Ny zava-tsarotra setraina amin’ny famafazana ny voan’ilay Fanjakana any amin’ny faritra atsimon’i Silia
ENDREY izany fahafinaretana azo amin’ny fandehanana amin’ny lalana ambanivohitra iray mangina any amin’ny faritra atsimon’i Silia! Ny andiam-biby amin’izany miraoka ahitra amim-pilaminana eo amina tanety anirian’ny laharan-kazo amin’ny andaniny roa mifanolotra amin’ny fototr’ireo volkano manerinerina rakotry ny ranomandry ny tampony. Afaka mandre voronkely misiotsioka sy ravinkazo mikasaosaoka eny amin’ny rivotra ianao. Na dia toa mampihetsi-po toy izany aza ny manodidina, dia misy zava-tsarotra tsy maintsy setraina eto ho an’ireo izay mamafy ny voan’ny fahamarinan’ilay Fanjakana.
Irinao ve ny hihaona amin’ny sasantsasany amin’ireo mpitory maharitra, na mpitory ilay Fanjakana manontolo andro eto aminay? Ahoana raha mandany iray na roa andro miaraka amin’izy ireo rehefa mitory ny vaovao tsara izy? Voalohany indrindra, dia aoka isika hihaino an’i Jaime sy Oscar milazalaza ny fahafinaretana sy ny zava-tsarotra hita amin’ny andro toy izany atỳ amin’ny faritra atsimon’i Silia.
Indray andro eny am-pitoriana
“Nanomboka nikofokofoka sy nanjary nandre ny hatsiaka tafiditra tao amin’ny tranokelinay izahay. Nitsambikina niala teo am-pandriana i Oscar, izay nanao ban-kiraro volonondry sy satroka lamba iray tavela teny an-dohany. Nandrehitra kitay teo amin’ny fatana izy, nandefa ilay fanafanana kely mandeha gaza mba hampiala ny hatsiaka tao an’efitra, ary avy eo dia niverina nankao amin’ny hafanan’ny fandrianany. Mbola maizina tany ivelany, ary afaka nandre ny orana izay nirotsaka nandritra ny alina manontolo izahay. Nijery ny tany ivelan’ny varavaram-pitaratra izahay ary nifampijery avy eo. Ô, moramora ny mihevitra an’io andro io ho tsy azo iasana! Avy teo izahay dia nahatsiaro ny fandaharana nomaninay ho amin’ilay andro sy ny ilàna ny hiasana ny faritany mitokana iray izay tsy mbola nandehanana mihitsy tamin’ny taon-dasa. Voatosika hanomboka hiasa izahay.
“Teny an-dalana, talohan’ny tamin’ny valo ora, dia nandeha an-tongotra izahay tamin’ny famindra marisika sy ny fanantenana fa hisy olona handray anay amin’ny fiarany na hisy fiarambahoaka ho tonga, mba hahafahanay manafaingana ny dianay hihazo ny lalana miverina mitondra ho any amin’ireo trano sy vohitra kely ao amin’ilay faritaninay. Indro, nisy trakitera iray nitarika kalesy fisaka nisy mpiasa vitsivitsy teo amboniny. Nijanona ilay mpamily, ary namela anay hiakatra tao anatiny. Faly izahay fa, noho ilay orana halina, dia voatsimbina tamin’ny fandehanana ao anaty vovoka mitora-jofo toy ny mahazatra. Nony tafakatra izahay, dia nizara ny vaovao tsara tamin’ireo mpiasan’ny fambolena. Rehefa tonga ny fotoana hialana, dia nanome azy ireo gazety vitsivitsy izahay. Velom-pankasitrahana toy inona moa izahay noho ilay fiara nanafaka anay tamin’ny dia an-tongotra 12 kilaometatra!
“Haharitra ny andro hivezivezenay ao amin’ilay tanàna ambanivohitra hitadiavana olona mendrika. Rehefa nanomboka voalohany ny asa nanendrena anay izahay, dia tsy afaka nahatakatra ny antony naneken’ny olona izay nolazainay nefa toa nisalasala handray zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly izy ireo. Nahare izahay fa izany no izy matetika satria tsy mahay mamaky teny izy ireo. Hitanay àry fa nitondra soa izany mba hanamarihana aminy fa ireo zavatra vita an-tsoratra nentinay dia fanomezana mahatalanjona ho an’ireo zanany sy havany, izay afaka mizara aminy kosa ny zavatra raketiny. Ny ankamaroan’ireo izay niresahanay dia tsy manana firy raha ny amin’ny fananana ara-nofon’ity tontolo ity. Nefa satria faly izy ireo nizara izay nananany, rehefa nandray zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly izy ireo, dia matetika no nanome anay atody, ovy, betiravy, tongolo, tsaramaso, karazana voanemba, ary “garbanzo” (voan-javatra toy ny tsaramaso).
Nianatra nanao fanoloran-kevitra i Jaime rehefa nisy tompon-trano iray naniry hanome azy zavatra toy izany ho takalon’ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly nomeny. Nahoana? Indray mandeha, ireo mpitory maharitra dia nody, nitondra legioma 15 kilao, ary ny namany kosa voatery nitondra akoho velona iray tao anaty kitapony fitondrana boky saika nandritra ny andro! Matetika i Jaime no nanontany raha nisy merquén, fangaron-tsakafo matsiro iray natao tamin’ny dipoavatra sy zava-manitra fanao sakafo. Mitohy toy izao ilay fitantarana:
“Niampita ireo tanimboly izahay, ary sendra rucas [trano] vitsivitsy an’ireo Mapuche [midika hoe “Vahoaka avy amin’io tany io”] teratany. Sarotra ny miresaka amin’ny Mapuche efa zokiolona, satria maro be no tsy miteny afa-tsy amin’ny fitenin-drazany ihany. Rehefa nisy tanora kokoa teny akaiky teny, dia matetika izy ireny no nampiasaina ho mpandika teny. Nony niditra anatinatiny kokoa tao amin’ilay tanàna ambanivohitra izahay, dia nifanena tamin’olona tsy mbola nahita Baiboly mihitsy na nitsidika tanàna lehibe sahala amin’i Temuco, renivohitr’ilay faritany. Izany dia nampiseho ny zava-tsarotra teo amin’ny fanampiana azy ireo hahatakatra hoe amin’ny ahoana ny toe-draharaha maneran-tany no miharatsy. Tsy maintsy nanao izany miandalana izahay tamin’ny fampisehoana tamin’izy ireo hoe amin’ny ahoana ny zava-manahirana eo an-toerana no ahitana taratr’izay mitranga any an-toeran-kafa.
“Rehefa nandroso ny andro, dia nitaky fialan-tsasatra ny tongotray efa reraka. Ny toetr’andro dia fifandimbasan’ny hazavana mibaliakan’ny masoandro sy ny orana mikija ka tsy nilàna fampiasana elo. Ireo tanimboly voasa vao haingana dia nahatonga ny baotinay hatevin’ny fotaka. Rehefa nandre ny teny hoe Pase no más (Miantranoa) izahay, dia nandroso tamim-pankasitrahana tao an-dakozia ary nahazo ny hafanan’ny fatana kitay, ‘kafe’ vita tamin’ny voamadinika eran’ny kaopy, fromazin’ny tantsaha, ary mofo vao mafana vita tao an-trano. Endrey izany fofona manentoenton’ny mofo vao mafana!
“Tamin-kery nohavaozina, dia nanohy hatramin’ny hariva be izahay, namakivaky tanimboly nosarahin’ny fefy indraindray, na dia ho hitanao aza ny tanimboly sasany misy varimbazaha voafefin’ny hazo madinika antsoina hoe pica-pica, “genêt” (karazana kifafambohitra) maitso mavana misy voniny mavomavo. Koa satria madiva hilentika ny masoandro, ary tsy maintsy mihazo lalana lehibe hafa izahay mba hanatratrarana ny fiarambahoaka farany mody any an-tanàna, dia hifarana tsy ho ela ny dia an-tongotra 20 kilaometatra nataonay.
“Tafaverina soa aman-tsara izahay, trotraka nefa faly, satria nanao resadresaka nahafinaritra maro be niaraka tamin’olona azo ampitahaina amin’ny ondry. Taorian’ny nihinanana sakafo kely, dia namisavisa izay natao nandritra ny andro izahay ary avy eo dia nitarika ny vatanay trotraka nankao am-pandriana.”
Fitsidihana an’i Chiloé
Ny vondro-nosin’i Chiloé dia voaforon’ny nosy kely maromaro. Misy 180 kilaometatra ny halavan’ny nosiny lehibe indrindra, ary ahitana havoana maitso maromaro sarahina farihy kely. Ary moron-dranomasina manintona sy tanàna kely fanjonoana hafa dia hafa toy inona moa no mety ho hitanao na aiza na aiza alehanao!
Tao an-tanàna kelin’i Achao, vao tafavoaka indrindra ilay nosy lehibe indrindra, dia nahita an’i Rubén sy i Cecilia izahay. Rehefa tonga tao izy ireo tamin’ny Martsa 1988, dia nampitandrina ny vahoaka ny pretra teo an-toerana mba ‘tsy hihaino ilay mpivady mandehandeha eran’ny nosy miresaka momba ny Baiboly’. Ireo fanazavana tsy manorina nataony dia nanakombona ny sain’ny sasany, nefa koa namoha ny fahalianan’ny hafa. Tamin’ny farany, i Rubén sy i Cecilia dia nitarika fampianarana Baiboly 28. Maromaro tamin’ireo fampianarana ireo no natao tamina mpampianatra, ary ny efatra tamin’izy ireo dia nampiasa ilay zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower hoe “Toute Écriture est inspirée de Dieu et utile” sy Ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly mba hampianarana momba ny fivavahana tany amin’ny sekoliny.
I Jehovah dia mikarakara ireo mpitory maharitra miasa mafy ireo, izay mandeha an-tongotra hatramin’ny 34 kilaometatra isan’andro amin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy amin’ny fanaovana mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20). Indray andro, i Rubén sy i Cecilia dia nandeha an-tongotra nanaraka lalan-kely iray nanamorona ny torapasika, nony injay nahamarika fa tamin’ny fisinton’ny ranomasina dia nisy choritos (karazana sifo-dranomasina) sesehena mora azo tao anatin’izany. Nanomboka nanangona i Rubén, nefa ahoana no hitondrany azy ireo mody? Namaha ilay olana i Cecilia. Nanjary natao kitapo ny ban-kirarony. Hain’ireo mpitory maharitra izao ny fikarakarana laokan-dranomasina matsiro!
Any avaratr’i Achao indrindra, dia misy mpitory ilay Fanjakana manontolo andro roa fantatra amin’ny maha-mpitory maharitra manokana, mikambana amin’ny kongregasiona kely iray ao Linao. Nanomboka tamin’ny 1968 ny asa fitoriana tany, ary ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany tany Linao dia vita batisa tamin’ny 1970. Nandritra ny efa-taona, dia irery tamin’ny fanaovana ny asa fitoriana io rahalahy io, ary voatery niaritra fanesoana avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviany sy ireo olom-pantany. Farany, tamin’ny 1974, dia nanaiky tamim-pankasitrahana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny vadiny ary natao batisa. Izany dia narahin’ny fanaovana batisa ny rahalahiny ara-nofo efatra, ny anabaviny efatra, ny dadatoany efatra, ny zanaky ny iraitampo aminy enina, ary ny zaodahiny iray mbamin’ny vadin’io. Fianakaviam-be iray ilay kongregasiona niforona tany. Rehefa ela ny ela, dia nanomboka nanompo tamin’ny naha-loholona ny telo tamin’ireo rahalahy dimy ary ny iray tamin’ny naha-mpikarakara momba ny asa.
I Luis sy i Juan dia mpitory manontolo andro niompana tamin’ny famafazana ny voan’ilay Fanjakana tany Quemchi, tanàna kely iray any amin’ny 30 kilaometatra avy eo Linao. Isan’andro izy ireo dia mandingana fefy, mamakivaky tanety feno voly, ary miakatra sy midina havoana, ao anatin’ny rivotra sy orana izay toy ny namana tsy mahasaraka azy. Mba hahatratrarana ireo nosy eo akaiky, dia mandeha amin’ireo sambo kely mankany amin’ny nosy Chiloé indroa na intelo isan-kerinandro izy ireo. Mijanona eo amin’ny nosy iray mandritra ny roa andro ry zareo. Mety hahatonga ny mpandeha an-tsambo hahatsapa ho maloiloy kely ny fandehanana eo anelanelan’ireo nosy, nefa ny fandraisana tsara sy ny hatsaram-panahin’ireo mponin’ny nosy dia nandravona izany. Narahin’ny mpitory ilay Fanjakana hafa i Luis sy i Juan, ary niara-niezaka nanatratra ireo mponina 11 500 tao amin’ny faritaniny izy ireo. Na dia niadana aza ny fitomboana, dia dibo-kafaliana i Luis sy i Juan nahita ireo 36 tonga tamin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana 1989.
Ny fiverenana nankany amin’ny kontinanta
Nanohy nianavaratra izahay, namakivaky ny lakandranon’i Chacao, ary tonga teo amin’ny nosy lehibe. Tao amin’io faritra io, i Ramón sy i Irene, mpitory maharitra, dia niasa tao amin’ny faritany midadasika iray mahafaoka ireo antokon’olona mitokana any Maullín sy Carelmapu ary Pargua. Ireo Vavolombelona any amin’ny nosin’i Chiloé dia mandeha an-tongotra mandritra ny adiny iray, avy eo dia mandray transbordador (zahatra) mba hiampitana ny andilan-dranomasina, ary hanatrehana ireo fivoriana kristiana any Pargua. Mandeha fiarambahoaka adiny iray sy fahatelony avy any Maullín i Ramón mba hitarika fivoriana atrehin’olona avo roa heny noho ny isan’ny mpitory amin’ny ankapobeny. Nahoana no ela be aoka izany ny fandehanana amin’ny elanelan-tany 38 kilaometatra monja? Satria mijanona foana ny fiarambahoaka eny an-dalana mba handray olona mivesatra harona misy voankazo sy legioma, gonin’ovy sy tongolo, ary indraindray aza kisoa sy akoho velona. Izay tsy omby any amin’ny tafon’ny fiara dia ampidirina ao anatiny. Ny vokany farany, dia fandehanana maharitra ao anatin’ny fofona be sy korontana ary kotaba.
Koa satria vitsy dia vitsy tamin’ireo mpitory maharitra ireo no nanana fiara, ny tsy fahatratrarana fiara iray mampitohy ireo tanàna dia miafara amin’ny fandehanana an-tongotra maharitra, raha tsy hoe misy olona mitondra anao amin’ny fiarany angaha. Rehefa tafaraka tamin’ny mpamily iray i Ramóna sy ny mpianatra Baiboly iray, dia nanontany io hoe: “Ahoana no fihetsiky ny olona manoloana ny asanareo?” Nony nahamarika ny topy mason’izy ireo toa nifanontany ilay rangahy, dia niteny hoe: “Izaho no pretra eto amin’ity fitambaran’olona ity, ary Vavolombelon’i Jehovah ianareo. Fantatro tsara ny asanareo ary toy izany koa ny gazetinareo.” Nisy fotoana nanaovana fanontaniana sy valiny talohan’ny nametrahany azy ireo tany Pargua, tamin’ny farany, ho any amin’ny fivoriana. Azo antoka fa nanana fanontaniana hafa voavaly ilay pretra noho izy nanohy namaky ny gazetintsika.
Tsy mora foana akory ho an’i Ramón sy i Irene ny manatratra ireo trano 20 itarihany fampianarana Baiboly. Ny sasany any am-pitan’ny renirano Maullín na any amin’ireo tanàna kely fanjonoana mitokana ka voatery andehanana sambo kely. Na dia mety hahakivy aza ny oram-be, dia miharihary fa namokatra ny fiaretana nasehon’izy ireo sy ny mpitory ilay Fanjakana 18 hafa miely manerana io faritany ambanivohitra io, rehefa 77 no tafavory mba hanatrika ny Fahatsiarovana.
Tany Los Muermos, i Juan sy i Gladys, mpitory ilay Fanjakana manontolo andro, dia nitarika fampianarana Baiboly 23. Novalian-tsoa ny dia an-tongotra lavitra tamin’ny lalana mandrevon’ny fotaka rehefa namaka tao am-pon’ireo olona mora ampianarina ny voan’ilay Fanjakana. Tao amin’ny faritra mitokana iray any amin’ny tandavan-tendrombohitra amoron-tsiraka akaikin’i Estaquilla, dia niasa ny faritany iray mbola tsy voatsidika mihitsy teo aloha izy ireo. Nanontany mpianatra Baiboly iray izy ireo raha afaka hampindrana ny soavaliny mandritra io andro io izy. “Azo atao tokoa”, hoy ny navaliny. “Mahazo miaraka aminareo ve aho?” Vetivety dia takatr’i Juan fa tsy maintsy ho avy amin’ny fitarihan’i Jehovah izany. Mora foana ny hahavery any anatin’ny ala mikitroka, nefa ilay olona liana dia nahalala tsara ilay faritra ary nitarika azy ireo ho any amin’ireo trano tsy tazana avy eny amin’ireo lalan-kely eny an-tendrombohitra. Rehefa afaka sivy ora nandehanana an-tongotra sy nitaingenana soavaly indrindra, dia nanontany ilay mpianatra Baiboly ny amin’izay tsapany ny iray tamin’ireo mpitory maharitra manokana. Namaly toy izao ilay lehilahy: “Ny hany zavatra mba angatahiko dia ny hitondranareo ahy miaraka aminareo amin’ny manaraka”. Nanohy nanao fandrosoana ara-panahy io olona mahay mankasitraka io ary natao batisa tamin’ny Janoary 1988. Vita batisa tsy ela ny vadiny tao amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray.
Nandritra ny fitsidihana iray nataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia faly ireo mpitory 11 ao Estaquilla nahazo mpanatrika 110 tamin’ny lahateny ampahibemaso. Tao amin’ny tanàna kely iray misy mponina 1 000, akaikin’i Los Muermos, dia 66 no nivory hanatrika ny Fahatsiarovana. Noho izany, dia betsaka ny zavatra hatao any amin’io saha fitoriana midadasika io. — Matio 9:37, 38.
Any avaratra lavitra kokoa no ahitantsika an’i Alan sy i Fernando, mpitory maharitra. Rehefa nandeha an-tongotra tamin’ny lalana feno vovoka izy ireo indray andro, dia nanome toerana azy tao aoriana amin’ny kamiaony ny mpamily iray. Rehefa niala izy ireo, dia voatery nihomehy satria nisy vovoka natevina nandrakotra azy hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Ny fahaizana manao vazivazy sy ny fifaliana amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly 24 dia nanampy handresy lafiratsin-javatra toy izany. Ary alao sary an-tsaina ange izany hafaliany rehefa nisy 65 no nanatrika ny Fahatsiarovana ary nanaraka azy tamin’ny asa fitoriana ny olona roa voalohany teo an-toerana ny volana nanaraka an’iny!
Ny fiampitana an’i Bío-Bío
Mba hahazoana ireo olona azo ampitahaina amin’ny ondry any akaikin’ireo tendrombohitr’i Andes, dia ilaina ny miampita hadilanana iray misy rano mirohondrohon’ny renirano Bío-bío, 50 metatra any ambany. Izany dia vitaina amin’ny fandehanana eo ambonin’ny rafi-kazo marefo iray mihantona amina tady mahazaka iray izay mihenjana manapaka ilay hadilanana. Amim-panahiana no hiakaranao eo amboniny sy hanainganao ny fanoitra iray izay mamotsotra avy amin’ilay rafi-kazo hikorisa hidina ilay mahazaka. Miankina amin’ny arofanin’ilay rafi-kazo ianao raha mbola mifindra haingana mihoatra ny fisasahan’ilay hadilanana, izay itambesaranao mba hijanonana. Rehefa mahazo aina ianao, dia manainga fanoitra hafa iray mandroso sy miverina, ary mifindra tsikelikely miadana miampita ny antsasa-dalana sisa. Mazava ho azy fa tsy natao ho an’ny saro-tahotra izany! Kanefa, misy anabavy iray manao izany isan-kerinandro mba hahatongavana any amin’olona iray azo ampitahaina amin’ny ondry, any amin’ny vohitra an-tendrombohitra lavitra iray!
Ny ohatra tsara dia tsara nomen’ireo mpitory maharitra ireo sy ny mpitory ilay Fanjakana hafa, dia mampahery ireo olona liana manana fo mahay mankasitraka mba hanao fiezahana mifanaraka amin’izany hanatrehana ireo fivoriana kristiana. (Hebreo 10:24, 25). Misy fianakaviana iray mandeha lalana 40 kilaometatra an-tsoavaly hatreo amin’ny renirano Bío-Bío ary avy eo dia mandeha an-tongotra 12 kilaometatra indray mankany amin’ny Efitrano Fanjakana.
Inona no tsaroan’ireo mpitory maharitra rehefa mitodika ireo taon-dasa izy? Volkano rakotra ranomandry ny tampony, tanimboly mahafinaritra, ary renirano misasasasa? Ny vovoka, orana, fotaka, ary dia an-tongotra lavitra? Eny, nefa mahatsiahy indrindra ny olona tsara fanahy nandray tamim-pankasitrahana ny vaovao tsara izy. Azo antoka fa manao ny fiezahana rehetra mendrika ny hatao ireny olona azo ampitahaina amin’ny ondry ireny. Toy inona moa ny fifaliana mamafy ny voan’ilay Fanjakana any amin’ny faritra atsimon’i Silia!