Dingana ho Amin’ny Fiverenana
‘IZY nanao fanoharana taminy’. Toy izany no nampidiran’ny Baiboly ireo fanoharana telo tsy hay hadinoina nataon’i Jesosy momba famindram-po — ilay ondry very, ilay farantsakely very, ary ilay zanaka adala. — Lioka 15:3-32.
Namakafaka ireo fanoharana ireo ny lahatsoratra roa tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jolay 1991, ary nanampy mpamaky maro hahita ny fomba azo anitarana ny famindram-po amin’izao andro izao. Natodika voalohany indrindra ny saina ho amin’ireo mpiandry ara-panahy eo am-panaovana dingana mba hifandrasaina amin’olona izay voaroaka nefa mety handray tsara ireo fitsidihana feno hatsaram-panahy. Inona no vokatr’ireo lahatsoratra ireo sy ilay fomba fanaovan-javatra vaovao?
Tsy ela taorian’ny nivoahan’ilay gazety, dia nanoratra toy izao ny lehilahy iray any amin’ny fanjakan’i Washington, Etazonia: “Tonga tao amin’ny taratasy voaraiko tamin’ny paositra androany ny porofon’ny hatsaram-panahy miaro fitiavana ananan’i Jehovah. Mipetraka eto aho, ny ranomaso manganohano, ary ny fo dibo-kafaliana noho ireo fandaharana sy fanitsiana nomen’ny Avo Indrindra. Andriamanitra iray tena manao ny rariny ihany no afaka manome fanampiana ho an’ireo olona toy ny ondry izay very. (...) Eny, voaroaka aho kanefa eo an-dalam-piverenana.” Tamin’ny Oktobra, dia tafaverina izy.
Ahoana anefa ny amin’ireo fitsidihana ataon’ny loholon’ny kongregasiona roa lahy? Nanoratra toy izao ny vehivavy kristiana manambady iray: “Tsy misy teny ahafahako milaza izay tsapako. Voaroaka hatramin’ny 13 taona teo ho eo ny vadiko. Nitsidika azy ireo loholona, araka ny nampirisihina tao amin’ilay lahatsoratra. Omaly alina, vao voalohany tao anatin’ny taona maro, dia nankany amin’ny fivoriana izy. Izao izy dia eo am-piezahana hanova ny fiainany ary eo an-dalam-piverenana.”
Noho ireo mpiandraikitra mpitety faritany mitsidika kongregasiona mifandimby, dia mahita ny vokany izy ireo. Tsy ela izay, dia nanoratra toy izao ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray:
“Rehefa nivoaka Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1991, dia nanontany tena ny maro hoe hanao ahoana ny ho fandraisana ireo loholona manao ilay fifampikasohana voalohany. Nanjary niharihary tokoa ny valiny.
“Ao amin’ny fizaran-tany misy anay, ireo kongregasiona efatra farany notsidihiko dia nanatrika ny fiverenan’ny olona sivy tao amin’ireo Efitrano Fanjakana. Na dia ny iray monja aza no voaray indray, ireo valo hafa dia mandroso tsara. Mihetsi-po ireo loholona sy ny kongregasiona mahita ny vokatry ny asa mafy nataon’izy ireo sy ny maha-fahendrena ny fampiharana ireo toromarika teokratika.
“Mifaly noho io fandaharana tsara dia tsara sy feno famindram-po io izahay. Hoy ny fanazavan’ny anabavy iray voaray indray: ‘Tsy nanana herim-po hiverenana samy irery aho, satria nahatsiaro tena ho meloka teo anatrehan’i Jehovah. Rehefa nitsidika anefa ireo loholona, dia izay ilay fampaherezana nilaiko mba hiverenana.’ Ny hafanam-pony dia nampahery tokoa ny kongregasiona.”
Na dia tsy mandray tsara aza ny maro amin’ireo tsidihina, dia azo antoka fa nisy zavatra tsara notontosaina tamin’io dingana feno famindram-po io. Araka izany, manomboka amin’ny Septambra, ireo loholona isaky ny kongregasiona dia hijery indray ny anaran’ireo voaroaka mipetraka ao amin’ilay faritany, ary hanao fandaharana mba hitsidihana izay rehetra heverin’izy ireo fa mety handray tsara ny famindram-po nitarina taminy.