Ny Fifehezan-tena — Nahoana Izy Io no Zava-dehibe Aoka Izany?
“Manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po [fifehezan-tena, MN].” — 2 PETERA 1:5, 6.
1. Fampisehoana fifehezan-tena ara-batana nahatalanjona inona no hita tamin’ny taonjato faha-19?
TSY misy isalasalana fa ny iray amin’ireo fomba mahatalanjona indrindra nisehoan’ny fifehezana ny vatana dia hita tamin’i Charles Blondin, tamin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faha-19. Araka ny filazana iray, dia niampita ireo rian-dranon’i Niagara imbetsaka izy, ny voalohany tamin’ny 1 859 teo ambonin’ny tady nanify iray 340 metatra ny halavany ary 50 metatra avy teo ambonin’ilay rano. Taorian’izay, dia namerina izany izy, saingy tamin’ny fampisehoana lafiny hafa foana tamin’ny fahaizany: nitampi-maso, tao anaty gony, nanosika labroety, tamin’ny fampiasana tongo-kazo ary nibaby olona iray. Tamin’ny tarehin-javatra iray hafa izy dia nanao tsingolobatita nampiasa tongo-kazo teo ambonin’ny tady iray 52 metatra avy teo ambonin’ny tany. Nitaky fifehezan-tena ara-batana faran’izay lehibe ny fihazonana izany fifandanjana izany. Ho setrin’izany, dia sady nahazo laza no nahazo harena i Blondin ho valisoany.
2. Karazana asa hafa inona avy koa no mitaky fifehezana ny vatana?
2 Na dia vitsy aza ireo izay zara raha hanakaiky ny fanahafana izany fampisehoana izany, dia miharihary amintsika rehetra ny maha-zava-dehibe ny fifehezan-tena ara-batana eo amin’ny fampiasana ireo fahaizana manokana na eo amin’ny fanatanjahan-tena. Ohatra, rehefa niresaka ny amin’ny fahaizan’ilay mpitendry piano nalaza efa nody mandry atao hoe Vladimir Horowitz, ny mpanao mozika iray dia nilaza hoe: “Ny zavatra tena nambabo ahy indrindra dia ny fahitana fampiharana fifehezana tamin’ny fomba feno (...), ny fahitana fa nisy hery goavana voafehy tanteraka.” Ny filazana iray hafa momba an’i Horowitz dia niresaka ny amin’ireo “valopolo taona nanidintsidinan’ireo rantsantanany hainy nofehezina tanteraka”.
3. a) Inona no karazana fifehezana sarotra indrindra, ary lazaina ho inona ny hevitra omena azy io? b) Inona no hevitry ny teny grika nadika hoe “fifehezan-tena” ao amin’ny Baiboly?
3 Mitaky ezaka be ny fambolena fahaizana toy izany. Zava-dehibe kokoa sy sarotra kokoa anefa ny fifehezan-tena. Ny hevitr’izy io dia nolazaina ho “ny fifehezana ampiharina amin’ireo hery, fihetseham-po na faniriana ao anatin’ny tenantsika.” Ao amin’ny Soratra grika kristiana, ny hevitry ny teny nadika hoe “fifehezan-tena” ao amin’ny 2 Petera 1:6 (MN) sy ny andininy hafa dia nolazaina ho “ny toetra tsaran’ny olona iray izay mahay mamolaka ireo faniriany sy firehetan’ny fony, indrindra fa ireo filan’ny nofony.” Nantsoina hoe “ny fara tampony eo amin’ny zava-bitan’olombelona” ny fifehezan-tenan’ny isam-batan’olona.
Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fifehezan-tena
4. Vokatra ratsy inona avy no nojinjaina noho ny tsy fananana fifehezan-tena?
4 Endrey izany vokatra nojinjaina noho ny tsy fisian’ny fifehezan-tena! Ny fahasahiranana maro be maneran-tany amin’izao andro izao dia avy amin’ny tsy fisian’ny fifehezan-tena voalohany indrindra. Tena marina fa miaina amin’ny ‘andro farany sarotra setraina’ isika izao. ‘Tsy manana fifehezan-tena’ ny olona, matetika noho ny faniriana mihoa-pampana, izay ny ‘fitiavana ny fahafinaretana, fa tsy ny fitiavana an’Andriamanitra’ no endrika iray isehoany. (2 Timoty 3:1-5, MN). Izany fahamarinana maha-velom-pisainana izany dia vao mainka nanjary nazava tamintsika noho ny fanesorana olona nania maherin’ny 40 000 tsy hiaraka amin’ny kongregasiona kristiana intsony, nandritra ny taom-piasana lasa, ka noho ny fitondrantena tena ratsy ny ankamaroany. Ny isan’ireo dia tsy maintsy anampiana ny an’ireo olona maro nomena fananarana, ny ankamaroany noho ny fahalotoam-pitondrantena teo amin’ny lahy sy ny vavy, fa ny rehetra dia noho ny tsy fanehoana fifehezan-tena. Maha-velom-pisainana koa ny namoizan’ny loholona efa hatramin’ny ela sasany ny tombontsoany rehetra amin’ny maha-mpiandraikitra, noho izany antony izany ihany.
5. Amin’ny ohatra inona no azo ampisehoana ny maha-zava-dehibe ny fifehezan-tena?
5 Azo aseho amin’ny ohatry ny fiarakodia ny maha-zava-dehibe ny fifehezan-tena. Manana kodiarana efatra izay ahafahany mihetsika, izy io, môtera matanjaka iray izay afaka mampihodina ireo kodiarana ireo haingana tokoa, ary fihisatra (freins) izay afaka mampijanona azy ireo. Kanefa mety hisy loza hitranga raha tsy misy olona eo amin’ny toeran’ny mpamily mba hanapa-kevitra ny amin’izay tokony halehan’ireo kodiarana, ny hafainganam-pihodinan’izy ireo ary ny fotoana hijanonany, amin’ny fampiasana amim-pahaiza-mifehy ny familiana, ny fanafainganana ary ireo fihisatra.
6. a) Fari-pitsipika inona momba ny fitiavana no azo ampiharina tsara amin’ny fifehezan-tena? b) Torohevitra fanampiny inona no tsy maintsy tadidintsika ao an-tsaina?
6 Tsy ho tafahoatra ny hanantitranterana ny maha-zava-dehibe ny fifehezan-tena. Izay nolazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 13:1-3 momba ny maha-zava-dehibe ny fitiavana dia azo lazaina tsara koa momba ny fifehezan-tena. Na manao ahoana na manao ahoana fahaizantsika miteny amin’ny maha-mpandahateny ampahibemaso antsika, na manao ahoana na manao ahoana habetsahan’ny fahalalana sy ny finoana mety ho azontsika avy amin’ny fahazarana mianatra tsara, na manao ahoana na manao ahoana asa mety hataontsika mba hanasoavana ny hafa, raha tsy maneho fifehezan-tena isika, dia very maina foana izany rehetra izany. Tokony hotadidintsika ao an-tsaina ireo tenin’i Paoly manao hoe: “Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo. Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena [maneho fifehezan-tena, MN] amin’ny zavatra rehetra.” (1 Korintiana 9:24, 25). Manampy antsika haneho fifehezan-tena amin’ny zavatra rehetra ny fampitandreman’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 10:12 manao hoe: “Izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.”
Ohatra fampitandremana
7. a) Tamin’ny fomba ahoana no nampidiran’ny tsy fananana fifehezan-tena ny taranak’olombelona teo amin’ny lalana tsy mitsaha-mitambotsotra? b) Ohatra hafa ny amin’ny tsy fananana fifehezan-tena tany aloha inona avy no omen’ny Soratra masina antsika?
7 Tamin’ny famelana ny fihetseham-pony, fa tsy ny sainy, hanapaka eo amin’ny zavatra nataony, dia tsy nahavita naneho fifehezan-tena i Adama. Ho vokatr’izany, dia ‘nidiran’ny ota izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana’. (Romana 5:12). Ny famonoana olona voalohany koa dia noho ny tsy fananana fifehezan-tena, satria efa nampitandrina an’i Kaina toy izao i Jehovah Andriamanitra: ‘Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Mamitsaka eo am-baravaranao ny ota, ary hahavita hanapaka azy ve ianao?’ Satria tsy nahavita nanapaka ny ota i Kaina, dia namono an’i Abela rahalahiny izy. (Genesisy 4:6-12, MN). Ny vadin’i Lota koa dia tsy nahavita naneho fifehezan-tena toy izany. Tsy naharitra ny fakam-panahy hiherika tsotra izao izy. Inona no vidin’ny tsy fananany fifehezan-tena? Ny ainy mihitsy! — Genesisy 19:17, 26.
8. Ny zava-nitranga tamin’ny lehilahy telo tamin’ny andro fahiny iza avy no manome fampitandremana antsika raha ny amin’ny ilàna fifehezan-tena?
8 Namoy ny fizokiana i Robena, zanaka lahimatoan’i Jakoba, noho ny tsy fananany fifehezan-tena. Nandoto ny farafaran-drainy izy tamin’ny fananana firaisan’ny lahy sy ny vavy tamin’ny iray tamin’ireo vaditsindranon’i Jakoba. (Genesisy 35:22; 49:3, 4; 1 Tantara 5:1). Satria i Mosesy tsy nahatsindry ny fahatezerany noho ireo Isiraelita nitsapa azy tamin’ny fimonomononany sy ny fitarainany ary ny fikomiany, dia nolavina taminy ny tombontsoa niriny mafy hiditra ny Tany nampanantenaina. (Nomery 20:1-13; Deoteronomia 32:50-52). Na dia i Davida mpanjaka nahatoky aza, ‘lehilahy araka ny fon’Andriamanitra’, dia tafalatsaka tao anatin’ny zava-nanahirana lalina noho ny tsy fananany fifehezan-tena indray mandeha. (1 Samoela 13:14; 2 Samoela 12:7-14). Ireo ohatra rehetra ireo dia manome antsika fampitandremana mahasoa ny amin’ny ilàntsika hanehoana fifehezan-tena.
Izay ilaintsika hofehezina
9. Andinin-teny sasantsasany inona avy no mampisongadina ny maha-zava-dehibe ny fifehezan-tena?
9 Voalohany indrindra, dia tafiditra amin’ny tokony hanehoantsika fifehezan-tena ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika. Matetika ireo dia aseho ara-panoharana ao amin’ny Soratra masina amin’ny teny hoe “fo” sy “voa”. Izay ampifantohantsika ny saintsika dia, na hanampy antsika, na hanakana antsika eo amin’ny ezaka ataontsika mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah. Ilaintsika ny fifehezan-tena raha tiantsika ny hanaraka ny torohevitry ny Soratra masina hita ao amin’ny Filipiana 4:8, 9 (MN), ny amin’ny tsy tokony hitsaharana hihevitra izay zavatra marina sy madio ary mendrika. Naneho fihetseham-po mitovy amin’izany tao amin’ny vavaka i Davida mpanao salamo, tamin’ny filazana hoe: “Aoka (...) ny fisainan’ny foko (...) hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.” (Salamo 19:14). Ny didy fahafolo — ny amin’ny tsy tokony hitsiriritana izay ananan’ny namana — dia nitaky fifehezana ny eritreritry ny tena. (Eksodosy 20:17). Nampisongadina ny maha-zava-dehibe ny hifehezana ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Izay rehetra [tsy mitsahatra, MN] mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.” — Matio 5:28.
10. Andinin-teny ao amin’ny Baiboly inona avy no manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny tokony hifehezana ny resaka ataontsika?
10 Tafiditra amin’ny tokony hanehoantsika fifehezan-tena koa ireo tenintsika, ny resaka ataontsika. Maro be ireo andinin-teny manoro hevitra antsika mba hifehy ny lelantsika. Ohatra: “Andriamanitra dia any an-danitra ary hianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.” (Mpitoriteny 5:1 [2, MN]). “Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no hendry.” (Ohabolana 10:19). “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana (...) Esory aminareo (...) ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolom-po rehetra.” Ary nanohy ny teniny i Paoly tamin’ny fanoroana hevitra mba hanesorana ireo resaka adaladala sy vazivazy vetaveta. — Efesiana 4:29, 31; 5:3, 4, MN.
11. Amin’ny fomba ahoana no iresahan’i Jakoba momba ny zava-manahirana ny amin’ny fifehezana ny lela?
11 I Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, dia manameloka ny resaka tsy voafehy ary mampiseho ny maha-sarotra ny fifehezana ny lela. Hoy izy: “Ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ny antontan-kazo arehitry ny afo kely! Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin’ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo [Gehena, MN] izy. Fa folaka avokoa ny karazan’ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny; fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty. Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’Andriamanitra. Ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.” — Jakoba 3:5-10.
12, 13. Andinin-teny sasantsasany inona avy no mampiseho ny maha-zava-dehibe ny tokony hifehezana ireo zavatra ataontsika sy ny fitondrantenantsika?
12 Mazava ho azy fa tafiditra amin’ny tokony hanehoantsika fifehezan-tena ireo zavatra ataontsika. Ny lafin-javatra iray ilàna fifehezan-tena lehibe dia ny fifandraisantsika amin’ireo tsy lahy na tsy vavy tahaka antsika. Nomena izao baiko izao ny kristiana: “Mandosira ny fijangajangana.” (1 Korintiana 6:18). Ampirisihina ireo lehilahy manambady mba hametra ny faniriany eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy ho amin’ny vadiny ihany, satria nilazana toy izao, ankoatra ny zavatra hafa, izy ireo: “Misotroa rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao ihany, sy rano miboiboika avy amin’ny fantsakanao.” (Ohabolana 5:15-20). Ilazana mazava tsara isika fa “ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra”. (Hebreo 13:4). Ilain’ireo izay maniry hitoetra ho mpitovo indrindra ny fifehezan-tena. — Matio 19:11, 12; 1 Korintiana 7:37, MN.
13 Namintina ilay raharaha manontolo momba izay tokony hataontsika amin’ny mpiara-belona amintsika i Jesosy rehefa nanome ilay antsoina hoe “Ny Fitsipika volamena” ka nilaza hoe: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.” (Matio 7:12). Marina tokoa fa ilàna fifehezan-tena ny tsy famelana ny fironantsika feno fitiavan-tena, na ireo fanerena na fakam-panahy avy any ivelany, hahatonga antsika hitondra ny hafa amin’ny fomba hafa noho ny hitiavantsika hitondran’izy ireo antsika.
14. Torohevitra inona no omen’ny Tenin’Andriamanitra momba ny hanina sy ny fisotro?
14 Avy eo, dia eo koa ny fifehezan-tena raha ny amin’ny hanina sy ny fisotro. Nanome izao torohevitra feno fahendrena izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena.” (Ohabolana 23:20). Momba ny andro misy antsika indrindra, dia nampitandrina toy izao i Jesosy: “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.” (Lioka 21:34, 35). Eny, tafiditra amin’ny tokony hanehoantsika fifehezan-tena ireo eritreritsika sy fihetseham-pontsika ary koa ireo teny sy zavatra ataontsika.
Nahoana ny fifehezan-tena no zava-tsarotra aoka izany
15. Ahoana no ampisehoan’ny Soratra masina ny maha-tena misy ny fanoheran’i Satana ny fanehoan’ny kristiana fifehezan-tena?
15 Tsy tonga mora foana ny fifehezan-tena satria, araka ny efa fantatry ny kristiana rehetra, dia misy hery matanjaka telo mijoro hanohitra ny fanehoantsika fifehezan-tena. Voalohany aloha, dia eo i Satana sy ireo demoniany. Tsy mamela antsika ho ao anatin’ny fisalasalana velively ny Soratra masina raha ny amin’ny maha-tena misy azy ireo. Mamaky araka izany isika fa ‘niditra tao amin’i Jodasy i Satana’ talohan’ny nandehanany hamadika an’i Jesosy. (Jaona 13:27). Nanontany an’i Ananiasy ny apostoly Petera hoe: “Nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina?” (Asan’ny apostoly 5:3). Tena mety indrindra koa ny fampitandreman’i Petera manao hoe: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.” — 1 Petera 5:8.
16. Nahoana ny kristiana no tsy maintsy maneho fifehezan-tena raha ny amin’ity tontolo ity?
16 Eo amin’ny ezaka ataony mba hanehoana fifehezan-tena, dia tsy maintsy miady amin’ity tontolo ity izay “mipetraka eo amin’ilay ratsy”, izany hoe i Satana Devoly, koa ny kristiana. Momba izany, dia nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” Raha tsy maneho fifehezan-tena isika ka tsy manohitra mafy izay rehetra mety ho fironana ho tia ity tontolo ity, dia ho latsaka eo ambany fitaomany, toy ny nanjo an’i Demasy, mpiara-miasa tamin’i Paoly teo aloha. — 1 Jaona 2:15-17; 5:19; 2 Timoty 4:10.
17. Teraka nanana zava-manahirana momba ny fifehezan-tena inona moa isika?
17 Amin’ny maha-kristiana antsika, dia mila fifehezan-tena koa isika raha tiantsika ny handresy amin’ny ady ataontsika amin’ireo fahalemena sy kileman-toetra ara-nofo nolovan’ny tenantsika. Isika dia tsy afaka ny handositra ny fahamarinan’ny hoe “ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany”. (Genesisy 8:21). Toa an’i Davida mpanjaka, dia ‘tamin’ny heloka no niterahana antsika, ary tamin’ny fahotana no torontoronina antsika ny renintsika’. (Salamo 51:5). Tsy mahafantatra na inona na inona momba ny fifehezan-tena ny zazakely vao teraka. Rehefa mila zavatra izy dia tsy manao afa-tsy ny mitomany mandra-pahazoany izany. Nanambara toy izao ny tatitra iray momba ny fitaizana zaza: ‘Hafa dia hafa amin’ny fomba fisainan’ny olon-dehibe ny an’ny ankizy. Mifantoka amin’ny tenany ihany ny ankizy ary matetika dia tsy mandaitra eo aminy ny fandresen-dahatra mifandrindra tsara indrindra, satria tsy mahay “mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa” izy ireny.’ Tena marina fa “miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana”. Kanefa, noho ny fampiharana “ny tsorakazo famaizana”, dia hianatra miandalana izy fa misy fitsipika tsy maintsy ankatoaviny, ary koa fa tsy maintsy resena ny fitiavan-tena. — Ohabolana 22:15.
18. a) Araka ny nolazain’i Jesosy, fironana inona avy no mitoetra ao amin’ny fontsika ara-panoharana? b) Tenin’i Paoly inona avy no mampiseho fa fantany tsara ny zava-manahirana momba ny fanehoana fifehezan-teny?
18 Eny, ny fironantsika feno fitiavan-tena nolovana dia zava-tsarotra tsy maintsy resentsika raha maniry haneho fifehezan-tena isika. Ireo fironana ireo dia ao amin’ny fontsika ara-panoharana, izay nasian’i Jesosy fitenenana hoe: “Avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy.” (Matio 15:19). Izany no antony nanoratan’i Paoly toy izao: “Tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.” (Romana 7:19, 20). Kanefa tsy hoe tsy misy fanantenana akory izany, satria hoy koa ny nosoratan’i Paoly: “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” Nitaky fifehezan-tena taminy ny fanasiana mafy ny tenany. — 1 Korintiana 9:27.
19. Nahoana no tena nety ny nilazan’i Paoly hoe nasiany mafy ny tenany?
19 Tena nety ny nilazan’i Paoly hoe nasiany mafy ny tenany, satria io fanehoana fifehezan-tena io dia hasarotin’ny antony ara-batana maro, toy ny tosidra ambony, ny aretin-kozatra, ny tsy fahampian’ny torimaso, ny aretin’andoha, ny tsy fahalevonan-kanina, sy ny sisa. Ao amin’ny lahatsoratra manaraka, dia handinika ireo toetra tsara sy fanampiana izay hahatonga antsika haneho fifehezan-tena, isika.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny fifehezan-tena?
◻ Ohatra sasantsasany inona avy no mampiseho fa iharam-pahavoazana ireo izay tsy manana fifehezan-tena?
◻ Amin’ny lafin-javatra inona avy no tsy maintsy anehoantsika fifehezan-tena?
◻ Fahavalo telo inona avy no mahatonga ny fanehoantsika fifehezan-tena ho sarotra?
[Sary, pejy 10]
Ny kristiana dia mila maneho fifehezan-tena raha ny amin’ny hanina sy ny fisotro
[Sary, pejy 11]
Hitana antsika tsy hanao resadresaka manimba ny fifehezan-tena
[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]
Historical Pictures Service