Vonton’ny Fahamarinana Ilay Vohitra Misy Rano Maro
MAHAGAGA izany! Tany iray malaza noho ny rano maro eo aminy kanefa dia mangetaheta! Faritra iray voatondra-drano tsara kanefa dia maina sy tankina! Izany dia hetaheta izay tsy mety ho afaka raha tsy amin’ny ranon’ny fahamarinana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Izany no tantaran’i Rahbeh, vohitra kely iray misy mponina 2 200, mihaminkamina eny an-tendrombohitra any amin’ny tapany avaratr’i Liban, tokony ho 130 km eo ho eo, avy eo Beyrouth.
Ilay anarana hoe Rahbeh dia midika hoe “toerana malalaka” amin’ny fiteny arabo, ary izy io dia avy amin’ny fototeny semita midika hoe “miitatra, mivelatra”. Mifanentana amin’izany indrindra, fa ilay vohitra dia mivelatra eo amin’ny havoana lehibe roa sahabo ho 600 metatra ambonin’ny ranomasina. Mandritra ny ririnina sy ny lohataona, dia ahitana ranomandry eny an-tampon’ireo tendrombohitra eny atsinanana, izay manome famirapiratana fanampiny. Kanefa, ankoatra ny zavatra hafa rehetra, dia vohitra misy rano maro i Rahbeh. Ilay faritra dia misy loharano 360, lehibe sy kely, izay manome rano sarobidy ho an’ireo saha lonaka misy varimbazaha, poara, paiso isan-karazany, ary voaloboka, eo amin’ireo lohasaha manodidina.
Mifanena ny lasa sy ny ankehitriny ao Rahbeh
Amin’ny lafiny maro, dia nitoetra ho toy ny tamin’ny andron’ny Baiboly ihany i Rahbeh. Mifanety kely ireo trano ao amin’ilay vohitra. Ireo lalana dia tery sy miolikolika ary be fifamoivoizana — boriky sy omby. Na dia misy fiarakodia vitsivitsy aza, dia manana ny zo handeha voalohany ny biby ao. Matetika tokoa ny tompony dia mampitondra entana azy ireo avy any an-tsaha, ary mandefa azy ireo hody irery. Manaraka ireo lalana tery izy ireo, miezaka miditra sy mivoaka ireo toerana tery, ary manao izay hahatongavany any an-tranony. Moa ve izany mety hitovy amin’izay tao an-tsain’i Isaia fony izy nilaza hoe: “Ny omby mahalala ny tompony, ary ny boriky ny fihinanam-bilon’ny tompony”? — Isaia 1:3.
Toerana isian’ny zavatra mifanohitra koa i Rahbeh. Eto ianao dia hahita olona nahazo diplaoman’ny oniversite ary koa tambanivohitra tsotra izay mbola tsy tany an-tanàn-dehibe mihitsy. Misy tranon’olona manankarena voahodidina zaridaina, ary trano bongo kely misy biby fiompy mikarenjy eny rehetra eny. Ahitana fitaovana mandeha amin’ny herin’aratra saiky ao amin’ny trano tsirairay, kanefa dia tsy misy foana ny herin’aratra. Noho izany, dia manana fitaovana mpanome herin’aratra (groupe électrique) ny trano maro. Vita rarivato ireo lalam-be ao amin’ilay vohitra, kanefa ny ankamaroan’ireo lalan-kely mankany an-tsaha dia tsy vita rarivato sady mikintoantoana. Noho izany, ny hany fomba itaterana ny vokatra avy any an-tsaha dia amin’ny alalan’ny biby fiompy. Mety hahita boriky milanja fitaovana mpanome herin’aratra mankany an-tsaha mihitsy aza ianao, ka izany dia mba hampandehanana ireo milina any amin’ny toeram-pambolena, izay ampiasaina miaraka amin’ireo biby mpitarika entana any an-tsaha.
Tsy niova firy toy izany koa ny fiainana ao amin’ilay vohitra. Raha mijanona matory amin’ny alina ao amin’ilay vohitra ianao, dia mety hotairin’ny fanenon’akoholahy amin’ny roa na amin’ny telo maraina. Manomboka vao maraina be ny asa aman-draharaha andavanandro, koa aza gaga ianao raha mandre ny tabataban’ny olona mifampiantso ao amin’ny maizina rehefa manomana ny biby. Raha vao mangiran-dratsy, dia ho hitanao ny mponina maro eo an-tanàna miaraka amin’ireo bibiny mivesatra entana, mizotra mankany an-tsaha na mankany an-tsena mba hivarotra ny entany.
Arakaraka ny androsoan’ny andro, dia mivoaka mba hilalao eny an-dalana sy eny amin’ny toerana malalaka ny ankizilahy kely sy ny ankizivavy kely. Manakoako hatraiza hatraiza ny kiakiakany sy ny hehiny, be itoviana amin’izay nitranga tany Jerosalema fahiny araka ny voalazalan’ny mpaminany Zakaria hoe: “Eny an-dàlambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dàlambe.” (Zakaria 8:5). Ho hitanao koa fa faran’izay tsara fanahy sy tia manontanintany ireo mponina eo an-tanàna. Antenaina ny hiarahabanao ny mponina rehetra eo an-tanàna mifanena aminao, satria maniry ny hahalala izy ireo hoe iza ianao, avy aiza, maninona eo, ary ho aiza. Manjary mifankahalala tsara erỳ ny olona rehetra.
Mahatratra an’i Rahbeh ireo ranon’ny fahamarinana
Eo amin’ny fitambaran’olona mifandray akaiky dia akaiky toy izany, dia miely haingana ny vaovao. Izany no nitranga fony i Asaad Younis niverina tany Rahbeh avy any Etazonia tamin’ny 1923. Noho izy nanontany tena raha lasa mpanankarena tany Amerika i Asaad, dia nandeha nijery azy i Abdallah Blal namany. Tsy niresaka momba ny vola i Asaad fa nanome azy kosa iray amin’ilay boky hoe La Harpe de Dieu ary nilaza taminy hoe: “Ity no tena harena.” Namaky io boky miorina amin’ny Baiboly io i Abdallah izay Protestanta taloha, ary tohina lalina ny sainy. Na dia tsy nanao zavatra firy mikasika ilay fanazavana aza i Asaad, i Abdallah kosa dia voatosik’ilay zavatra nianarany ary niaiky ankarihary izy fa nahita ny fahamarinana.
Fotoana kelikely tatỳ aoriana, dia nifindra tany Tripoli, tanàna lehibe indrindra any amin’ny tapany avaratr’i Liban, i Abdallah. Tany izy dia afaka nifandray tamin’ny Mpianatra ny Baiboly maromaro, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany, ary nandroso kokoa ihany teo amin’ny fianarany ny Baiboly. Niverina nifindra tao Rahbeh izy tatỳ aoriana mba hampiely ilay vaovao tsara nianarany. Nifampiresaka tamin’ireo mpiray tanàna taminy i Abdallah momba ny foto-kevitra toy ny Trinite, ny hoe manana fanahy tsy mety maty ve ny olona sa tsia, ny afobe, ny pretra, ny Lamesa, ary ny fampiasana sary, ka nilaza tamin’izy ireo izay tena ampianarin’ny Baiboly.
Nampiseho fahalianana ny mponina teo an-tanàna sasany. Niaraka tamin’i Abdallah teo amin’ny asa fitoriana ny telo na efatra tamin’izy ireo. Avy eo izy ireo dia nanomboka nanao fivoriana ny alahady. Izany dia fihainoana lahateny noraisina feo avy tamin’ny grafofona, na famakian-teny avy tao amin’ny Baiboly, narahin’ny resadresaka momba izay vao ren’izy ireo. Tatỳ aoriana dia nisy fitaovana fianarana Baiboly nampiasaina, anisan’izany ny boky La Harpe de Dieu sy Riches ary “Aoka Andriamanitra no ho fantatra fa marina!”. Tsy nihoatra ny folo ny mpanatrika, ary ny ankamaroany dia ta hahita izay nitranga fotsiny fa tsy tena liana. Ny sasany, tamin’ny ankapobeny, dia toa tonga noho ny sakafo naroso tamin’ny faran’ny fivoriana tsirairay.
Tany amin’ireo taona 1940, dia nomena ny andraikitra hikarakara ilay antokon’olona tao Rahbeh i Abdallah Blal. Niseho ho mpanompon’i Jehovah be zotom-po sy tsy nivadika izy, namela ohatra tsara dia tsara ho an’ny hafa. Iray amin’ireo ny Rahalahy Mattar, izay mahatsiaro toy izao ny fomba nanaovan’izy ireo ny asa fitoriany: “Koa satria tsy nisy fiarakodia tamin’izany andro izany, dia nandeha an-tongotra nankany amin’ireo vohitra nanodidina mba hanao fanambarana ny Rahalahy Blal sy ny tenako. Nitondra ilay grafofona aho, fa ny Rahalahy Blal kosa nitarika ny fitenenana. Mazàna izahay dia nandeha nandritra ny roa na telo andro talohan’ny niverenana nody.” Nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana ny Rahalahy Blal hatramin’ny fahafatesany tamin’ny 1979, teo amin’ny faha-98 taonany.
Mitondra fanoherana ny fandrosoana
Arakaraka ny nandrosoan’ny asa, dia nanomboka nahita fanoherana ireo rahalahy. Tamin’ny 1950, noho ny fambosian’ny pretra teo an-tanàna, dia nisy fanenjehana nitohitohy natomboka hamelezana ireo rahalahy tao Rahbeh. Niampanga ireo rahalahy ho nametaveta ny fiangonana sy ho nanota fady ilay pretra. Nanjary romotry ny hatezerana aoka izany ny mponina sasany teo an-tanàna, hany ka nitora-bato ireo rahalahy, ary nosamborina sy natao am-ponja ny rahalahy sasany. Kanefa dia nasehon’ny famotopotorana nanaraka izany fa diso ireo fiampangana. Na dia izany aza, dia notanana an-tranomaizina nandritra ny andro maromaro ireo rahalahy.
Nisy mpanohitra hafa iray nanandrana nampanao sonia taratasy an’ireo mponina teo an-tanàna izay nety ho tsy nahay namaky teny tsara akory ny sasany taminy. Izy io dia taratasy fiampangana ireo rahalahy ho nanao zavatra maro, anisan’izany ny fanelingelenana ny olona tamin’ny fikirizana hitsidika azy ireo tany an-tranony. Mba hahazoana olona maro kokoa hanao sonia ilay taratasy, dia nilaza tamin’izy ireo izy fa fangatahana mba hamerenana mpiasa iray ho ao an-tanàna izy io. Rehefa fantatry ny olona fa, raha ny marina, dia fiampangana ny Vavolombelona ilay izy, dia namafa ny soniany izy ireo. Ny fisehoan-javatra toy izany dia nanampy teo amin’ny fanaovana fanambarana tsara tamin’ny manam-pahefana maro tao amin’ilay faritra.
Ankoatra ny fisetrana fanoherana mivantana toy izany, dia niatrika fanakanana iray hafa ireo rahalahy. Ao amin’ny vohitra kely iray izay ifankahalalan’ny rehetra, dia “mamandrika ny tahotra olona”, araka ny hazavain’ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 29:25. Mila herim-po ireo rahalahy mba hitoriana amin’ny mpifanila trano sy namana ary havana izay tsy mitsahatra manakiana sy maneso azy ireo. Tena misy heviny amin’izay ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:36 manao hoe: “Ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony”. Kanefa araka ny anohizan’ilay ohabolana azy, dia “izay matoky an’i Jehovah no hovonjena”. Nitondra vokatra niavaka ny finoana sy ny faharetan’ireo rahalahy.
Vonton’ny fahamarinana i Rahbeh
Rehefa lasa ny taona, dia nanjary nankasitraka ny fitondrantena tsara dia tsara ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo mponina teo an-tanàna, ary nisy maro nanaiky ny fahamarinana. Feno haravoana ireo rahalahy tamin’ny 1969, rehefa niforona ny kongregasiona faharoa tao Rahbeh. Nanohy niasa mafy izy ireo. Nisy maro nanao ny fanompoana manontolo andro, ny sasany aza nifindra toerana mihitsy mba hanompoana any amin’ny faritany hafa, anisan’izany ny tanànan’i Beyrouth. Nitahy ny asa mafy nataon’izy ireo i Jehovah, ary dia niorina ny kongregasiona fahatelo tao Rahbeh tamin’ny 1983. Teo anelanelan’izay, dia maro kokoa ny rahalahy nifindra monina, na nifindra trano mba hipetraka tany an-tanàn-dehibe. Mbola nitohy ihany anefa ny fitomboana, ary niforona ny kongregasiona fahefatra tao Rahbeh tamin’ny 1989, izay narahin’ny fahadimy tamin’ny 1990.
Hatramin’io fotoana io, dia saiky nanana namana na havana Vavolombelona ny fianakaviana tsirairay tao amin’ilay vohitra. Ny fankahalana izay nisy teo aloha dia maty tamin’ny farany. Nanjary nahalala tsara kokoa ireo Vavolombelona ny olona. Raha ny marina, ny fitenenana hoe “loholona”, “mpisava lalana”, “mpiandraikitra ny fizaran-tany”, “fivoriambe” ary “Haramagedona” dia nanjary anisan’ny voambolana fampiasan’ireo mponina tao an-tanàna. Amin’ny fisehoan-javatra manokana, toy ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany na ny Fahatsiarovana, dia tsy misy olona eny an-dalana, ary feno hipoka ny Efitrano Fanjakana. Ny kongregasiona sasany aza dia mametraka fanamafisam-peo eny an-davarangana mba handrenesan’ireo mpifanila trano.
Misy mpitory ilay Fanjakana maherin’ny 250 izao ao Rahbeh. Izany dia midika fa misy Vavolombelona 1 isaky ny olona 8 ao amin’ilay vohitra! Ny kongregasiona iray misy mpitory 51 dia manana faritany misy trano 76, ary miasa azy io isan-kerinandro izy ireo. Alao sary an-tsaina izay nitranga tamin’ny volana Martsa sy Aprily tamin’ny taon-dasa, rehefa nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ny 98 tamin’ireo mpitory 250, niaraka tamin’ireo mpisava lalana maharitra 13 ao Rahbeh. Niasana imbetsaka isan-kerinandro ilay faritany. Tsy naningana ny nisian’ny trano iray notsidihin’ny mpitory mandeha tsiroaroa, roa na telo samy hafa, tao anatin’ny andro iray ihany na tamin’ny fotoana mitovy mihitsy aza. Ny ankamaroan’ireo mponina eo an-tanàna dia efa nanjary zatra amin’ireo fitsidihana. Rehefa nitaraina anefa ny lehilahy iray, dia namaly ny mpitory iray hoe: “Rehefa manaiky ny fanoloranay hianatra ny Baiboly ianao vao tsy hotsidihina afa-tsy indray mandeha isan-kerinandro.” Miresaka amin’ny olona rehetra hitany eny an-tsaha koa izy ireo — olona eo am-piasana tany, eo am-pamafazana voa, eo am-panondrahana, na eny am-pitaingenana boriky.
Tena marina fa vonton’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly i Rahbeh, ilay vohitra misy rano maro. Tsy izany ihany anefa fa, toy ny maha-loharanon-drano an’i Rahbeh ho an’ny vohitra maro manodidina, dia nanome azy ireo ny rano manome aina, dia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, koa izy io. Misy mpitory avy ao Rahbeh mandeha mitsidika an-tongotra ny olona any amin’ny vohitra manodidina, ary mandamina antokon’olona mameno fiara ka mandeha mandra-paharivan’ny andro mba hitory any amin’ireo vohitra lavitra kokoa. Misy mpitory sasany mifindra toerana mba hanompo any amin’ny tanàn-dehibe hafa. Noho ny fitahian’i Jehovah, dia hisy fitomboana fanampiny izay mbola hitondra fiderana bebe kokoa ihany ho an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Ray any an-danitra.
[Sary, pejy 26]
Zavatra hita eny amin’ny lalan’i Rahbeh