Ny fikatsahana fahafahana any Senegal
EO AMPITAN’I Dakar, ny renivohitr’i Sénégal amin’ny andro ankehitriny indrindra, no misy ny nosikely Gorée. Eo no miorina ny fahatsiarovana mampahory iray momba ny tapany mampalahelo amin’ny tantara, dia tranon’andevo iray naorina tamin’ny 1776.
Izy io dia anisan’ireo trano maro be toy izany izay nitanana andevo teo amin’ny 150 ka hatramin’ny 200, tao anatin’ny faritra maloto nandritra ny telo volana alohan’ny nanondranana azy an-tsambo ho any amin’ny toerana lavitra dia lavitra. Voazarazara ireo fianakaviana ary tsy hifankahita indray na oviana na oviana ny mpikambana ao aminy; ny ray mety haondrana any Louisiana, any Amerika Avaratra, ny reny any Brezila na Kioba, ary ny ankizy any Haiti, na Guyana, na any Martinique. Fanaovana tsinontsinona ny fahafahan’olombelona re izany! Fahatsiarovana manan-kery koa fa tombontsoa sarobidy tsy natao ho an’ny olona rehetra foana akory ny fahafahana.
Ny nahafantarako izany dia tamin’ny bokikely iray ho an’ny mpizaha tany novakiko teny ambony fiaramanidina ho any Sénégal, ny tany andrefana indrindra eo amin’ny mivohitra lehibe amin’i Afrika andrefana. Eo anelanelan’ny efitra eo avaratra sy atsinanana no misy ny faritra lavavolon’i Sénégal, ary kirihitr’ala matevina no eo atsimo. Eto ianao dia afaka mahita ilay hazo baobaba tranainy mijoalajoala, misy voany mahaliana antsoina hoe mofon’ny rajako, izay anamboarana herotra “tartre”. Tanin’ny rajako sy ny voronkely mahafinaritra sady vohitra mahavariana ao afovoan’ny ala-manga koa izy io.
Nitorovoka nipetraka aho ary nieritreritra ny amin’ny fitsidihana efa nandrasana ela hataoko amin’io fidirana ao Afrika Andrefana io. Amin’izao andro izao, i Sénégal, izay misy mponina fito tapitrisa avy amin’ny ivom-paritra ara-poko maro be samy hafa, dia manana fahafahana feno. Nefa moa ve ny olona iray mety ho afaka ara-batana, nefa andevozin’ny fombafomba sy ny finoanoam-poana izay manaisotra aminy ny tena fahafahana? Nanantena tamim-panahiana aho ny hahita ireo rahalahiko ara-panahy sy hahafantatra ny niandohan’ny fandrosoan’ny fahamarinana manafaka ny olona, tao amin’io tapany amin’ny tany io. — Jaona 8:32.
‘Irin’i Jehovah ho anareo ity trano ity’
Voalohany tao amin’ny diariko ny fitsidihana ny biraon’ny sampan’ny Watch Tower sy ny tranon’ny misionera tao Dakar. Nony tonga teo amin’ny trano toa maoderina iray teo amin’ny manodidina nangingina izahay, dia nahamarika litera J lehibe teo amin’ny vavahady aho. Ny fanontaniako voalohany teo am-pihodidinana ny biraon’ny sampana dia izay tian’ilay litera J haseho.
“Tena mahaliana be”, hoy ny fanazavan’ilay mpitari-dalana ahy. “Fony izahay nitady trano lehibe kokoa ho an’ny sampana, tamin’ny 1985, dia nitsidika an’io trano io, izay mbola namboarina, izahay. Nefa tsapanay fa lehibe loatra noho izay nilainay ilay izy. Rehefa nahare ny tompony fa Vavolombelon’i Jehovah izahay, dia naniry fatratra ny hampanofa ilay trano taminay izy, noho ny fahafantarany ny fahatokianay. ‘Azoko antoka fa irin’ny Andriamanitrareo, Jehovah, ho anareo ity trano ity’, hoy izy. ‘Jereo! Misy J lehibe mihitsy aza eo amin’ny vavahady! Fony aho nampanao an’io teo, dia ta hampiseho ny anarako hoe John aho, nefa izao dia azoko antoka fa natao ho an’ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah izy io!’ Faly izahay nipetraka tao amin’io trano mahafinaritra io nandritra ireo dimy taona lasa.”
Nanaraka izany dia naniry hahafantatra ny fomba nanombohan’ny fitoriana tany Sénégal aho.
“Ny rano manafaky ny fahamarinana dia tafiditra teto Sénégal tamin’ny voalohandohan’ireo taona 1950, tamin’ny alalan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray avy any Frantsa, nanao fanekena momba ny asa. Tamin’ny 1965, dia nosokafana ny biraon’ny sampana iray mba hanara-maso ny asa any amin’ireo faritra miteny frantsay eto Sénégal sy Mali ary Mauritanie, ary koa any amin’ilay faritra miteny anglisy any Gambie. Hatramin’ny 1986 izahay dia nikarakara koa ny asa any Guineé-Bissau izay ampiasana fiteny portioge.
Rehefa nahafantatra aho fa maherin’ny 90 isan-jaton’ny mponina any no tsy kristiana, dia nanontany aho hoe fandrosoana manao ahoana no vita. “Marina fa olona maro be ao amin’ireo tany ireo no tsy zatra ny Baiboly”, hoy ilay mpitari-dalana ahy, “nefa mandroso tsy tapaka ny asa. Tamin’ny Janoary 1991 izahay dia faly nahita mpitory ilay Fanjakana 596. Mampiseho izany fa niezaka mafy tokoa ireo rahalahy teto an-toerana sy ireo misionera.”
“Takatro fa misy misionera maro be manompo eto”, hoy ny fanamarihako.
“Eny, misy 60 eo ho eo voatendry any amin’ireo faritany isan-karazany iadidianay, ary avy any amin’ny tany 30 izy ireo. Miezaka mafy izy ireo ary mandray anjara lehibe amin’ny fanorenana ny asa eo ambonin’ny fototra mafy. Hita taratra eo amin’ireo rahalahy eto an-toerana izany toe-tsaina izany amin’ny fitiavan’izy ireo sy ny zotom-pony ho an’ny fahamarinana. Na dia eo aza ny zava-manahirana atrehina toy ny tsy fananana asa sy ny loharanom-pahazoana ara-nofo tena voafetra, dia rahalahy maro be no mandany 15 ora sy mihoatra an’izany eny amin’ny asa fanompoana isam-bolana. Manantena izahay fa hifankahita amin’ny sasany amin’izany mpiasa be zotom-po izany ianao amin’ny fitsidihanao.”
Nanantena ny hanao toy izany koa aho.
Teny amin’ny fanompoana niaraka tamin’ny misionera
I Margaret (izay nanao ny asa misionera nandritra ny 20 taona mahery talohan’ny nahafatesany vao haingana) dia nanolo-tena hitondra ahy hiaraka aminy ho any amin’ny faritaniny any afovoan-tanàna. Nandray car rapide (fiara haingam-pandeha) izahay mba hanandramana kely ny fiaimpiainana eo an-toerana. Izy io, raha ny marina, dia fiara kely fitateram-bahoaka mijanonjanona matetika. Mitondra mpandeha 25 izy io, ary raha mahia izy rehetra, dia afaka nahatsapa aho fa saika ahazoana aina ny fandehanana amin’ilay izy. Tsy mahia mihitsy ilay ramatoa anankiroa niray toerana tamiko, nefa niaritra ilay toe-javatra tamim-pitsikiana aho.
“Ao amin’ilay faritaniko any amin’ny foiben-toerana fanaovan-draharaha, dia afaka mahita zavatra mahaliana maro be ianao”, hoy ny fanazavan’i Margaret rehefa tonga teo amin’ny halehanay izahay. “Hitanao ve iretsy kapa miloko iretsy?” hoy izy nanontany, sady nanondro talantalana vitsivitsy nanamorona ny sisin-dalana. “Natao tamin’ny hoditr’ondry sy hoditr’osy nolokoina ireny.” Nanatona ireo mpanamboatra kapa izahay, ary nanomboka nampahafantatra tamin’izy ireo ny tenany tamin’ny fiteniny, dia ny Wolof, i Margaret. Nihaino tamim-pitandremana izy ireo ary voasinton’ireo sary mampiseho an’i Adama sy i Eva tao amin’ilay bokikely miloko.
Tsy ela izahay dia nohatonin’ireo mpivarotra mandehandeha, fantatra amin’ny hoe bana-bana eto, izay manolotra zavatra isan-karazany tsy misy farany. Ny sasany mitondra kifafa lava; ny hafa mampiseho akanjo, fanalahidy, fanafody, poketra, voasary, ary hatramin’ny voronkely mbola velona aza. Nisy anankiray naniry hivarotra tamiko kora, zavamaneno fitendry vita tamin’ny voatavomonta notapahina roa, na voatavobozaka, misy tadiny ary tendrena amin’ny tanana roa. Voamariko fa nisy sary kely mampiseho loham-biby namboarina tamin’ny hodi-biby sy tandrok’osy ary akorandriaka kely “manambina” tao ambadik’ilay izy. Nohazavainay fa tsy mividy zavatra na inona na inona misy marika mety hisy ifandraisany amin’ny fanahy ratsy na fombafomba tsy kristiana, izahay. Gaga izahay fa nanaiky ilay bana-bana, ary nilaza fa Miozilimanina mihitsy izy. Nafeniny tao ambadik’ilay akanjo lavany malalaka, na boubou, ilay kora, ary nihaino tamim-pitandremana izy rehefa nampiseho ilay bokikely amin’ny fiteny arabo i Margaret. Tohina aoka izany izy ka nandray ilay bokikely ary nanomboka namaky izany avy hatrany. Rehefa avy nisaotra be dia be anay izy, dia lasa niaraka tamin’ilay bokikely sy ilay kora tsy lafo. Nahazo antoka izahay fa hianarany any an-trano ilay bokikely.
Taorian’izay aho dia niresaka tamin’i John, izay misionera nandritra ny 20 taona mahery koa.
“Tena sariaka ny olona eto, ary afaka miresaka saika amin’ny olona rehetra hitanao ianao”, hoy i John tamiko. “Ilay firarian-tsoa mahazatra hoe ‘assalam alaikum’, dia midika hoe ‘ho ao aminao ny fiadanana’, ary tia fihavanana ny ankamaroan’ny olona. Tanin’ny teranga, na fampiantranoam-bahiny izy io, ary izany dia miseho amin’ny hatsaram-panahy sy ny hafanan’ny olona ary ny fahamiramiranany.” Nanjary mora kokoa ho ahy ny nahita ny antony nahafahan’ny Vavolombelona tanora maro be avy any amin’ny tany hafa nandao ny fianakaviany sy ny sakaizany mba hanompoana any amin’izany asa misionera izany.
Afaka mba hanao fanompoana manontolo andro
Nanana hery mitaona lalina teo amin’ny Vavolombelona teo an-toerana ny toe-tsaina tia ny asan’ny misionera. Nisongadina manokana izany satria nahatonga ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra manontolo andro ho tena zava-tsarotra ny tsy fananana asa niely. Nanazava toy izao ry Marcel sy Lucien, izay afaka tamin’ny fahazarana manimba noho ny fianarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly:
“Naniry ny haneho ny fankasitrahanay izahay tamin’ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra. Nefa saro-tadiavina ny asa tapak’andro. Nanandrana nanao zaridaina izahay nefa tsy nety izany. Nampandany fotoana be anay ny fanasan-damba. Izao izahay dia ao amin’ny fanaova-mofo, manana tranom-barotra vitsivitsy mpividy entana tsy tapaka aminay, ary mandeha tsara izy io.” Mazava ho azy fa nitaky finoana sy fahaiza-manao zavatra be dia be tamin’izy ireo izany, miaraka amin’ny fiezahana amim-pahatsorana, nefa manaporofo izany fa azo atao ny mirotsaka ho amin’ny asa manontolo andro na dia sarotra aza ny toe-piainana ara-toekarena.
Fony nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’i Michel ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nianatra tao amin’ny oniversite tao Dakar izy. “Kivy noho ny toe-tsaina maloton’ny maro be tamin’ireo mpianatra aho, ary misy fanontaniana mahasanganehana nahavaka ahy”, hoy izy nitantara. “Nahoana ny olombelona no andevozin’ny fanao sy ny toe-piainana toy izany? Nanome ahy ny valiny ny Baiboly. Toy ny hoe nisy enta-mavesatra nesorina teo amin’ny soroko. Na dia nanizingizina aza ny ray aman-dreniko fa hanohy ny fianarako aho, dia nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy aho ary avy eo dia nanompo tamin’ny naha-mpitory maharitra mandavantaona nandritra ny sisa tamin’ny fotoana nolaniko tany amin’ny oniversite. Tsapako fa ny fizarana amin’ny hafa ny vaovao tsara amin’ny maha-mpitory maharitra no mitondra ny fifaliana lehibe indrindra ho ahy fa tsy ny fitadiavana asa eo amin’ny fandehan-javatra iray efa madiva hifarana.” Manompo amin’ny maha-mpitory maharitra manokana any Mbour izao i Michel.
Fampirafesana, mifanohitra amin’ny fanambadiana tokana kristiana
Tsy mifanaraka foana amin’ny fotopoto-pitsipika kristiana ny fomba amam-panao eo an-toerana, ary mety hahatonga zava-tsarotra tsy misy toa azy izany. Nitantara toy izao i Alioune, mpiandraikitra prezidà ao amin’ny iray amin’ireo kongregasiona enina an’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Dakar sy ny manakaiky azy: “Fony aho vao nandre voalohany ny fahafahana manafaka, dia nanana vady roa aho. Tamin’ny naha-mpanaraka ny fivavahana silamo ahy, dia nanome lalana ahy hanambady mihoatra noho izany aza ny fivavahako. Efatra ny an’ny raiko, ary nanana maromaro ny ankamaroan’ireo namako. Izany no fomba ekena eto Afrika.” Nefa inona no vokatr’izany fomba fiaina izany?
“Mety hiteraka zava-manahirana maro be ny fananana vady mihoatra ny iray”, hoy ny fanazavan’i Alioune, “indrindra raha ny amin’ireo ankizy no resahina. Nanana zanaka folo aho tamin’ny vadiko voalohany ary roa tamin’ilay faharoa. Ao amin’ny fianakaviana toy izany, dia matetika ny ray no vahiny amin’ireo zanany, hany ka tsy mahazo fanampiana sy fifehezana avy aminy izy ireo. Faharoa manaraka izany, dia tsy niaro ahy tamin’ny fanitsakitsaham-bady akory ny fampirafesana. Ny fifehezan-tena, vokatry ny fanahin’Andriamanitra, kosa no nahefa izany.” Inona àry no nataon’i Alioune?
“Nasaiko niverina tany an-tokantranon-dray aman-dreniny ilay vadiko faharoa”, hoy izy nanohy, “ary nohazavaiko tamim-pahaiza-mandanjalanja fa tsy noho izaho nanan-javatra nahatafintohina taminy fa noho izany tsy mifanaraka amin’ny zavatra takin’Andriamanitra. Nanao fandaharana manokana aho hikarakarana ara-nofo sy ara-panahy ny zanako rehetra, ary velom-pankasitrahana aho fa eo am-panompoana an’i Jehovah koa izy ireo ankehitriny. Amin’ireo sivy mpitory, dia dimy no vita batisa, ka ny roa manompo amin’ny maha-mpitory maharitra manokana, ary ny telo hafa manompo amin’ny maha-mpitory maharitra mandavantaona sy mpanampy. Tena nanafaka ahy tamin’ny zava-manahirana maro be mifandray amin’ny fanabeazan-janaka ny fahamarinana.”
Fanompoan-tsampy, mifanohitra amin’ny fanompoam-pivavahana marina
Ny diako nanaraka dia fitsidihana ny faritra Casamance any atsimo. Nanohina ahy ny havao sy ny hamaitson’ny zavatra rehetra. Noho izy mahazo rano tsara avy amin’ny Renirano Casamance mahery, izay misy eo amin’ny 300 kilaometatra, dia mamokatra vary sy katsaka ary voanjombazaha tondraka ilay faritra. Mitsitokotoko manerana ilay ambanivohitra ny tranobongo boribory maromaro misy rihana roa misy tafobozaka miendrika latonoara fanangonana ranonorana hampiasaina amin’ny vanin-taona maina. I Ziguinchor, renivohitra, dia miorina eo ambany alokaloky ny alam-palmie midadasika. Mahafinaritra ny mahita kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray be zotom-po eto.
Nilaza tamiko i Dominic, misionera iray miasa ao Ziguinchor sy ny manodidina fa tena mandroso tsara ny asa fitoriana ao amin’io faritra io. “Vao folo taona lasa izay”, hoy izy, “dia mpitory 18 no tao amin’ny kongregasionan’i Ziguinchor. Misy 80 izy izao. Mba hikolokoloana izany fitomboana lehibe izany, dia nanorina Efitrano Fanjakana vaovao tsara tarehy izahay, ary nampiasa tanimanga hita teo amin’ilay toerana iorenan’ny efitrano. Hita fa fanambarana lehibe teo amin’ny fiaraha-monina ilay asa fandaharam-panorenana. Nisy fanamarihana feno fankasitrahana nataon’ireo izay nahita olona avy amin’ny foko maro be samy hafa niara-niasa tamim-pihavanana. Tao amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray vao haingana, dia nisy 206 ny tampon’isan’ny mpanatrika, ary nisy olona 4 natao batisa.”
Misy olona maro be amin’io faritr’i Sénégal io mbola manaraka ny finoana “animiste” narahin’ireo razambeny, amin’ny fivavahana amin’ny sampy na dia mihambo ho kristiana na Miozilimanina aza. Nihaino tamim-pitandremana ny tantara nataon’i Victor, loholona iray ao amin’ny kongregasionan’i Ziguinchor, aho.
“Teraka tao amin’ny fianakaviana maro anaka nanompo sampy tany Guinée aho. Tamin’ny fahaterahako, dia nanolotra ahy ho an’ny fanahy na demonia iray ny raiko. Mba hahazoana ny fankasitrahan’izy io, dia naka tsy tapaka valizy mainty iray avy tao ambany farafara aho, nanorina alitara kely iray, ary nanao fanatitra ra ho an’ilay tandroka nampiseho ilay demonia mpiaro ahy. Na dia taorian’ny nahatongavako ho katolika aza, dia mbola nahatsapa ho nandevoziny ihany aho. Taorian’ny nifindrako ho any Sénégal, dia nanomboka niara-nianatra Baiboly tamiko ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahafantatra izaho sy ny vadiko fa tsy afaka hanohy ‘hihinana eo amin’ny latabatr’i Jehovah sy ny latabatry ny demonia’ izahay. (1 Korintiana 10:21). Nefa nony nitsahatra tsy nanao fanatitra aho dia nanomboka namely anay ireo demonia. Natahotra aho ny hanary ilay valizy mainty miaraka amin’ireo fitaovana misy herin’ny demonia satria nahafantatra rangahy iray lasa adala tanteraka rehefa nanao toy izany.” Toe-javatra nampahonena tokoa ny nisy an’i Victor!
“Farany, ny teny tao amin’ny Romana 8:31, 38, 39, dia nanome anay ny hery nilaina mba hanaisotra izay zavatra rehetra nifandray tamin’ny fanompoan-tsampy. Izao, noho izahay nametraka ny fitokianay amin’i Jehovah, dia tena afaka marina tokoa izahay. Ny ankohonako manontolo dia manana ny fanantenana mahatalanjona ny amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany iray izay hahafaka ny taranak’olombelona rehetra amin’ny herin’ny demonia ratsy.”
Rehefa ela ny ela, dia tonga ny fotoana tsy maintsy hiaingako. Rehefa nifehy ny entako aho, dia namisavisa ny fitsidihana tsy hay hadinoina nataoko tany Sénégal. Fanatanjahana finoana toy inona moa ny ahy nahita sy niresaka tamin’ny olona maro be afaka tamin’ny fanandevozan’ny fanaranam-po tamin’ny zava-mahadomelina sy fahalotoam-pitondrantena ary finoanoam-poana ka ankehitriny dia manana ny tena fahafahana. Na dia eo aza ny toe-piainana ara-toekarena sarotra, dia mahita fifaliana sy fahafahampo izy ireny eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, izay nanome azy ireo ny fanantenana azo antoka momba ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Velom-pankasitrahana azy toy inona moa isika, dia izy izay nanao izay hetezan’ny fitoriana ny vaovao tsara toy izany, tsy any Sénégal ihany, fa maneran-tany koa mandritra ny “taona ankasitrahan’i Jehovah”! (Isaia 61:1, 2) — Contributed.
[Sarintany, pejy 8]
(Jereo ny gazety)
SENEGAL
St. Louis
Louga
Thiès
Dakar
Kaolack
GAMBIE
Banjul
[Sary, pejy 9]
Zaraina maimaimpoana any amin’ireo vohitra ny rano manafaky ny fahamarinana
Tranon’ny misionera sy biraon’ny sampana an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Dakar sy Sénégal
[Sary, pejy 10]
Any amoron-tsiraka koa, dia mandre ny hafatra kristiana ny mponina any Sénégal