FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/2 p. 15-20
  • Mitafia Fahalemem-panahy!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitafia Fahalemem-panahy!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilaina ny mpiandry ondry malemy fanahy
  • Mitarika ny mpanome torohevitra hendry ny fahalemem-panahy
  • Ny hasarobidin’ny mpanolo-tsaina maro
  • Fanaovana fanambarana amim-pahalemem-panahy
  • Ny fahalemem-panahy takina amin’ny rehetra
  • Nahoana no mitafy fahalemem-panahy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Endrey ny Hasambaran’ny Malemy Fanahy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Manehoa ‘Fahalemem-panahy Amin’ny Olona Rehetra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Tena Ilain’ny Kristianina ny Fahalemem-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/2 p. 15-20

Mitafia Fahalemem-panahy!

“Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana”. — KOLOSIANA 3:12.

1-3. Inona no nolazain’ny apostoly Paoly mikasika ny fahalemem-panahy sy ny toetra tsara araka an’Andriamanitra hafa ao amin’ny Kolosiana 3:12-14?

MANOME ho an’ny olony ny fitafiana ara-panoharana tena faran’izay tsara i Jehovah. Raha ny marina, izay rehetra maniry ny fankasitrahany dia tsy maintsy mitafy akanjo manana fahan-damba mafy vita amin’ny fahalemem-panahy. Mampionona io toetra tsara io noho izy mampihena ho faran’izay kely ny fihenjanana amin’ireo toe-javatra manery. Miaro koa izy io noho izy mampivily lalana ny fifandrafiana.

2 Nampirisika ireo kristiana voahosotra namany ny apostoly Paoly hoe: “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala.” (Kolosiana 3:12). Ny filazana fotoana hita ao amin’ilay teny grika nadika hoe “mitafia” dia milaza fanaovan-javatra misy heviny mahadodona. Ireo voahosotra, izay voafidy sady masina no malalan’Andriamanitra, dia tsy tokony hangataka andro mba hitafiana toetra tsara toy ny fahalemem-panahy.

3 Nanampy teny toy izao i Paoly: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana [kofehy mampiray tanteraka, MN] izany.” (Kolosiana 3:13, 14). Ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy ary ireo toetra tsara araka an’Andriamanitra hafa dia mahatonga hety ny ‘fiaraha-monina amim-piraisan-kina’ eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. — Salamo 133:1-3, MN.

Ilaina ny mpiandry ondry malemy fanahy

4. Ny kristiana marina dia manao akanjo ara-panoharana voatenona amin’ny toetra tsara inona avy?

4 Ny kristiana marina dia mikely aina mba ‘hamono ny tenany raha ny amin’ny fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana’, ary miasa izy ireo mba hanaisotra izay mety ho akanjo tonta manana ravin-damba vita amin’ny fahatezerana, fiafonafonana, lolom-po, fitenenan-dratsy ary teny mahamenatra. (Kolosiana 3:5-11). Manaisotra ny “toetra taloha” (ara-bakiteny: “olona taloha”) izy ireo, ary mitafy ny “toetra vaovao” (na “olona vaovao”), izay fomba fitafy mety. (Efesiana 4:22-24, jereo fanamarihana ambany pejy.) Ny akanjony vaovao izay voatenona amin’ny famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fandeferana dia manampy azy ireo handamina zava-manahirana sy hanana fiainana araka an’Andriamanitra. — Matio 5:9; 18:33; Lioka 6:36; Filipiana 4:2, 3.

5. Inona amin’ny fomba fiasan’ny kongregasiona kristiana no mahatonga ny olona ho faly aoka izany ny ho tonga anisany?

5 Ireo olona heverina fa mahomby eo amin’izao tontolo izao dia mazàna tsy maneho fiheverana ny hafa, lozabe mihitsy aza. (Ohabolana 29:22). Hafa amin’ny fomba mamelombelona tokoa lahy ny eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah! Ny kongregasiona kristiana dia tsy miasa toy ny olona sasany mitarika asa aman-draharaha iray — amin’ny fomba mahomby saingy henjana izay mety tsy hahafaly ny olona. Fifaliana kosa anefa ny maha-anisan’ny kongregasiona ny tena. Ny antony iray amin’izany dia satria ny fahalemem-panahy dia endriny iray amin’ny fahendrena asehon’ny kristiana amin’ny ankapobeny, indrindra fa ireo lehilahy ampy fahaizana mba hampianatra ireo mpiray finoana aminy. Eny, ny fifaliana dia vokatry ny fampianarana sy torohevitra omen’ireo loholona voatendry izay mampianatra “amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena”. — Jakoba 3:13.

6. Nahoana ireo loholona kristiana no tsy maintsy malemy fanahy?

6 Ny toe-panahy, na toe-tsaina misongadina eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra dia mitaky amin’ireo lehilahy nanankinana andraikitra ao amin’ny kongregasiona mba halemy fanahy, hahalala ny antonony, hahatakatra ny fihevitry ny hafa. (1 Timoty 3:1-3). Ireo mpanompon’i Jehovah dia sahala amin’ny ondry mora manaiky, fa tsy osy kirina, na ramole mafy loha, na amboadia mirangorango. (Salamo 32:9; Lioka 10:3). Noho izy ireo sahala amin’ny ondry, dia ilainy ny hoentina amim-pahalemem-panahy sy amim-panehoam-pitiavana. (Asan’ny apostoly 20:28, 29). Eny, antenain’Andriamanitra amin’ireo loholona ny ho malemy fanahy sy ho tsara fanahy, ho be fitiavana ary hahari-po amin’ny ondriny. — Ezekiela 34:17-24.

7. Ahoana no tokony hampianaran’ireo loholona ny hafa sy hanampiany ny marary ara-panahy?

7 Amin’ny maha-“mpanompon’ny Tompo” azy, ny loholona iray dia mila ny ho “malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina.” (2 Timoty 2:24, 25). Tokony haneho fiheverana mampiseho fitiavana ireo mpiandry kristiana rehefa miezaka manampy ny marary ara-panahy, satria an’Andriamanitra ny ondry. Tsy tokony hitondra azy ireo toy ny ataon’ny olona voakarama iray ireo loholona, fa ilainy kosa ny ho malemy fanahy, sahala amin’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tsara. — Jaona 10:11-13.

8. Inona no nanjo an’i Mosesy izay nalemy fanahy, ary nahoana?

8 Mety ho hitan’ny loholona iray indraindray fa sarotra ny mitana toe-tsaina malemy fanahy. I “Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany”. (Nomery 12:3). Kanefa, rehefa tojo tsy fahampian-drano tao Kadesy ny Isiraelita, dia niady tamin’i Mosesy izy ireo, nanome tsiny azy ho nitondra azy ireo avy tany Egypta ho any amin’ny efitra ngazana iray. Na dia teo aza izay rehetra niaretan’i Mosesy tamim-pandeferana, dia niteny tsy tamim-piheverana sy tamin’ny fomba henjana izy. Nitsangana teo anatrehan’ny vahoaka izy sy Arona ary nitarika ny saina ho amin’ny tenan’izy ireo i Mosesy tamin’ny filazana hoe: “Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?” Nikapoka indroa ilay vatolampy tamin’ny tehiny avy eo i Mosesy, ary Andriamanitra dia nampiboiboika “be dia be ny rano” ho an’ny olona sy ny bibiny. Tsy faly i Jehovah satria tsy nanamasina azy i Mosesy sy i Arona, koa dia tsy nomena tombontsoa hitarika ny Isiraelita ho any amin’ny Tany nampanantenaina i Mosesy. — Nomery 20:1-13; Deoteronomia 32:50-52; Salamo 106:32, 33.

9. Ahoana no mety hahavoasedra ny fahalemem-panahin’ny loholona iray?

9 Mety hosedraina amin’ny fomba isan-karazany koa ny fahalemem-panahin’ireo loholona kristiana. I Paoly ohatra, dia nampitandrina an’i Timoty fa mety hiseho ny olona “mieboebo foana” sy “adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny”. Nanampy teny i Paoly fa izany dia “mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, fifandirana lalandava, fanaon’ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ny fahamarinana”. Tsy nahazo nanao zavatra tamin’ny fomba henjana i Timoty, izay mpiandraikitra, fa voatery ‘nandositra izany zavatra izany’ ary voatery ‘niezaka nitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy’. — 1 Timoty 6:4, 5, 11.

10. Voatery nampahatsiaro inona ny kongregasiona i Titosy?

10 Na dia ilain’ireo loholona aza ny ho malemy fanahy, dia tsy maintsy hentitra izy ireo ny amin’izay marina. Tamin’izany fomba izany no nampahatsiarovan’i Titosy ireo izay niaraka tamin’ny kongregasiona tany Kreta mba “tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra”. (Titosy 3:1, 2). Mba hampisehoana ny antony tokony hahatonga ny kristiana ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, dia voatery nitarika ny saina ho amin’ny hatsaram-panahy sy ny fitiavana nasehon’i Jehovah i Titosy. Tsy namonjy ny mpino noho izay mety ho asa marina vitany akory Andriamanitra, fa araka ny famindram-pony tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Midika ho famonjena antsika koa ny fahalemem-panahin’Andriamanitra sy ny faharetany. Sahala amin’i Titosy àry, ireo loholona amin’izao andro izao dia tokony hampahatsiaro ny kongregasiona mba hanaiky an’Andriamanitra, hanahaka Azy amin’ny fitondrana ny hafa amim-pahalemem-panahy. — Titosy 3:3-7; 2 Petera 3:9, 15.

Mitarika ny mpanome torohevitra hendry ny fahalemem-panahy

11. Ahoana no tokony hanomezana torohevitra araka ny Galatiana 6:1, 2?

11 Ahoana raha nanao fahadisoana ny ondry ara-panoharana iray? Hoy i Paoly: “Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany. Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy”. (Galatiana 6:1, 2). Mandaitra kokoa ny torohevitra raha omena amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy. Na dia miezaka manome torohevitra olona iray tezitra aza ny loholona, dia tokony haneho fifehezan-tena, amin’ny fahatakarana fa “ny vava malefaka mahatapa-taolana”. (Ohabolana 25:15). Ny olona iray manan-toetra mafy toy ny taolana dia azo alefaka amin’ny filazana iray feno halemem-panahy, ary dia mety ho lefy ny fahasiahany.

12. Ahoana no anampian’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy ny mpanome torohevitra iray?

12 Mpampianatra malemy fanahy i Jehovah, ary mandaitra ao amin’ny kongregasiona ny fomba fampianarany feno fahalemem-panahy. Izany indrindra no izy rehefa hitan’ireo loholona fa ilaina ny hanoroana hevitra ireo mila fanampiana ara-panahy. Nanoratra toy izao i Jakoba mpianatra: “Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka asehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena”. Ny fahalemem-panahy dia miseho avy amin’ny fanajana sy fankasitrahana ny “fahendrena izay avy any ambony”, miaraka amin’ny fiekena amim-panetren-tena ny fetran’ny tena manokana. Ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy sy fanetren-tena dia miaro ilay mpanome torohevitra tsy hanao fanamarihana sy fahadisoana manimba ary mahatonga ny torohevitra omeny ho mora raisina kokoa. — Jakoba 3:13, 17.

13. Amin’ny ahoana ny “fahalemem-panahin’ny fahendrena” no misy akony eo amin’ny fomba anomezana torohevitra?

13 Ny “fahalemem-panahin’ny fahendrena” dia manakana ny mpanome torohevitra iray tsy hivantambantam-piteny na ho henjana tsy amim-piheverana. Na dia izany aza, ny fiahiana ny fihavanana na izay hahazoana sitraka amin’olona dia tsy tokony hanosika ny loholona iray hiteny zavatra natao hahafaly toy izay hilaza mivantana torohevitra miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra amim-pahalemem-panahy. (Ohabolana 24:24-26; 28:23). Ilay torohevitra azon’i Amona tamin’ny zanak’olo-mpirahalahy taminy dia nahafapo ny faniriany, saingy namoizany ny ainy. (2 Samoela 13:1-19, 28,29). Ireo loholona amin’izao andro izao àry dia tsy tokony hanatsatso ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly mba hanamaivamaivanana ny fieritreretan’ny olona iray, satria mety hahatandindomin-doza ny ain’ilay olona ny fanaovana izany. Sahala amin’i Paoly, ireo loholona dia tsy tokony hisalasala hilaza amin’ny hafa “ny torohevitr’Andriamanitra rehetra”. (Asan’ny apostoly 20:26, 27, MN; 2 Timoty 4:1-4). Ny kristiana matotra iray mpanome torohevitra dia mampiseho tahotra araka an’Andriamanitra, ary manome torohevitra marina amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena.

14. Nahoana ny loholona iray no tokony hitandrina mba tsy hanao ny fanapahan-kevitra tokony hataon’ny hafa manokana?

14 Ny fahalemem-panahy miaraka amin’ny fahendrena avy any an-danitra dia hisakana ny loholona iray tsy hanao fitakiana henjana. Tokony ho takany koa fa tsy fahendrena sady tsy mety ny hanaovany fanapahan-kevitra izay tokony hataon’olona iray hafa manokana. Ho tompon’andraikitra amin’izay ho vokany ny loholona iray raha nanao fanapahan-kevitra ho an’ny hafa, ary handray anjara amin’ny fahadisoana izy noho izay mety ho fiafarana ratsy. Afaka manintona ny saina ho amin’izay lazain’ny Baiboly ny loholona iray, kanefa raha tsy misy lalàna araka ny Soratra masina mikasika ny raharaha iray, dia ny fitsaran’ilay olona manokana sy ny fieritreretany no tsy maintsy mamaritra izay hataony na tsy hataony. Hoy i Paoly: “Fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra”. (Galatiana 6:5; Romana 14:12). Na dia izany aza, dia azo ampiana mba hanao fanapahan-kevitra tsara ny mpanadihady iray, amin’ny filazan’ny loholona fanontaniana izay manampy azy hanjohy hevitra avy amin’ireo andinin-teny mifandray amin’ireo lalana azony isafidianana.

15. Inona no tokony hatao raha tsy fantatry ny loholona ny valim-panontaniana iray?

15 Raha tsy mahafantatra ny valin’ny fanontaniana iray ny loholona iray, dia tsy tokony hamaly izy satria fotsiny hoe tsy te ho afa-baraka. Ny fahalemem-panahin’ny fahendrena dia hanakana azy tsy hanombantombana ary angamba hanome valin-teny diso izay mety hitondra fahoriana any aoriana. “Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana”. (Mpitoriteny 3:7; ampitahao amin’ny Ohabolana 21:23). Rehefa fantany ihany ny valim-panontaniana iray na rehefa avy nanao fikarohana ampy ihany izy mba hanomezana valiny marina, izay vao tokony ‘hiteny’ ny loholona iray. Fahendrena ny mamela tsy ho voavaly ireo fanontaniana mahatonga tombantombana fotsiny. — Ohabolana 12:8, MN; 17:27; 1 Timoty 1:3-7; 2 Timoty 2:14.

Ny hasarobidin’ny mpanolo-tsaina maro

16, 17. Nahoana no mety amin’ny loholona ny mifampaka hevitra?

16 Hanampy ireo loholona hamaly fanontaniana sy hikarakara zava-manahirana sarotra ny vavaka sy ny fianarana, kanefa tokony hotadidina fa “raha maro ny mpanolo-tsaina dia tanteraka izany”. (Ohabolana 15:22). Ny fakana hevitra any amin’ireo loholona hafa dia hiteraka fitambaram-pahendrena ambony vidy. (Ohabolana 13:20). Tsy manana fanandraman-javatra na fahalalana ny Baiboly mitovy akory ny loholona rehetra. Noho izany, ny fahalemem-panahin’ny fahendrena dia tokony hanosika ny loholona nahita fanandraman-javatra kely kokoa haka hevitra any amin’ireo loholona manana fahalalana lehibe kokoa sy fanandraman-javatra betsaka kokoa, indrindra rehefa misy raharaha lehibe ilaina hokarakaraina.

17 Rehefa voafidy hikarakara raharaha lehibe iray ireo loholona, dia mbola afaka mitady fanampiana mangingina izy ireo. Mba hanampy azy tamin’ny fitsarana ireo Isiraelita, dia nifidy “lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly” i Mosesy. Na dia loholona aza izy ireo, dia tsy nanana fahalalana sy fanandraman-javatra toy ny nananan’i Mosesy. Noho izany, dia “ny ady sarotra (...) no nentiny tao amin’i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany”. (Eksodosy 18:13-27). Raha ilaina àry izany, ireo loholona mikarakara raharaha sarotra amin’izao andro izao dia afaka tsara mitady ny fanampian’ny mpiandraikitra ampy fanandraman-javatra, na dia izy ireo ihany aza no manao ny fanapahan-kevitra farany.

18. Amin’ny fikarakarana raharaha ara-pitsarana, inona avy ireo anton-javatra manapaka ny fiantohana fanapahan-kevitra mety?

18 Milaza ny Mishnah jiosy fa teo amin’ny Isiraely, dia niovaova ny isan’ireo izay nahaforona ny fitsarana teo amin’ny vohitra iray arakaraka ny halehiben’ilay raharaha. Misy vidiny marina ny hamaroan’ny mpanolo-tsaina, na dia tsy ny isa fotsiny aza no miantoka ny fahamarinana, satria mety ho diso ny maro an’isa. (Eksodosy 23:2). Ny anton-javatra manapaka mba hiantohana fa mety ny fanapahan-kevitra hatao, dia ny Soratra Masina sy ny fanahin’Andriamanitra. Hanosika ny kristiana hanaiky izany ny fahendrena sy ny fahalemem-panahy.

Fanaovana fanambarana amim-pahalemem-panahy

19. Ahoana no anampian’ny fahalemem-panahy ny vahoakan’i Jehovah hanao fanambarana amin’ny hafa?

19 Ny fahalemem-panahy koa dia manampy ireo mpanompon’i Jehovah hanao fanambarana amin’ny olona manana toetra samihafa. (1 Korintiana 9:22, 23). Koa satria nampianatra tamim-pahalemem-panahy i Jesosy, ireo olona nanetry tena dia tsy natahotra azy toy ny nataony tamin’ireo mpitondra fivavahana henjana. (Matio 9:36). Mazava ho azy fa ireo fombany feno fahalemem-panahy dia nanintona “ondry” fa tsy “osy” ratsy fanahy. (Matio 25:31-46; Jaona 3:16-21). Na dia nampiasa teny mahery aza i Jesosy rehefa nifandray tamin’ireo mpihatsaravelatsihy toy ny osy, ny Vavolombelon’i Jehovah kosa dia tsy maintsy malemy fanahy rehefa manambara ny hafatra momba ny fitsaran’Andriamanitra amin’izao andro izao, satria izy ireo dia tsy manana fahatakaran-javatra lalina sy fahefana toy izay nananan’i Jesosy. (Matio 23:13-36). Rehefa mandre ny hafatra momba ilay Fanjakana torina amim-pahalemem-panahy ‘ireo manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia tonga mpino’, toy ny nataon’ireo olona toy ny ondry izay nandre an’i Jesosy. — Asan’ny apostoly 13:48, MN.

20. Amin’ny ahoana ny olona iray mianatra ny Baiboly no mandray soa rehefa ampianarina amim-pahalemem-panahy?

20 Misy vokatra tsara azo amin’ny fanaovana fanambarana sy fampianarana ny hafa amim-pahalemem-panahy, sy amin’ny fanohinana azy ireo mifototra amin’ny fandrindran-kevitra sy ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, ary ny fahamarinana. “Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo”, hoy ny nosoratan’i Petera, “ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”. (1 Petera 3:15). Ny mpianatra iray izay ampianarina amim-pahalemem-panahy dia afaka mifantoka amin’ilay foto-dresaka fa tsy ho variana na mety ho tafintohina mihitsy aza amin’ny fomba fihetsika henjana sy tia miady hevitra. Sahala amin’i Paoly, ireo minisitra mampianatra amim-pahalemem-panahy dia afaka milaza hoe: “Tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona, mba tsy homena tsiny ny fanompoana”. (2 Korintiana 6:3). Na dia ireo mpanohitra aza indraindray, dia mandray tsara an’ireo mampianatra amim-pahalemem-panahy.

Ny fahalemem-panahy takina amin’ny rehetra

21, 22. Ahoana no itondran’ny fahalemem-panahy soa ho an’ny vahoakan’i Jehovah?

21 Ny fahalemem-panahy kristiana dia tsy tokony hotafina mba hanairana fotsiny ireo izay any ivelan’ny fandaminan’i Jehovah. Zava-dehibe koa ho an’ny fifandraisana eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra io toetra tsara io. (Kolosiana 3:12-14; 1 Petera 4:8). Mahazo fampaherezana ara-panahy ireo kongregasiona rehefa miara-miasa amin’ny fomba mirindra ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa malemy fanahy. Zava-dehibe ho an’ny olona tsirairay amin’ny vahoakan’i Jehovah ny fanehoana fahalemem-panahy sy toetra tsara araka an’Andriamanitra hafa, satria “lalàna iray” no natao ho an’ny rehetra. — Eksodosy 12:49; Levitikosy 24:22.

22 Mandray anjara amin’ny fiadanana sy ny fahasambaran’ny vahoakan’Andriamanitra ny fahalemem-panahy. Izy io àry, dia tokony ho anisan’ilay ravin-damba vita amin’ny toetra tsara izay mahaforona ny akanjo tafin’ny kristiana rehetra any an-trano sy any amin’ny kongregasiona, ary any an-toeran-kafa. Eny, ny mpanompon’i Jehovah rehetra dia mila ny mitafy fahalemem-panahy.

Ahoana no havalinao?

◻ Nahoana ireo loholona kristiana no tsy maintsy malemy fanahy?

◻ Ahoana no itarihan’ny fahalemem-panahy ny mpanome torohevitra hendry iray?

◻ Toy inona ny hasarobidin’ny mpanolo-tsaina maro?

◻ Nahoana no ahitan-tsoa ny fanaovana fanambarana amim-pahalemem-panahy?

[Sary, pejy 17]

Sahala amin’ny ondry ny vahoakan’i Jehovah ary mila ny hoentina amim-pahalemem-panahy

[Sary nahazoan-dalana]

Garo Nalbadian

[Sary, pejy 19]

Ny fahalemem-panahy dia mahatonga ny vahoakan’i Jehovah ho afaka hanao fanambarana amin’ny olona manana toetra samihafa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara