FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/11 p. 3-4
  • Ahoana no Fiheveranao ny Ota?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Fiheveranao ny Ota?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hevitra mihamatroka momba ny ota any amin’ireo firenena Tandrefana
  • Tontolo Iray Tsy Hisy Ota — Amin’ny Fomba Ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Rehefa Tsy Misy Ota Intsony
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ahoana no Nampiova ny Fiheverantsika ny Ota?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/11 p. 3-4

Ahoana no Fiheveranao ny Ota?

“NAHOANA àry izy no tsy mitsahatra mangataka famelana ny fahotantsika ao amin’ny vavaka?”, hoy ny vehivavy mpikarakara tokantrano iray izay niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. “Toy ny hoe mpanao heloka bevava erỳ ny tenako”. Sahala amin’io vehivavy io, dia maro amin’izao andro izao no tsy mahatsapa ny fahotany raha tsy nanao heloka bevava ny tenany.

Marina indrindra izany any amin’ireo firenena Tatsinanana. Any ny olona dia tsy mahafantatra mihitsy ny amin’ny fahotana nolovana toy izay ampianarina ao amin’ireo fivavahana niandoha tamin’ny Jodaisma sy ny Kristianisma. (Genesisy 3:1-5, 16-19; Romana 5:12). Ny Shintoista, ohatra, dia mampitovy ny ota amin’ny loto izay azo fafana mora foana amin’ny fanakipilizan’ny pretra iray ny tehiny misy taratasy na rongonimbazaha mifatotra eo amin’ny tendrony. Amin’io fanaovan-javatra io dia tsy takina ny fibebahana ny amin’izay natao. Nahoana? “Tsy ny asa ratsy ihany, fa ireo loza lehibe araka ny natiora tsy azo fehezina koa dia nantsoina hoe tsumi [ota]”, hoy ny fanazavan’ny Kodansha Encyclopedia of Japan. Ireo loza amin’antambo araka ny natiora, tsumi izay tsy andraikitry ny olombelona, dia noheverina fa ota, ka ireo fombafomba fanadiovana no nahatonga azy hitsahatra tsy hisy intsony.

Izany dia nitarika ho amin’ny fiheverana fa izay mety ho ota, na dia ireo asa ratsy niniana natao aza (afa-tsy ireo heloka bevava sazin’ny lalàna) dia azo fafana amin’ny alalan’ny fombafomba fanadiovana. Teo ambanin’ny lohateny hoe “Fombafomba Amin’ny Fidiovana Ara-politika any Japana”, ny The New York Times dia nanisy fitenenana ny amin’izany toe-tsaina izany, ary nanazava fa ireo mpanao politika any Japana izay voaroiroy tao amin’ny raharaha nanala baraka maro, dia mihevi-tena ho “voadio” rehefa voafidin’ny mpandatsa-bato indray. Araka izany dia tsy misy tena fanitsiana atao, ary mety hitranga indray ny raharaha manala baraka toy izany.

Ireo Bodista izay mino ny samsara, na fahaterahana indray, sy ny fampianarana momba ny Karma, dia manana fahatsinjovan-javatra hafa. “Araka ny fampianarana momba ny karma”, hoy ny The New Encyclopædia Britannica, “ny fitondrantena tsara dia mitondra vokany mahafinaritra sy mahafaly, ary miteraka fironana hanao asa tsara mitovy amin’izany, fa ny fitondrantena ratsy kosa dia mitondra vokany ratsy, ary miteraka fironana hanao asa ratsy miverimberina.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fitondrantena feno ota dia misy vokany ratsy. Ny fampianarana momba ny Karma dia mifamatotra akaiky amin’ny fampianarana ny amin’ny fahaterahana indray, satria lazaina fa ny Karma sasany dia misy vokany any amin’ny fiainana ho avy izay mifanalavitra be amin’ilay fiainana nanaovana ilay asa.

Ahoana no fiantraikan’io fampianarana io eo amin’ireo mino azy? Hoy ny vehivavy bodista iray izay nino tamim-pahatsorana ny Karma: “Nieritreritra aho fa tsy nisy dikany izany hoe voatery hijaly noho ny zavatra izay efa tato amiko teo am-pahaterahako kanefa dia tsy misy fantatro ny momba azy. Voatery manaiky azy io ho anjarako aho. Ny fihirahirako sutras sy ny fiezahako mafy mba hanana fiainana tsara dia tsy nandamina ny zava-nanahirana ahy. Nanjary tia ady tsy amin’antony sy tsy afa-po aho, nitaraina lava.” Ny fampianarana bodista momba ny vokatry ny fitondrantena ratsy dia nahatonga azy hahatsapa tena ho tsy nisy vidiny.

Ny Confucianisme, fivavahana tatsinanana hafa iray, dia nampianatra fomba hafa mba hamoaboasana ny faharatsian’ny olombelona. Araka ny voalazan’i Hsün-tzu, iray amin’ireo filozofa telo lehibe ao amin’ny Confucianisme, ny maha-izy ny olombelona dia ratsy ary mirona ho tia tena. Mba hitanana filaminana ara-tsosialy eo amin’ny olona manana fironana hanota, dia nohantitranteriny ny maha-zava-dehibe ny li, izay midika hoe fahaiza-miaina eo amin’ny fiaraha-monina, fahalalam-pomba, ary ny filaminan-javatra. Na dia nilaza fomba fihevitra nifanohitra iray momba ny maha-izy ny olombelona aza i Meng-tzu, filozofan’ny Confucianisme hafa iray, dia niaiky ny amin’ny fisian’ny faharatsiana ara-tsosialy, ary niankina tamin’ny fanatsarana ny tena ho ala olana, noho izy nino fa tsara ny maha-izy ny olombelona. Ireo filozofan’ny Confucianisme dia samy nampianatra fa zava-dehibe ny fampianarana sy ny fampiofanana mba hiadiana amin’ny ota eo amin’izao tontolo izao. Na dia manaiky ny ilana ny li aza ny fampianaran’izy ireo, ny heviny momba ny ota sy ny faharatsiana dia tena manjavozavo. — Ampitahao amin’ny Salamo 14:3; 51:5.

Hevitra mihamatroka momba ny ota any amin’ireo firenena Tandrefana

Any amin’ireo firenena Tandrefana, ireo fiheverana momba ny ota dia voasoritra mazava teo amin’ny fomban-drazana, ary ny ankamaroan’ny olona dia nanaiky fa misy ny ota ary tokony hohalavirina. Miova anefa ny fihetsiky ny Tandrefana mikasika ny ota. Misy olona maro manilika izay mety ho fahafantarana ny ota, amin’ny fiantsoana ny feon’ny fieritreretana hoe “fanamelohan-tena”, izay zavatra tokony hohalavirina. Maherin’ny 40 taona lasa izay, dia nitaraina toy izao ny Papa Pio faha-12: “Ny fahotan’ity taonjato ity, dia ny fahaverezan’izay mety ho fahafantarana ny ota”. Araka ny fanadihadiana iray navoaka tao amin’ny Le Pèlerin, gazety katolika mivoaka isan-kerinandro, dia manaitra ny mahita fa 90 isan-jaton’ny mponina any Frantsa, izay ilazan’ny ankamaroan’ny olona ny tenany ho katolika, no tsy mino intsony ny fisian’ny ota.

Marina tokoa fa any amin’ireo firenena Tatsinanana sy ireo firenena Tandrefana, ny ankamaroan’ny olona izao dia toa miaina ao anatin’ny tsy fananana ahiahy mahafinaritra, tsy ampahorin’ny fahafantarana ny ota. Midika ve anefa izany fa tsy misy ny ota? Moa ve isika afaka ny tsy hiraharaha azy io ka tsy haninon-tsy haninona? Hanjavona ve ny ota indray andro any?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara