Fitantarana mampientana ny fo avy any amin’ny Firaisana Sovietika
Fiafarana mahafaly ho an’ny zato taona nanaovana fanambarana
“MBA hanoratana ara-dalàna ny Fitsipika itondrana ny Foibem-pitantanan’ireo fandaminana ara-pivavahan’ny ‘Vavolombelon’i Jehovah eto U.R.S.S.’”
Izany no nandikana ireo teny voalohan’ny tahirin-kevitra amin’ny fiteny rosiana aseho amin’ity pejy ity. Marina tokoa fa valin’ny vavaka maro be ireo teny ireo. Io tahirin-kevitra io dia nosoniavin’ny manamboninahitra ambony iray ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana any amin’ny Fikambanan’ireo Repoblika sosialista sovietika, ary nasiany fitomboka fanamarinana. Midika izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia fandaminana ara-pivavahana ekena manerana an’i U.R.S.S. Tamin’izany izy ireo dia tonga teo amin’ny fiolahana lehibe teo amin’ny tantarany izay efa nahatratra zato taona tany amin’io tany midadasika io.
Fiandohana kely dia kely
Tantara nahatratra zato taona hoe? Eny tokoa. Amin’izao andro ankehitriny izao, ny mpitory ny vaovao tsara voalohany indrindra fantatra tany amin’io tany io dia i Charles Taze Russell, izay nitantara fa nitsidika tany izy tamin’ny 1891. Ao amin’ny Zion’s Watch Tower and Herald of Christ’s Presence (Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona sy mpitondra hafatra momba ny fanatrehan’i Kristy), tamin’ny Septambra 1891, dia mitantara izy fa nankany Kishinev, any Rosia, ny tenany nandritra ny dia iray nanerana an’i Eoropa. Tany izy dia nifankahita tamin’izany Joseph Rabinowitch izany, izay nino an’i Kristy sy nanandrana nitory tamin’ireo fianakaviana jiosy tamin’io faritra io. Mitantara be dia be momba ireo resaka lalina sy nahaliana momba ilay Fanjakana nifanaovany tamin’i Rabinowitch i Russell.
Re indray ny vaovao tsara
Taorian’ny fitsidihan’i Russell, dia tsy re firy ny amin’ny fanaovana fanambarana tany amin’izay fantatra ho U.R.S.S. ankehitriny, nefa tsy milaza akory izany fa tsy nisy zavatra notontosaina tany. Tamin’ny 1927, dia nisy kongregasiona telo tany amin’ny Firaisana Sovietika nandefa tany amin’ny Fikambanana filazana asa momba ireo fivoriana tamin’ny Fahatsiarovana. Kanefa toa tsy dia nandeha haingana ny fandrosoana tany raha tsy tatỳ aorian’ny ady lehibe faharoa. Niafara tamin’ny fiovam-ponenan’ny mponina maro aoka izany tany Eoropa io ady io. Ny vokatra iray tsy nampoizina tamin’izany fivezivezena izany dia ny fisian’ny mpitory ilay Fanjakana maro be tafiditra tany amin’ny Firaisana Sovietika.
Ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Febroary 1946, dia mitantara hoe: “Nisy mpitory arivo mahery, izay nitory tamin’ny fiteny okreniana tany amin’ny faritra atsinanan’i Polonina, nafindra tany amin’ireo faritra lavitra indrindran’i Rosia ankehitriny. (...) Avy eo koa, dia nisy rahalahy an-jatony maro, nonina tany Bessarabia, anisan’i Romania taloha, izay lasa mponin’i Rosia ankehitriny ary manohy ny asany fanaovana mpianatra ny firenena rehetra.”
Fanampin’izany, nandritra ny ady lehibe faharoa, dia nisy olom-pirenena sovietika nijaly tany amin’ny toby fitanana nazia. Ho an’ny sasany taminy, izany zava-nanjo azy mafy izany dia nitondra fitahiana tsy nampoizina. Ny fitantarana iray dia milaza ny amin’ny vehivavy tanora rosiana 300 tany an-tranomaizin’i Ravensbrück. Tany izy ireo dia nifankahita tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nanaiky ny fahamarinana ary nandroso ka tonga hatramin’ny batisa. Nisy zavatra maro nitovy tamin’izany nitranga tany amin’ny toby hafa. Rehefa nafahana ireo Vavolombelona vao avy natao batisa ireo, taorian’ny ady, dia nitondra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana niaraka taminy niverina tany amin’ny Firaisana Sovietika. Tamin’izany fomba izany, ny ady lehibe faharoa dia nitarika ho amin’ny fitomboana haingana teo amin’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tany amin’ny faritany sovietika. Tamin’ny 1946, dia notombanana ho 1 600 ny isan’ireo mpitory narisika tany.
Fitoriana tany an-tranomaizina
Nampalahelo fa nanohy nandray anjara lehibe teo amin’ny fanaparitahana ny vaovao tsara tany amin’ny Firaisana Sovietika ireo tranomaizina. Taorian’ny ady, ireo manam-pahefana dia nihevitra tamim-pahadisoan-kevitra ireo Vavolombelona ho fandrahonana ho azy, ary maro tamin’izy ireny no nataony an-tranomaizina. Tsy nampijanona ny fitoriana anefa izany. Ahoana no hijanonany tsy hanao izany, nefa nino marina izy fa ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra no vaovao tsara indrindra ho an’ny taranak’olombelona? Ho an’ny maro tamin’izy ireo àry, ny tranomaizina dia tonga faritaniny, ary mpigadra maro nahare azy ireo no nanaiky ny hafatra. Hoy ny fitantarana iray tamin’ny 1957: “Amin’ireo rehetra fantatra fa ao anatin’ny fahamarinana amin’izao andro izao any Rosia, dia hita fa ny efapolo isan-jato aminy dia naharay ny fahamarinana tany an-tranomaizina sy tany amin’ireo toby.”
Moa ve kivy ireo Vavolombelona noho io fandrahonana tsy an-kijanona ny hatao an-tranomaizina io? Na dia kely akory aza! Hoy ny fitantarana iray tamin’ny 1964: “Any amin’ireny toby ireny, dia misy Vavolombelona izay fanindroany na fanintelony no maha-any azy, satria tsy nijanona nitory ilay hafatra izy ireny taorian’ny nanafahana azy.” Ny hafa, hoy ny tohin’ilay fitantarana, dia olo-meloka izay nalefa tany an-tranomaizina na tany amin’ny toby, ary nifankahita tamin’ny Vavolombelona tany. Nanaiky ny fahamarinana izy ireo ary nandroso ka tonga hatramin’ny batisa talohan’ny nanafahana azy.
Fihenan’ny fanerena
Tany ampovoan’ireo taona 1960, dia nanaraka fihetsika tsy dia henjana toy ny taloha teo anatrehan’ireo Vavolombelona ireo manam-pahefana. Azo inoana fa tsapan’izy ireo fa tsy fandrahonana ho an’ny lalàna na ny filaminan’ny vahoaka na dia kely akory aza ny vahoakan’i Jehovah. Koa, na dia mbola tsy ara-dalàna aza ny asan’ireo kristiana manetry tena ireo, dia nihena ny fisamborana azy sy ny fisavana ny tranony, ary velom-pankasitrahana izy ireo noho io fanalefahana ny fanerena io. Ny faniriany lehibe indrindra dia ny hanohy hanana fiainana kristiana sy ny hiasa amim-pilaminana sy amin-kalemem-panahy ary amim-pihavanana, raha mbola niankina tamin’ny tenany koa. — Romana 12:17-19, MN; 1 Timoty 2:1, 2.
Tamin’ny 1966, ireo rehetra natao sesitany tany Siberia nandritra ny fotoana ela be dia nafahana ary nomena lalana hankany amin’izay toerana tiany teo amin’ny taniny. Maro no niverina tany aminy taorian’ny taona maro be nahalasanany, fa ny sasany kosa dia nifidy ny hijanona tany an-toerana. Ny anabavy iray, izay natao sesitany tany Siberia niaraka tamin’ny fianakaviany fony izy ankizivavy kely, dia niara-niverina tany Rosia andrefana tamin’ny ray aman-dreniny. Kanefa nijanona tany vetivety ihany izy. Tiany aoka izany ireo mponin’i Siberia nanetry tena sy nahay nandray olona, ka nandao ny fianakaviany izy mba hiverina hanohy ny asa fitoriana tany amin’ireo olona vonona ny handray ny hafatra ireo.
Ny toe-javatra nahakasika ny rahalahy iray izay nifindrafindra tanàna dia fahita nandritra io fotoana io. Rehefa afaka kelikely dia nahita Vavolombelona roa hafa izy. Nivavaka mba hahazo fanampiana izy telo ireo ary tsy ela dia nahita vehivavy tanora izay grika ôrtôdôksa. Nanaiky haingana ny fahamarinana izy io ary nitarika ireo rahalahy ho any amin’ny olona liana roa hafa — ny reniny sy ny zandriny vavy. Namarana toy izao ilay fitantarana: “Amin’izao andro izao, dia misy olona efapolo miaraka amin’ireo rahalahy ireo, ka ny telopolo amin’izy ireo dia nianatra ny fahamarinana tao anatin’ireo enim-bolana farany.”
Na dia izany aza, ny Vavolombelon’i Jehovah dia voasakantsakana teo amin’ny asany noho ny tsy fisian’ny fanekena azy ho ara-dalàna. Natao tamim-pahamalinana fatratra ireo fivoriana. Natao tamim-pitandremana ny fitoriana. Mbola teo ihany ny nety hampidirana an-tranomaizina, ary tsy azo natao ny fanaovana fanambarana isan-trano an-karihary. Na dia teo aza anefa izany, dia nanohy nanompo ny Andriamaniny tamim-pahatokiana ireo Kristiana sovietika nahatoky ireo ary niseho ho olom-pirenena tsara hatrany teo amin’ny nisy azy. Naneho ny fihetsiny ny iray taminy rehefa nanoratra hoe: “Tombontsoa lehibe ny miaritra ny fitsapana rehetra sy ny mitoetra ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra, ny midera an’Andriamanitra mandrakizay eo amin’ny fiainan’ny tena mba hahazoana fiainana mandrakizay avy amin’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” Ohatra tsara dia tsara toy inona re ireo Vavolombelona sovietika ireo raha ny amin’ny fiaretana sy ny fahatokiana!
Ara-dalàna rehefa ela ny ela!
Nanomboka tamin’ny 1988, dia nanomboka nisy fiovana tany amin’ny tany nifandray tamin’ny Firaisana Sovietika. Nisy rivo-piainam-pahafahana lehibe kokoa nanjaka, ary nisy tany nametra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah taloha, nanomboka nanaraka tetik’asa sasantsasany. I Polonina, i Hongria, i Romania ary ny tany maro hafa dia nanaiky ara-dalàna ireo Kristiana tso-po ireo ka nanome lalana azy ireo hiasa an-karihary nefa tsy hatahotra famaliana. Taona feno hasambarana toy inona moa ireo telo taona farany ireo tany Eoropa atsinanana! Ary nanao ahoana moa ny fanararaotan’ireo rahalahy any ny fahafahana vaovao vao azony mba hanaparitahana ny hafatr’ilay Fanjakana mitondra fihavanana! Ary nanao ahoana moa ny hafaliana tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany an-tany hafa rehetra niaraka tamin’izy ireo!
Ireo Vavolombelona sovietika dia efa nandray soa avy tamin’ireo fahafahany niitatra. An’arivony maro — ny sasany avy tany amin’ny morontsirak’i Azia any Pasifika — no nanatrika ireo fivoriamben’ny distrika nanamarika ny tantara, tany Polonina tamin’ny 1989 ary avy eo dia tamin’ny 1990 indray koa, ka nisy Vavolombelona 17 454 avy any amin’ny Firaisana Sovietika nanatrika tany Varsovia. Endrey izany fahatsiarovana nentin’izy ireo nody tany aminy! Ny ankamaroan’izy ireo tokoa dia mbola tsy nanao ny fanompoam-pivavahana niaraka tamina Kristiana namany mihoatra ny isan’ny rantsantanany. Kanefa tamin’izay izy ireo dia niaraka tamina vahoaka nisy an’aliny maro!
Niverina tany amin’ny Firaisana Sovietika izay nanjary nihanandefitra hatrany izy ireo. Nitazana ny Vavolombelona maneran-tany ka nanontany hoe: Rahoviana ny Vavolombelon’i Jehovah no hekena ho ara-dalàna any amin’ny Firaisana Sovietika? Nitranga tamin’ny 1991 izany — zato taona tsara taorian’ny fitsidihan’i Charles Taze Russell tany! Tamin’ny 27 Martsa 1991, ny ‘Foibem-pitantanan’ireo Fandaminana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any U.R.S.S’ dia nosoratana ara-dalàna tao amin’ny tahirin-kevitra iray izay nosoniavin’ny Minisitry ny fitsaran’i U.R.S.S. (Union des Républiques Socialistes Soviétiques na Firaisan’ireo Repoblika Sosialista Sovietika) tany Moscou. Karazana fahafahana inona no nomena ireo Vavolombelona?
Ny fitsipika eken’ny fitsarana itondrana ilay fikambanana vao avy nosoratana ara-dalàna dia mahafaoka izao fanambarana manaraka izao: “Ny zava-kendren’io Fandaminana ara-pivavahana io dia ny fanaovana ny asa ara-pivavahana hampahafantarana ny anaran’i Jehovah Andriamanitra sy ireo fandaharany feno fitiavana ho an’ny taranak’olombelona amin’ny alalan’ny Fanjakany any an-danitra tarihin’i Jesosy Kristy.”
Amin’ny fomba ahoana no tokony hanaovana izany? Anisan’ireo fomba voatonona ny fitoriana ampahibemaso sy ny fitsidihana ny olona any an-tranony; ny fampianarana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ireo olona izay vonona ny hihaino; ny fitarihana fampianarana Baiboly maimaimpoana amin’izy ireny amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra fianarana Baiboly; ary ny fanaovana izay handikana, hampidirana avy any ivelany, hampanontana, hanaovana pirinty ary hizarana Baiboly.
Ilay tahirin-kevitra dia milaza koa ny amin’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo ambany fitarihan’ny Kolejy foibe, anisan’izany ireo kongregasiona misy kolejin’ny loholona, ny Komitin’ny Prezidà misy mpikambana fito, ary ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy distrika.
Mazava fa afaka manao zavatra amin-kalalahana sy an-karihary izao ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Firaisana Sovietika toy ny any amin’ny tany maro hafa. Alao sary an-tsaina ny hafalian’ny dimy amin’ireo mpikambana fito ao amin’ny Komitin’ny Prezidà [Sampana] sy ny an’ireo loholon’ny kongregasiona dimy nahatoky hatramin’ny ela be, izay nanana ny tombontsoa hanisy sonia io tahirin-kevitra ara-tantara io sy hahita azy nasian’ny Lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana ara-dalàna ireo Fikambanam-bahoaka sy Fikambanana ara-pivavahana, fitomboka fanamarinana! Nety indrindra ny naha-teo koa an’i Milton Henschel sy i Theodore Jaracz, anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanatrika io zava-niseho manan-tantara io. Tamin’ireo antokon’olona neken’i U.R.S.S., dia ny Vavolombelon’i Jehovah no voalohany nahazo ny tahirin-kevi-pisoratany ofisialy. Valisoa toy inona moa izany ho an’ireo rahalahy rosiana nahatoky, rehefa avy niaritra tamim-paharetana nandritra ny an-taonany maro aoka izany!
Ny Vavolombelon’ i Jehovah hatraiza hatraiza dia velom-pankasitrahana an’ireo manam-pahefana sovietika nanome io fanekena ara-dalàna io. Misaotra indrindra indrindra an’i Jehovah amin’ny fony manontolo izy ireo noho ny fahafahana vao azon’ireo rahalahiny sovietika. Miara-mifaly amin’ireo Vavolombelona namany any U.R.S.S. sy any amin’ny tany any Eoropa atsinanana hafa izay afaka manompo an’i Jehovah Andriamanitra an-karihary kokoa erỳ izao, izy ireo. Enga anie i Jehovah handrotsaka fitahiana tondraka aminy eo am-pampiasan’izy ireo izany fahafahana izany amin’ny fomba feno ho fiderana ny anarany masina.
[Sary, pejy 27]
Ny Kremlin any Moscou
[Sary, pejy 28]
Mpanatrika fivoriamben’ny distrika rosiana tany ivelan’ny Firaisana Sovietika