Milofosa mba Hiarovana ny Fianakavianao ho ao Amin’ny Tontolo Vaovaon’Andriamanitra
“Ianao, Jehovah ô, no hiambina azy ireo; hiaro ny tsirairay avy amin’ity taranaka ity mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao.” — SALAMO 12:7, NW.
1, 2. a) Ahoana no iafaran’ny fianakaviana sasany eo ambanin’ny faneren’ny andro farany? b) Ahoana no azon’ny fianakaviana kristiana itadiavana ny hahatafita velona?
“DIBO-KAFALIANA ny foko androany!”, hoy ny fihiakan’ny loholona iray antsoina hoe John. Inona no anton’io faharavoana tsy voatana io? “Natao batisa ny zanako lahy 14 taona sy ny zanako vavy 12 taona”, hoy ny fitantarany. Tsy nifarana teo anefa ny hafaliany. “Nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ny zanako lahy 17 taona sy ny zanako vavy 16 taona tamin’iny taon-dasa iny”, hoy ny teny nanampiny.
2 Misy fianakaviana maro eo anivontsika mahita vokatra tsara dia tsara toy izany noho izy ireo mampihatra ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Misy anefa mahita zava-manahirana. “Dimy ny zanakay”, hoy ny nosoratan’ny mpivady kristiana iray, “ary nihasarotra hatrany ny fifampiraharahana amin’izy ireo. Efa namoy zanaka iray lasan’ity fandehan-javatra tranainy ity izahay. Toa saha fanafihan’i Satana voalohany indrindra ireo zatovontsika amin’izao fotoana izao.” Misy koa mpivady mahita tsy fifanarahana lehibe izay miafara amin’ny fisarahan-toerana na fisaraham-panambadiana indraindray. Na dia izany aza, ny fianakaviana izay mamboly ireo toetra kristiana dia mety ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”, ary ho voaro ka hiditra ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra ho avy. (Matio 24:21; 2 Petera 3:13). Inona àry no azonao atao mba hiantohana ny fiarovana ny fianakavianao?
Fanatsarana ny fifampiresahana
3, 4. a) Toy inona ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana eo amin’ny fiainam-pianakaviana, ary nahoana no mipoitra mazàna ny zava-manahirana momba azy io? b) Nahoana ny lehilahy manambady no tokony hiezaka mafy mba ho mpihaino tsara?
3 Ny fifampiresahana tsara no hozatry ny fianakaviana salama iray; rehefa tsy misy izy io, dia mitombo ny fihenjanana sy ny fanerena. “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina [“resaka manokana”, NW ]”, hoy ny Ohabolana 15:22. Mahaliana ny mahamarika ny tatitra nataon’ny mpanolo-tsaina iray momba ny fanambadiana: “Ny fitarainana mahazatra indrindra reko avy amin’ireo vehivavy manambady omeko torohevitra dia ny hoe: ‘Tsy mety miresaka amiko izy’, sy ny hoe: ‘Tsy mihaino ahy izy’. Ary rehefa milaza amin’ny vadin’izy ireo io fitarainana io aho, dia tsy mihaino ahy koa izy ireo.”
4 Inona no mahatonga ny tsy fisian’ny fifampiresahana? Voalohany, dia tsy mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy, ary mazàna izy ireo dia manana fomba firesaka miharihary fa tsy mitovy. Nisy lahatsoratra iray nanamarika fa ny lehilahy manambady dia “mirona hanao teny mivantana sy hijery ny lafiny tena iainana” eo amin’ny resaka ataony, kanefa “izay irin’ny [vehivavy manambady iray] mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra [kosa], dia mpihaino iray mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa”. Raha zava-manahirana ao amin’ny fanambadianareo izany, dia milofosa mba hanatsarana ny raharaha. Mety hila ny hilofo mafy ny lehilahy manambady iray mba ho tonga mpihaino tsaratsara kokoa. “Ny lehilahy rehetra”, hoy i Jakoba, “dia tsy maintsy mailaka amin’ny fihainoana, miadana amin’ny fitenenana”. (Jakoba 1:19, NW ). Mianara mifehy tena tsy hibaiko na hananatra, na handevilevy rehefa tsy mitady afa-tsy ‘fiaraha-miory’ fotsiny ny vadinao. (1 Petera 3:8). “Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana”, hoy ny Ohabolana 17:27.
5. Inona avy no fomba sasany azon’ny lehilahy manambady ihatsarana eo amin’ny filazana ny eritreriny sy ny fihetseham-pony?
5 Etsy an-danin’izany, dia ao ny “fotoana itenenana”, ary mety hila ny hianatra hilaza bebe kokoa ny hevitrao sy ny fihetseham-ponao ianao. (Mpitoriteny 3:7). Moa ve ianao, ohatra, tsy mitsitsy teny fiderana ny amin’ireo zava-bitan’ny vadinao? (Ohabolana 31:28). Moa ve ianao miseho ho mahay misaotra noho ny asa mafy ataony mba hanohanana anao sy hikarakarana ny ankohonana? (Ampitahao amin’ny Kolosiana 3:15, NW.) Na, angamba ianao mila ny mihatsara eo amin’ny fanaovana teny “fanehoam-pitiavana”. (Tonon-kiran’i Solomona 1:2, NW ). Mety hikaviavia ianao hanao izany amin’ny voalohany, kanefa dia afaka manampy be dia be izany mba hahatsapan’ny vadinao fatokiana noho ny fitiavanao azy.
6. Inona no azon’ny vehivavy manambady atao mba hanatsarana ny fifampiresahan’ny fianakaviana?
6 Ahoana ny amin’ny vehivavy kristiana manambady? Nisy vehivavy voalaza fa niteny hoe fantatry ny vadiny fa mankasitraka azy izy, koa tsy ilaina ny hilazany izany aminy. Ny lehilahy koa anefa dia mihasambatra noho ny teny fankasitrahana sy fiderana, ary fankalazana atao aminy. (Ohabolana 12:8). Moa ve ianao mila ny hilaza zavatra bebe kokoa eo amin’io lafiny io? Etsy an-danin’izany, dia angamba ianao mila ny mitandrina kokoa ny amin’ny fomba fihainonao. Raha sarotra amin’ny vadinao ny miresaka amin-kalalahana ny amin’ny zava-manahirana azy, ny tahotra mahazo azy, na ny fanahiany, moa ve ianao nianatra ny fomba hampiresahana azy amin-katsaram-panahy sy fahaiza-mandanjalanja?
7. Inona no mety hahatonga ireo fifandiran’ny mpivady hipoaka, ary ahoana no azo isorohana izany?
7 Mazava ho azy fa na dia ireo mpivady mifankahazo amin’ny ankapobeny aza dia mety hahita fahatapahan’ny fifampiresahana indraindray. Mety hanakona ny fisainana ny fihetseham-po, na mety hivadika ho ady hevitra mafana vetivety foana ny resaka milamina iray. (Ohabolana 15:1). “Tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra”; ny fifandiran’ny mpivady anefa dia tsy midika velively ho fifaranan’ny fanambadiana. (Jakoba 3:2). Kanefa dia tsy mendrika sady manimba izay mety ho fifandraisana rehetra “ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy”. (Efesiana 4:31). Aoka ianareo hihavana haingana indray rehefa nisy teny nandratra nifanaovana. (Matio 5:23, 24). Azo sorohina mazàna ny fifandirana, raha samy mampihatra ireto tenin’i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:26 ireto aloha ianareo roa: “Aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” Eny, alamino amin’ny alalan’ny resaka ireo zava-manahirana dieny mbola kely sy mora karakaraina; aza miandry ny hahatongavan’ny fihetseham-ponareo ho tsy tana intsony. Ny fandaniana minitra vitsivitsy isan’andro amin’ny resaka momba ireo raharaha lehibe dia afaka manao zavatra betsaka mba hampitomboana ny fifampiresahana, ary misoroka ny tsy fifankahazoan-kevitra.
“Ny fananaran’i Jehovah”
8. Nahoana ny tanora sasany no mety hiala amin’ny fahamarinana?
8 Toa misy ray aman-dreny mianina amin’ny famelana ny zanany hihalehibe amin’izao, tsy misy fitarihana firy. Manatrika fivoriana ireo ankizy ary mandray anjara ihany amin’ny asa fanompoana, saingy mazàna izy ireo dia tsy nanorina fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra. Rehefa mandeha ny fotoana, ny “filan’ny nofo sy ny filan’ny maso” dia mety hitarika tanora maro toy izany hiala amin’ny fahamarinana. (1 Jaona 2:16). Hampalahelo tokoa raha tafita velona amin’ny Haramagedona ireo ray aman-dreny, kanefa noho ny tsirambina natao tamin’ny lasa, dia mamela ny zanany any aoriana ho ringana!
9, 10. a) Inona no voafaoka amin’ny fitaizana ny ankizy “amin’ny famaizana sy ny fananaran’i Jehovah”? b) Nahoana no zava-dehibe ny hamelana ny ankizy hilaza ny fihetseham-pony amin-kalalahana?
9 Noho izany, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [“Jehovah”, NW ] izy”. (Efesiana 6:4). Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy mahafantatra tsara ireo fari-pitsipik’i Jehovah ny tenanareo manokana. Manana adidy hamela ohatra araka ny tokony ho izy ianareo eo amin’ny zavatra toy ny fifidiananareo fialam-boly, ny fianarana manokana, ny fanatrehana fivoriana, ary ny asa fanompoana. Ireo tenin’i Paoly dia toa milaza koa fa ny ray aman-dreny dia tsy maintsy 1) ho mpandinika matsilo ny zanany, ary 2) mitana fifampiresahana tsara amin’izy ireo. Amin’izay ihany ianareo vao ho afaka hahafantatra hoe amin’inona no ilàn’izy ireo “fananarana”.
10 Zavatra voajanahary ao amin’ny zatovo ny miezaka mafy hahazo fahaleovan-tena. Kanefa dia tsy maintsy mailo ianao hahita ireo famantarana mazava tsara ny fitaoman’izao tontolo izao eo amin’ny fiteniny, fisainany, fiakanjony sy ny fihaingony, ary ny namana fidiny. Hoy ny raim-pianakaviana hendry iray, araka ny voarakitra ao amin’ny Ohabolana 23:26: “Anaka, atolory ahy ny fonao”. Moa ve ny zanakareo tsy misalasala milaza aminareo ny eritreriny sy ny fihetseham-pony? Rehefa tsy matahotra ny ho voateny avy hatrany ny ankizy, dia mety hirona kokoa izy hamosaka izay tena heveriny momba ny raharaha toy ireo zavatra fanao ivelan’ny fianarana, ny fiarahana amin’ankizilahy na amin’ankizivavy, ny fianarana ambony kokoa, na ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly mihitsy.
11, 12. a) Ahoana no azo ampiasana ny fotoam-pisakafoana mba hampirisihana ny fifampiresahana eo amin’ny fianakaviana? b) Inona no mety ho vokatry ny ezaka feno fikirizana ataon’ny ray na reny iray mba hampirisihana ny fifampiresahana amin’ny zanany?
11 Any amin’ny tany maro, dia fahazaran’ny fianakaviana ny miara-misakafo. Noho izany, ny sakafo antoandro dia afaka manome fahafahana tsara dia tsara ho an’ny mpianakavy mba handraisana anjara amin’ny resadresaka mampandroso. Mazàna tokoa dia alain’ny televiziona sy ny fialam-boly hafa ny toeran’ny fisakafoan’ny fianakaviana. Mandritra ny ora maromaro mitohitohy anefa, ireo zanakareo dia voatana tanteraka toy ny takalon’aina any an-tsekoly, ary misetra ny fisainan’izao tontolo izao. Ny fotoam-pisakafoana dia fotoana tsara hifampiresahana amin’ireo zanakareo. “Mampiasa ny fotoam-pisakafoana izahay mba hiresahana ny amin’izay zavatra nitranga nandritra ny andro”, hoy ny renim-pianakaviana iray. Kanefa, ny fotoam-pisakafoana dia tsy voatery ho tonga fandaharana mahasanganehana natao hanasaziana, na hamandripandrihana amin’ny fanontaniana. Tano ho tony sy hahafinaritra ilay fotoana!
12 Ny fanaovana izay hiresahan’ny zanakareo aminareo amin-kalalahana dia mametraka zava-tsarotra tsy maintsy resena ary mety hitaky faharetana tsy manam-petra. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, dia mety hahita vokatra mahafaly ianao. “Voan’ny fahaketrahana ny zanakay lahy 14 taona, ary tsy nety nifandray tamin’olona”, hoy ny tsaroan’ny reny iray feno fanahiana: “Noho ny vavaka nataonay sy ny fikirizanay, izao izy dia efa manomboka mifandray amin’ny hafa sy miresaka!”
Fianaram-pianakaviana izay mampandroso
13. Nahoana ny fampiofanana atao aloha be no zava-dehibe aoka izany, ary ahoana no azo anaovana izany?
13 “Ny fananarana” dia mahafaoka koa fampianarana ara-potoana ny Tenin’Andriamanitra. Toy ny tamin’i Timoty, ny fampiofanana toy izany dia tokony hatomboka “hatry ny fony vao zaza”. (2 Timoty 3:15). Ny fampiofanana atao aloha be dia manatanjaka ireo ankizy ho amin’ireo fitsapana ny finoana izay mety ho tonga mandritra ireo taom-pianarana — fankalazana ny andro nahaterahana, fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana, na fety ara-pivavahana. Raha tsy misy fiomanana ho amin’ny fitsapana toy izany, dia mety ho montsana ny finoan’ny ankizy iray. Koa hararaoty àry ireo fitaovana nomanin’ny Fikambanana Watch Tower ho an’ny ankizy madinika, toy ny boky Ecoutez le Grand Enseignant sy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly.a
14. Ahoana no ahafahana mitana ny fianaram-pianakaviana mba tsy ho tapatapaka, ary inona no nataonareo mba hananana fianaram-pianakaviana tsy tapatapaka?
14 Lafiny hafa iray ilana fitandremana ny fianaram-pianakaviana. Mety hanjary ho tapatapaka mora foana izy io na ho tonga raharaha iray manorisory sy toa mandeha ho azy fotsiny, izay sady misedra ny ray aman-dreny no misedra ny zanaka. Ahoana no ahafahanareo manatsara izany? Voalohany, dia tsy maintsy ‘maka fotoana ilaina’ ianareo mba hianarana, ka tsy hamela izany ho lasan’ireo fampisehoana ao amin’ny televiziona sy ny fanarian-dia hafa. (Efesiana 5:15-17, NW ). “Nahita fahasahiranana izahay teo amin’ny fitanana ny fianaram-pianakavianay ho tsy tapatapaka”, hoy ny fieken’ny loham-pianakaviana iray. “Nanandrana fotoana samy hafa izahay, mandra-pahitanay, tamin’ny farany, fe-potoana iray teo amin’ny faramparan’ny takariva, izay nety taminay. Amin’izao fotoana izao, dia tsy tapatapaka ny fianaram-pianakavianay.”
15. Ahoana no ahafahanareo mampifanaraka ny fianaram-pianakavianareo amin’izay ilain’ny fianakavianareo?
15 Avy eo, dia diniho ireo zavatra ilain’ny fianakavianareo manokana. Misy fianakaviana maro mankafy ny fiaraha-manomana Ny Tilikambo Fiambenana natao hianarana isan-kerinandro. Indraindray anefa, ny fianakavianareo dia mety hanan-java-manahirana manokana izay tokony hiaraha-mandinika, tafiditra amin’izany ireo zava-manahirana atrehina any an-tsekoly. Afaka manome fahafaham-po amin’io zavatra ilaina io ilay boky hoe Les Jeunes S’interrogent — Réponses Pratiques, mbamin’ireo lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! “Raha mahatsikaritra fihetsika izay mila fanitsiana eo amin’ireo zanakay lahy izahay”, hoy ny raim-pianakaviana iray, “dia mifantoka amin’ilay toko izay mivaofy azy io ao amin’ny boky Les Jeunes S’interrogent izahay.” Nanampy teny toy izao ny vadiny: “Miezaka ny hahay hanova zavatra arakaraka ny tarehin-javatra izahay. Raha misy zavatra efa nokasainay hianarana, ary misy ilana ny hiresahana zavatra hafa, dia manova izany hifanaraka amin’ilay zavatra ilaina izahay.”
16. a) Ahoana no ahafahanareo mahazo antoka fa takatry ny zanakareo izay ianarany? b) Inona mazàna no tokony hohalavirina rehefa mitarika fianaram-pianakaviana?
16 Ahoana no ahazoanareo antoka fa tena takatry ny zanakareo tokoa izay ianarany? I Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, dia nanao fanontaniana momba ny fomba fihevitra, toy ny hoe, ‘Ahoana no hevitrao?’ (Matio 17:25). Amin’ny fanaovana toy izany, dia miezaha mamantatra izay tena eritreretin’ireo zanakareo. Ampirisiho ny ankizy tsirairay hamaly amin’ny fomba fiteniny manokana. Mazava ho azy fa, raha mampiseho fahatezerana sy fahatairana tafahoatra ianareo noho ny fitenenany tamim-pahatsorana, dia mety hisalasala ny hiresaka aminareo amin-kalalahana izy amin’ny manaraka. Koa aoka ianareo ho tony hatrany. Halaviro ny fanaovana izay hahatonga ny fianaram-pianakaviana ho fotoana fanasaziana. Tokony hahafinaritra sy hampandroso izy io. “Rehefa hitako fa manan-java-manahirana ny iray amin’ireo zanako”, hoy ny raim-pianakaviana iray, “dia hikarakara izany amin’ny fotoana hafa aho”. “Rehefa raisina mitokana ny ankizy iray”, hoy ny teny nanampin’ny reny iray, “dia tsy sanganehana ilay ankizy ary afaka miresaka amin-kalalahana kokoa izy noho ny rehefa tenenina mandritra ny fianaram-pianakaviana.”
17. Inona no azo atao mba hahatonga ny fianaram-pianakaviana hahaliana, ary inona no nandaitra tsara tamin’ny fianakavianareo?
17 Ny fanaovana izay handraisan’ny ankizy anjara amin’ny fianaram-pianakaviana dia mety ho zava-tsarotra tsy maintsy resena, indrindra fa rehefa mifampiraharaha amin’ny ankizy tsy mitovy taona ianareo. Ireo ankizy mbola kely dia mety hirona hikofokofoka, tsy hipetraka tsara, na mety tsy hahay hampifantoka ny sainy ela. Inona no azonareo atao? Miezaha mitana ho tony ny rivo-piainana mandritra ilay fianarana. Raha tsy afaka mampifantoka ny sainy ela ny zanakao, dia manandrama manao fandaharana fohifohy kokoa saingy matetitetika kokoa. Manampy koa ny fanananao hafanam-po. “Izay mitari-draharaha, dia aoka izy hanao izany amin’ny tena fahazotoana”. (Romana 12:8, NW ). Ataovy izay handraisan’ny tsirairay anjara. Mety ho afaka hanazava ireo sary na hamaly fanontaniana tsotra ny ankizy kely kokoa. Azo asaina hanao fikarohana fanampiny kosa ireo zatovo, na hanao fampiharana ny amin’ilay foto-kevitra izay dinihina.
18. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mampianatra ny Tenin’Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra, ary inona no vokany?
18 Na dia izany aza, dia aza ferana ho adiny iray isan-kerinandro ny fampianarana ara-panahy. Ampianaro ny Tenin’Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra ny zanakareo. (Deoteronomia 6:7). Makà fotoana mba hihainoana azy ireo. Ampirisiho sy ampionòny izy ireo rehefa ilaina izany. (Ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 2:11.) Aoka ianao hiantra sy hamindra fo. (Salamo 103:13, NW; Malakia 3:17). Amin’ny fanaovana izany, dia ‘hahita fifaliana’ amin’ny zanakareo ianareo ary hanohana ny fiarovana azy ireo ho ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra. — Ohabolana 29:17.
“Andro ihomehezana”
19, 20. a) Inona no anjara asan’ny fialam-boly eo amin’ny fiainam-pianakaviana? b) Inona avy no fomba sasany azon’ny ray aman-dreny andaminana fialam-bolin’ny fianakaviany?
19 Ao ny “andro ihomehezana (...); ny andro andihizana”. (Mpitoriteny 3:4). Ny teny hebreo nadika hoe “mihomehy” dia azo adika koa amin’ny fitenenana toy ny hoe “mankalaza”, ‘milalao’, “mampifalifaly”, na “mifaly”” mihitsy aza. (2 Samoela 6:21, NW; Joba 40:29; Mpitsara 16:25, NW; Eksodosy 32:6, NW; Genesisy 26:8, NW ). Mety hahasoa ny lalao, ary zava-dehibe ho an’ny ankizy sy ny tanora izy io. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny ray aman-dreny dia nandamina filalaovana sy fialam-boly ho an’ny fianakaviany. (Ampitahao amin’ny Lioka 15:25.) Manao zavatra toy izany ve ianareo?
20 “Manararaotra ireo zaridainam-bahoaka izahay”, hoy ny lehilahy kristiana iray manambady. “Manasa ny sasany amin’ireo rahalahy tanora izahay ary milalao baolina sy misakafo any ivelany. Mifaly izy ireo ary manana fiarahana mahasoa.” Hoy ny teny nanampin’ny raim-pianakaviana hafa iray: “Mandamina zavatra hatao miaraka amin’ireo zanakay lahy izahay. Mandeha milomano izahay, milalao baolina, maka fialan-tsasatra. Tananay amin’ny toerana tokony hisy azy anefa ny filalaovana. Antitranteriko ny ilana hitanana fandanjalanjana.” Afaka manampy be dia be mba hisakanana ny ankizy tsy ho voasinton’ireo fahafinaretana eo amin’izao tontolo izao ny fialam-boly mahasoa, toy ny fiaraha-mikorana mety, na ny fitsidihana zoo (toerana fijerena karazam-biby) sy tranom-bakoka.
21. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny misakana ny zanany tsy hahatsapa tena ho matiantoka noho ny tsy fankalazana ireo fetin’izao tontolo izao?
21 Zava-dehibe koa ny tsy hahatsapan’ny zanakareo tena ho matiantoka satria tsy mankalaza ny andro nahaterahana na fety tsy kristiana. Raha manao fandaminan-javatra sasany ianareo, dia afaka manantena ny hahita fotoana mahafinaritra maro mandritra ny taona izy ireo. Ny ray na ny reny tsara iray dia tsy mila miandry fety vao hampiseho ny fitiavany amin’ny fanomezana zavatra ara-nofo. Sahala amin’ny Rainy any an-danitra, dia ‘mahay manome zava-tsoa ho an’ny zanany’ izy — tsy terena. — Matio 7:11.
Fiantohana hoavy mandrakizay ho an’ny fianakavianareo
22, 23. a) Arakaraka ny anatonan’ny fahoriana lehibe, mahazo antoka ny amin’inona moa ireo fianakaviana matahotra an’Andriamanitra? b) Inona no azon’ny fianakaviana ilofosana mba ho voaro ho ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?
22 Nivavaka toy izao ny mpanao salamo: “Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ity taranaka ity.” (Salamo 12:7). Azo antoka fa hitombo ny fanerena avy amin’i Satana — indrindra fa ny fanerena mamely ny fianakavian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo atao anefa ny manohitra amim-pahombiazana an’io fanafihana tsy mitsaha-mitombo io. Noho ny fanampian’i Jehovah ary noho ny fahatapahan-kevitra mafy dia mafy sy ny filofosana mafy avy amin’ny lehilahy sy vehivavy manambady ary ny zanaka, ny fianakaviana — anisan’izany ny fianakavianareo — dia afaka manantena ny tsy ho faty mandritra ny fahoriana lehibe.
23 Ry lehilahy sy vehivavy manambady, mitondrà fiadanana sy filaminana ao amin’ny fanambadianareo amin’ny fanatanterahana ny anjara asa nanendren’Andriamanitra anareo. Ry ray aman-dreny, manohiza mamela ohatra araka ny tokony ho izy ho an’ny zanakareo, makà fotoana ilaina mba hanomezana azy ireo ny fampiofanana sy ny fifehezana izay ilain’izy ireo fatratra. Miresaha aminy. Mihainoa azy. Tandindomin-doza ny ainy! Rankizy, henoy ary ankatoavy ny ray aman-dreninareo. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka ny hahomby ianareo ary hiantoka hoavy mandrakizay ho an’ny tenanareo ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra ho avy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy amin’ny cassette koa.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no ahafahan’ireo lehilahy sy vehivavy manambady manatsara ny fifampiresahan’izy ireo?
◻ Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mitaiza zanaka amin’ny “fananaran’i Jehovah”? (Efesiana 6:4).
◻ Inona avy ny fomba sasany mahatonga ny fianaram-pianakaviana hampandroso sy hahaliana kokoa?
◻ Inona no azon’ny ray aman-dreny atao rehefa mandamina fialam-boly sy filalaovana ho an’ny fianakaviany?
[Efajoro, pejy 16]
Mozika — Hery Mitaona Mahery
Hoy ny mpanoratra boky iray momba ny fitaizan-janaka: “Raha voatery mijoro eo anoloan’ny mpihaino aho (...) ka miaro ny filibana amin’ny toaka, na ny fidorohana amin’ny cocaïne, marijuana, na izay zava-mahadomelina hafa rehetra mahalasa adala, dia hijery ahy ankona noho ny fahatairana izy ireo. (...) [Kanefa] ny ray aman-dreny mazàna dia manome vola ny zanany mba hividianana kapila na cassette izay miaro an-karihary ireo zavatra ireo.” (Raising Positive Kids in a Negative World, nataon’i Zig Ziglar). Any Etazonia, ohatra, ireo tonon-kira rap miresaka an-karihary ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, dia averimberin’ny tanora maro. Moa ve ianao manampy ny zanakao hahay hifantina eo amin’ny fifidianany mozika mba hanalaviran’izy ireo ny fandrika avy amin’ny demonia toy izany?
[Sary, pejy 15]
Ny fotoam-pisakafoana dia mety ho fotoana mahafinaritra izay mampirisika ny firaisan-tsaina sy ny fifampiresahan’ny fianakaviana