FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/1 p. 24-27
  • Saha Masaka Hojinjaina any Brezila

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Saha Masaka Hojinjaina any Brezila
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mandray anjara amin’ny fijinjana ny mpitory maharitra
  • Misy akony eo amin’ny fijinjana ny fitaoman’ny klerjy
  • Mitondra fitahiana ny fiezahana mitohy
  • Fiainana niova
  • Mandraisa anjara amin’ny fomba feno amin’ny fijinjana
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/1 p. 24-27

Saha Masaka Hojinjaina any Brezila

“ATOPAZY ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy. Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 4:35, 36). Marina io teny ara-paminanian’i Jesosy Kristy io amin’izao andro izao any amin’ireo faritra lavitra any amin’ny tany amerikana atsimo midadasik’i Brezila.

Nandritra ny taona maromaro, dia nahita fitomboana tsara dia tsara ny Vavolombelon’i Jehovah any Brezila. Tamin’ny Aprily 1991, ny tampon’isan’ireo mpijinjan’ilay Fanjakana 308 973, dia nitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano 401 574. Tamin’ny 30 Martsa 1991, dia nisy olona 897 739 nivory mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy, ilay nanomboka ny asa fijinjana.

Na dia eo aza ny vokatra tsara dia tsara toy izany, dia mbola miandry hojinjaina ny ampahany amin’ilay saha. Maherin’ny dimy tapitrisa ny olona mipetraka any amin’ireo faritr’i Brezila tsy anaovana firy na tsy anaovana mihitsy ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Inona no efa atao mba hanitarana ny fijinjana any amin’izany faritra izany?

Mandray anjara amin’ny fijinjana ny mpitory maharitra

Nandritra ny vanim-potoana nisy enim-bolana, vao haingana, ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Brezila dia nandefa mpitory ilay Fanjakana manontolo andro — mpitory maharitra manokana vonjimaika 100, ary mpitory maharitra mandavantaona 97 — ho any amin’ny tanàna 97, indrindra fa any amin’ny faritra atsinanana be mponina kokoa amin’ilay tany. Misy mpitory ilay Fanjakana avy amin’ny kongregasiona maro isan-karazany koa manolo-tena an-tsitrapo hiasa any amin’izany faritra izany mandritra ny vanim-potoana fohifohy kokoa. Na dia eo aza ireo vato misakana tsy maintsy resena, dia tena nahafa-po ny vokatra.

Ohatra, tany São João da Ponte, any amin’ny fanjakan’i Minas Gerais, dia nitsidika ny mpampianatra taranja momba ny fivavahana tao amin’ny sekoly eo an-toerana ireo mpitory maharitra. Rehefa avy nandre ny hafatra izy io, dia nanafatra 50 tamin’ilay boky hoe Ny fahatanoranao — Ny fomba handraisan-tsoa be indrindra avy amin’izany ho an’ny mpianatra katesiziny. Nisy mpampianatra hafa niteny toy izao tamin’ireo mpitory maharitra efa handeha: “Tsy tokony handeha ianareo satria manao asa tsara dia tsara toy izao ianareo eto. Ianareo no hany olona afaka manome fanazavana mazava momba ny Baiboly.”

Tsy ny olona rehetra akory no mankasitraka izany asa tsara dia tsara izany. Hevero, ohatra, ny taratasy iray navoakan’ny gazety iray eo an-toerana (Diário de Montes Claros), eo ambanin’ny lohateny eo amin’ny fonony hoe “Pretra nampangaina ho nitarika herisetra sy fanavakavahana.” Milaza toy izao ilay taratasy: “Any am-piangonana, [ilay pretra] dia manana fahazarana manebaka ireo olona manaraka antokom-pivavahana sy fivavahana hafa, na dia tsy manome fitarihana katolika sy kristiana mety momba ny Filazantsara ho an’ny mpivavaka ao aminy aza ny klerjy eo an-toerana. Mandritra ny lamesa izy dia mamelively ireo minisitra Vavolombelon’i Jehovah tao an-tanàna, nefa tsy nitondra tamin’ny fomba ratsy ny katolika akory izy ireo.” Tsy nampiseho fankahalana toy izany ny mpanoratra ilay lahatsoratra (teôlôjiana iray) fa nanatrika ny lahateny ara-baiboly nataon’ireo mpitory maharitra ary nitondra olona liana hafa niaraka taminy. Samy nankafy ilay fivoriana izy rehetra.

Nisy rahalahy efatra avy any Fortaleza nandeha fiaramanidina ho any amin’ny nosy Fernando de Noronha, 400 kilaometatra avy eo amin’ny kaontinanta. Tsy naharay fanambarana tsara toy izany ny mponina 1500 tao amin’ilay nosy tao anatin’ny 15 taona mahery. Tao anatin’ny folo andro ireo rahalahy dia nahapetraka boky 50 ary gazety sy bokikely 245, ary nanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano 15 izy ireo. Olona roa ambin’ny folo no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, izay sendra tamin’ny fitsidihan’izy ireo. Manantena ireo mpitory maharitra fa noho ny fanampian’i Jehovah, tsy ho ela ny asa any dia hiorina mafy. Misy rahalahy vitsivitsy nihevitra ny hifindra ho any amin’ilay nosy.

Misy akony eo amin’ny fijinjana ny fitaoman’ny klerjy

Nisy antoko-mpitory ilay Fanjakana avy any amin’ny kongregasionan’i Arpoador, any Rio de Janeiro, nanolo-tena an-tsitrapo handany tapa-bolana hitoriana any amin’ny vohitra maromaro any amin’ny fanjakan’i Minas Gerais, tokony ho any amin’ny 200 kilaometatra. Faly izy ireo nahita ny mponina teo an-toerana tena nahay nandray vahiny sy tsara fanahy. Fomban’ny lehilahy ny mipao-tsatroka isaky ny voatonona Andriamanitra na ny anarany hoe Jehovah. Noho ny fanajany fatratra an’Andriamanitra anefa, dia mora voataonan’ny klerjy izy ireo.

Tao amin’ny tanàna iray, dia nanoro hevitra ny olona ny pretra mba tsy hihaino ny Vavolombelon’i Jehovah na hanatrika ny fivoriana kasain’izy ireo hatao. Nanomana lamesa manokana koa izy tamin’ny fotoana fanaovana ny fivoriana indrindra, ary ilay lamesa dia namoaka feo tsy nifandrenesana tamin’ny alalan’ilay fanamafisam-peo teo ivelan’ny fiangonany. Na dia teo aza anefa ny fiezahany, dia nisy mponina 29 teo an-toerana nanatrika ilay fivoriana, nanampy ireo mpitsidika.

Hafa tanteraka ny vohitra iray eo akaikiny. Tao dia nilaza tamin’ny olona ny pretra mba hihaino rehefa mitsidika ny Vavolombelona. Ny vokany, dia olona 168 no nanatrika ny fivoriana voalohany. Tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’izy ireo izy mba hitandrina ny fomba fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fahatsiarovana satria, araka ny nolazainy, “manao izany amin’ny fomba mety izy ireo”. Nandritra ny tapa-bolana nanaovana asa fitoriana ilay Fanjakana tany amin’io faritra io, dia boky 1 014 ary gazety sy bokikely 1 052 no voapetraka.

Mitondra fitahiana ny fiezahana mitohy

Afaka iray volana tatỳ aoriana, dia nisy mpitory ilay Fanjakana 34 niverina hitarika ny fianarana ny Baiboly natomboka tamin’ny fitsidihana voalohany. Nanoratra toy izao ilay loholona kristiana nandray ny fitarihana: “Nientam-po aho nahita ilay olona liana nandray anay tamim-pisaorana sy ranomasom-pifaliana.” Tsaroan’ny anabavy iray fa nisy vehivavy iray nanatona azy sy ny Vavolombelona hafa tao amin’ny fivarotana sakafo maivana iray “niangavy azy ireo tamin-dranomaso mba ho tonga hiara-mianatra aminy”. Nisy ramatoa iray nianatra intelo nandritra ny herinandro nijanonan’ireo Vavolombelona tany. Isaky ny tonga izy ireo, dia efa voaomany ny fianarany, ary eo am-piandrasana ny fiaraha-mianatra izy. Nilaza ilay ramatoa fa nanomboka nivavaka tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, izy. “Tao am-poko tao, dia izany foana no nandrasako hatramin’izay”, hoy ny nanampiny.

Tatỳ aoriana, dia nisy mpitory maharitra roa vavy voatendry hanolokolo ny fahalianana tany amin’io faritra io. Toy ny tamin’ny taonjato voalohany am.fan.ir., “izay voalahatra [nanana fironan’ny saina tsara, MN] ho amin’ny fiainana mandrakizay dia nino”. (Asan’ny apostoly 13:48). Ary tahaka ilay vehivavy samaritana nanaovan’i Jesosy fanambarana teo amin’ny fantsakan’i Jakoba, dia nanomboka niresaka tamin’ny hafa ny amin’izay nianarany izy ireo. (Jaona 4:5-30). Amin’izao andro izao, dia misy 6 hafa miara-manompo amin’ireo mpitory maharitra roa ireo, ary misy olona eo amin’ny 20 eo amin’ny antsalany manatrika ireo fivoriana isan-kerinandro.

Feno hafanam-po noho ny fahombiazan’izany asa manokana izany ireo mpitory 29 ao amin’ny kongregasionan’i Arpoador, ka lasa nitory tany amin’ny tanànan’i Mutum, tokony ho eo amin’ny 500 kilaometatra. “Tena niavaka ny fandraisana” hoy ilay loholona nitarika ilay antokon’olona. “Nihaino tamim-pitandremana sy tamim-pahalianana ny ankamaroan’ny olona, ka fampianarana Baiboly 170 no natomboka, ary inoanay fa maro be amin’izy ireo no hanohy.” Tao anatin’ny tapa-bolana, dia nitory nandritra ny 90 ora teo ho eo amin’ny antsalany ny mpitory tsirairay, ary nahapetraka zavatra vita an-tsoratra efa ho 1 100 tamin’ny olona. Nisy tampon’isa 181 tamin’ny mpanatrika ny lahateny ampahibemaso nataon’ireo rahalahy.

Afaka volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanofa trano tsara tarehy iray tao afovoan’i Mutum ny kongregasiona, mba hampiasaina ho Efitrano Fanjakana sy fonenan’ny mpitory maharitra. Toy izao ny tapany amin’ny tatitra voalohany nalefan’ireo anabavy mpitory maharitra roa voatendry tany: “Noho ireo fampianarana Baiboly maro be aoka izany efa natomboka, dia mila mpitory maharitra misimisy kokoa izahay. Na dia eo aza ny fanampian’ireo anadahy avy any Rio de Janeiro indray mandeha isam-bolana, dia lehibe dia lehibe ny asa. Sivy amin’ny tompon-trano folo iresahana no mangataka anay hiverina. Mila fanampiana koa izahay mba hitarihana ireo fivoriana.” Misy mpitory maharitra hafa iray izao miaraka amin’izy ireo.

Fiainana niova

Tena nampahery ny nahita ny fahamarinana mamaka sy mamokatra voa tsara dia tsara. Nanoratra toy izao ny olona iray liana: “Ny fahazoana ity fahalalana momba ny Baiboly ity no zavatra tsara indrindra tamin’izay rehetra nitranga tamiko. Niova ho tsara kokoa ny fiainako, ary tsy mila mampiasa fanafody fampitonena intsony aho. (...) Enga anie i Jehovah hamaly soa anareo noho ny zavatra rehetra nataonareo tamiko.”

Nisy olona hafa iray nanambara toy izao: “Tena mitolagaga aho ny amin’ny fomba nanokafan’i Jehovah ny masoko. Na dia namoy ny renibeko aza aho tamin’ity herinandro ity, dia manana fanantenana aho izao ny hahita azy indray. Maniry hatao batisa aho, nefa tiako aloha ny ho vita fiomanana tsara. Jehovah anie hitahy anareo noho ny nahatongavanareo tatỳ mba hampiseho aminay ny lalana ety mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.” Mbola niteny toy izao ny olona hafa iray: “Tiako ho fantatrareo fa nitsahatra tsy nifoka sigara aho iray volana lasa izay. Faly be mihitsy aho noho ilay gazety nalefanareo ho ahy. Nahita zavatra tsara maro be tao anatin’izy io aho, izay nanampy ahy hanao toy izany.” Azo antoka, fa manome antony tsara tokony hifaliana ilay fijinjana.

Kanefa tsy tonga ho azy fotsiny tsy misy fiezahana ny fitahiana toy izany. Ohatra, rehefa nanomboka nianatra ny ramatoa iray sy ny zanany vavy, dia nampitandrina azy ireo ny pretra teo an-toerana fa raha mandeha any amin’ireo fivorian’ny Vavolombelona izy ireo, dia horoahiny hiala amin’ny fiangonana. Tsy niraharaha ilay fandrahonana izy ireo fa lasa nankany am-pivoriana ihany. Nihatakatahan’ireo namany taloha izy ireo, ary ny sasany tamin’ireo dia niampanga azy ho lasa adala satria tsy hita ao amin’ny Baiboly katolika “izany Jehovah izany”. Koa satria tsy afaka ny hahita ny anaran’i Jehovah ao amin’ny Baiboliny katolika ilay ramatoa, dia nanasa ireo mpifanila trano taminy izy mba ho any aminy amin’ny andro hiarahany mianatra amin’ireo mpitory maharitra. Nisy vehivavy iray tonga, nitondra ny Baiboliny, dikan-tenin’i Paulinas. Rehefa namaky ny anaran’Andriamanitra teo amin’ny fanamarihana ambany pejy tao amin’ny Eksodosy 6:3 izy io, dia nanaiky fampianarana Baiboly tany an-tokantranony.

Mandraisa anjara amin’ny fomba feno amin’ny fijinjana

Inona no vokatry ny fanompoana any amin’ny faritany mahalana vao voasa eo amin’ireo mpiasa mihitsy? Niteny toy izao ny mpitory ilay Fanjakana iray: “Natao hanatanjahana ny finoana sy ny fifandraisanay amin’i Jehovah ilay asa, ary nanampy anay hijery indray izay heverinay ho zava-dehibe indrindra.” Nanambara toy izao ny mpitory hafa iray: “Izay 14 andro izay dia nampitombo ny fitiavako ireo rahalahiko manompo amin’ny maha-fianakaviana iray noho ny zava-kendrena iray, dia ny hitady mpandefitra betsaka kokoa. Izany dia nahatonga ahy ho tia kokoa ireo manaiky ny hafatra entinay, izay matetika no latsa-dranomaso, mampiseho hetaheta marina ny fahamarinana. Ary ambonin’ny zavatra rehetra, dia tsapako ny fitiavan’i Jehovah amin’ny fanomezany antsika ny tombontsoa hanompo azy.”

Ny loholona iray nandray anjara tamin’ny fitoriana tany amin’ny faritany mahalana vao voasa dia nilaza ny fahasamihafana eo amin’ny fiainana any sy ny any amin’ireo tanàna lehibe. Hoy izy hoe: “Tsy haiko ny tsy hieritreritra hoe tena andraisan-tsoa be dia be tokoa ny fiainan’ny rahalahy maro be amin’ny fifindrana ho any amin’ny faritra afovoany. Azo lazaina hoe tsy misy ny herisetra eto. Ny fiainana any amin’ireo vohitra kely sy ireo antonontonony, dia tsy hoe mamela anay hanohy hiaina amin’ny fidiram-bola kely dia kely fotsiny fa hanana fifandraisana akaiky koa amin’ireo rahalahinay sy hanokana fotoana misimisy kokoa ho an’ny asa ara-panahy. Moa ve mbola misy rahalahy efa misotro ronono, na tanora tsy dia manana andraikitra ara-pianakaviana, na rahalahy manana asa mamela azy ireo hifindra, ho afaka handray io tombontsoa tsy manam-paharoa io ka hitondra fifaliana ho an’ny tenany sy ho an’i Jehovah ary ho an’ny mpiara-belona aminy?”

Io fitantarana momba ny faritany mahalana vao voasa any Brezila io, dia manaporofo fa masaka hojinjaina ny saha. Tao anatin’ny roa taona monja dia namokatra kongregasiona vaovao sy antokon’olona mitokana 191 ny asa any amin’io saha io. Mbola betsaka ny tokony hatao, nefa azo antoka fa hanohy hanome ny fitahiany toy ny mpitory ilay Fanjakana betsaka kokoa handray anjara amin’ny fijinjana mamokatra, i Jehovah. Afaka mandray anjara misimisy kokoa amin’izany ve ianao?

[Sary/Sarintany, pejy 25]

Mandray anjara amin’ny fijinjana ireo Vavolombelona falifaly avy any Rio de Janeiro

[Sarintany]

(Jereo ny gazety)

BREZILA

[Sary, pejy 26]

Fanambarana any ambanivohitra any Minas Gerais

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara