Moa ve ianao mandà fa tsy manana fironana hanota?
“KOA hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy. Fa mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.” — Romana 7:21-23.
Nila fanetren-tena ny apostoly Paoly mba hiekena io voasoratra eo ambony io. Kanefa, tamin’ny fanaovany toy izany, dia nanao izay hisakanana ny fironany noho ny tsy fahatanterahana tsy handresy azy izy.
Sahala amin’izany koa ny kristiana marina amin’izao andro izao. Rehefa tonga tamin’ny fahalalana marina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika, dia nanao ireo fiovana nilaina teo amin’ny fomba fiainantsika, ary niaina nifanaraka tamin’ireo fari-pitsipik’i Jehovah. Mbola ao anefa ireo fironana hanota satria “ny fisainan’ny [fironan’ny, MN] fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21). Moa ve isika ampy fanaovana ny marina ka hiaiky amin’ny tenantsika ny amin’ny fananana fironana mampiavaka izay mampihatra fanerena eo amintsika? Sa kosa isika mandà fa tsy manana izany, angamba amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe: ‘Mety ho zava-manahirana ho an’ny hafa izany fa tsy ho ahy’?
Mety hampidi-doza ny famitahan-tena toy izany. Misy fanoharana miorina amin’ny Baiboly mety hanampy antsika hankasitraka ny ilàna hiekena ny fananantsika fironana hanota sy hifehezana izany hatrany.
Ny antony mahatonga ny fandavana izany hahafaty
Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia tanàna maro be no voaron’ny manda. Ny vavahady, izay matetika vita tamin’ny hazo, no faritra azo lazaina hoe mora rava indrindra tamin’ny mandan’ny tanàna; noho izany dia voaro mafy indrindra izy ireny. Tsy nanao afa-tsy ireo vavahady nilaina hivezivezena nandritra ny fotoam-pandriampahalemana ihany ireo mponina. Nofonosina vy matetika ireo vavahady hazo mba hisakanana ny fanimban’ny afo. Nisy tilikambo naorina teo ambonin’ny manda mba hahafahan’ireo mpitily niambina teo hahatsinjo izay fahavalo nanatona avy lavitra.
Eritrereto izao: Inona no ho nitranga raha toa ny mponina tao amin’ny tanàna iray ka tsy nanaiky ny naha-mora rava ireo vavahadin’ny tanàna ary koa tsy nanao fiarovana nety? Ho niditra mora foana tao amin’ilay tanàna ireo tafika fahavalo ka nitondra faharesena ho azy io.
Toy izany koa ny amintsika. Fantatr’i Jehovah ireo faritra manokana mora voa ao amintsika. “Tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika.” (Hebreo 4:13). Nety ho efa nahatsikaritra fironana hanota sasany tao amintsika koa i Satana, na momba ny fanolanana ny fahamarinana izany, na toetra mora tezitra, na fahalianana amin’ny fahalotoam-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy, na fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, na fiavonavonana na zavatra hafa. Raha mandà isika fa tsy manana fironana hanota, dia manao izay hahatonga ny tenantsika ho mora voa kokoa amin’ny famelezan’i Satana ny finoantsika. (1 Petera 5:8). Mety ho resy isika rehefa misy fanirian-dratsy manetsika ny fironana kely fotsiny ka miteraka ota. (Jakoba 1:14, 15). Ilaintsika ny ho tahaka an’i Paoly, izay niaiky tamin’ny filazana ny marina ny amin’ny ‘vavahady hazo’ nety hisy.
Hatanjaho ny tenanao!
Ho zava-poana ny hahatsapana fironan-dratsy nefa avy eo tsy hanao na inona na inona momba izany. Izany dia ho tahaka ny lehilahy iray mijery ny endriny ao amin’ny fitaratra, mahamarika faritra ilàna fikarakarana, ary avy eo dia lasa mandeha tsy nanao ny fanitsiana ilaina akory. (Jakoba 1:23-25). Eny, mila manao zavatra isika hiarovana ny tenantsika mba tsy ho azon’ny fironana hanota. Ahoana no ahafahantsika manao izany?
Matetika, tamin’ny andron’ny Baiboly, ireo vohitra kely na ‘zana-bohitra’ dia tsy nimanda. (Nomery 21:25, 32; Mpitsara 1:27; 1 Tantara 18:1; Jeremia 49:2). Afaka nandositra nankany amin’ny tanàna nimanda ny mponina tany amin’ireny vohitra ireny tamin’ny fotoan’ny fanafihan’ny fahavalo. Ireo tanàna voaro àry dia nampiasaina ho fieren’ny olona teo amin’ny faritra nanodidina.
Ny Baiboly dia milazalaza an’i Jehovah Andriamanitra ho tilikambo sy fierena ary manda azontsika idodododoana mba hahitana fiarovana. (Ohabolana 18:10; Zakaria 2:8, 9). Jehovah àry no fiarovana voalohany indrindra ho an’ny mpanompony. Tena ilaina ny hanaovana vavaka tsy tapaka aminy. (1 Tesaloniana 5:17). Fanampiana hafa iray ny Baiboly. Raha mampiasa ny Tenin’Andriamanitra isika, dia tsara ny hanaovana fianarana manokana mifandray amin’ireo lafin-javatra maha-osa antsika. Angamba koa isika hanokana fotoana hanaovana fandinihana miverimberina ireo lahatsoratra miorina amin’ny Baiboly izay mifandray amin’ny ‘vavahady hazontsika’ manokana.
Sahala amin’ireo mpitily tao amin’ny tilikambo iray, dia afaka mahatsinjo ny fahavalo avy lavitra toy izany koa isika, ary hanao zavatra mifanaraka amin’izany. Ahoana izany? Amin’ny fandosirana ireo toe-javatra mety hahatonga antsika ho tojo fakam-panahy na fanerena. Ohatra, ny olona iray miezaka hahalala onony eo amin’ny fisotroana zavatra misy alikaola dia hifidy amim-pahendrena ny handositra izay toerana fantatra amin’ny fampidirana fisotro toy izany na ampirisihana izany mihitsy.
Mitaky fiezahana izany rehetra izany. Kanefa, raha tsy maintsy ‘nanisy mafy ny tenany’ ny apostoly Paoly mba hanoherana ireo fironana vokatry ny tsy fahatanterahana, moa ve isika tsy mila manao fiezahana mafy koa? Ny fiheverana ireo fironantsika hanota amim-pahatakarana ny anton-javatra toy izany, dia ho taratry ny fanarahantsika ity toromariky ny apostoly Petera ity: “Mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana.” — 1 Korintiana 9:27; 2 Petera 3:14.
Fahalalana sy asa
Aza kivy raha toa ka manao fiezahana ianao, nefa tsy mety ho foana ireo fironana vokatry ny tsy fahatanterahana rehetra ao aminao. Raha mbola tsy tanteraka isika, dia ho eo mandrakariva ireo fironan-dratsy amin’ny ambaratonga sasany, toy izay nitranga tamin’i Paoly. Nefa mila miezaka hatrany isika handresy izany, sy hifehy izany tsy hiteraka ota.
Aoka anefa ianao hahatakatra tsara ny fahasamihafana eo amin’ny fanekena ny tena fisian’ny tsy fahatanterahana sy ny fileferana amin’izany. Azo atao ny manohatra izany amin’ny lehilahy iray manana fo reraka. Tokony hiatrika izany zava-misy izany izy amin’ny fiezahana hifehy ny fony ho araka izay toe-po tsara mety hiriny. Tsy hanjohy hevitra izy fa satria reraka ny fony ara-bakiteny, dia ho afaka hanilika ny fameperana rehetra izy ka hiaina araka izay tiany.
Fantaro àry fa ny tanjatsika dia tsy ao amin’ireo fironana hanota nolavina tamim-pahajambana ny fisiany, fa ao amin’ny fiekena fa misy izany sy ny fanaovan-javatra hanoherana azy. Aza matahotra àry ny hiaiky amin’ny tenanao sy amin’i Jehovah ny amin’ireo lafin-javatra izay mahatonga anao ho mora alaim-panahy sy terena. Tsy hoe tia ny manambany tena ianao amin’ny fanaovana toy izany, na hoe hihena ny fitiavan’i Jehovah anao. Raha ny marina, dia arakaraka ny hanatonanao an’Andriamanitra amin’ny fiahiana amim-pahatsorana ny hahazo ny fankasitrahany, no vao mainka hanatonany anao koa. — Jakoba 4:8.
[Sary, pejy 31]
Ity ohatra momba an’i Megido ity dia mampiseho an-tsary ireo vavahady nohamafisina sy manda fiarovana tany amin’ireo tanàna fahiny
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.