Fanangonana Ireo “Zavatra Faniry” any Polonina
LAZAINA fa tany katolika i Polonina. Araka ny fanisana ofisialy, dia mpikambana ao amin’ny Eglizy Katolika ny 93 isan-jaton’ny mponina. Ireo fiovana ara-politika sy ara-tsosialy nitranga tany vao haingana anefa, dia nisy fiantraikany niavaka teo amin’ny vahoaka sy ny fiainan’ireo ara-pivavahana. Asehon’ireo fandinihana natao fa eo amin’ny 50 isan-jaton’ireny olona ireny ihany no mihevitra ny tenany ho mpanaraka ny fivavahana katolika.
Tamin’ny May 1989, dia nekena ho fandaminana ara-pivavahana ara-dalàna ireo Vavolombelon’i Jehovah any Polonina. Hatramin’io daty io, dia nisy olona vaovao teo amin’ny 11 000 teo ho eo nanatevin-daharana azy ireo tamin’ny naha-mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Amin’izao fotoana izao, dia mpitorin’ilay Fanjakana maherin’ny 106 000 no mifandray amin’ny kongregasiona maherin’ny 1 300, ary olona 200 422 no nanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 1991. Araka izany, dia mitranga any Polonina ny fanangonana ireo “zavatra faniry eo amin’ireo firenena” voambara mialoha. (Hagay 2:7, NW ). Tsy ela izay, dia natao tany Polonina ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah izay nahatonga lohateny lehibe tao amin’ny gazety. Ny fanaovana topy maso amin’ny tanàna kely kokoa sasany ao amin’ilay tany anefa, dia hampiseho indrindra ny fomba fanaovana ilay asa fanangonana ao amin’io tany io.
Manokatra ny lalana ireo mpitory maharitra
I Sztum dia tanàna iray misy mponina eo amin’ny 10 000 eo ho eo, ka eo amin’ny toerana ivarinan’ny Renirano Vistule any amin’ny Ranomasina Baltique no misy azy. Hatramin’ny ela io tanàna io dia noheverina ho faritany sarotra ho an’ny asa fitoriana. Tamin’ny 1987, dia tsy nisy afa-tsy mpitory valo tao amin’ilay faritra. Nanomboka niova anefa ny toe-javatra rehefa nisy mpitory maharitra, na mpitory manontolo andron’ilay Fanjakana, tonga. Tamin’ny fivoriana fahadimy natao tao amin’ny trano iray fandefasana sinema, dia olona liana 100 no nanatrika! Niforona ny kongregasiona iray rehefa afaka roa taona nanaovana ezaka tamim-paharisihana. Amin’izao fotoana izao, ireo mpitory 90 dia manana ny Efitrano Fanjakanany manokana, ary olona 150 no manatrika tsy tapaka ny fivorian’izy ireo.
Araka ny nampoizina, tsy ela dia tonga ny fanoherana avy amin’ny Eglizy Katolika. Nisy relijiozy vehivavy “manam-pahaizana manokana” nanao toriteny fanaratsiana maromaro mikasika ireo Vavolombelona, niampanga azy ireo ho nanao fampianaran-diso. Araka ny mateti-pitranga anefa, izany dia toy ny fandrorana mitsilany. Vao mainka nahatonga ny olona haniry hahafantatra ny zava-misy ny lahateniny. Maro tamin’izy ireny no nianatra ny fahamarinana, ary mpitory maharitra izy ireo izao! Hoy izy ireo: ‘Teo am-pianarana ny fahamarinana, dia nieritreritra izahay fa ny olona rehetra maniry ho tonga Vavolombelona dia tsy maintsy mitovy amin’ilay mpampianatra azy, izany hoe, tonga mpitory maharitra.’ Koa manjaka ao amin’ny kongregasiona iray manontolo àry ny toe-tsain’ny mpitory maharitra.
Ho vokatr’izany, dia misy fampianarana Baiboly 180 tarihina any amin’ilay faritra. Ny sasany aza dia nampianarina namaky teny tamin’ny alalan’ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Nianatra ny fahamarinana koa izy ireo tamin’izay fotoana izay ihany. Misy fampianarana Baiboly mandritra ny folo minitra tarihina tsy tapaka miaraka amin’antokona mpigadra eo an-toerana, rehefa mivoaka mba hamafa lalana izy ireo. Ny iray tamin’ireny dia niaro ny Vavolombelona iray rehefa nisy vehivavy nandalo nanomboka nanao vava ratsy taminy. Nihazakazaka nankeo amin’ilay anabavy izy, naka ilay boky Hiaina mandrakizay teny an-tanany, dia nampiseho izany, ary nanontany ilay vehivavy nanao vava ratsy hoe: “Fa tsy mahay mamaky ve ianao e? Inona no voasoratra eto? Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany! Efa mba nahare zavatra toy izany ve ianao? Koa nahoana re ianao no miteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpivavaka aminy e?”
Resaky ny olona ao an-tanàna
I Kruszwica, ilay renivohitra nalazan’i Polonina taloha, dia toerana anjakan’ny Katolika. Na dia teo antenatenan’ny 1990 aza, dia tsy nisy afa-tsy Vavolombelona vitsivitsy monja teo anivon’ireo mponiny 9 300. Nanomba ny fiezahan’ireo mpitory ilay Fanjakana anefa ny fitahian’i Jehovah manana amby ampy.
Rehefa nahamarika ny fihatsarambelatsihin’ireo filohany ara-panahy ny olona nitombo isa hatrany — indrindra indrindra fa ny tanora — dia nitodika tany amin’ny Vavolombelona mba hahazoana valim-panontaniana. Tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy, dia nisy fampianarana Baiboly tany an-tokantrano 20 natomboka. Ny pretran’ilay paroasy dia nanao toriteny feno hasiahana momba ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa dia tsy nanakana ireo olona tso-po tsy hanatrika ireo fivoriany izany. Nanjary anton-dresaky ny olona teny amin’ny magazay sy teny an-jaridaina, ary tany am-piangonana mihitsy aza ny Vavolombelona. Enim-bolana tatỳ aoriana, dia voaforona ny antokona fianarana ny boky roa lehibe. Manana kongregasiona tena marisika misy mpivavaka amin’i Jehovah 35 eo ho eo izao i Kruszwica. Mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano 75 izy ireo ary variana manangona ireo “zavatra faniry” izay voatana ho babon’ny fivavahan-diso taloha.
Anisan’ireny i Bogdan, 23 taona, izay zanaka fianakaviana katolika hirihiriny. Izao no tsaroany: “Taloha aho dia nisotro, nifoka, ary niaina tao anatin’ny fahalotoam-pitondrantena. Fantatry ny rehetra fa punk sy mpanohitra izay mety ho fahefana aho, kanefa dia toa tsy nisy niraharaha izany. Rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly anefa aho, dia nandrahona ny hanapoizin-tena ny reniko. Tsy nahatanty ny fanerena aho ka dia notapahiko ny fifandraisana rehetra tamin’ny Vavolombelona. Tatỳ aoriana, noho ny fanampiana feno fitiavana nataon’ny mpitory maharitra manokana, dia afaka niala tamin’ireo fahazaran-dratsy rehetra aho. Natao batisa tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika 1991 ‘Ireo tia fahafahana’ aho, nifidy ny fanompoana manontolo andro ho zava-kendrena eo amin’ny fiainana, ary mpitory maharitra mpanampy aho hatramin’izay.”
Voafatopatotra tao anatin’ny spiritisma sy ny fanompoana an’i Satana i Sławomir, 21 taona. Raha vao hitany fa melohin’ny Baiboly ny fanao toy izany dia nariany. “Nikiry anefa i Satana”, hoy izy. “Indray alina dia nanomboka nandeha ho azy ny fandefasana kapila (tourne-disques), ary nandre mozikan’i Satana aho na dia efa nesoriko tao an-trano avokoa aza izay zavatra rehetra nifandray tamin’ny fanompoana ny Devoly. Nivavaka tamin’i Jehovah aho, ary nanampy ahy izy mba hahazo indray ny fahaiza-mandanjalanja ara-panahy. Ny mpitsabo aretin-tsaina iray izay falehako taloha noho ny fitalahoan’ny ray aman-dreniko, dia niaiky fa nisy fihatsarana lehibe teo amin’ny toe-pahasalamako, ary nanatsoaka hevitra fa salama tsara aho. Izao no nosoratany tao amin’ny taratasy milaza ny fitsaboana natao tamiko: ‘Nositranin’ny Vavolombelon’i Jehovah.’ ”
Fanoherana ny toe-tsain’izao tontolo izao
Any atsimo andrefan’i Kruszwica no misy an’i Środa Śląska. Miseho any amin’io tanàna kely misy mponina 9 000 io koa ireo “zavatra faniry”. Efa-taona lasa izay, dia tsy nisy afa-tsy anabavintsika ara-panahy iray monja nipetraka tany. Izao anefa, ny isan’ireo mpitory ny Fanjakana dia tafakatra ho 47. Maro amin’ireo Vavolombelona no latsaka tao anatin’ny fandriky ny spiritisma, sy ny fahazarana mampiasa zavatra mahadomelina, ary ny fahalotoam-pitondrantena taloha. Tsapan’izy ireo fa izany dia vokatry ny fahabangana ara-panahy indrindra nisy tao amin’ny eglizy izay tsy nahay afa-tsy ny nanameloka ny olona ara-panahy fa tsy nanampy azy. Nitondra tena fanamaivanana ho an’ny olona ireo Vavolombelona.
Ireo tanora ao amin’ny kongregasiona dia nanao ny sekoliny ho faritaniny manokana ho an’ny asa fitoriana. “Mazàna ny iray kilasy amiko dia milaza amiko hoe: ‘Mandanilany foana ny fahatanoranao ianao’ ”, hoy ny fitantaran’i Kasia, zazavavy 18 taona. “Nisoroka zava-manahirana maro anefa aho, ary nanjary nisy heviny ny fiainako. Mitarika fampianarana Baiboly maromaro aho any an-tsekoly ary tsy manao tsirambina na ny entimodiko na ny fianarako manokana. Ireo ankizivavy izay nilaza fa ‘mandanilany foana ny fahatanorako aho’ dia efa renim-pianakaviana sahady izao, ary voasaringotry ny andraikitra sy zava-manahirana maro.”
Nanjary tena tiam-bahoaka tao amin’ireo sekoly teo an-toerana ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower. Nilaza tamin’ny mpianany, ohatra, ny mpampianatra fiteny polone mba hanaraka ny fiteny tsotra sy mazava ampiasain’ny gazetintsika Mifohaza! ho modely rehefa manao famoronan-dahatsoratra izy ireo. Hitan’i Ewa, mpitory maharitra mpanampy, fa tena manampy ilay bokikely hoe Ny sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah. “Tena nankasitrahako tokoa io boky io. Mahafantatra tsara azy io ireo mpampianatra ahy. Tsy mba manan-java-manahirana mihitsy aho hahazoan-dalana hanapaka ny fianarana mba hanatrehana fivoriambe.” Mampifaly ny fon’i Jehovah ny fihetsika tsara dia tsara toy izany asehon’ny tanora. — Ohabolana 27:11.
Gadralava tsy andairan’anatra niova
Any atsinanan’i Środa Śląska no misy an’i Strzelce Opolskie, toerana misy fonja roa. Ny iray dia fonja voambina fatratra ho an’ireo mpandika lalàna mafy hatoka. Mitsidika tsy tapaka ireo toeram-pigadrana roa ireo ny Vavolombelona, mitondra ny fahamarinana ho an’ireo mpigadra, ka ny maro amin’izy ireo no babon’i Babylona Lehibe, ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, koa. — Apokalypsy 18:1-5.
Ny Vavolombelona dia miara-mianatra ny Baiboly amin’ny voafonja isam-batan’olona sy amin’ny antokona mpigadra vitsivitsy, ka ny sasany amin’izy ireny dia efa vita batisa. Na dia tsy maintsy manala ny saziny aza izy ireo, dia mitory amim-paharisihana ny vaovao tsara amin’ireo voafonja hafa. Nanao fiovana niavaka aoka izany ny mpigadra iray niomana ho amin’ny batisa, hany ka namela azy hody tany an-tranony indray mandeha isan-kerinandro ireo manam-pahefana tao amin’ny fonja. Ny hafa dia nanoratra tany amin’ny fianakaviany mba hilazana ny fahatapahan-keviny handao ny fonja, tsy amin’ny maha-mpanao heloka bevava akory, fa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah.
Ny lehiben’ny fonja tao amin’ny iray amin’ireo fonja ireo dia nitaraina fa, taloha, ireo pretra katolika dia tonga tany, saingy tsy nahavita na inona na inona. Nanontany ny Vavolombelona izy nanao hoe: “Fa inona no mahatonga anareo ho afaka hampiova sy hanarina ireny olona ireny?” Mamaly toy izao ny taratasy nalefan’ny mpigadra iray tany amin’ny fianakaviany: “Tato am-pigadrana, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia niresaka tamiko ny amin’ny fampanantenan’Andriamanitra mahatalanjona mikasika ny fitondrana vaovao iray, ny Fanjakan’i Jehovah, izay hanapaka tsy ho ela ny tany. Eto aho dia manam-potoana hamakafakana ny fomba fiainako teo aloha amin’ny alalan’ny Baiboly. Rehefa tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra nampahory ny saina aho, dia naniry mafy ny ho tonga olona afaka sy ho anisan’ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’izao fotoana izao aho dia Vavolombelon’i Jehovah vita batisa.”
Ao amin’ilay fonja iray hafa, dia maro no manala sazy maharitra 25 taona noho ny famonoana olona. Misy fampianarana Baiboly tarihina amin’ny lehilahy 12. Ny iray amin’ireo dia efa nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah sy natao batisa, ary eo am-pikasana ny hanao ireo dingana ireo ny hafa. Noho ny fankasitrahany ny vokatra tsara nentin’ny fomba fampianarana nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia hoy ny lehiben’ny fonja: “Tsy gadralava 12 ihany no ananako fa 600. Mba ampio re aho hanarina azy ireo e! Homeko anareo avokoa izay ilainareo, fa mba omany re ny fandaharana e! Karakarao re izy ireo e!”
Izany indrindra no nataon’ireo rahalahy. Nanolotra fandaharana nivaofy ny zava-kendren’ny fiainana, sy ny fanantenana amin’ny hoavy, ary ny maha-zava-dehibe ny hanariana ny fanao ratsy izy ireo. Notantarain’izy ireo koa ny amin’ny mpigadra taloha iray izay tonga Vavolombelon’i Jehovah sy loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona tatỳ aoriana. Nasongadin’ireo Vavolombelona koa ny tantaram-piainan’ny mpangalatra diamondra iray sy ny an’ny mpidoroka tamin’ny zavatra mahadomelina iray izay nianatra ny fahamarinana.a Nahaliana indrindra an’ireo mpigadra 20 nanatrika teo ilay fandaharana, ary nilaza fanontaniana maro izy ireo, ny sasany aza nangataka fampianarana ny Baiboly mihitsy.
Finoana sy fiaretana voasedra
Tanàna kely misy mponina 12 000 akaikin’ny sisin-tanin’i Ukraine i Lubaczów. Nahazo tosika ny asa fitoriana tany tamin’ny 1988 rehefa nisy mpitory maharitra nifindra tany mba hanampy ireo mpitory 12 teo an-toerana. Amin’izao fotoana izao, dia misy mpitory ilay Fanjakana marisika 72 any, ary nisy olona 150 nanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana tamin’ny 1991 tao amin’ilay Efitrano Fanjakana vao naorina.
Tamin’ny Jona 1991, dia nitsidika an’i Lubaczów ny Papa Joany Paoly faha-2. Tsy nahavita na inona na inona mba hanamafisana ny tena finoana teo amin’ny olona anefa izany. Maro amin’izy ireo no sahiran-kevitra noho ny fisalasalana sy ny fanontaniana momba ny zava-kendren’ny fiainana ary ny fanantenana amin’ny hoavy. Rehefa tsy afaka mahazo valinteny mahafa-po any amin’ny klerjy izy ireo, dia mitodika any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia mety hanindrona ny olona aza ny fieritreretany amin’ny voalohany noho ny nialany tamin’ny fivavahany, ny fahamarinana nianarany tao amin’ny Baiboly dia manampy azy hahita fa nanao ny fanapahan-kevitra nety izy ireo.
Niavaka ny fanandraman-javatra hitan’i Honorata izay mpitory maharitra mandavantaona amin’izao fotoana izao. Herintaona lasa teo ho eo izay, dia nanontaniany ilay pretra mpampikaofesy hoe iza no anaran’Andriamanitra. “Andriamanitra dia fitiavana — izany no anarany tsara indrindra”, hoy ilay pretra namaly. Rehefa afaka kelikely, dia izao no nanampiny: “Toy ny kaopy feno rano madio mangarangarana izay nandrarahan’olona ranomainty ianao. Tsy azo sakanana ny vokany.” Azon’i Honorata tamin’izay ny valim-panontaniany. “Nanapa-kevitra ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah àry aho”, hoy i Honorata. “Izany koa dia tsy azo sakanana.”
Saiky ny olona rehetra izay nianatra ny fahamarinana tany Lubaczów dia tsy maintsy niaritra fanoherana mafy, nirehidrehitra mihitsy aza. Tsy nanakana azy ireo tsy handray ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy hiandany amin’i Jehovah anefa izany.
Nitantara toy izao i Elżbieta: “Tamin’ny voalohany dia nikapoka ahy ireo ray aman-dreniko tany an-trano. Avy eo ny fianakaviako dia niditra tampoka tao amin’ny Efitrano Fanjakana. (...) Nitondra ahy nody tany an-trano izy ireo ary nanomboka ‘nampihatra ny rariny’ tamiko tamin’ny fampiasana hazo feno tonony. Voakapoka sy voadaka hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia aho, satria fotsiny niaraka tamin’ny Vavolombelona. Voakapoka mafy aoka izany aho ka nila fitsaboana maika, ka dia nalefa tany amin’ny hopitaly. Nanampy ahy i Jehovah, ka sitrana aho. Nanary ahy ny fianakaviako. Rehefa nilaza izany tamin’ny pretra aho, dia nanambany ahy izy tamin’ny filazana hoe: ‘Izay tehamaina kely izany fotsiny ve dia nahatongavanao mba hitaraina e?’ ”
Izao no tsaroan’ny anabavy iray: “Isan-taona, dia nankany Częstochowa aho, nandohalika nanao ny Lalan’ny Hazo Fijaliana, izay noheveriko fa adidin’ny Katolika tso-po rehetra. Mbola misy holatra aza eo amin’ny lohaliko.” Nianatra ny fahamarinana izy teo amin’ny faha-18 taonany, ary nambarany tamin’ny pretra sy ny fianakaviany fa tsy hiverina any am-piangonana intsony izy. Nokapohina mafy izy — “mafy aoka izany ka voan’ny fikorontanan’ny fiasan’ny atidoha aho”, hoy ny fitantarany. “Tany amin’ny hopitaly anefa, dia ampy fahatanjahana aho mba hanatrehana ny Fivoriamben’ny Distrika ‘Ireo tia fahafahana’. Latsa-dranomaso noho ny hafaliana aho rehefa nahita ny tena firaisan-kina sy fitiavana teo anivon’ny vahoaka iray tsy nirehidrehitra ara-pivavahana — zavatra izay mbola tsy hitako mihitsy teto Częstochowa. Toy inona moa ny hasambarako nanandrana ny hatsaram-pon’i Jehovah sy nianatra nitoky taminy.” Manatanjaka sy manohana izay mametraka ny entany aminy i Jehovah. — Salamo 55:22.
Olona maro be babon’i Babylona Lehibe izao no manaraka ilay antso mba ‘hiala eo aminy’, ao amin’io tany katolika io, toy ny ataon’izy ireo any an-toeran-kafa. Raha izany no sitrapon’i Jehovah, ny vahoakany tsy manan-tahotra dia hanohy hanangona, mbola bebe kokoa ihany, an’ireo “zavatra faniry” izay miparitaka manerana an’i Polonina. Azo antoka fa maro no mbola hamaly ilay antso hoe: “Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” — Apokalypsy 18:4; 22:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 Janoary 1984, pejy faha-16-19, sy 22 Novambra 1987, pejy faha-21-23.
[Sarintany, pejy 24]
(Jereo ny gazety)
POLONINA
Sztum
Poznań
Cracovie
Varsovie
Środa Śląska
Częstochowa
Strzelce Opolskie
Lubaczów
[Sary, pejy 26]
Fitoriana ny hafatr’ilay Fanjakana any Kruszwica, Polonina