Rahoviana marina ny fiadanana maharitra no ho tonga?
“IRAY amin’ireo zavatra tsy miova eo amin’ny tantara ny ady, ary tsy nihena niaraka tamin’ny sivilizasiôna na ny demokrasia”, hoy ny nosoratan’i Will sy Ariel Durant ao amin’ilay bokin’izy ireo hoe The lessons of History. “Ny fandriampahalemana dia mizana iray miovaova, izay tsy afaka ny ho voaro raha tsy noho ny hery ambony na mitovy raisiny ihany.”
Na dia misy fiezahana mafy tokoa aza, dia nandositra ny olombelona ny fiadanana maharitra hatramin’izao. Nahoana? Ny antony dia satria ireo zavatra miteraka ady dia lasa lalina lavitra noho ny ady ara-politika, adim-paritany, na ara-tsôsialy hitantsika misongadina. Nanao fanamarihana toy izao ry Durants: “Ireo antony mahatonga ady dia tsy misy hafa amin’ireo antony mahatonga fifaninanana eo amin’ny isam-batan’olona: fanangonan-karena sy filana ady ary fieboeboana; ny faniriana sakafo, tany, fananana, loharanon-kery, toerana ambony.”
Kanefa ny Baiboly manokana dia mampahafantatra ny antony fototra miteraka fifandrafiana sy ady eo amin’ny isam-batan’olona sy amin’ny ambaratonga lehibe kokoa. Izao no vakintsika: “Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ny momba ny tenanareo? Mila hianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra hianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady hianareo.” — Jakoba 4:1, 2.
Ilay raharaha àry dia fintinina toy izao: Mba hahatongavan’ny fiadanana marina dia tsy maintsy foanantsika, tsy ny famantarana ny toe-javatra — ady, fikomiana, famelezana, tolom-piavotana — ihany fa ny antony fototra koa — fiahiahiana, fitiavan-karena, fankahalana, fandrafiana — ao amin’ny olombelona rehetra. Tsy maintsy soloana fanaovan-javatra mitohy amin’ny fananana ireo toetra tsy misy fitiavan-tena toy ny fitiavana, fahamoram-panahy, fahamarinana, ary fahalalahan-tanana ireo. Moa ve misy olona afaka manatanteraka izany? Raha miankina amin’ny olombelona tsy tanteraka sy mety maty izany dia tsy maintsy ho tsia ny valiny. Nefa misy olona iray izay tsy sarotra loatra ho azy ny manao izany. Izany dia ilay Iray manana ny valin’ilay fanontaniana hoe: Rahoviana marina ny fiadanana no ho tonga?
Ilay Iray afaka hitondra fiadanana
Teo amin’ny taonjato 28 lasa izay, dia nahazo tsindrimandry ny mpaminany Isaia mba hanambara hoe: “Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina [Mpanolo-tsaina Mahagaga, MN], Andriamanitra Mahery, Rain’ny [Ray, MN] mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.” — Isaia 9:5, 6.
Ny maha-izy an’io iray hitondra fiadanana tsy hanam-pahataperana io dia niharihary tatỳ aoriana kokoa ho tsy hafa fa i Jesosy Kristy, “Zanaky ny Avo Indrindra”. (Lioka 1:30-33; Matio 1:18-23). Nefa nahoana io iray io no nahomby nefa tsy toy izany ireo andriana mbamin’ny mpanapaka hafa? Tokony homarihina aloha voalohany indrindra fa ilay “Zaza” nampanantenaina dia tsy natao hijanona ho zazabodo mila mpiahy, araka ny anehoan’ny sasany azy an-tsary. Izy io kosa dia natao hampihatra “fanapahana” amin’ny maha-“Andrian’ny fiadanana”, ho fitahiana mandrakizay ny taranak’olombelona.
Misy zavatra hafa ankoatra ny fanapahan’i Jesosy. Amin’ny maha-“Mpanolo-tsaina Mahagaga” azy, manana fahatakarana tsy manam-paharoa ny toetra mampiavaka ny olombelona sy manana fahaizana tampony, dia ho hainy ny hamantatra ny vontoatin’ireo raharaha sarotra sy handamina ireo zava-manahirana sarotra atrehin’ireo mpanapaka olombelona sady mandiso fanantenana azy ireo amin’izao andro izao. (Matio 7:28, 29; Marka 12:13-17; Lioka 11:14-20). Avy eo, amin’ny maha-“Andriamanitra Mahery” azy, i Jesosy Kristy, ilay endrik’Andriamanitra natsangana tamin’ny maty, izay efa nomena fiandrianana any an-danitra amin’ny maha-Mpanjaka mesianika izao, dia hanao zavatra hitondra fiadanana amin’ny famerenana amin’ny ambaratonga lehibe izay nataony fony izy tetỳ an-tany — amin’ny fanasitranana ireo izay manana aretina tsy azo sitranina, amin’ny fanomezana sakafo sy fisotro ho an’ny vahoaka maro be, hatramin’ny fifehezana ny toetrandro aza. (Matio 14:14-21; Marka 4:36-39; Lioka 17:11-14; Jaona 2:1-11). Amin’ny maha-“Ray mandrakizay” azy, i Jesosy dia manana ny fahefana hamerina ho amin’ny fiainana indray ireo izay nindaosin’ny fahafatesana sy hanome azy ireny fiainana mandrakizay. Ary ny tenany mihitsy no ho velona mandrakizay, ka izany dia manome antoka fa ny fanapahany sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana. — Matio 20:28; Jaona 11:25, 26; Romana 6:9.
Amin’ny fananana izany, dia mazava ho azy fa i Jesosy no ilay iray afaka mandamina ireo antony lalina mahatonga ady sy fifandrafiana. Tsy hoe hiasa fotsiny mba hanatratrarana fifanekena momba ny fiadanana na drafitra momba ny fiaraha-miaina lazaina fa mitondra fiadanana ho an’ireo firenena izy, ka ho ravan’ny ady hafa fotsiny izany. Izy kosa dia hanaisotra ny tsy fitoviana ara-politika, ny ao amin’ny faritany, ara-tsôsialy, ary ara-toekarena rehetra, amin’ny fitondrana ny taranak’olombelona manontolo ho eo ambany fanapahana tokana, dia ny Fanjakana mesianikany. Amin’ny fitarihana ny vahoaka manontolo ho ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina, Jehovah, dia hofoanany izay antony fototra mazàna miteraka ady, dia ny fivavahan-diso. Tsy misy isalasalana fa i Jesosy Kristy, ilay Andrian’ny fiadanana, dia hanatanteraka izany rehetra izany. Ny fanontaniana dia hoe: Rahoviana?
Ireo fisehoan-javatra mitarika antsika ho amin’ny fiadanana maharitra
Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty sy niakarany ho any an-danitra tamin’ny 33 am.fan.ir., dia tsy maintsy niandry ny fotoana voatendry handraisany raharaha i Jesosy. Izany dia araka ny didin’i Jehovah manao hoe: “Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. Ny tehin’ny herinao havoak’i Jehovah avy ao Ziona; manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.” (Salamo 110:1, 2; Lioka 22:69; Efesiana 1:20; Hebreo 10:12, 13). Rahoviana no hitrangan’izany? Nandritra ny 70 taona mahery, ny Vavolombelon’i Jehovah no nitory nanerana izao tontolo izao ny vaovao tsara milaza fa nanomboka nanapaka tany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy Kristy tamin’ny taona 1914.a
Nefa mety hiteny ianao hoe: ‘Tsy nisy fiadanana hatramin’ny 1914. Mifanohitra amin’izany aza fa miharatsy hatrany ny toe-piainana hatramin’izay.’ Marina tanteraka ny voalazanao. Izany, raha ny marina, dia manaporofo fa mitranga araka ny voambara mialoha ireo fisehoan-javatra. Milaza amintsika ny Baiboly fa mifanandrify indrindra amin’ny fotoana ‘hahatongavan’ny fanjakana amin’izao tontolo izao ho ny fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny’ no ‘hahatezitra ny firenena maro.’ (Apokalypsy 11:15, 18). Tsy nanaiky ny fanapahan’i Jehovah Andriamanitra sy ny Andrian’ny fiadanana voatendriny ireo firenena fa nirotsaka tao anatin’ny ady feno haromotana hahazoana ny fanapahana izao tontolo izao sy nampiseho fahavinirana niavaka tamin’ireo kristiana izay nanao fanambarana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina.
Ny bokin’ny Apokalypsy koa dia mampiharihary fa raha vantany vao tonga teo amin’ny fahefan’ny Fanjakana i Jesosy Kristy, dia nanao zavatra mba handroahana an’i Satana sy ireo demoniany tsy ho any an-danitra: “Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman-alina.” Ny vokany? Manohy toy izao ilay fitantarana: “Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” — Apokalypsy 12:10, 12.
Famantarana farany
Izany dia manome antsika fahatakarana ny amin’ny antony tsy ahafahan’ireo firenena mitondra ho amin’ny fiadanana na dia eo aza ny fiezahana rehetra ataony. Ny fahatezerana lehiben’ny Devoly, hita taratra eo amin’ny fahatezeran’ireo firenena mihitsy, dia mitana izao tontolo izao hikorontana sy ho ao anatin’ny fisavorovoroana mbola tsy nisy toy izany hatramin’ny nisian’ny tantaran’olombelona. Rahoviana izany rehetra izany no hifarana? Manome izao famantarana lehibe izao ny Baiboly: “Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay [Fiadanana sy filaminana! MN] dia hanjo azy tampoka ny fandringanana.” — 1 Tesaloniana 5:3.
Takatrao ve ny maha-zava-dehibe io fampitandremana io? Ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao sahala amin’ireo vao nohazavainay tamin’ny an-tsipiriany tao amin’ny lahatsoratra teo aloha dia mampiseho fa filoha sy vahoaka maro be no miresaka ny amin’ny fandriampahalemana sy ny fanatratrarana izany mbola tsy nisy toy izany mihitsy. Ny sasany mahatsapa fa hatramin’ny faran’ny Ady mangatsiaka, dia zavatra efa lasa ny fandrahonan’ny fandringanana noklehera. Eny, niresaka betsaka ny amin’ny fiadanana sy filaminana ireo firenena. Nefa, moa ve ny toe-draharaha eo amin’izao tontolo izao mizotra marina mankamin’izany lalana izany? Tadidio izay nolazain’i Jesosy momba ireo izay velona mandritra ny andro farany, nanomboka tamin’ny 1914, manao hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:34). Eny, ho tonga marina ao anatin’izao taranaka izao ny fiadanana, nefa tsy amin’ny alalan’ny fiezahan’ireo firenena. Ny fiadanana marina sy mahitsy ary mafy orina nampanantenain’i Jehovah Andriamanitra dia tsy mety ho tonga raha tsy amin’ny alalan’ny fanapahana efa antomotry ny Andrian’ny fiadanana voatendriny, Jesosy Kristy, ihany. — Isaia 9:6.
Raha irinao mafy ny hahita ilay andro hahatongavan’ny fiadanana marina sy hanandrana izany miaraka amin’ireo olon-tianao, dia miantehera amin’ilay Andrian’ny fiadanana ary tadidio tsara ireto teny manome antoka ireto: “Miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” — Lioka 21:36.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana antsipiriany momba ny filaharan’ny fisehoan-javatra teo amin’ny tantara araka ny Baiboly sy ireo faminanian’ny Baiboly efa tanteraka, dia jereo ny toko faha-12 sy faha-14 amin’ilay boky hoe “Ho tonga anie ny Fanjakanao”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Efajoro, pejy 6]
FARITANA NY FIADANANA
Amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ny olona dia mihevitra ny fiadanana ho toy ny tsy fisian’ny ady sy ny fifandrafiana. Izany anefa dia fanazavana tena voafetra momba ilay teny. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny teny hoe “fiadanana” (Hebreo: sha·lohmʹ) na ny fitenenana hoe “Fiadanana anie ho anao” dia nampiasaina ho fomba fiarahabana nahazatra. (Mpitsara 19:20; Daniela 10:19; Jaona 20:19, 21, 26). Mazava ho azy fa tsy hoenti-milaza tsy fisian’ny ady fotsiny izy io. Mariho izay lazain’ilay boky hoe The Concept of Peace momba izany: “Rehefa nampiasaina hilazana ny fiadanana ny teny hoe shalom, ny noeritreretin’ireo nampiasa azy tany am-boalohany dia ny toe-piainana nisy tao amin’ny tontolo na fitambaran’olona izay nanjakan’ny fananana ny ampy, firaisan-tsaina, fahafenoana, fahatondrahana. (...) Tany amin’izay nisy fiadanana dia samy nahatratra ny fari-pahavelomany ambony indrindra sady nahafapo daholo ny fitambarany sy ny tsirairay avy tamin’izay nahaforona azy.” Rehefa hitondra fiadanana Andriamanitra, dia tsy hoe tsy “hianatra ady intsony” fotsiny ny olona fa “samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy”. — Mika 4:3,4.
[Sary, pejy 7]
Ny tsy fisian’ny fiadanana dia tsapa niharihary hatramin’ny Ady lehibe voalohany