Mahatratra Ireo Faritra Ambanivohitra Atsy Afrika Atsimo ny Vaovao Tsara
VAHOAKA tezitra sy pôlisy mpandrava fihetsiketsehana ary gaza mandatsa-dranomaso. Tao anatin’ireo taona faramparany, dia rotidrotiky ny fifamelezana toy izany ireo tanàna sy tanàn-dehibe afrikana tatsimo. Na dia ireo faritra ambanivohitra mahafinaritra aza — izay onenan’ny 40 isan-jato mahery amin’ny mponina any — dia tsy afa-niala tamin’ny fandravan’ny herisetra ara-politika. Teo anivon’izany rehetra izany anefa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanohy nanambara “ny vaovao tsaran’ny fiadanana.” — Efesiana 6:15, MN.
Hatramin’ny taona maro, ireo Vavolombelona dia manatontosa fandaharam-pitoriana manokana mandritra ny telo volana isan-taona, natao indrindra ho an’ireo mponina any ambanivohitra. Ohatra, tamin’ny 1990 dia nisy mpitory ilay Fanjakana maherin’ny 12 000 avy any amina kongregasiona 334 nandray anjara tamin’ilay fandaharana. Mazava ho azy fa misy vato misakana maro be tsy maintsy resena mba hanatratrarana ireny mponina ambanivohitra miparitaka any amin’ny faritra atsimon’i Afrika ireny.
Ankoatra ny zavatra hafa, dia tsy maintsy miatrika karazana kolontsaina sy fiteny maro be ireo Vavolombelona. Ary fifangaroan-javatra toy inona moa izany! Ohatra, misy mpamboly miteny anglisy sy afrikaans ary koa pedi, sotho, tsonga, tswana, venda, xhosa, ary zoloa. Ny antokon’olona tsirairay dia samy manana kolontsaina amam-piteny mampiavaka azy. Ao koa ireo lalana lavitra ezaka sady mikitoantoana. Izany rehetra izany dia mitaky fitiavana fahafoizan-tena ary fandaniana fotoana sy vola be dia be. Kanefa nitahy be dia be ny fiezahana natao i Jehovah. Mamelà anay hiresaka kely aminareo ny amin’ireo zava-tsarotra sy fahombiazana hitan’io endrika tsy manam-paharoan’ny asa fitoriana io. — Ampitahao amin’ny Malakia 3:10.
“Sekoly alahady” iray tany amin’ny tanin’ny Zoloa
Any afovoany indrindra amin’ny tanin’ny zoloa manakaiky ny trôpika no misy ny lohasaha lalin’ny Reniranon’i Umvoti. Avy eo amin’ireo hantsana ny tena, dia afaka mahita vondrona trano bongo (trano fonenana) zoloa mitafo bozaka miitatra mankany lavitra. Indray alahadin’ny 1984, dia nisy mpitory ilay Fanjakana roa tonga tao amin’ny lohasaha eo amin’ny lalana iray miolikolika sady be vovoka. Sady mahamay no mando aoka izany any, hany ka nomena anaram-bosotra hoe Kwa-Sathane (toeran’i Satana) ilay faritra — izany dia tena firesahana an-kolaka ny amin’ny foto-pampianaran-diso momba ny afobe arehitry ny Devoly!
Kotsan’ny hatsembohana ireo rahalahy raha nanatona vehivavy iray atao hoe Doris, izay teo am-pitarihana fianarana Sekoly alahady. Rehefa avy nihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana i Doris, dia nanasa avy hatrany ireo Vavolombelona mba hiresaka mivantana amin’ilay antoko-mpianany voaforon’ny zatovo 40 teo ho eo. Inona no vokany? Niverina ireo rahalahy ny herinandro nanaraka, nitondra 70 tamin’ilay zavatra vita an-tsoratra hoe Ny bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly mba hampiasaina tao amin’ilay sekoly eo an-toerana. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, dia niova ny rivo-piainana tao amin’ilay sekoly alahady ka tonga sahala amin’ny rivo-piainana ao amin’ny antoko-mpianatra ny Baiboly. Tsy ny hiram-piangonana intsony fa ny hiran’ilay Fanjakana no nohiraina tamin’ny fomba afrikana, nisy rindram-peo voajanahary nahafinaritra. Tsy ela ilay antokon’olona teo dia niisa ho 60 mahery. Nihiaka toy izao ny rahalahy iray: “Fanandraman-javatra mampientana toy inona moa ny fandraisana anjara tamin’ny fanovana io Sekoly alahady io ho toeran’ny fanompoam-pivavahana marina!”
Tany amin’ny tany lavavolo be vovoka
Koa satria tafiditra ao amin’ny fikorontanana ara-politika ireo fiangonana, dia mpiompy fotsy hoditra maro be no maodimaody na miahiahy mihitsy aza na iza na iza manatona azy ireo mitondra hafatra avy ao amin’ny Baiboly. Mariho ity fitantarana ity, izay nataon’ny antokon’olona iray avy any Johannesburg, nanao dia lavitra 640 kilaometatra mba hitory ny vaovao tsara tany amin’ny faritra iray any Transvaal.
“Mandeha mianavaratra mamakivaky ny tany lavavolo mikitoantoana mandritra ny efa ho adiny efatra izahay izao. Misy toa rano mihelohelo eo amin’ilay lalana mahitsy manjelajelatra eo ambanin’ny masoandro afrikana. Tampoka teo, dia nifarana ilay lalana misy karaobato ary manomboka ny lalan-tany feno dian-kodiarana sy lavadavaka. Rehefa ela ny ela, dia nisy lalana be fasika iray nitarika anay hatreo amin’ny toeram-piompiana sy fambolena iray.
“ ‘Manao ahoana, Meneer [ramose],’ hoy izahay niarahaba ny mpiompy iray vaventy.
“ ‘Manao ahoana’, hoy ny valinteniny hentitra. ‘Ahoana izay?’
“Rehefa avy nampahafantatra ny tenanay izahay, dia nanazava ny anton’ny fitsidihanay. Zara raha tafavoaka ny vavanay ireo teny dia nikiakiaka izy hoe: “Efa nampitandrina ahy ny aminareo ny dominee-nay [pasiteranay]! Kominista sady antikristy daholo ianareo. Mivoaha ny tanànako miaraka amin’ny vava ianareo alohan’ny (...)!’
“Asehon’ny bikabikan’ilay mpiompy fa mety hahery setra izy amin’ny fotoana rehetra. Koa tsy nisy azonay natao afa-tsy ny nanapa-kevitra ny handeha ary ‘nanintsana ny vovoka tamin’ny tongotray’. (Matio 10:14). Ampy hanaovana toy izany tokoa ny vovoka ara-bakiteny.
“Tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana nanaraka, dia tsy nisy hafa tamin’izany ny valinteny azo. Avy eo dia fantatray fa hay nampiasain’ilay Holanday, pasiteran’ny fiangonana “Reformée” nonina tao ny telefaonina teo an-toerana mba hampitandremana ‘ny andian’ondriny’ ny amin’ny ‘loza’ mananontanona eo amin’ny manodidina. Tamin’ny farany izahay dia sendra mpiompy iray izay, na dia tsy naneho fahalianana aza ny tenany, dia niteny hoe: ‘Eny, afaka miresaka amin’ireo mpiasako ianareo.’
“Izay ihany no nandrasanay. Nisy trano bongo kely tsotsotra tokony ho folo teo ho eo nitangorona teo akaikin’ny hazo akasia vitsivitsy. Nahatsikaritra maso liana nanarangarana avy tao anatin’ireo trano bongo izahay rehefa namelatra antontan-javatra vita an-tsoratra nalamina tsara teo ambonin’ny rakotry ny fiaranay. Antontana Baiboly iray, antontany hafa iray tamin’ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, antontany iray tamin’ny Ny bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly, ary bokikely isan-karazany no nahaforona ireo zavatra naseho. Nisy ankizilahy iray tao an-tanàna nihazakazaka nampandre ireo mponina tao ny amin’ny fahatongavanay. Tsy ela dia nisy vahoaka tokony ho 30 teo ho eo tafavory nanodidina ilay fiara mba hihaino ny hafatra.
“Nisy toriteny efa noraisim-peo nialoha nalefa hohenoin’izy ireo tamin’ny fiteny Tswana. Toy inona moa ny hafalian’ireo olona ireo nandre ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanantenana paradisa tamin’ny fiteniny! Velona ny resadresaka feno fahataitairana rehefa natolotra ireo zavatra vita an-tsoratra. Poatoizay dia tsy naharaka intsony ireo zavatra napetrakay. Nisy lahiantitra iray izay aza nandrotsaka fanomezana ho an’ny fandraisam-peo. Nahatsapa ho tohina lalina izahay satria hita taratra tamin’ny lafiny madinika maro — tsiky menamenatra sy fikasihana kely ary ‘misaotra, tompoko’ malemilemy — ny fankasitrahan’ny olona ny vaovao tsara.
“Avy hatrany ireo ankizy dia nahaforona laharana tsy nahitsy ary niredona hira vako-drazana fanaovam-beloma iray. Tampoka teo, dia nanjary tsy nampaninona ireo lalana be vovoka sy lavaka navelan’ny kodiarana ary ireo fandavana sendra anay tsindraindray. Mendrika ny nanaovana ny fiezahana madinika rehetra ilay izy!”
Mamoaka lalàna ny lehibe iray!
Nahazo fanendrena hitory any amin’ny faritra misy foko iray any akaikin’ny tanànan’i Piet Retief, any atsinanana, ny kongregasiona iray avy any Soweto. Ny fomban-tany any dia mandidy ny hilazan’ny mpitsidika iray, voalohany indrindra, ny asa aman-draharahany amin’ny induna (lehibe) ao amin’ilay faritra aloha. Nanaiky ilay fandaharana ireo rahalahy. Toy inona moa ny fahagagana rehefa nandray azy ireo tamin-kafanana ilay lehibe ary nanolotra azy ireo filasiana tao aminy mihitsy aza! Ambonin’izany, dia nampiasa ny fitombo-kaseny manokana izy, ary nanoratra filazana fampahafantarana ho an’ireo mpitory mba hoentiny isam-baravarana. Milaza toy izao ilay izy: “Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra ireto. Ampandrosoy izy ireo, ary henoy izay lazainy.”
Nanome hery aoka izany ny vokatra azo, hany ka nanao fandaharana ireo Vavolombelona hanaovana lahateny ampahibemaso iray teo amin’ny tokotanin’ny tranon’ilay lehibe ny alahady tolakandro. Feno ilay “efitrano” ankalamanjana ary natomboka sy nofaranana tamin’ny hira sy ny vavaka ilay fivoriana. Nisy fanandraman-javatra toy izany niaraka tamin’ireo olona nanana fironana tsara nahitanay fifaliana tany amin’ny faritra ambanivohitra hafa.
Anisan’ireo olona toy izany i Nathaniel, tao amin’ny vohitra kely iray any Pitsedisulejang, any amin’ny faritra antsisiny iray asian’ny haintany any Bophuthatswana. Mpanentana ho amin’ny fampandrosoana ny fokonolona izy ary miasa amin’ny fandaharana iray natao hampianarana ny olona eo an-toerana mba hamokarany betsaka kokoa. Nanonofinofy ny hanova io tany ngazana io ho tonga paradisa izy. Nony nahafantatra anefa izy fa ho tonga tsy ho ela ny paradisa iray haneran-tany, dia nibaliaka ny masony. Nanoratra tamim-paharisihana izay andinin-teny rehetra nasehon’ireo mpitory taminy izy. Vetivety i Nathaniel dia nifandray tamin’ny kongregasiona akaiky azy indrindra, tokony ho 30 kilaometatra avy eo amin’ny misy azy.
Fanampiana tamim-pifaliana ireo mpikatsaka ny fahamarinana maro be
“Nasehon’i Jehovah anay fa tsy misakana ny olona iray noana ara-panahy tsy hianatra ny fahamarinana mihitsy ny fahantrana”, hoy i Monika, izay mpitory maharitra na mpitory ilay Fanjakana manontolo andro. Izy dia anisan’ny antoko-mpitory maharitra iray nitory isan-toeram-piompiana sy fambolena namakivaky ny lemaka midadasiky ny fanjakan’i Orange Free any amin’ny faritra afovoan’ilay tany. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’ireo mpitory maharitra izay nandany hery tamin’ny fitondrana ny vaovao tsara tany amin’ireny olona ireny? “Iza no afaka hanombana ny vidin’ny zavatra niainanay?” hoy izy ireo namaly. Novalian-tsoa lehibe ara-panahy tokoa ireo mpitory maharitra ireo noho ny fiezahany.
Na dia ny tsy fahaizana mamaky teny aza dia tsy mahasakana ny olona iray noana ara-panahy tsy hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Soratra masina. Ilay bokikely feno sary tsara tarehy hoe Mifalia amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay! no tena noraisin’ireo tsy mahay mamaky teny na zara fa mahay izany. Ny tanora sy ny antitra dia samy voasinton’ireo sary miloko momba ny paradisa. Nanao fanamarihana toy izao ny mpiasa manontolo andro iray manampy amin’ny fanontana an’io boky io: “Io bokikely io dia manampy ny olona hahita ny paradisa araka ny tena izy ary mampitombo ao aminy ny fanajana sy ny tahotra voajanahary ny Baiboly.”
Noho io antony io ihany, dia fantatr’olona aoka izany ilay boky hoe Ny bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly. Tany amin’ny faritra misy foko iray lavitra any Lebowa, dia gaga ny anabavintsika ara-panahy roa nahita fa nisy lahiantitra somary efa jamba sy ny vadiny, nanana iray tamin’io boky io amin’ny fiteny Sepedi. Nampiasa azy io ho boky fampianarany ireo ankizy tao an-tanàna ilay mpivady. Raha ny marina, dia sady efa nianarana no efa voatsipika imbetsaka tokoa ilay boky, hany ka efa miharovitra ilay izy. Toy inona moa ny hafalian’izy ireo nahazo boky iray vaovao!
Araka izany, dia manome fahafahampo filana lehibe ireo zavatra vita an-tsoratry ny kristiana marina amin’ny fanampiana ireo noana ny fahamarinana. Mahaliana fa ampahany lehibe amin’ny zavatra vita pirinty rehetra amin’ireo fiteny maro eo an-toerana any amin’ny faritra atsimon’i Afrika no vitan’ny Fikambanana Watch Tower. Tamin’ny 1990 fotsiny, dia boky sy bokikely ary gazety 113 529 navoakan’ny Fikambanana no nozaraina tany amin’ireo faritra ambanivohitra atsy Afrika Atsimo.
Ny vokatra azo avy tamin’ny asa mafy
Moa ve ireny fanandraman-javatra tsara dia tsara sy fametrahana zavatra vita an-tsoratra ireny nitondra vokatra naharitra tany amin’ireo faritra ambanivohitra atsy Afrika Atsimo? Azo antoka fa izany tokoa. Hatramin’ny 1989, dia kongregasiona efatra sy antokon’olona mitokana sivy no niforona, ka izany dia vokatra mivantana avy amin’ny fitoriana ny vaovao tsara tany amin’ireo faritra ambanivohitra atsy Afrika Atsimo. Mpitory maharitra manokana vonjimaika sy mpitory maharitra mandavantaona no nitarika ny ampahany lehibe tamin’io asa io.
Tadidinao ve i Doris sy ny sekoly alahadiny tao amin’io lohasaha lavitra be any amin’ny tanin’ny Zoloa io? Amin’izao andro izao, dia Vavolombelon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa izy. Ankoatra izany, dia misy antokon’olona mitombo voaforon’ny mpitory sivy manohy manao fandrosoana ara-panahy any. Misy vaovao maro be manatrika ireo fivoriana atao ao an-tranon’i Doris, ary olona fito nampiany hianatra ny Baiboly no vita batisa tamin’ny fivoriamben’ny distrika natao tany Durban, tamin’ny 1990.
Ny vokatra toy izany dia fandrisihana mampientana ho an’ireo mpitory atsy Afrika Atsimo. Raisin’izy ireo am-po ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra.” (Galatiana 6:10). Eny, ireo mpanompon’i Jehovah dia vonona ny hanatratra ny olona rehetra manana fo mahitsy, anisan’izany ireo izay monina any amin’ny faritra ambanivohitra any amin’io “faritra lavitra amin’ny tany” io. — Asan’ny apostoly 1:8.
[Sarintany/Sary, pejy 24]
(Jereo ny gazety)
Lebowa
TRANSVAAL
Soweto
Piet Retief
Bophuthatswana
FANJAKAN’I ORANGE FREE