Aoka Ianareo Hamirapiratra toy ny Mpanazava eo Amin’Izao Tontolo Izao
EO AMIN’NY tontolo iray simban’ny fanaovana ny tsy marina ara-pitondrantena sy ny faharatsian-toetra, ireo Kristiana marina maneran-tany dia tsy maintsy loharanom-pahazavana. Tsy maintsy ho mpanazava eo amin’izao tontolo izao maizina izy ireo. (Filipiana 2:15, NW ). Olona an’arivony maro no vonona ny hanao izany amin’ny maha-mpisava lalana, na mpitory manontolo andro. Maro be amin’izy ireo no nandany taona maro be tao amin’io fanompoana io ary novalian-tsoa tamin’ny fahitana olona isan-karazany nanao fiovana teo amin’ny fiainany ary tonga tena mpianatr’i Jesosy Kristy marina. — Matio 28:19.
Mba hampirisihana ireny mpisava lalana ireny hanohy io fanompoana masina io sy hanatsara ny fahaizany mampianatra, dia nandamina ny Sekolin’ny Mpisava Lalana ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany dia fianarana miorina amin’ny Baiboly maharitra folo andro izay natao mba hanampiana ireo mpisava lalana eo amin’ny lafin-javatra telo: fiaraha-mandeha amin’i Jehovah amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesosy Kristy; fitomboana amin’ny fitiavana ny fitambaran-drahalahy iray manontolo; famirapiratana toy ny mpanazava eo amin’izao tontolo izao.
Sekolin’ny Mpisava Lalana tatsy amin’ny Repoblika Centrafricaine
Tao Bangui, renivohitry ny Repoblika Centrafricaine, dia nisy mpianatra 48 sy mpampianatra 2 niara-tonga nandritra ny volana Aogositra 1991. Handray toromarika sy fanipazan-kevitra azo ampiharina eo amin’ny asany ireo mpianatra. Fa inona no nanaitra aoka izany tamin’ilay kilasy tao Bangui?
Voalohany, dia mbola mandeha any an-tsekoly ny 21 tamin’ireo mpianatra. Na dia mankany an-tsekoly aza izy ireo, dia afaka mandamina ny fotoanany mba hanaovany ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Mampiasa ireo volana fialan-tsasatra izy ireo, ireo faran’ny herinandro sy tolakandro tsy ianarany mba hitoriana sy hampianarana.
Tsapan’ireo tanora ny maha-zava-dehibe ny fanompoana ny Mpamorona azy dieny izao. (Mpitoriteny 12:1; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 7:29.) Tsara homarihina fa ny 12 tamin’izy ireo dia nanana ray aman-dreny tsy mpino. Any an-tranony, dia izy ireo irery no ao amin’ny fahamarinana. Noteren’ny rainy hiala tao an-trano ny zatovo roa lahy, mpiray tam-po, noho ny finoan’izy ireo. Nampiantrano azy roa lahy ny mpivady tanora tao amin’ny kongregasiona.
Hafa ny tarehin-javatra nisy an’i Michée sy i Sulamithe Kaleb. Mpisava lalana izy mianadahy ireo sady mbola mianatra any an-tsekoly, saingy Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniny. Raha ny marina, ny rain’izy ireo dia mpianatra tao amin’io kilasy io koa!
Nandray anjara tamin’ilay sekoly koa ireo kongregasiona tao Bangui, saingy tamin’ny fomba hafa. Nikarakara ireo zavatra nilaina ara-nofo, toy ny sakafo, izy ireo. Nisy vola, ary koa akoho, siramamy, vary, ary mangahazo nomena mba ho sakafon’ilay kilasy.
Nalamin’ireo kongregasiona nanodidina ny antokona mpahandro sakafo mba hanomana sakafo tsotra nefa matsiro. Ny Repoblika Centrafricaine dia malaza noho ny ngunza, sakafo ankafizin’ny rehetra. Ny fomba fahandro azy? Ravintoto, mena-boaniho, tongolobe, tongolo gasy be dia be, totom-boanjo malemy dia malemy ampy habetsahany tsara, ary faharetana mba hamelana azy ho masaka tanteraka. Samy manana ny fomba manokana fahandrony azy ny antokona mpahandro tsirairay. Natsiro aoka izany ilay izy hany ka tsy nisy nahatana tena tsy hihinana.
Nisy kilasy roa natao tany ivelan’i Bangui, ny iray tany Bouar ary ny iray tany Bambari, ka nahatonga ny fitambaran’ireo mpianatra ho 68. Nandritra ireo roa taona lasa, dia nahita fitomboana teo amin’ny isan’ny mpisava lalana ny Repoblika Centrafricaine. Nandritra ny Janoary 1992, dia nisy mpisava lalana maharitra 149, ary mpisava lalana manokana 17, niaraka tamin’ny mpisava lalana mpanampy 78. Izany dia niteraka fitomboan’ny asa nanerana ilay tany manontolo ka nahitany tampon’isa vaovao teo amin’ny mpitory, ny ora, ny fiverenana mitsidika, ary ny fampianarana Baiboly. Rehefa misy mpiasa bebe kokoa, dia mitombo ny fijinjana. — Isaia 60:21, 22; Matio 9:37, 38.
Mankany amin’i Jehovah ny fisaorantsika noho ireny fandaharana ireny sy noho ny fandaminany eto an-tany mandamina ireny kilasy ireny. Manampy ireo mpianatra mbamin’ny mpampianatra koa izy ireny mba hamirapiratra toy ny mpanazava eo amin’ity tontolo maizina ity.
[Sary, pejy 24]
Ireo mpianatra 21 tao amin’ny Sekolin’ny Mpisava Lalana mbola mianatra any amin’ny lise
[Sary, pejy 25]
Voatery niala tao an-trano ireto tovolahy roa ireto noho ny fahamarinana