Tsy Mahatanty Ilay Arseveka!
TAMIN’NY taon-dasa, dia nalamina ny kaonsily iray nisy fombafomba be nataon’ireo kardinaly mba handinihana raharaha sasany izay nampanahy be ihany ny Eglizy Katolika. Araka ny gazety Il Sabato, ny iray tamin’ireny dia “ny fahavononan’ireo antokom-pivavahana hiady”. Izao anefa no nolazain’ilay gazety: “Tsy tokony ho zava-manahirana ho an’ireo kardinaly ny hifanara-kevitra ny amin’io raharaha io. Ny rehetra dia samy manaiky ny ilana fandinihana lalina kokoa ny fisehoan-javatra momba ireo fihetsiketsehana ara-pivavahana vaovao, ary koa ny ilana hisorohana, araka izay farany azo atao, ny fielezany.”
Miharihary anefa fa ny “fahavononan’ireo antokom-pivavahana hiady” dia tsy zava-manahirana ao Italia fotsiny. Nanao izao tatitra izao ny Il Sabato: “Tsy ela izay, teo am-pitsidihana an’i Vatican, ny Arseveka Kirill avy any Smolensk [iray amin’ireo tanàn-dehibe tranainy indrindra any Rosia] (...) dia nangataka fanampiana iraisam-pinoana tamin’ny papa mba hiadiana amin’ny fitomboana tafahoatra eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo antoko mitovy amin’izany any amin’ny Firaisana Sovietika.”
Tamin’ny taonjato voalohany, ireo filoha teo amin’ny fivavahana efa niorina dia nitaraina toy izany rehefa naelin’ireo mpanaraka azy tamin-kery sy fahatapahan-kevitra ny Kristianisma. Indray mandeha dia nisy Jiosy tafintohina nitaraina tamin’ireo lehiben’ny tanàna hoe: “Tonga atỳ koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo”! (Asan’ny Apostoly 17:6). Tamin’izay dia nanandrana mafy ny hampijanona ny fampielezana ny Kristianisma ireo filoha ara-pivavahana, kanefa dia tsy nahomby izy ireo. Amin’izao andro izao koa, izay fiezahana rehetra atao hampijanonana ny fielezan’ny fampianarana kristiana marina dia voatokana ho amin’ny tsy fahombiazana. Andriamanitra mihitsy no nampanantena hoe: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.” — Isaia 54:17.