Ny fanambarana ny vaovao tsara any amin’ny “Tanàna Pôlineziana” any Nouvelle-Zélande
“NY TANÀNA pôlineziana midadasika indrindra eo amin’izao tontolo izao”. Izany no niantsoan’ny olona sasany an’i Auckland, renivohitr’i Nouvelle-Zélande. Nahoana? Tsy hoe satria fotsiny izy io no fonenan’ireo Pôlinezian’i Nouvelle-Zélande, ny Maori, fa satria koa misy Pôlineziana hafa an’aliny maro mipetraka any. Tao anatin’ireo taona faramparany, dia nifindra monina avy any amin’ny faritra andrefan’i Samoa, avy any amin’ireo nosy Cook, Tonga, Niue, ary avy any amin’ireo nosy hafa any Pasifika, izy ireo. Betsaka kokoa izao ny Maori avy any amin’ireo nosy Cook any Nouvelle-Zélande raha oharina amin’ny fitambaran’ny antokon’olona any amin’ny nosy Cook mihitsy! Toy izany koa, fa maro an’isa lavitra noho ny mponina any Niue ny Niueans monina any Auckland.
Na dia nifindra ho any Auckland aza ireo mponin’ny nosy avy any Pasifika ireo, voalohany indrindra, noho ny antony ara-toekarena, dia manana zavatra ilaina hafa tsy maintsy anomezana fahafahampo koa izy ireo. Zava-dehibe iray anisan’izany, ho an’ireo olona tia Baiboly amin’ny ankapobeny ireo, ny filany zavatra ara-panahy. (Matio 5:3, MN). Noho ny fahafantarana izany, dia nanao ezaka lehibe ny Vavolombelon’i Jehovah any Nouvelle-Zélande mba hitory ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” teo amin’ireo mponin’ny nosy ireo. (Matio 24:14, MN). Inona no natao tamin’izany lafiny izany, ary nanao ahoana ny fihetsik’ireo mponin’ny nosy nanoloana izany?
Ny fandrosoan’ny Samoana
Ny fanazavana nataon’ny misionera iray any Samoa dia manambara amintsika zavatra momba ny fiheveran’ireo mponin’ny nosy ireo ny zavatra ara-panahy. “Raha vao mihaona amin’olona iray ianao any Nouvelle-Zélande, dia fomba ny manontany momba ny asany tsy ara-pivavahana”, hoy ny fanazavany. “Any Samoa, ny fanontaniana voalohany atao mazàna dia mikasika ny fivavahana arahin’ilay olona.” Tsy mahagaga àry raha mitombo haingana kokoa noho ny antsalan’ny kongregasiona any Nouvelle-Zélande ny an’ireo kongregasiona roa miteny samoana an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Auckland.
Niorina tamin’ny 1977 ny kongregasiona samoana voalohany tany Auckland. Noho ny fitomboana avy amin’Andriamanitra dia niorina ny iray faharoa, fito taona tatỳ aoriana. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 3:6.) Ao amin’ireo kongregasiona roa ireo dia misy fitambarana mpitory ilay fanjakana 154, ary 12 amin’ireo no miasa eo amin’ny fanompoana manontolo andro. Ny alahady, amin’ny antsalany, dia olona maherin’ny 275 no manatrika ny fivoriana mifototra amin’ny Baiboly atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana.
Mihevitra ho zava-dehibe ny finoany ireo rahalahy sy anabavy samoana, araka ny asehon’ny zotom-pony sy ny fahavononana asehony eny amin’ny fitoriany ilay Fanjakana sy ny asa fanaovana mpianatra. (Matio 28:19, 20). Azo atao ny mahita izany avy amin’ity fanandraman-javatry ny anabavy samoana iray manaraka ity:
Tamin’ny fanompoana isan-trano, ilay anabavy dia tojo ramatoa iray niampanga ny fivavahana rehetra ho mpihatsaravelatsihy, sady nanakaton-trano izy io. Ankona sady sina ilay anabavy ary nanontany tena ny amin’izay tokony hatao. ‘Tsy azoko atao ny mamela azy fotsiny hihevitra fa mpihatsaravelatsihy ny Vavolombelon’i Jehovah’, hoy izy an’eritreritra. Noho izany, dia nanapa-kevitra ny hamela taratasy kely izy. “Nanazava fohy ny amin’ny fototra araka ny Soratra masina iorenan’ny asako aho ary nanontany raha afaka hanome fotoana ahy izy hanazavako aminy ny fanantenana atolotry ny Baiboly. Nataoko tao koa ny nomeraon’ny telefaoniko.”
Nandeha nanohy ny fanompoany ilay anabavy avy eo, ary nitsidika tokantrano hafa. Rehefa tonga tao amin’ny trano fahefatra nanamorona ny lalana izy, dia nisy nanome hafatra an-telefaonina hiverina hitsidika ilay ramatoa nanakaton-trano tamim-pahatezerana taloha kelin’izay. “Niala tsiny noho ny fihetsiny teo am-boalohany ilay ramatoa”, hoy ny fitantaran’ilay anabavy, “ary naneho fankasitrahana ny taratasy kely navelako izy. Nisy fifanakalozan-kevitra nahitam-bokatra nanaraka izany, ary natao ny fampianarana Baiboly tany an-tokantrano.”
Mampientana koa ny mahita ny toe-tsaina tia fahafoizan-tena ho amin’ny asa misionera nasehon’ny Vavolombelona samoana vitsivitsy. Nifindra avy tany Auckland nankany Wellington ny rahalahy iray sy ny ankohonany tamin’ny 1981, mba hanampy ilay antokon’olom-bitsy niasa teo amin’ny vahoaka samoana tany. Niainga avy amin’ny antokon’olom-bitsy voaforon’ny mpitory ilay Fanjakana 11 tamin’izany fotoana izany, dia misy kongregasiona iray manana mpitory 47 nitombo avy tamin’izany izao. “Mihoatra lavitra noho ny sorona natao ny haben’ny valisoa”, hoy ilay rahalahy. Vao haingana, izy sy ny ankohonany dia namaly ny ‘antso makedoniana’ ary nifindra niverina any amin’ny faritra andrefan’i Samoa. (Asan’ny apostoly 16:9, 10). Nisy maro hafa koa niverina any amin’ny toeram-ponenany taloha ary nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra manokana, misionera, na asan’ny Betela.
Ny fihetsiky ny Niueans
Mandroso koa ny asa fitoriana eo anivon’ireo Niueans any Auckland. Mitantara toy izao ny mpiandraikitra mpitety faritany: “Eo amin’ny fanompoana isan-trano, dia mahazatra izany hoe ampandrosoina ao an-trano izany. Akaiky tanana mazàna ny Baibolin’ny mpianakavy, ary heverina ho zavatra ara-dalàna ny fifanakalozan-kevitra momba azy io.”
Misy kongregasiona niuean tena marisika izao any Auckland. Nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany tamin’ny taon-dasa, ireo mpitory ilay Fanjakana 76 mpikambana ao amin’izy io dia afaka nandray olona 127 tamin’ny lahateny ampahibemaso ny Alahady. Ary misy toe-tsaina tsara dia tsara eo amin’ireo rahalahy sy anabavy any.
“Nokendrena ho herinandro manokana natao ho fampaherezana ny rehetra ilay fitsidihana”, hoy ny fanamarihan’ilay mpiandraikitra mpitety faritany. “Ny fisakafoana tsirairay dia nokarakarain’ny kongregasiona. Ary izany dia fotoana lehibe nanaovana ireo sakafo niuean manokana toy ny takihi (papay atao eo ambony lovia talesaka, taros [fakan-javamaniry any amin’ny tany mafana], ary “crème” vita amin’ny voaniho fonosina ravin’akondro), pitako (mofo vita tamin’ny taros, akondro, ary tavolo mangahazo), ary punu povi (henan’omby am-bifotsy), indraindray lazaina amin’ny teny vazivazy ho toy ny ‘bifteck’-n’ny mponin’ny nosy.”
Zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny pôlineziana
Mba hanomezana fahafahampo ny vahoaka pôlineziana any Auckland sy any an-toeran-kafa eo amin’ny zavatra ilainy ara-panahy, dia nanao fandaharana ny Fikambanana Watch Tower mba hamoahana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly sasantsasany amin’ny fiteny pôlineziana. Ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny rarotongan, na maori an’ny nosy Cook, dia mivoaka indroa isam-bolana. Raisin’ny olona tsara koa Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny niuean mivoaka isam-bolana. Ny indray mivoaka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny rarotongan sy niuean ankehitriny dia eo amin’ny 1 000 avy, ary eo amin’ny 900 izao ny indray mivoaka amin’ny fiteny samoana any Nouvelle-Zélande.
Ankoatra Ny Tilikambo Fiambenana, dia misy boky sy bokikely vitsivitsy vita amin’ireo fiteny pôlineziana isan-karazany. Ilay boky hoe Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay, navoaka tamin’ny fiteny niuean tamin’ny 1989, no zavatra vita an-tsoratra voalohany tamin’io fiteny io nanome fahatakarana ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Ny nahitam-bokatra tamin’ny fomba niavaka teo amin’ny saha fitoriana maori (rarotongan) an’ny nosy Cook, dia ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, amin’io fiteny io. Raha ny marina, ireo fampianarana Baiboly rehetra any an-tokantrano dia atao amin’ny alalan’io boky io avokoa. “Ny porofon’ny maha-fanampiana ahitam-bokatra azy io eo amin’ny fampianarana”, hoy ny fanamarihan’ny loholona iray, “dia ny zotom-po ananan’ireo mpianatra amin’ny fanombohana manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona.”
Ankoatra ny fizarana ireo zavatra vita an-tsoratra isan-trano fanaon’izy ireo, dia mametraka zavatra vita an-tsoratra betsaka ny vahoakan’i Jehovah mandritra ilay azo antsoina hoe fanambarana eny amin’ny fivarotana zavatra tonta. Noho ny fihoaran’ny isan’ny mponina pôlineziana any Auckland nandritra ireo taona faramparany, dia nipoitra ny tsena be ahitana talantalana vonjimaika natokana ho an’ny sakafo sy taozavatra avy any amin’ny Nosy Pasifika. Hatramin’ny 25 000 ny isan’ny olona mety ho tonga ao amin’ny tsena toy izany isaky ny asabotsy maraina. Amin’ny fampiasana amim-pahendrena izany fisehoan-javatra izany, dia mankany amin’ireny tsena ireny ny Vavolombelon’i Jehovah ary miresaka amin’ireo mpivarotra sy ny mpiantsena, momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
Nandritra ny fanompoany, dia afaka namafy voan’ilay Fanjakana tondraka sy nametraka zavatra vita an-tsoratra sesehena tamin’ny vahoaka pôlineziana ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower dia nanao tatitra fa nandritra ny taom-piasana 1990, dia zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny pôlineziana 23 928 no navoaka avy tao amin’ny fanontam-printy.
Firavoravoana eo amin’ny latabatra ara-panahy tokana
Noho izy ireo mahatsapa ny filany zavatra ara-panahy, dia ataon’ireo Vavolombelona pôlineziana eo amin’ny laharam-pahamehana ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana isan-kerinandro any amin’ny Efitrano Fanjakana, ary koa ny fanatrehana ireo fivoriambeny sy ny fivoriamben’ny distrikany. (Hebreo 10:23-25). Tao amin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra” natao tany Auckland tamin’ny Desambra 1988, dia nisy fotoam-pivoriana nisaraka natao tamin’ny fiteny samoana sy niuean ary maori an’ny nosy Cook. Anisan’ny nampiavaka ny fandaharana tamin’ny fiteny samoana ny tantara ara-baiboly iray tsara omana sady nampientam-po. Nampiseho ny fahaizany mampiantrano vahiny amin’ny fomba kristiana ireo Vavolombelona niuean sy any amin’ny nosy Cook tamin’ny fikarakarany ireo mpitsidika avy any amin’ny nosy niaviany, tamin’ny fisehoany ho mpandray vahiny malemy fanahy. Hita fa fotoana iray natao hihinanana sy hiravoana eo amin’ny latabatra ara-panahin’i Jehovah ilay fivoriambe. Tao amin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny Fiteny Madio” tany Auckland, dia 503 ny tampon’isan’ny Samoana nanatrika ireo fotoam-pivoriana.
Miharihary tokoa ny fihetsika manorina manoloana ny hafatr’ilay Fanjakana noho ireo olona avy any amin’ireo nosy pôlinezian’i Pasifika Atsimo ‘miandry ny lalàn’i Jehovah’. (Ampitahao amin’ny Isaia 42:4, 12, MN.) Mba mandray anjara amim-pifaliana koa amin’ny fanambarana ny vaovao tsara any amin’ny “tanàna pôlinezian’i” Nouvelle-Zélande izy ireo.