary ny fampianarana dia mahatonga ilay fanavahana ataon’izao tontolo izao eo amin’ny mpiasa tanana sy ny mpiasa birao hisinda. Izany dia miteraka firaisan-tsaina sy fifanajana. Hita indrindra izany eo anivon’ireo mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny trano Betela sy any amin’ny toeram-panorenan’ny Fikambanana Watch Tower, ka eo dia ireo toetra ara-panahy no tena zava-dehibe sady takina amin’ny rehetra. Eto dia misy mpiasa birao ampy fanandraman-javatra miara-miasa amim-pifaliana amin’ireo mpiasa tanana mahay, ka ny rehetra dia mifaneho fitiavana feno fankasitrahana ny hafa. — Jaona 13:34, 35; Filipiana 2:1-4.
21. Ahoana no tokony ho zava-kendren’ny tanora kristiana?
21 Ry ray aman-dreny, tariho lalana ny zanakareo ho amin’ny fikendrena ny ho tonga mpikambana azo ampiasaina ao amin’ilay fikambanan’izao tontolo izao vaovao! Ry tanora kristiana, ampiasao ny fahafahanareo mianatra ho toy ny fomba iray fampitaovana anareo mba hihazonana amin’ny fomba feno kokoa ny tombontsoanareo eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah! Toy ny olona nampianarina, dia enga anie ianareo rehetra hiseho ho mpikambana ampy fitaovana ao amin’ilay fikambanana teokratika dieny izao sy ho mandrakizay ao amin’ilay “tany vaovao” nampanantenain’Andriamanitra. — 2 Petera 3:13; Isaia 50:4; 54:13; 1 Korintiana 2:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1976, pejy faha-222.
Tsapao ny Fitadidianao
◻ Nahoana no liana ny amin’ny fianarana ny Kristiana marina?
◻ Fomba fijery tafahoatra roa inona avy mikasika ny fianarana no hohalavirin’ny Kristiana marina?
◻ Loza inona avy entin’ny fianarana fanampiny no tokony hasiana fiheverana, ary fitandremana inona avy no tokony horaisina?
◻ Fanavahana eo amin’izao tontolo izao inona no tsy manan-toerana eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah?
[Sary, pejy 16]
Amin’ny fianarana amim-paharisihana sy amim-pitandremana, ireo tanora kristiana dia mety ho tonga mpikambana mahasoa kokoa ao amin’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao
[Sary, pejy 19]
Ny fianarana fanampiny, raha izany no nofidina, dia tokony hatosiky ny faniriana hanompo tsaratsara kokoa an’i Jehovah