Nanaiky Tamin’ny Fotoam-pijinjana Aho
NOTANTARAIN’I WINIFRED REMMIE
“BE NY vokatra, fa ny mpiasa no vitsy”. Ireo tenin’i Jesosy Tompontsika ireo dia natosiky ny fihetseham-po lalina ho an’ny olona izay nampahantraina sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Mahatsapa fihetseham-po mitovy amin’izany aho, ary hatramin’ireo 40 taona lasa, dia miezaka foana manaiky amim-pankasitrahana ny antson’ny Tompo ho amin’ny fijinjana. — Matio 9:36, 37.
Teraka tany Afrika Andrefana aho, tao amin’ny fianakaviana nanan-janaka fito, vavy daholo. Nalemy fanahy ny ray aman-dreninay, kanefa hentitra; tia fivavahana be koa izy ireo. Zavatra tsy azo nanaovana fifampiraharahana mihitsy izany fandehanana miangona sy fanatrehana ny Sekoly Alahady isan-kerin’andro izany. Tamiko, dia tsy zava-nanahirana izany satria tia zavatra ara-panahy aho. Raha ny marina, teo amin’ny faha-12 taonako aho dia voatendry hitarika kilasin’ny Sekoly Alahady.
Fanambadiana sy fisetran-java-tsarotra
Tamin’ny 1941, teo amin’ny faha-23 taonako dia nanambady an’i Lichfield Remmie, mpitana bokim-bola tao amin’ny fitondran-draharahan’ny zanatany aho. Teo amin’ny ara-nofo, dia nanana izahay, saingy ny fitiavana hisetra zava-tsarotra sy ny faniriana hanangona harena ara-nofo no nitondra anay tany Libéria tamin’ny 1944. Nitranga tamin’ny 1950 ny fiovana lehibe teo amin’ny fiainan’ny vadiko, ary teo amin’ny ahy tamin’ny farany, rehefa nifankahita tamin’i Hoyle Ervin, misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Taorian’ny roa tokom-bolana nianarana monja, dia nanomboka nandray anjara tamin’ny asa fitoriana ny vadiko.
Sorena aho rehefa nitsahatra tsy niangona ny vadiko. Tokony hotadidina fa izy dia Protestanta hirihiriny izay nifady hanina mihitsy aza nandritra ny vanim-potoan’ny Herinandro Masina. Nisafoaky ny hatezerana aho tamin’ny nahitako azy voalohany nivoaka hitory, nivimbina kitapo teny an-tanany. “Fa inona ity mahazo anao?”, hoy aho nanontany. “Lehilahy manan-kaja toa anao izao no hivoaka hitory miaraka amin’ireny olona adala ireny!” Tony sady tsy nihontsina izy nandritra io fimenomenonana io.
Ny andro nanaraka izay, dia nitsidika tany an-tranonay Ranadahy Ervin mba hiara-mianatra tamin’i Lichfield. Toy ny nahazatra, dia niseho ho nihatakataka aho nandritra ny fianarana. Angamba noho izany no nanontanian-dRanadahy Ervin raha toa ka tsy nandia fianarana aho. Ahoana hoe? Izaho, tsy nandia fianarana hoe? Izany ka fanevatevana! Hasehoko azy hoe hatraiza no maha-olona nahita fianarana ahy! Halako sarona io fivavahan-diso io!
Fanekena ny fahamarinana
Tsy ela taorian’izay aho dia nahamarika ilay boky hoe Aoka Andriamanitra no ho fantatra fa marina teo ambony latabatra tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny. ‘Mba lohateny mahatsikaiky koa izany’, hoy ny eritreritro. ‘Marina foana Andriamanitra hatrizay hatrizay, sa tsy izany?’ Raha teo am-pamadibadihana ilay boky aho dia nahita vetivety foana antony hiampangana hafa iray. Voalazany fa tsy manana fanahy ny olona, fa izy dia fanahy! Na dia ny alika sy ny saka aza dia fanahy! Tena nahasosotra ahy ilay izy. ‘Fampianarana adaladala re izany!’ hoy ny eritreritro.
Rehefa tonga tao an-trano ny vadiko, dia notoheriko tamim-pahatezerana. “Milaza ireny mpamitaka ireny fa tsy manana fanahy ny olombelona. Mpaminany sandoka ireny!” Tsy niady hevitra ny vadiko, fa namaly tamim-pahatoniana kosa hoe: “Winnie a, ao amin’ny Baiboly anie ny zava-drehetra e.” Tatỳ aoriana, rehefa nasehon-dRanadahy Ervin tamiko tamim-paharetana avy tao amin’ny Baiboliko fa isika dia fanahy ary mety maty ny fanahintsika, dia tankina aho. (Ezekiela 18:4). Ny nahatohina ahy manokana dia ilay andinin-teny ao amin’ny Genesisy 2:7, izay milaza hoe “dia tonga [fanahy velona, NW ] izy [Adama]”.
Endre izany fahadisoako! Nahatsiaro tena ho voafitaky ny klerjy aho ka dia tsy nandeha niangona intsony. Nanomboka nanatrika ireo fivoriana kristiana nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah kosa aho. Tena nanohina ny fo tokoa ny nahita ny fitiavana teo amin’izy ireo! Tsy maintsy ho ny fivavahana marina izy io.
Fijinjana tany amin’ny Tanjon’i Palmas
Telo volana teo ho eo tatỳ aoriana, ny vadiko dia nanana fahafahana hangalatra vola be tao amin’ny orinasa nisy azy — kanefa dia tsy nanao izany izy. Naneso azy toy izao ireo mpiara-miasa taminy: “Ho faty mahantra ialahy, ry Remmie.”
Na dia izany aza, noho izy nanao ny marina, dia nomena fisondrotana izy ary nalefa tany amin’ny Tanjon’i Palmas mba hanokatra birao vaovao tany. Nitory tamin-jotom-po izahay, ary rehefa afaka roa volana monja, dia nanana antokon’olona vitsivitsy liana fatratra tamin’ny hafatry ny Baiboly izahay. Tatỳ aoriana, rehefa nankany an-drenivohitra, tany Monrovia, i Lichfield mba haka vatsy sasany ho an’ilay birao vaovao, dia natao batisa izy. Nangataka fanampiana tamin’ny Fikambanana koa izy mba hikarakarana ireo liana tamin’ny fahamarinana tany amin’ny Tanjon’i Palmas.
Namaly ny Fikambanana tamin’ny fandefasana an-dRanadahy sy ny Rahavavy Faust tany amin’ny Tanjon’i Palmas. Nitondra fanampiana tsy hay tombanana ho ahy ny Rahavavy Faust, ary tamin’ny Desambra 1951, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah aho tamin’ny fanekena hatao batisa. Tapa-kevitra mbola tsy nisy toy izany ny ‘hamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay’ aho izao. (Jaona 4:35, 36). Tamin’ny Aprily 1952, dia nanomboka ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpitory maharitra aho.
Notahin’i Jehovah avy hatrany ny fiezahana nataoko; tao anatin’ny herintaona dia nanampy olona dimy ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa aho. Iray tamin’izy ireny, i Louissa Macintosh, zanak’olo-mpiraitampo tamin’i Atoa W. V. S. Tubman, prezidàn’i Libéria tamin’izany. Natao batisa izy, dia niditra tao amin’ny fanompoana manontolo andro ary nanohy tsy nivadika tamin’Andriamanitra mandra-pahafatiny tamin’ny 1984. Nanao fanambarana imbetsaka tamin’ny prezidà izy.
Nankany amin’ny faritra atsimon’i Buchanan
Tamin’ny 1957, nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny distrika, dia nasaina ho tonga mpitory maharitra manokana izahay mivady. Taorian’ny dinidinika narahim-bavaka, dia nanaiky ny fanendrena anay izahay. Nila volana vitsivitsy i Lichfield mba hamitana ny asa fivelomany tany amin’ny Tanjon’i Palmas, koa lasa nialoha tany amin’ny faritra atsimon’i Buchanan, faritany mbola tsy niasana, aho mba hanokatra ny asa tany.
Teo am-pahatongavana dia nampiantrano ahy ny fianakaviana Maclean. Ny ampitson’iny, araka ny fomba fanao, dia nentina tany amin’ny filoha lefitry ny foko Pele aho. Nandray ahy tamin-kafanam-po ilay filoha sy ny fianakaviany, ary nanao fanambarana tamin’ny antokon’olona vitsivitsy tao an-tranony aho. Tsy latsaky ny olona enina tamin’ireo izay niresahako tamin’izay andro izay, anisan’izany ilay filoha lefitra sy ny vadiny, no tonga Vavolombelona tamin’ny farany.
Tsy ela dia nitarika ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny mpanatrika maherin’ny 20 aho. Voatery niantehitra mafy tamin’i Jehovah aho, ary nomeny ahy ny hery sy fahaizana nilaina mba hikarakarana ny ondriny. Rehefa nahatsiaro tena ho reraka, na tsy ampy fahaizana aho, dia nitadidy tao an-tsaina ireo olona nahatoky fahiny, indrindra fa ireo vehivavy toa an-dry Debora sy Holda izay nanatanteraka tsy nisy tahotra ny fanirahan’i Jehovah azy ireo. — Mpitsara 4:4-7; 2 Mpanjaka 22:14-20.
Tamin’ny Martsa 1958, telo volana monja taorian’ny nahatongavako tany amin’ny faritra atsimon’i Buchanan, dia naharay taratasy fampandrenesana ny amin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, i John Charuk, aho. Nanofa ny ambany rihan’ny trano iray izay omby olona maro be aho. Avy eo dia nankany amin’ny faritra avaratr’i Buchanan aho mba hitsena an-dRanadahy Charuk, nefa tsy tonga izy. Rehefa avy niandry azy hatramin’ny takariva aho, dia niverina tany amin’ny faritra atsimon’i Buchanan, trotraka.
Tany amin’ny misasakalina tany ho any, dia nandre dondòna tao am-baravarana aho. Teo am-panokafana azy, dia tsy ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ihany no tazako, fa ny vadiko koa. Ny fahatongavany tsy nampoizina dia nifanindry tsara tamin’ny an-dRanadahy Charuk. Ahoana no namantaran’izy ireo izay nisy ahy? Nifanena tamina mpihaza iray izy ireo ary nanontany azy raha nahafantatra vehivavy iray izay nitory tamin’ny olona momba an’i Jehovah izy. “Eny”, hoy ny navaliny, ary avy eo dia nitarika azy ireo tany amin’ny toerana nisy ahy izy. Toy inona moa ny hafaliako fa tao anatin’ny telo volana monja naha-tany amin’ny faritra atsimon’i Buchanan ahy, dia namirapiratra aoka izany ny fahazavako! — Matio 5:14-16.
Nahazo tampon’isan’ny mpanatrika 40 izahay nandritra ny fitsidihan-dRanadahy Charuk. Tamin’ny farany dia niorina ny kongregasiona iray niroborobo, ary afaka nanorina Efitrano Fanjakana tsara tarehy izahay. Na dia izany aza, dia tsy hoe tsy sembanin-drahona mihitsy akory ny fiainana. Ohatra, tamin’ny 1963, dia nipoaka ny fanenjehana ara-pivavahana tany Kolahun, ary voasambotra sy natao am-ponja ny vadiko. Nokapohina mafy aoka izany izy ka voatery naiditra hopitaly.
Taoriana kelin’ny nivoahany ny hopitaly, iny taona iny ihany, dia nanao fivoriambe tany Gbarnga izahay. Tamin’ny andro farany, dia nangonin’ny miaramila ny mpanatrika rehetra ary nodidiany hiarahaba ny saina izahay. Rehefa nanda izahay, dia noteren’ireo miaramila hanangana ny tananay sy hijery manatrika ny masoandro. Nikapoka ny sasany taminay tamin’ny vody basiny koa izy ireo. Ho fanampiana mba hitanako ny tsy fivadihako tamin’Andriamanitra, dia nihira anakampo ny hiran’ilay Fanjakana hoe “Aza matahotra azy!” aho. Taorian’izay, dia nataon’ny miaramila tao anatin’ny fonja naloto izahay. Telo andro tatỳ aoriana, dia nafahana ireo vahiny, ary noroahina nankany Sierra Leone i Lichfield sy ny tenako. Ireo Vavolombelona teo an-toerana dia nafahana ny andro nanaraka.
Tombontsoa fanampiny sy valisoa
Notendrena hiasa niaraka tamin’ny Kongregasionan’i Bo, tany atsimon’i Sierra Leone, izahay. Nanompo tany nandritra ny valo taona izahay, talohan’ny namindrana anay tany Njala. Raha tany Njala izahay, dia voatendry hanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tany mpisolo toerana ny vadiko, ary nanana tombontsoa niaraka taminy aho teo am-pirotsahany tamin’io asa io. Avy eo, tany antenatenan’ireo taona 1970, dia notendrena indray tany amin’ny Kongregasionan’i Freetown Atsinanana izahay.
Nandray valisoa tamin’ny fahitana ny maro tamin’ireo olona nampianariko ny Baiboly nanaraka ny fivavahana marina aho. Manan-janaka sy zafikely ara-panahy maherin’ny 60 aho ho toy ny “epistily filazan-tsoa”. (2 Korintiana 3:1). Ny sasany dia voatery nanao fiovana lehibe dia lehibe, sahala amin’i Victoria Dyke izay mpaminanivavy tao amin’ny antokom-pivavahana Aladura. Taorian’ny fandinihana ny 1 Jaona 5:21, dia nariany tamin’ny farany ireo ody sy zavatra natao hivavahana maro be nananany. Nanamarika ny fanolorany tena tamin’ny batisa izy, ary farany dia tonga mpitory maharitra manokana, nanampy olona maro tamin’ny fianakaviany mba hanaiky ny fahamarinana.
Namoy ny vadiko aho tamin’ny Aprily 1985, volana vitsivitsy monja talohan’ny faha-44 taonan’ny fitsingerenan’ny fampakaram-badinay. Tsy navela ho irery anefa aho. Manohy manompo an’i Jehovah, ilay Mpanampy ahy aho amin’ny maha-minisitra manontolo andro. Ary mahatsapa fatorana manokana amin’ireo izay nampiako ka tonga amin’ny fahafantarana Azy aho. Havana amin’ny heviny manokana izy ireny. Tiako izy ireo ary tia ahy izy. Rehefa marary aho, dia mailaka izy ireo mikarakara ahy, ary mazava ho azy fa manampy azy ireo koa ny tenako.
Tsy misy isalasalana fa raha voatery hamerina izany rehetra izany indray aho, dia handray amim-pifaliana ny antsy fijinjako ary hirotsaka ao amin’ny fijinjana amin’ny maha-mpiara-miasa amin’i Jehovah ahy.
[Sary, pejy 23]
Winifred Remmie amin’izao fotoana izao