Ny “Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao” — Lalina sady azo antoka
“FENO hosoka!” Tany amin’ny taonjato faha-16, dia izany no nolazain’ireo mpanohitra momba ny fandikan-tenin’ny Baibolin’i Martin Luther. Nino izy ireo hoe afaka nanaporofo fa nirakitra “hevi-diso sy lainga 1 400 mifanohitra amin’ny zavatra inoan’ny fiangonana” ny Baibolin’i Luther. Amin’izao andro izao, dia heverina ho toy ny fandikan-teny modely ny Baibolin’i Luther. Ilay boky hoe Translating the Bible aza dia miantso azy io hoe “asan’ny lalin-tsaina”!
Tamin’ity taonjato faha-20 ity, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao koa dia nampangaina ho feno hosoka. Nahoana? Satria mihataka amin’ireo fandikana araka ny lovantsofina andinin-teny maro izy io ary manantitrantitra ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Araka izany, dia hafa noho ireo mahazatra izy io. Nefa, mahatonga azy ho diso ve izany? Tsia. Natao tamim-pahamalinana sy tamim-pitandremana fatratra izy io mba hanomezana antsipiriany, ary izay mety ho hita ho tsy mahazatra dia mampiseho ny fiezahana amim-pahatsorana mba hampisehoana amim-pitandremana ireo tsy fitoviana kely amin’ny hevitry ny teny tao amin’ny fiteny tany am-boalohany. Ilay teôlôjiana atao hoe C. Houtman dia manazava toy izao ny antony tsy ifanarahan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao amin’ny zavatra inoan’ny fiangonana: “Nisy fandikana ireo teny mifono heviny lehibe avy amin’ny andinin-teny tany am-piandohana, araka ny lovantsofina isan-karazany, nesorina, angamba mba hahatongavana amin’ny fahazoana hevitra tsara indrindra araka izay azo atao.” Aoka isika handinika ohatra vitsivitsy momba izany.
Hafa — Nefa tsy diso
Voalohany aloha, ireo teny nifandray akaiky tao amin’ny fiteny tao amin’ny Baiboly tany am-boalohany dia nadika, rehefa azo natao izany, tamin’ny teny anglisy samy hafa ka nampahafantatra ny mpianatra ny Baiboly fa mety hisy tsy fitoviana kely samy hafa eo amin’ny hevi-teny. Araka izany, ny hoe syn·teʹlei·a dia nadika hoe “fifaranana” ary ny teʹlos “farany”, kanefa samy nadika hoe “farany” ireo teny roa ireo any amin’ireo fandikan-teny maro be hafa. (Matio 24:3, 13, MN). Ny teny hoe koʹsmos dia nadika hoe “izao tontolo izao” (na tontolo), ny ai·onʹ “fandehan-javatra”, ary ny oi·kou·meʹne “tany onenana”. Eto koa, dia fandikan-tenin’ny Baiboly maro be no mampiasa ny hoe “izao tontolo izao” fotsiny mba hampisehoana ny roa amin’ireo teny grika ireo na izy telo, kanefa, raha ny marina, dia misy fahasamihafana eo amin’izy ireo. — Matio 13:38, 39, MN; 24:14, MN.
Sahala amin’izany koa, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia manamarika amim-pitandremana ny fahasamihafana eo amin’ny gnoʹsis (“fahalalana”) sy ny e·piʹgno·sis (nadika hoe “fahalalana marina”) — fahasamihafana nodian’ny maro hafa tsy fantatra. (Filipiana 1:9, MN; 3:8, MN). Avahany koa ny hoe taʹphos (“fasana”, toeram-pandevenana ho an’ny tsirairay), mneʹma (“fasana”), mne·meiʹon (“fasam-pahatsiarovana”), ary haiʹdes (“hadesy”, manondro ny fasana iombonan’ny taranak’olombelona maty, ao amin’ny Baiboly). (Matio 27:60, 61, MN; Jaona 5:28, MN; Asan’ny apostoly 2:29, 31, MN). Fandikan-tenin’ny Baiboly maromaro no manavaka ny taʹphos sy ny mne·meiʹon ao amin’ny Matio 23:29 nefa tsy mifanaraka amin’izany any amin’ny andinin-teny hafa. — Jereo Matio 27:60, 61, New International Version.
Ny filazam-potoana amin’ny matoanteny dia nadika tamim-pitandremana sy tamin’ny fomba voafaritra tsara. Ohatra, ao amin’ny Revised Standard Version, ny 1 Jaona 2:1, dia vakina toy izao: “Raha misy manota, dia manana mpisolovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy ilay marina”. Eo aoriana kelin’io, dia mandika ny 1 Jaona 3:6 toy izao io fandikan-teny io ihany: “Izay rehetra mitoetra ao aminy [Jesosy] dia tsy manota”. Raha tsy misy manota ny mpanara-dia an’i Jesosy, ahoana no hampiharana ny 1 Jaona 2:1?
Ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia manazava izany toa fifanoheran-kevitra izany. Milaza toy izao izy ao amin’ny 1 Jaona 2:1, MN: “Manoratra aminareo izany zavatra izany aho mba tsy hanao ota ianareo. Ary anefa raha misy manao ota, dia manana mpanampy ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, ilay marina”. Nampiasa filazam-potoana “aoriste” ([grika] tsy voafaritra) i Jaona tao amin’io andinin-teny io, hoenti-manondro ny fanaovana fahotana iray maningana, dia ny karazan-javatra ataontsika rehetra indraindray satria tsy tanteraka isika. Izao anefa no vakina ao amin’ny 1 Jaona 3:6: “Izay rehetra mitoetra ho tafaray aminy dia tsy zatra manota; tsy nahita azy na tonga tamin’ny fahalalana azy izay olona zatra manota.” Teto i Jaona dia nampiasa filazam-potoana ankehitriny, hoenti-manondro fomba iray fanaovana fahotana mitohy sady amim-pahazarana hahatonga ho tsinontsinona ny fihamboana ho kristiana asehon’izay rehetra nanao izany.
Manaiky ireo mpivaofy teny hafa
Eken’ny mpandika Baiboly na boky hafa ireo teny sasany tsy mahazatra noheverina ho noforonin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ao amin’ny Lioka 23:43, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao (anglisy) dia mirakitra ny teny nataon’i Jesosy tamin’ilay jiolahy nohomboana niaraka taminy manao hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio, hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” Tao amin’ny soratra grika tany am-boalohany, dia tsy nisy mari-piatoana toy ny faingo, fa mazàna no misy karazana mari-piatoana sasany ampidirin’ny mpandika teny mba hanampiana amin’ny famakiana azy. Ny ankamaroany anefa dia mandika ny Lioka 23:43 ho toy ny hoe ho any amin’ny Paradisa ny androtr’iny ihany i Jesosy sy ilay jiolahy. Izao no vakina ao amin’ny The New English Bible: “Izao no lazaiko anao: anio no hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” Tsy ny rehetra anefa no mandika toa an’io fiheverana io. Adikan’ny profesora Wilhelm Michaelis toy izao io andinin-teny io: “Marina tokoa fa izao aho dia efa manome antoka anao: ho tafaraka amiko any amin’ny paradisa ianao (indray andro any).” Io dikan-teny io dia araka ny fandrindran-kevitra lavitra noho ny an’ny The New English Bible. Tsy afaka niaraka nandeha tamin’i Jesosy ho any amin’ny Paradisa ny androtr’iny ihany ilay jiolahy maty. Tsy natsangana i Jesosy raha tsy tamin’ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesany. Nandritra izany fotoana izany izy dia tany amin’ny Hadesy, fasana iombonan’ny olombelona. — Asan’ny apostoly 2:27, 31, MN; 10:39, 40.
Araka ny Matio 26:26 ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, dia niteny toy izao ny amin’ny mofo natolony ny mpianany i Jesosy fony izy nanorina ny fankalazana ny Sakafo harivan’ny Tompo: “Mampiseho ny tenako ity.” Mandika an’io andinin-teny io toy izao ny ankamaroan’ireo fandikan-teny hafa: “Ity no tenako”, ary izany dia nampiasaina hanohanana ny foto-pampianarana hoe tonga nofon’i Kristy ara-bakiteny ilay mofo mandritra ny fankalazana ny Sakafo harivan’ny Tompo. Ilay teny nadikan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao hoe “mampiseho” (es·tinʹ, endriny iray amin’ny ei·miʹ), dia avy amin’ny teny grika midika hoe “dia”, nefa mety hidika hoe “mampiseho” koa io teny grika io. Araka izany, ny Greek-English Lexicon of the New Testament nosoratan’i Thayer dia milaza fa io matoanteny io “matetika dia mitovy amin’ny hoe manana heviny hoe, midika hoe, manambara.” Ny hoe “mampiseho” tokoa eto dia fandikan-teny araka ny fandrindran-kevitra. Fony i Jesosy nanorina ny Sakafo hariva farany, dia mbola niraikitra tamin’ny taolany ny nofony, ka ahoana no ho nahafahan’ny mofo ho tonga nofony ara-bakiteny?a
Vakina toy izao ny Jaona 1:1 ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao: “Ny Teny dia andriamanitra iray”. Vakina toy izao fotsiny io fitenenana io any amin’ny fandikan-teny maro be: “Ny Teny dia Andriamanitra”, ary ampiasaina hanohanana ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite. Tsy mahagaga raha mankahala ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao ireo mpanohana ny Trinite. Nefa tsy nasiana hosoka ny Jaona 1:1 mba hanaporofoana fa tsy Andriamanitra Tsitoha akory i Jesosy. Ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’ireo maro be hafa, dia nanohitra ny fanaovana ny hoe “andriamanitra” ho sora-baventy, taloha elan’ny nivoahan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao izay miezaka handika ny fiteny tany am-boalohany araka ny marina. Mampiasa ny teny hoe “andriamanitra iray” toy izany koa ny Alemanina dimy mpandika Baiboly ao amin’io andinin-teny io.b Fara fahakeliny, 13 hafa no nampiasa ny fitenenana toy ny hoe “mitovy karazana amin’Andriamanitra” na “iray karazana amin’Andriamanitra”. Mifanaraka amin’ireo tapany hafa ao amin’ny Baiboly ireo dikan-teny ireo mba hampisehoana fa andriamanitra i Jesosy any an-danitra, amin’ny heviny hoe fisiana iray araka an’Andriamanitra izy. Nefa tsy fisiana iray ihany na Andriamanitra iray ihany akory i Jehovah sy i Jesosy. — Jaona 14:28; 20:17.
Ny anarana manokan’Andriamanitra
Ao amin’ny Lioka 4:18, araka ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, dia nampiharin’i Jesosy tamin’ny tenany ny faminaniana iray ao amin’ny Isaia, manao hoe: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko”. (Isaia 61:1). Maro be no manohitra ny fampiasana ny anarana hoe Jehovah eto. Io anefa dia iray monja amin’ireo toerana maherin’ny 200 ahitana io anarana io ao amin’ny Soratra grika kristianin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, ilay antsoin’ny olona hoe Testamenta Vaovao. Marina fa tsy misy mirakitra ny anarana manokan’Andriamanitra ireo sisa tavela tamin’ny soratanana grika tany am-boalohany amin’ny “Testamenta Vaovao”. Nefa nampidirina tao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao io anarana io noho ny antony marim-pototra, fa tsy noho ny haitraitra fotsiny. Ary maro be hafa no nanao toy izany. Amin’ny fiteny alemanina fotsiny, dia fandikan-teny 11 fara fahakeliny no mampiasa ny hoe “Jehovah” (na ny fandikana ny hebreo “Yahweh”) ao amin’ny soratra amin’ny “Testamenta Vaovao”, raha mpandika teny efatra no nanampy an’io anarana io ao anaty fononteny, aorian’ny hoe “Tompo”.c Fandikan-teny alemanina maherin’ny 70 no mampiasa azy io ao amin’ny fanamarihana ambany pejy na fanazavana.
Teo amin’ny Isiraely, dia notononina tsy nisy fandrarana ny anaran’Andriamanitra nandritra ny arivo taona mahery. Io no anarana mateti-pitranga indrindra ao amin’ny Soratra hebreo (“Testamenta Taloha”), ary tsy misy porofo mampiaiky fa tsy fantatry ny sarambabembahoaka izy io na hoe hadino ny fanononana azy tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisantsika, rehefa nahazo tsindrimandry hanoratra ireo bokin’ny “Testamenta Vaovao” ireo kristiana jiosy. — Rota 2:4.
Manazava toy izao i Wolfgang Feneberg ao amin’ilay gazety zezoita hoe Entschluss/Offen (Aprily 1985): “Tsy nofihininy [Jesosy] ny anaran’ny rainy hoe YHWH fa natolony antsika kosa izany. Raha tsy izany dia tsy azo hazavaina ny antony tokony hamakiana toy izao ny fangatahana voalohany ao amin’ny Vavaka nampianarin’ny Tompo: ‘Hohamasinina anie ny anaranao!’ ” Manamarika i Feneberg ankoatra izany fa “tao amin’ireo soratanana ho an’ny Jiosy niteny grika tamin’ny vanim-potoana talohan’ny kristianisma, dia tsy nohazavaina tamin’ny teny hoe kýrios (Tompo) ny anaran’Andriamanitra, fa nosoratana tamin’ny endriky ny tetragrama [YHWH] tamin’ny tarehintsoratra hebreo na hebreo tranainy. (...) Mahita fahatsiarovana ilay anarana isika ao amin’ny asa soratr’ireo Rain’ny Eglizy fahiny, nefa tsy liana tamin’izany izy ireny. Tamin’ny fandikana io anarana io hoe kýrios (Tompo), dia liana kokoa tamin’ny fanomezana ny voninahitry ny kýrios ho an’i Jesosy Kristy ireo Rain’ny Eglizy.” Ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia mamerina ilay anarana ao amin’izay andinin-tenin’ny Baiboly rehetra tokony hisy azy ara-dalàna. — Jereo ny fanazavana fanampiny 1D ao amin’ny Baiboly misy fakàn-teny (anglisy).
Ny sasany dia manakiana ny endriny hoe “Jehovah” izay nandikan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao ny anaran’Andriamanitra. Ao amin’ireo soratanana hebreo, dia miseho amin’ny alalan’ny renisoratra efatra YHWH monja ilay anarana, ary maro be no manizingizina fa ny “Yaweh” no fomba fanonona mety fa tsy “Jehovah”. Araka izany dia heverin’izy ireo fa diso ny fampiasana ny hoe “Jehovah”. Nefa, raha ny marina, dia tsy manaiky velively ireo mpivaofy teny fa ny endriny hoe “Yahweh” no mampiseho ny fomba fanonona azy tany am-boalohany. Ny marina dia hoe na dia niaro ny fanoratana in-6 000 ny anarany hoe “YHWH” ao amin’ny Baiboly aza i Jehovah, dia tsy niaro ny fomba fanonona azy io, izay ren’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay izy. (Eksodosy 20:2). Noho izany, dia tsy ny fomba fanonona no tena zava-dehibe indrindra tamin’izany fotoana izany.
Tany Eoropa, dia ny endriny hoe “Jehovah” no fantatra indrindra nandritra ireo taonjato ary ampiasaina ao anatin’ny Baiboly maro be, anisan’izany ny fandikan-teny jiosy. Hita imbetsaka izy io eny amin’ny trano lehibe, amin’ny vola madinika sy zavatra hafa, amin’ireo boky, ary koa ao amin’ireo hiram-pivavahana maro be. Noho izany, dia mampiasa ny endriky ny anaran’Andriamanitra izay eken’ny besinimaro ao amin’ireo fiteny samy hafa rehetra andikana azy ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao fa tsy manandrana mampiseho ny fomba fanonona hebreo tany am-piandohana. Izany indrindra no ataon’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly hafa amin’ireo anarana hafa rehetra ao amin’ny Baiboly.
Nahoana no misy fanakianana mafy?
Nokianina ny Baibolin’i Luther satria nataona lehilahy iray izay nampiharihary ny tsinin’ny fivavahana niorina tamin’ny lovantsofina tamin’ny androny. Nanokatra ny lalana hahitan’ny olon-tsotra ny fahamarinan’ny zavatra be dia be nolazainy ny fandikan-teniny. Sahala amin’izany koa, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia kianina satria avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izay manambara an-karihary fa tsy hita ao amin’ny Baiboly ireo foto-pampianarana maro ben’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao ihany tokoa fa tsy Baiboly hafa no mampiharihary izany.
Raha ny marina, dia boky lalina ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao. Tamin’ny 1989, dia niteny toy izao ny profesora Benjamin Kedar avy any Isiraely: “Tao amin’ny fikarohana nataoko momba ny famakafakan-teny mifandray amin’ny Baiboly hebreo sy ny fandikan-teny, dia naka teny matetika tao amin’ny fanontana anglisy amin’ilay fantatra hoe Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao aho. Tamin’ny fanaovana izany, dia hitako fa voamarina matetika ny fahatsapako fa manome taratry ny fiezahana amim-pahamarinana hanatratra ny fahatakarana ny hevitry ny andinin-teny mba ho marina araka izay azo atao, io boky io. Amin’ny fanomezana fitsipika malalaka amin’ny fiteny tany am-boalohany, dia mandika ny teny tany am-boalohany ho amin’ny fiteny faharoa mora takatra izy, ary tsy mihataka tsy amin’ny antony amin’ny firafitra manokan’ny teny hebreo. (...) Ny famelabelarana fiteny rehetra dia manome fahalalahana eo amin’ny filazana hevi-teny na fandikan-teny. Noho izany, ny valin’ny famakafakan-teny amin’ny toe-javatra rehetra na inona na inona dia mety ho azo iadian-kevitra. Nefa tsy nahita mihitsy aho na dia iray aza tao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao fikasana ratsy hamaky zavatra tsy hita ao amin’ny soratra tany am-boalohany akory.”
An-tapitrisany maro amin’ireo mpamaky Baiboly maneran-tany no mampiasa ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao satria izy io dia fandikan-teny amin’ny fiteny ankehitriny izay mandika ireo teny ao amin’ny Baiboly mifanaraka tsara amin’ny fahamarinana. Misy amin’ny fiteny 9 izao ny Baiboly manontolo, miampy roa amboniny, ny Soratra grika kristiana fotsiny; efa eo am-pikarakarana azy izao ny fandikana azy io ho amin’ny fiteny 20 fanampiny. Mitaky taona maro sy asa voakajy tsara ny fandikan-teny marina toy izany, nefa manantena isika fa hivoaka amin’ireo fiteny samy hafa rehetra ireo ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao amin’ny farany ka hanampy olona betsaka kokoa hanana fahatakarana tsara kokoa ny “tenin’ny fiainana”. (Filipiana 2:16). Koa satria izy io efa nanampy olona an-tapitrisany maro hanao toy izany, dia tena mendrika ny fiderana tokoa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny Apokalypsy 1:20, ilay Alemanina mpandika teny atao hoe Curt Stage dia nandika io matoanteny io ihany toy izao manaraka izao: “Ny fanaovan-jiro fito dia mampiseho [ei·sinʹ] kongregasiona fito.” Nandika azy io hoe “manambara” [es·tinʹ] i Fritz Tillmann sy i Ludwig Thimme ao amin’ny Matio 12:7.
b Jürgen Becker, Jeremias Felbinger, Oskar Holtzmann, Friedrich Rittelmeyer, ary Siegfried Schulz. Hoy i Emil Bock hoe: “fisiana araka an’Andriamanitra iray”. Jereo koa ny fandikan-teny anglisin’ny Today’s English Version, The New English Bible, Moffatt, Goodspeed.
c Johann Babor, Karl F. Bahrdt, Petrus Dausch, Wilhelm M. L. De Wette, Georg F. Griesinger, Heinrich A. W. Meyer, Friedrich Muenter, Sebastian Mutschelle, Johann C. F. Schulz, Johann J. Stolz, ary Dominikus von Brentano. August Dächsel, Friedrich Hauck, Johann P. Lange, ary Ludwig Reinhardt no manao ilay anarana ao anaty fononteny.
[Teny notsongaina, pejy 28]
Eo an-dalam-pahatanterahana izao ny fandikana ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao ho amin’ny fiteny 20 fanampiny
[Efajoro, pejy 29]
FANDIKAN-TENY IRAY MAMPISEHO NY MAHA-MENDRI-PIDERANA AZY
Tafaresaka tamina ramatoa be taona iray ny Vavolombelon’i Jehovah iray tany Alemaina, ka novakiny taminy ny Habakoka 1:12, manao hoe: “Tsy hatrizay hatrizay va ianao, Jehovah ô? Andriamanitro ô, ry Iray Masiko, tsy maty ianao.” Nanohitra ilay ramatoa satria milaza toy izao ny azy ny Baiboliny: “Aza avela ho faty izahay”. Nomarihin’ilay Vavolombelona fa ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia mifikitra amim-pitandremana amin’ny soratanana tany am-boalohany. Koa satria niteny hebreo ilay ramatoa be taona, dia naka ny Baiboliny amin’ny fiteny hebreo izy ary nahita tamim-pahatairana fa hay marina ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao. Nanova an’io andinin-teny io hatry ny ela ny Soferima (mpanora-dalàna jiosy) satria nihevitra izy ireo fa nampiseho tsy fanajana an’Andriamanitra ilay andalan-teny tany am-piandohana. Afa-tsy amin’ny toe-javatra vitsivitsy maningana monja, dia tsy nanitsy io fanovana nataon’ny mpanora-dalàna io ireo fandikan-tenin’ny Baiboly alemanina. Namerina ny andinin-teny tany am-piandohana ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.
[Sary, pejy 26]
Efa misy amin’ireto fiteny ireto izao ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao feno: Danoa, Neherlanday, Anglisy, Frantsay, Alemanina, Italiana, Japone, Portioge, ary Espaniola